Habibiana tsy misy toy izany

1. ni81 ( 15/04/2009 06:16)
Bekiraro. Potika tanteraka ny vatan'ilay vehivavy hita faty. Manan-janaka roa io farany ka ny alatsinainy teo izy no hita farany.
Naolana dia novonoina avy eo

Habibiana tsy roa aman-tany! Naolana dia avy eo novonoina. Notsatohana tamin'ny hazo ny fivaviany. Vokatr'izany dia nipotsaka hatramin'ny tsinainy. Tsy nisy tsy kiriako no sady honena ihany koa izay nahita ity vehivavy 27 taona izay hita faty tetsy amin'ny tetezan'i Bekiraro, omaly vao maraimbe. Ny alatsinainy hariva teo izy no hita farany raha araka ny filazan'izay nahafantatra azy. Raha araka ny fantatra dia manan-janaka kely roa io renim-pianakaviana io. Manasa lamba izy amin'ny antoandro ary manao « asa hafa » kosa rehefa amin'ny alina. Izany hoe, tena miady tanteraka amin'ny fiainana mba hamelomany ireo zanany. Efa nisara-bady rahateo hany ka voatery izy irery sisa no miahy ireo zaza roa. Tsy mipetraka andro aman'alina izy, ary tena ara-bakiteny io, noho ny fitadiavana. Nefa dia io no niafarany. Sady niharan'ny herisetra no mbola novonoina ho faty ihany koa. Tonga teny an-toerana ny pôlisy misahana ny heloka bevava nijery ifotony ny zava-misy. Torak'izany koa ireo mpitsabo izay nizaha ny razana talohan'ny nitondrana azy tetsy amin'ny tranom-patin'ny Hjra. Hatreto aloha dia mbola tsy hita ny na ireo nahavanon-doza. Vao manomboka rahateo ny fanadihadian'ny pôlisy. Na izany aza dia taratra ny toy izao fa mbola misy eto amintsika ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy. Ary ny tena mahatalanjona dia ny fahasahiana nananan'ilay na ireo mpamono olona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0452