Tokony hifankatia ny samy Malagasy

1. njara2007 ( 18/03/2009 05:56)
Andriamanitra รด tahio ny tanindrazanay!! io no hany ambetin-dresaky ny Malagasy tsirairay nandritra izao krizy izao. Dia ho izao tokoa ve no atao hoe valim-bavaka? sa kosa hiteraka korontana indray??
Amiko sy ny fijeriko manoka mbola sadasada be ihany no mety ho filaminana eto Madagasikara. Hatreny an-dalam-be; hatrany am-piasana; eny hatraty amin'ny internet aza dia tsy mitsahatra mifanasa-vangy ny tsirairay. Tsy misy manaiky ho resy ary tsy misy manaiky mandresy mihitsy. Mahazo tombony ny ilany mandrahona ny ankilany; dia toy izany hatrany ny zava-mitranga eto Madagasikara..... Ny hany mba hafatra tiako apetraka dia ny hoe: "tsy mety hilamina mihitsy ny Malagasy raha tsy isika samy Malagasy ihany aloha no mahay mifandefitra; tsy hisy filaminana mihitsy i Madagasikara raha tsy ny mponina ao aminy no mitaky filaminana; ary indrindra indrindra tsy hilamina mihitsy i Madagasikara raha tsy misy ny fifandraisan-tanana ny firaisan-kisana ary ny fifamelan-keloka........" Tokony hotatadidiantsika hatrany fa i Madagasikara ihany no potika raha toa ka misy ny ady an-trano nefa isika indray no toa ohatry ny manao izay ahatongavan'izany. AOK'IZAY NY FIFAMPIHATSIANA!!! Tokony hanaraka ny dian'ny Filoha avokoa isika aloha dia ny Fandeferana. SATRIA FANDEFERANA LEHIBE NO NATAONY.......
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0457