MIARO NY VAHOAKA?

1. Ruz9 ( 24/08/2010 14:07)
Mazoto mitety tany kosa ramatoa ministra a, dia mizarazara zavatra a
Hitondra inona ho an'ny Firenena moa ity fitetezam-paritra ity? Sa @ zay dia hoe tia tanindrazana?
Hahavita inona ho an'ireo olona ireo moa izay zavatra kely zarazarainareo (sakafo kely , lamba firakotra...)?
Aoka izay ity fanambatambazana @ sakafo indray mandrotsaka sy fanomezana handrendreham-bahoaka ity e. Satrinareo hahantra hatrany ny vahoaka hahafahana manambitamby sy mividy azy @ ireny zavatra zarainareo ireny.

Tsy fotoanan' ny propagandy aloha izao, mahandrasa tantana, fa ianao izany toa mandeha aloha loatra.

Milaza ianao fa miaro ny vahoaka; vahoaka iza moa izany arovanao izany? Asa fa ny hita sy fantatra hatr@ izao izao aloha dia mpiray petsapetsa @ izao fampahantrana lalina ny firenena izao ianao.
Niaraha-nahita ny fomba nampiasainareeo hahataongavana eo @io toerana misy anareo ankehitriny io : fandorana sy fandrobana tranombarotra; fandorana ny RNM sy ny TVM ( t@ lundi noir), fanaovana sorona ny mpiray tanindrazana @ tena, eny fa na dia ireo mpanohana anareo aza tamin'ny febroary 2009 teny Ambohitsorohitra,sns....dia ianao sy ny fitondrana misy anao ankehitriny; izany ve no atao hoe tia tanindrazana? izany no milaza ho miaro vahoaka? mbola ny vahoaka ihany aza nefa no nampangainareo ho tompon'antoka t@ ireny raharaha ireny; nolazainareo fa efa mahantra loatra ny vahoaka ka nahavita an'ireny halatra sy herisetra ireny, ary ny olona maty t@ ireny inona, tsy isam-bahoaka angaha ireny? Dia mbola ny vahoaka ihany ankehitriny no mizaka ny vokatry ny nataonareo, raha tsy hilaza afa-tsy ny fahaverezan'asa. Izany no miaro ny vahoaka a? Dia inona izany no hilazana ny dahalo sy ny jiolahy isan-karazany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1691