toa tojo valiny

1. itaramasoandro ( 16/08/2009 04:29)
iray volana lasa izay no naneho antso teto @ ity takelaka ity aho, toy ny malagasy maro ka nanao hoe:

rahoviana no hisy olona, hiaiky ampanatrehan-tena fa diso lalàna ny nosy ka ampy izay ny fahazazänasy ny fangalampiery?
rahoviana no andevona ny ambopoa ny tsirairay fa tanindrazana iray ihany no lovaina?
aza avela ho nofinofy ihany ny fandrosoan\'ny malagasy fa tsy natao handrora mitsilany foana ny taranaka.


iray volana taty aoriana dia toa tojo valiny izany antso izany ka ampahendrena, ampanantre-tena ary ampihavanana no nifanaiky hifanantona ny mpanongam-panjakana sy ny mpijadona.

nanaiky hifampijery imaso imaso, hifanatry tava ary hifanatrika, nitelina ny ambompony tsirairay avy.

tsy hay ny tsy hiarahaba izany fifanantonana sy hezaka fampirahalahiana izany. satria eo @ ilay resaka fihavanana moa no nitondràna ny raharaha satria malagasy ny tena.

aoka kosa tsy ho adinoina fa tsy ho sodoaka ny vahoaka malagasy fa tsy kobaka ambava sy ronono antavy no hilain\'ny nosy fa olona izay rahatrizay hampandroso marina ity firenena tokana ity.
olona tsy manana tantara voaloton\'ny herisetra isakarazany.

olona madio, olona miaro sy mitsinjo ny mahamalagasy sy ny maha madagasikara miray hina, miaro ny tombontsoan\'ny malagasy sy ny harentsainy, ny harena ambanintany, ny harena misy ao aminy, ny demokrasia, ny fahafahana, ny zon\'olombelona.

manaraka hatrany ny hetsika ny malagasy tsirairay fa aoka tsy havilivily. ho hita eo ary izany.

itaramasoandro 8)





© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9353