Aiza no ahitana fahasambarana maimaimpoana ?

1. oOo ( 14/06/2008 07:03)
Ho anareo (na ho antsika) mihevitra fa naleo lavitra nozanahina dia tokony handinika tsara.
Inona no tena tianareo? Hiatrika ilay fahasarotana sa hiforotra rambo ohatran'ny alika rehefa tojo mahery noho ianao?

Mihalafo ny fiainana, mihasarotra koa ny fitadiavana. Alohan'ny hitenenana fa tsy ho zaka izany dia ezahina aloha ny mijery ny vahaolana. Ahena ny fividianana sigara isan'andro,ezahina mofo maina tsy asiana dibera na tantely ho hanina ny maraina, ny ampango tsy ariana fa atokana ho fanampin'ny sosoa ho hanina ny alina. Ohatra fotsiny ireo fa anjaranao ny mandajalanja ny tena ilaina sy ny manavaka ny tsipotiny.

Raha ohatra kosa hoe ny karama azonao isam-bolana tsy mahavelona na tsy ampy dia ezaho koa ny mandinika hoe raha toa moa ka tena tsy misy tokoa ianao dia ahoana? Aleo lavitra aza nahazo kely toy izay tsisy mihintsiny!

Mitrakà raha mbola velon'aina fa tsy ny hitalazoka akory no hiainana eto ambonin'ny tany. Kodiaran-tsarety ny fiainana, misy ny ambony, misy koa ny ambany, fa mora kosa ny manodina azy.

Tsy mitifitra an'iza izaho io fa mba entiko handinika ny manodidina, satria matetika ohatran'ilay alika miforotra rambo koa ny ataoko.

Ny fahafahana dia midika fandraisana andraikitra. Izany no mahatonga ny ankamaroan'ny olona hatahotra.
novalian'i ygossamer ny 13 andro lasa
2. Gie ( 14/06/2008 07:26)
oOo:


Mitrakà raha mbola velon'aina fa tsy ny hitalazoka akory no hiainana eto ambonin'ny tany. Kodiaran-tsarety ny fiainana, misy ny ambony, misy koa ny ambany, fa mora kosa ny manodina azy.



Ny fahafahana dia midika fandraisana andraikitra. Izany no mahatonga ny ankamaroan'ny olona hatahotra.

mitrakà raha mbola velon'aina ozy enao ! marina zany ! saingy indrisy ! mora ny fitenenana fa rehefa tena eo @ toerana misy an'ilay fiainana , misy milaza fa ao ny fiangarana nohon'ny fahantrana , misy ny olona indrisy fa vitany hatramin'famonoan-tena fa kivy ary tsy te-hiatrika !


3. xxx ( 14/06/2008 07:50)
ary misy aza sahy mamono tena amin'ny tsy antony, hoe namono tena aho dia tany amin'ny hopitaly....

ka raha noho ny fahantràna diso tafahoatra ve ny hamonoany tena ....raha izay no fantany fa mety hampilamina azy maninona??????
4. oOo ( 14/06/2008 08:38)
Gie->Tena mora tokoa ny miteny toy izay manatanteraka, fa raha mora kivy ianao dia moramora koa ny hidiran'ireo toetra hafa toy ny fialonana, fitsiriritana, fitiavatena sns...

Mampihomehy ahy kely: nisy tantara izay novakiako ity zaraiko @reo ity:

NIsy olona anankiray izay tsy misy atao raha tsy miferon'aina foana; andro iray izy nanantona dokotera.

- Hono ho aho dokotera? Tena mahatsapa aho fa tsy mahazo fahafam-po mihintsiny, maharikoriko ahy ny fiainako fa tena tsy lafatra mihintsiny. Sao dia mahita toerana hampasambatra ahy ianao?
- Tsotra raha izany ka, mahita mihintsiny aho.
- Marina hoe ry dokotera? Aiza no misy an'izany de ohatrinona no omeko anao?
- Omeko anao maimaimpona ka, sady tsy alavitra ilay toerana fa eto akaiky eto ihany!


Dia niaraka nivoaka izy roa avy eo, ary nentin'ilay dokotera tsy lavitra tokoa.
Tsy aiza akory ilay toerana fa akaikin'ny fiangonana, toerana misy fasana ...

Satria ny maty tsisy asa loha izany fa miaina ampiadanana (hono? lol)
5. oOo ( 14/06/2008 08:43)
Hitraka sa hiforotra rambo mandrak'izay?
6. pseudo38 ( 14/06/2008 17:48)
Aza manao revin-gadra hoy ny fitenenana. Mitadiava asa, dia manambadia (raha tianao), dia manaova zanaka.
Hivaro-tena ? Mety hamokatraka fa hafirina ? Etsy an-daniny ny haretina maro samihafa vokatry ny "mivadivady" ? Asa ?
7. endrika01 ( 14/06/2008 18:57)
pseudo38:
. Mitadiava asa, dia manambadia (raha tianao), dia manaova zanaka.
de raha tsy mahita asa izy zany de aona? Izy anefa efa manam-bady sy manan-janaka!?
8. hery ( 15/06/2008 06:51)
de raha tsy mahita asa izy zany de aona?


Raha izay tsy mahita asa rehetra ve no hivaro-tena daholo tsy feno ny tanàna? Tsy hisy hividy indray :-)
9. yonikafopl ( 15/06/2008 09:49)
Voalaza teo :
de raha tsy mahita asa izy zany de aona?


Ny asa misy foana fa ny olona no malaina na mifidifidy sy miavona.
10. niryna ( 16/06/2008 17:44)
oOo:

Aiza no ahitana fahasambarana maimaimpoana ?

Ity no tena lakilen'ny fiainana voalohany indrindra ny manan-kina ny fiaianana amin'Atra fa tsy miantehitra amin'ny herin'ny tena.
Ny faharoa dia ny mitia ny tenantsika aloha na inona na inona mety faharatsiana eo amin'ny tenantsika ary ny toetra ratsy rehetra dia azo hovaina ho tsara ka raha azo atao dia io no dingana ezahina faharoa.


Ny manao asa amin'ny fo madio na dia tsy misy mijery aza..
Ny manana toetra positif foana na dia negatif aza dia avadika ho positif
Ny miaraka ny olona manana toetra mampiakatra ny moral fa tsy ireny olona be fosafosa sy be fialonana ireny ary dia ovaina foana ny resaka rehefa sendra an'ireny olona ireny.
Ny mionona amin'izay zavatra anana eo am-pelantanana fa tsy mangala-tahaka ny hafa.Izany akory tsy midika hoe aza miezaka na manao izay mba fantatra sy mahasoa ,hitarina foana ny fahalalana raha azo atao.
Ny mizara izay nomen'Atra anao ka mahasoa ny hafa ary mampahery olona fa tsy mametraka ny hafa ho ambany noho ny tena.
Ny fialonana,ny fitiavantena,ny fikonjokonjoana fa tsy mba mizara izay mahasoa ny hafa fa ny me,me .me foana,moi,moi, na fitiavan-tena ,ny tsy faly hava manana ,ny midera tena foana,
ireo dia karazany poizina mifono mahatonga ny olona tsy mba manana hasambarana
Lanja miakatra ny fiainana ka aza gaga raha miakatra daholo koa ny vidin-javatra,miakatra manaraka an'izany koa ny fahalalantsika
,mikarokaroka,manita-tsaina izay fantatra fa hay dia tohizana ary kolokoloina fa tsy manimpy gants .

Ireo no mba fantatro ary nampihariko ny fiainako ka tena nandaitra,tsy mora anefa fa miaraka amin'ATra sy mangataka Azy mba anovany toetra ratsy.
[b] Time na fotoana [/b[ io no tena zava-dehibe.
manana fotoana hihainoana olona ve hianao ?
manana fotoana hanaovana izay zavatra mahafaly sy tianao izany ve hianao?
manana fotoana hanovana ny toetra ratsy ve hianao?
fotoana ,fotoana io no tena lasibatra iray satria io foana no fialana pas
manana fotoana hiarahana ny fianakaviana sy hikorana,hifalifaly hanaovana teny mampihomehy sy hizarana ny fitokelakelahanny hehy ve hianao ?
andramo fa raha tsy mahita fihovana hianao dia miverena aty amiko hoe diso izany (l) (l) (l) (l) ataovy amin'ny fo daholo izay zavatra atao fa aza manana toetra roa karazana ao anatiny hafa ,ety ivelany hafa :-* :-*
Lava be fa mba tiako zaraina aminareo daholo izay mba nahasoa ahy ary mbola mahasoa ahy hatramin'izao.
(l) niryna
11. Koditra ( 17/06/2008 16:11)
Aiza no ahitana fahasambarana maimaimpoana ?

Io tsy mila tadiavina lavitra be, enao sy ny ezakao ihany io, ekena fa mafy ny fianinana, ny fahaizanao miezaka sy mionona ary mifaly @ zava-misy ihany io.

Ataovy ampifaliana sy fitsikiana aby ny zava-drehetra, raha vitanao zay, ho maivana kokoa ilay asarota-piainana. Mijereva télé raha izay no mahafinaritra anao, raha tsy misy daomy indray hatao, raha tsy manambola ividianana daomy, fanorona ndray fa iny tsy mila vola fa faritana @ charbon fotsiny dia mitady vatokely. Ohatra fotsiny io fa araka ny voalazako hoe enao ihany io, tsy mila mitady lavitra fa eo akaikinao eo ihany fa mety tsy azonao atsaina, tsy ho any @ Rakoto na Rasoa no ahitanao azy, mety hiserana fotsiny ireny.

HS : Eto @ serasera eto koa milay fa saingy matetika may ny laoka sy vary ao andakozia :lol: :lol:
12. ari.malala ( 18/06/2008 08:21)
ezahina mofo maina tsy asiana dibera na tantely ho hanina ny maraina,
dia hery inona no entina miasa raha tsy ampy fanohanana toy izany fa angaha ny dibera na tantely aingitraingitra aminao! alohan'ny itenenana iany koa dia mila mandinika aloha :°)
13. niryna ( 18/06/2008 17:15)
Koditra:

Aiza no ahitana fahasambarana maimaimpoana ?

Io tsy mila tadiavina lavitra be, enao sy ny ezakao ihany io, ekena fa mafy ny fianinana, ny fahaizanao miezaka sy mionona ary mifaly @ zava-misy ihany io.

Ataovy ampifaliana sy fitsikiana aby ny zava-drehetra, raha vitanao zay, ho maivana kokoa ilay asarota-piainana. Mijereva télé raha izay no mahafinaritra anao, raha tsy misy daomy indray hatao, raha tsy manambola ividianana daomy, fanorona ndray fa iny tsy mila vola fa faritana @ charbon fotsiny dia mitady vatokely. Ohatra fotsiny io fa araka ny voalazako hoe enao ihany io, tsy mila mitady lavitra fa eo akaikinao eo ihany fa mety tsy azonao atsaina, tsy ho any @ Rakoto na Rasoa no ahitanao azy, mety hiserana fotsiny ireny.
marina izany

HS : Eto @ serasera eto koa milay fa saingy matetika may ny laoka sy vary ao andakozia :lol: :lol:

ilay mifanena ny olona be mokondoha sy mora tezitra no mampihomehy ahy eto,marina izany,ny ahy andrahoiko aloha na asiko famantarana fa hoe mila mijery laoka aho hi,hi raha tsy izany tsy misy hohanina

14. lisamartin ( 26 andro lasa)
Ny resaka fahasambarana dia manan-danja tokoa, ary amin'ny fitadiavana ny vahaolana, dia zava-dehibe ny mandinika ny fiainantsika sy ny safidy ataontsika. Mety ho toy ny izany, izay manampy antsika hahatakatra ny toe-javatra misy antsika sy ny fandraisana andraikitra tokony horaisintsika. Amin'ny fanombanana ny zava-misy sy ny fanekena ny fahadisoantsika, dia afaka manamboatra ny làlan'ny fiainantsika isika, mankany amin'ny fahasambarana maimaim-poana. Mahereza!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2051