NY FISAINAN'NY MPANAO POLITIKA MALAGASY

1. falyfenosoa ( 08/05/2009 08:50)
Io fisainan'ny mpanao politika io no tsy mampandroso antsika, olona tokony ho gadraina i PIerrot Rajaonarivelo satria anisan'ny nanodinkodina volam-panjakana, toy izany koa Ratsiraka sy Tantely Andrianarivo, ireo olona ireo dia tamin'ny andron'ny Ravalomanana no nenjehina ary namoahana didy fa nanodinkodina volam-panjakana.
Amin'izao fotoana izany izay mpitondra nifandimby ka nanodikodim-bolam-panjakana dia mifampiaro rehefa miala eo amin'ny fitondrana. Raha izany no izy dia aleo ho fanjakan'ny Baroa dia izay mafy be no tompon'ny fahefana.
Aiza ho aiza moa izany ilay fanjakana tan-dalàna? sy ilay fitakiana hoe avereno ny ara-dalàna?
Dia rehefa miala koa Andry Rajoelina ka voalaza fa nanodinkodim-bola dia hanakorontana ka hiantso ny mpomba azy sy ireo mpitondra teo alohany ary ny Communauté International dia hitady fifampidinihana ary hiaraka amin'ireo olona voalaza ireo, raha izany dia tsy maintsy hihinam-bola foana zany ny mpitondra?
Dia ekena ve izany ny fanodikodinam-bola satria tsy ara-dalàna ny fitakiana ny fialan'ny mpitondra eny an-dalambe fa tsy maintsy miandry fifidianana?
Tsy rariny izany amiko, ary raha izany dia aleoko MANOZONA IZAY MPITONDRA ETO MADAGASIKARA REHETRA FA RAHA MANODIKODIM-BOLA DIA TSY HO VANONA MANDRAKIZAY IZY SY NY TARANANY ARY NY FIANAKAVIANY REHETRA.
2. falyfenosoa ( 08/05/2009 09:23)
Ny fisainantsika izay malaza ho olon'ny fo no tsy mampandroso antsika.
Samihafa ny lalàn'ny tany sy ny lalàn'Andriamanitra, mila ampanjakaina aloha ny lalàn'ny tany, ampiharina ho an'ny olona rehetra ny lalàna fa tsy asiana hoe rehefa miala ny mpitondra vao azo enjehina, efa lasa fomba amam-panao mantsy ny mitady fialokalofana politika any amin'ny firenen-kafa, ary milaza fa nahongana rehefa tsy lany tamin'ny fifidianana ka mahatsiaro fa ho voaenjika rehefa miala eo amin'ny fitondrana ka tsy manam-pahefana intsony.
TSy misy azo atao mihitsy ve izany ho an'ny mpitondra mpanodikodim-bola?
Asa re raha toy izany mantsy tsy ho tafavoaka isika fa ho lalaovin'ny firenena tandrefana foana.
3. Mirananirina ( 08/05/2009 09:40)
TSy misy azo atao mihitsy ve izany ho an'ny mpitondra mpanodikodim-bola?
Asa re raha toy izany mantsy tsy ho tafavoaka isika fa ho lalaovin'ny firenena tandrefana foana.

Izay teo ve dia mpanodikodimbola daholo e???????????
ary tgv?
4. falyfenosoa ( 08/05/2009 09:47)
Mirananirina: vakio tsara vao mamaly
5. Oay ( 08/05/2009 10:02)
falyfenosoa:


Tsy rariny izany amiko, ary raha izany dia aleoko MANOZONA IZAY MPITONDRA ETO MADAGASIKARA REHETRA FA RAHA MANODIKODIM-BOLA DIA TSY HO VANONA MANDRAKIZAY IZY SY NY TARANANY ARY NY FIANAKAVIANY REHETRA.



Falyfenosoa, mba mandraisa ianao anjara amin'ilay dinika napetrako atsy ambany atsy satria ny olana misy raha ny fahitako anazy d TSY VOAFARITRA (définition) ilay atao hoe FANJAKANA!

Enao eto d miteny hoe MANOZONA asa aloha fa raha ny FINOAKO D TSY MILA MANOZONA IZANY satria:

_Ny Malagasy tsotra na tsy Kristianina aza d mahalala fa "NY TODY TSY MISY FA NY ATAO NO MIVERINA" izay ilay VALIN'ny NATAO ary ny vahoaka Frantsay ohatra d mahalala Ce qui seme le vent recolte la tempéte izany hoe azo lazaina fa universel ilay fahatokisana fa MIVALY NY NATAO.

_Ny Malagasy Kristianina ary ny Kristianina eran'izao tontolo izao indray d mahalala fa "AHY NY FAMALIANA HOY I JEHOVA" noho izany d tsy maintsy mizaka ny nataontsika isika na eto an-tany na any an-danitra any!

Fa raha miresaka firenena isika d TSY AFAKA MISARAKA NY FANARAHAN-DALANà sy ny Fitondrampanjakana d io ilay nazavaiko atsy @ ilay dinika nosokafako atsy!


6. mihitsy ( 08/05/2009 10:30)

[Izay teo ve dia mpanodikodimbola daholo e???????????
ary tgv?]
[/quote]

miaro andra8 ndray ve e! efa hitam-poko hitam-pirenena ny vola naodiny mboa anjely ihany izy aminao, nts!

7. Mirananirina ( 08/05/2009 11:08)
miaro andra8 ndray ve e! efa hitam-poko hitam-pirenena ny vola naodiny mboa anjely ihany izy aminao, nts!

Tsy ra8 mihitsy ka,ny rehetra teo dia lazaina fa manodikodim-bola daholo.
Zao tgv,rehefa lasa io de io indray no mpanodina. 8O
8. falyfenosoa ( 08/05/2009 11:09)
mirananirina: mbola tsy nahita porofo aho aloha hoe nanodina i TGV, rana mahita aho dia mitovy ihany amiko izy sy ireo mpitondra teo alohany ka hanozona azy sy ny taranany foana aho.
Ny alahelom-bahoaka tompoko tsy maintsy misy valiny eto an-tany.
9. xxx ( 08/05/2009 11:11)
hitam-poko hitam-pirenena? zahay aloha tsy nahita anizany e, ny fantatray i ra8 mbola tsy prezidà dia efa milti miliaridera, ary hitam-poko hitam-pirenena izany, fa tsy ohatrany TGV izao vao hanangona fa nividy toerana prezidà :-D :-D :-D
10. xxx ( 08/05/2009 14:35)
Naka ohatra an'i Pierrot zao teo Rafaly ,tsy voatery hoe nanodina volampanjakana anie izy araka ny fanamarinantenanay koa !fa mety ho volohala amin'ny maha AREMA azy no nanaovana sy namoronana dossier azy e! ary betsaka no mety ho tratranzay !satri ref miala teo amin fitondrana de avarina aminy daholo ze maimbo rehetra teo ,
11. ravalotgv ( 08/05/2009 21:11)
iza anefa no tsy hanodina eo eee

sniff
tcroufff
:^) :@ :@ :@ :@ :@
12. fijo ( 08/05/2009 21:42)
io mila fiarahana midinika e,de esorina daholo koa ireo mpanao politika efa reraka miandry toerana fotsiny ireo
13. Mirananirina ( 09/05/2009 10:58)
mirananirina: mbola tsy nahita porofo aho aloha hoe nanodina i TGV, rana mahita aho dia mitovy ihany amiko izy sy ireo mpitondra teo alohany ka hanozona azy sy ny taranany foana aho.
Ny alahelom-bahoaka tompoko tsy maintsy misy valiny eto an-tany.

Faly a
mbola hoaavy fa aza matahotra enao e,2 taoana monja de banga daholo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3078