ba toroy hevitra azafady

21. soanja ( 23/09/2009 13:38)
Ni81 sy Ratoa> Misaotra indrindra.

Ny olako mantsy dia nahandro tahak'io ihany fa may ihany ilay sisiny fa raha vao asiana rano amin'izay dia miendaka avao ny rehetra fa tsy misy mijanona manome ilay ranombolamena.

Andramo indray zany. Efa ela zah tsy nanao intsony tsinona. (l)
22. Ratoa ( 23/09/2009 19:04)
ka raha vao masaka manitra ny vary dia loary, raha tsy izany miendaka apango. Tsy tian'ny gasy mihitsy ny vary miendaka apango! Mitory izany fa tsy ao amin'ilay nahandro ny fon'dRamatoa ka tsy madio (net) ny asany.
Raha vary tsy nasiana apango no andrasana kelikely vao loarana, amin'nizay mitsiratsiraka tsara; ary tsy misy very.
23. soanja ( 24/09/2009 02:25)
Ka ilay izy aloha in-2 ihany aho no naika hanao ranoampango satria nanasa olona izahay dia hoe sakafo gasy dia ranoampango no rano sotroina. Dia nihevitra aho fa nety ny voalohany nataoko nefa ny gasy vitsivitsy tao niteny hoe tsy ao ilay ranoampango. Dia nanao koa izay namako iray izay tafaran'io dia niendaka daholo ny azy. Dia samy niteny izahay mirahavavy hoe tsy mety ampango aty aminay. Nefa ny afo faharoa tena afon-tsaribao ary vilany gasy tanteraka. Ny rice cooker kosa angamba tsy afaka hanaovana ampango e. Dia io anefa no andrahoako isaky ny mahandro vary. Fa hanandrana ilay vilany Alu aho ka. Dia lazaiko anareo eo ihany.
24. ni81 ( 24/09/2009 06:20)
tena tsy mety hanaovana ranovola ny rice cooker ka!
25. soanja ( 24/09/2009 19:38)
ni81:

tena tsy mety hanaovana ranovola ny rice cooker ka!


Iny indray mbola tsy takatry ny vazaha ny fika amin'iny. Masaka ny vary movemovemove....


:D :D
26. ni81 ( 24/09/2009 20:36)
aroso ny lasary movemovemove
o lé promenady laloust e galéni (tsy haiko na diso io na marina :-P )
niaraka izahay 3 vavy tery ambony tery
:-D :-D :-D
27. soanja ( 24/09/2009 22:20)
ni81:

aroso ny lasary movemovemove
o lé promenady laloust e galéni (tsy haiko na diso io na marina :-P )
niaraka izahay 3 vavy tery ambony tery
:-D :-D :-D


Zakilino zakilino
Ity ny taratasinao
Avy aiza avy aiza o?
Avy am le sipa
Malalanao
Aiza izy o Aiza izy o
Ambadibadikao

tssss tsy tadidiko tsony.....


:( :D :D
28. Papoose ( 24/09/2009 22:54)
maninona o maninona o
miandry ny valin-teninao!

tafiaraka izahay sy malala tery ambony tery
dia tsy tadidiko :-P
29. Ratoa ( 25/09/2009 00:49)
ny lokon'ny rano-bolamena ry ketaka miankina amin'ny degré an'ilay marron marron â! dia rehefa asiana rano izy tsy andrasana hangotraka fa vao mangoro vitsika ( misy couche mousse blanche eo ambony). tsy atao mangotraka mivadibadika izany ny rano fa manjary be fako fako sy miova ny tsirony. Tsy mivadika mihitsy na indray mandeha aza. (tsy misy ilay bouillonnement iny). ny rice coocker tsy mety hanao rano vola fa efa pré-programmé tsy hiraikitra sy tsy ho may
30. soanja ( 25/09/2009 03:14)
Ratoa:

ny lokon'ny rano-bolamena ry ketaka miankina amin'ny degré an'ilay marron marron â! dia rehefa asiana rano izy tsy andrasana hangotraka fa vao mangoro vitsika ( misy couche mousse blanche eo ambony). tsy atao mangotraka mivadibadika izany ny rano fa manjary be fako fako sy miova ny tsirony. Tsy mivadika mihitsy na indray mandeha aza. (tsy misy ilay bouillonnement iny). ny rice coocker tsy mety hanao rano vola fa efa pré-programmé tsy hiraikitra sy tsy ho may


Am sabotsy zah manamboatra dia lazaiko anareo eto indray ary. Misaotra amin'ny torohevitra. Ka tsy rice cooker aloha no nanaovanay azy fa le vilany cocote mahazatra ireny ihany.


31. malala1 ( 25/09/2009 12:19)
manasa hihinana mofo sakay o.
32. Ratoa ( 25/09/2009 13:01)
manasa hihinana mofo sakay o.
atspiazo aty
le vilany cocote mahazatra ireny ihany.
dia tokony hety tsara fa vilany matevina mihitsy no mety. Fa angaha mamanareo tsy mba nampahandro vary anareo?
Ny anay taloha tena ady tsy vita mihitsy rehefa tsy nisy ranovola fa ny an'i Rabaininay atao anaty bol dia raisiny amin'ny sotrony efa misy vary, dia toa izany koa ny ron'anana. Dia misy kôpy koa isotroany ranovola.
Fahatsiarovana daholo izany sisa fa Rabainina efa tsy eto intsony moa misy zandriko nanahaka io fitiavany io.
33. soanja ( 28/09/2009 15:46)
Ratoa:

Fa angaha mamanareo tsy mba nampahandro vary anareo?



Ny anay ny lehilahy no mahandro sakafo fa ny vehivavy kosa manao asa hafa ankoatr'izay tamin'ny fotoana nibeazako tao amin'ny RAD-niko. Saingy nony tany Oniversite dia efa rice cooker no nampiasaina.

Nahandro vary fomba gasy sy nanandrana nanamboatra ilay ranoampango ihany aho tam asabotsy, sady afo kitay mihitsy no nandrahoana azy saingy nilaza ny vadiko fa kely sisa fa mbola tsy ao tsara fa mety ny karazam-bary nanamboarana azy hono no olana . hihihi misaotra na izany aza fa efa mihahitako ilay fika.


:-* :-* :-*
34. Ratoa ( 28/09/2009 22:02)
Sao dia tsy manasa vary ary ianao?????? hihihihihihi Hany ka tsy mety may ilay izy fa mifono amidon (lakôly) dia tsy laitran'ny afo?
35. soanja ( 29/09/2009 04:29)
Tena manasa in-3 aza vao arotsaka ka!
36. Ratoa ( 29/09/2009 21:15)
dia miofo indray ilay vary
37. soanja ( 01/10/2009 15:48)
Ny hampiofo tsara azy mihitsy aloha no tena tanjoko satria be pesticide ny vary aty. Izay ilay resahiko hoe mety tsy ho tody amin'ny tena ranoampango ny aty aminay. Misaotra nampianatra. :-* :-* (l)
38. Ratoa ( 04/10/2009 20:32)
Ela ela indray izay.
Ka raha be pesticide ny varinareo, aleo tsy manao ranonampango fa manjary poizina satria mifatratra any ambany any daholo ilay pesticide. Ny varin'Imerintsiatosika no hitako fa be pesticide.
39. soanja ( 06/10/2009 00:01)
Ratoa:

Ela ela indray izay.
Ka raha be pesticide ny varinareo, aleo tsy manao ranonampango fa manjary poizina satria mifatratra any ambany any daholo ilay pesticide. Ny varin'Imerintsiatosika no hitako fa be pesticide.


Ie. Misy vary mena aty antsoin-dry zareo vary Nepalese dia io no fanhandroko isanandro saingy mbola tsy nanandrana an'iny natao rano ampango aho satria maika lava dia rice cooker ihany aloha. Amin'ny camping manaraka indray vao manao indray aho dia andramako io satria vary organika io anankiray io.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3699