MANIRERY

1. rajy ( 23/11/2009 08:44)
Sao mba misy mahay ny tonony sy ny mpihira azy ary koa aiza no mety ahitako CD na K7 misy io hira io fa efa notadiaviko hatry ny ela fa tsy mety mahita aho. Misy filma gasy izay (lisaka) dia io foana ny hira mandeha ao aminy fa tapatapaka foana dia tsy mety voaraiko tsara misy toy izao ny tonony
Manirery lavitra ano ity foko
Manirery ianao namana nandao

Ny ho avy anie no hobanjinina mialoha
Tsy ho ela anie hifankahita isika roa
Izaho sy ianao ianao sy izaho
Mpiara-milalao hatrizay

Ref
Na mavesatra aza aky zany alaheloko
Ka na hisy ny tsy tia aneso ahy koa
Tsy mampiova ny fitia zay nisy teo aloha
Andriko foana ny ora hiverenanao
Hiverenanao

Io no tonony haiko ao aminy de mba mahafoiza fotoana kely moa izay mahay e

Misaotra mialoha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2659