ZAO VE NO ATAO HOE: FINOANOAM-POANA!

21. endrika01 ( 23/08/2009 09:11)
Anjaso,hoanareo zay mipetraka any atsimo atsimo andrefana any,
Lalana Antsirabe -Morondava iny,Vao miala ny Betafo nareo dia misy toerana zay ao,

Fidirana raha tsy diso ny fitadidiako,maro be zay olona hatrany no mitantara,misy mifaninana mahay raha ao aminio toerana io.Mahavita raha ,raha entina anaovana soa ny namana,dia anisany mamporisika zah,de mbola miakandrefandrefana any,misy anizany we,tsy azo atao ny milaza ora raha misy manontany fa atondro azy fotsiny ny famataran'oranao,tsy azo atao ny mandrora fa,anaovan'ny olona zao sy zao,tsy azo atao ny mamela paingotra eny aminy akanjo eny,fa asiany olona ny ambalapaingotra,ie,bobaka be ny milaza izany,fa tsy izaho mintsy no mamorona an,

Hany ka na te hamangy ny havana any Morondava any aza,de malaina be,de ry zareo mitaraina be,we mba vakio ny havana e,tongava fa zahay no manome ny saran-dalana raha resa-bola no tsy hahatongavana e,

Lasa mahatonga,fankahalana ny firenena indray raha diso trop loatra reo ,zvt lazaina finoanoam-poana,nefa tena ampihariny sasany,hoatry ny hoe teritery eo @taniny,hatrany an-dranomasina retra any......
22. JOSIAH ( 25/08/2009 08:24)
Raha hinoanao ny finonompoana de tonga aminao tsy azo atao ny manondro fasana fa maha boka e za efa impiry nanondro a hatramizao aho mbola tsy boka :wink:
23. ikaretsaka ( 25/08/2009 15:39)
arakarak ilay hoe fasana aiza no notondroinao...
nisy rangahy mpitendry kabaosy izay teo antaninarenina (asa raha mbola any izy izay) anontaniana
24. endrika01 ( 25/08/2009 16:46)
tsy azo atao,hono,ny mampiaraka aminio toerana io. indrindra,hono,raha manao firaisana ara-nofo eo ireo mpifankatia,tsy afaka misaraka teo tsony,hono,....finoanoam-poana...
25. ari.malala ( 26/08/2009 11:26)
endrika, ilay resaka miraikitra v no finoanoampoana hoy indry? sa ilay toerana? ilay niraikitra kosa aloha efa imbetsaka naheno zà e! fa ts voatery hoe teny ambody fasana fa nisy koa teo am-panandramana pozisio :P HS ngamba fa ilay ohe miraikitra no tena tiako tenenina hoe tena misy.
26. Papoose ( 26/08/2009 15:28)
ie le miraikitra aloha za efa mba nahita eee! (nahita le olona niara-niraikitra no hitako rehefa voasaraka fa tsy teo am-piraiketana)
27. hana ( 26/08/2009 23:43)
Sendra nividy pochettes multi-color hasiana CD aho, ho an'ny ao am-piasàna. Nisy loko : mavokely, orange, manga, maitso ary fotsy.
Nomena ahy ho entiko mody ireo miloko mavokely sy orange fa tsy manambina ilay toeram-piasàna hono ireo loko ireo, indrindra ny mavokely.
Ny mpiara-miasa no nampita io tamiko, noheveriko ho ilay loko fotsiny no tsisy tia hatr@ izay satria tsy ahitàna io mihitsy tokoa ao.
28. Papoose ( 27/08/2009 13:43)
fa misy tantarany angaha le toeram-piasana??? mampiahiahy ahy raha izany!
29. xxx ( 31/08/2009 15:14)
Papoose:

ie le miraikitra aloha za efa mba nahita eee! (nahita le olona niara-niraikitra no hitako rehefa voasaraka fa tsy teo am-piraiketana)


Misy fanazavàna scientifique ny mampiraikitra raha tsy diso aho
Misy milaza nefa fa dinganin'ny anadahy dia misaraka, io indray no tsy azoko ny antony, aza raha tena marina
30. Papoose ( 31/08/2009 15:24)
dinganin'ny anadahy??? :oops:
31. ravonjison ( 31/08/2009 15:29)
xxx:

Papoose:

ie le miraikitra aloha za efa mba nahita eee! (nahita le olona niara-niraikitra no hitako rehefa voasaraka fa tsy teo am-piraiketana)


Misy fanazavàna scientifique ny mampiraikitra raha tsy diso aho




Marina io .
32. Papoose ( 31/08/2009 15:35)
nde mba hanaovako fikarohana :wink:
33. sakamalao ( 30/10/2009 23:19)
Ary ahoana ndray lay hoe ny mpifankatia hono ra vao mampiaraka ery Anosy ery de tsy maintsy tafasaraka hono...Za aloha mba tsy te-hinohino foana nefa tsy sahy ihany aloha e :wink:
34. randobetafo ( 30/12/2017 15:36)

endrika01:

tsy azo atao,hono,ny mampiaraka aminio toerana io. indrindra,hono,raha manao firaisana ara-nofo eo ireo mpifankatia,tsy afaka misaraka teo tsony,hono,....finoanoam-poana...
>> Ianao angaha efa nanandrana?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0908