Novakiako an-gazety sasany androany ny hoe ny ambasadaoro frantsay eto antanindrazana dia niresaka momban'ny raharahampirenena sy ny olana eto an-toerana.
Fa ataon'ny malagasy inona ny hevitr''i Ramose? Fangaha izy no ilaina hitarika sy hanome ny heviny momban'ny nosy é? Ary heverina ho tenin'evanjily angaha ny voalazany ka tsy maintsy ho fantarina'?
Ndrao lahy manome lanja be hatrany an'i Ramose sy ny tany frantsay soloiny vava ny mpanao gazety sasany ka mandetika ny malagasy ao @ fahalemena sy ambanin'ny ziogan'ny frantsay!
Fa tsy ampy va re izay rehetra 80 taona nanjanahan'ny frantsay miampy ireo 40 taona mahery nametrahany tetsy sy teroa teto @ nosy ny voanjony?
Rahoviana ary ramalagasy vao hihetsika irery tsy hikaroka foana ny ho tantànan'ny frantsay?
itaramasoandro 8)