HAINTENY SY RIBA MALAGASY

1. benasy ( 13/03/2009 14:25)
Ho an'i Hery Mpiandraikitra ny serasera

Miarahaba anao ampanajana ny tenako.

Hitako ato amin’ny namana.serasera avokoa ny lafin-kevitra maro mahasoa.

Fa mba tiako havoitra etoana kosa, ny hevitro mba hisian’ny « rohy (rubrique) » iray ho fanampiny, ka hifantoka indrindra amin’ny hoe « HAIN-TENY SY RIBA MALAGASY» izy io .

Asa ! tsy fantatro raha mety na tsia, fa inoako ho TENA ilaintsika Malagasy mihitsy ny fifanakalozan-kevitra momba io hain-teny sy ribantsika io !

Misaotra anao indrindra, Tompoko.


Benasy;
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1782