Fandika

1. xxx ( 13/05/2009 20:48)
Misy olona narary ary ny dokotera nalehan-dry zareo dia nihevitra fa hemoroida no nanjo ity lehilahy.
Somary nanaintaina hono no fisehony ary aveo dia nivonto be anankiroa hafa koa teo ambanin'ny atody akanga (testicules) ary dia nitomany toy ny zazakely mihitsy rehefa mipipy na mikàkà.
Nandeha t@ olona malaza fa manasitrana (tsy dokotera fa mitsabo @ ravinkazo) ry zareo ary dia nisy ranon-javatra izany nahosotra teo amin'ilay faritra nivonto ary mba nampitony ny fanaintainana.
Ny ampitson'iny nanosorana azy fanafody iny dia vaky ilay izy dia maimbo be toy ny fofom-paty mihitsy.
Araka ny voalazan'ireo olona izay nitsidika ity marary ity dia "fandika" no anaran'io aretina io.
Ka ny fanontaniana mba manitikitika ahy dia hoe: azo avy @ firaisana ve io aretina io sa azo avy amin'ny inona ho an'ireo izay mba afaka manome fanazavana, satria mba mijery t@ boky sy eto @ internet ihany aho fa tsy hitako izay mitovy @ fisehon'ilay aretin'io olona io.
Misaotra anareo.
novalian'i Wuayatsu ny 03/08/2023 09:31
2. Lejoba ( 15/05/2009 22:28)
tsy aretina siantifika ny fandika fa mosavy, izany hoe azo avy @ ody gasy. Dikain'ilay mpamorika hono ny alokao rehefa hanisy ratsy anao izy, izay no nahatonga ilay anarana.
Fa azo inoana koa hoe olona nanaovany firaisana no nanisy azy an'io satria matetika resaka valifaty no amelezan'ny olona an'io. Oh hoe bandy manambady nefa manao sipa na mandao sipa mbola mifikitra sns. dia amosavian'ilay sipa tsy tiana : rehefa tsy ho azy dia tsy tiany ho an'ny hafa. Tsy haiko na mamely an'io koa ny rafilahy fa any Dago moa matetika ny vhvv no voatonona @ itony.
Izay no nahatonga hoe tsy hitan'ny dokotera ilay izy fa tany @ ilay mpanasitrana no nisy irika.

Hendre tsara ihany zalah eo @ fiainana eh, raha izaho ileiry entiko any @ mpiandry io fa tsy hay izay mety ho effets sécondaires avy eo, sao oh lasa impuissant na mamindra @ olona hafa ets
3. vaotonga ( 23/05/2009 06:42)
Za indray aloha dia mbola tsy nahita na dia efa voan'izany aza ny zandriko,tantaran'ny ol no henoko fa hoe nasian'ny ol ny fandika ny zandrinao,ary ny nolazain'io ambony io de tsy haiko ny fahamarinany fa raha ny zandriko aloha dia teny ampandehanana handeha hivavaka angamba izy izay raha tsy diso aho no tratrany.Ekeko fa famosaviana le izy ary ny'cas"ny zandriko no tantaraiko eto,ny nahazoan'ny zandriko an'le izy de misy zavatra apetrak'ilay mpamosavy eny @ toerana sy lalana izay fantany fa aleha matetika,ka raha vao voadika iny dia tratra avy hatrany le ol mpandika,tsy mahavo an'ny rehetra izy io na de be mpadika aza eo fa izay ho kendren'le mpamosavy ihany no tratra.Ka raha misy voan'io de aza miheritreri-dratsy hoe"sex"ihany fa maro ny"facteur"mety ahazoana an'izy io.Izay koa anie ny tombotsoa hanaovana kapa e! raha manao kapa na kiraro ny ol rehetra de ho foana ho azy io ankasom-parana io,ahoana anefa no ahatanterahan'izany raha ny any amintsika any Mada no resahina,resaka mbola lavitr'ezaka be izany,ny ol aza tsy misy hohaniny fa ny hohanina anio tadiavina anio,ny hohanina ampitso tadiavina ampitso,ny mpiady seza @ politika anefa de jereo ireto izy?Tonga eo anefa de tsy hita akory izay vitany fa ny fiainana foana no hita midangana sy mitotongana andro aman'alina nefa ry le maty isany be tenda sy matavy.Mampalahelo!!!!!!!!!!!!!!
4. Wuayatsu ( 03/08/2023 09:31)
Azafady aiza kay no misy an’ilay mpitsambo aminin’ny Ravin-kazo nandehananareo fa ny reniko ihany koa sahala ny voa an’izany .Misaotra mialoha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4734