1. LazaDaddy ( 25/10/2010 22:01)
Raha olona ohatr'ireny kosa angamba tsy hanome tsiny ahy ianreo raha miteny hoe "tsy mendrika ny hisolo tena ny Malagasy ka tokony ampodiana". Izaho atao Ambasadaoro fa tsy hanala baraka ny firenena ohatr'ireny aho fa hipetraka mangina ao an-trano sy hitsangatsangana hanao vakansy :)

Sady tsy mahay teny frantsay, tsy miteny anglisy ary tsy miteny allemand kanefa any Suisse no miasa. Ny toetra maha-diplaomaty aloha dia tsy hitako taratra taminy mihitsy fa olona kanosa sy milela-paladia ny vahiny, lehilahy lehibe tsindrin'ny vehivavy sy alikain'ny mpanao gazety no hitako tao amin'ilay horonam-tsary tamin'ny vaovao.

Dia ohatrinona ny volan'ny vahoaka nolanian'ny fanjakana Malagasy tamin'iny? (Limousine, karaman'ny chauffeur, karaman'i Rajemison, ...).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.165