VALINY

1. 3004 ( 25/11/2008 22:59)
Miarahaba, tompoko

Hay ve ka nahaliana anareo io lahatsoratra ambany io.
Klikeo io rohy ambany io,aza fady

http://www.freewebs.com/jaoferafils

Mandrapihaona tompoko.

ratakktikk:

tsy hevitro velively ity fa hevitra nivoaka tamin'ny taona 2007. mba entina hampisain-tsaina antsika rehetra.
Amiko dia marina ny voalazan'ity ranamana ity:(somary lavalava kely ihany)
---------------------------------
" NY TENY MALAGASY ATY AM-PITA

Iza no olona tsy tia ny tenindrazany ? Iza no Malagasy tsy tia miteny malagasy ? Aza mba manao toy ny valalan'amboa ka ny tompony aza, tsy tia azy ! Masina ny tenindrazantsika ka tokony ho mavesa-danja ao amin'ny Malagasy rehetra ny fitiavana azy ; tokony ho laharam-pahamehana ao amintsika tsirairay avy ny fahaizana azy, na aiza na aiza tany iainantsika.Nisafidy niala an'i Madagasikara izay Malagasy tafavoaka hikatsaka fiainana tsaratsara kokoa sy ho ambasadaoro eran'izao tontolo izao fa misy Madagasikara ary misy koa ny teny malagasy. Isika no tokony ho voalohany hampahafantatra amin'ny vahiny isan-karazany ifaneraserantsika fa manana ny tenindrazantsika isika ary tsy menatra manana azy na mampiasa azy rehefa any an-trano, any amin'ny fianakaviana ary rehefa miaraka amin'ny samy malagasy.Aza manao hoe "Niova andriana, niova sata" na ny marimarina kokoa hoe : Niova tany, niova teny !...Isika aty an-dafy no fitaratry ny tanintsika sy ny tenindrazantsika ka tokony hanana hazon-damosina ombieny manoloana ny firenena maro fa tsy ambaka ny an'ny hafa ny teny malagasy.

Mampalahelo anefa fa arakaraka ny nisafidianan'ny Malagasy hipetraka aty an-dafy dia nirefarefa ny teny malagasy. Nihena toy ny fen'antitra sy nidina toy ny rambon'omby ny fahaizan'ny Malagasy miteny malagasy noho ny fahadisoam-pisainana sy fahadisoam-pijery fa tsy mariky ny fivoarana sy sarin'ny fahombiazana eo amin'ny fiainana ny teny malagasy. Tontolo iainana vahiny sy fiaraha-monina tsy miteny malagasy tokoa no atrehany isan'andro any am-pianarana sy any am-piasana hany ka hamaivamaivanina sy tsy raharahina intsony ary tsy hajaina intsony ny tenindrazantsika.Mahamenatra mahita Malagasy mieboebo amin'ny teny vahiny fa tsy mahay mirehareha amin'ny tenindrazany ; mahaketraka mandre Malagasy manambonibony ny tenin'ny hafa fa manamaivamaivana ny an'ny tenany ! Mahakivy kanefa izay no zava-misy aty an-dafy rehefa "tafita ny Malagasy" na lasa ambony. Izany dia tsy midika velively fa aza ianarana ny teny vahiny ! Nosy isika ka tokony hahay hifandray amin'ny firenena rehetra sy ny olona rehetra te hifandray amin'i Madagasikara. Ilaina ny teny vahiny fa tsy atao ambanin-javatra ny fahaizana ny tenindrazana.

Izay tia ny teniny, tia ny taniny ; izay tia ny taniny, tia hoe Malagasy izy. Ampiasao ny tenindrazanao n'aiza n'aiza misy anao tahaka ireo ataon'ny firenena maro. Aza menatra ary aza matahotra fa fitaritr'i Madagasikara ianao sy ny fisian'ny teny malagasy. Ho ela velona anie ny teny malagasy !

Fredy JAOFERA"


--------------------------
Tsy vitsy amintsika angamba ny tsy mahalala an'io ranamana io. Izay ny heviny, ka asa inona indray ny tsikera ratsy entin'i kidoropamba amin'io?

Marihina fa tamin'ny 2007 io hevitra io no nivoaka.








:lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2082