Baiboly tsy Atra, ary tsy mahalaza ny momba an'Atra rehetra

41. ikaretsaka ( 16/04/2008 15:46)
rija: ny tsy ekenareo anie de hoe betsaka lavitra ny avy amin'ny iraNY e..
tadidio fa ny heo bible dia mitovy @ hoe bibliotheque izany hoe tahirimboky..
na ny bibliotheque ngeza indrindra erak'izao tontolo izao aza tsy maha traiter sobjektra 1 raha alaina aby...

mainka fa momban'andriamanitra

marina fa kely ny zavatra takatsika olombelona .... fa tsy kely no-bornEvana hoe hatreto ka hatreto ihany
fa kely nohon'ny tsy fahampiana ka mahatonga azy hitady ..hitady hatrany!
42. niryna ( 16/04/2008 15:49)
rijadolly:

Fody:



Ny Baiboly dia tsy Andriamanitra.... Mpanompo sampy izay milaza fa Andriamanitra ny Baiboly.


Ny Andriamanitry ny Kristiana dia ilay Andriamanitry voalaza ao amin\'ny Baiboly, fa tsy ny Baiboly akory. Ary tsy azo ferana amin\'ny Baiboly fotsiny izay Andriamanitra izay, satria lehibe mihotra an\'izao tontolo izao.



Misaotra!
Marina ny an\'sé ary tsy misy kianina satria Andriamanitra dia tsy zavatra akory na vitan\'tanan\'olombelona,fa kosa ny hafatra sy ny teniNy(an\'Andriamanitra) ao amin\'Baiboly dia tsy azo atao amban\'javatra na misy hevitra hafa mavesa-danja noho ny TeniNY.
Fody:
Ary tsy azo ferana amin\'ny Baiboly fotsiny izay Andriamanitra izay, satria lehibe mihotra an\'izao tontolo izao
. :arrow: Ekena.Tsy misy afaka mandrefy AZY.Na ireo mpaminaNy taloha na ny Zanaka(Jesoa) na ny oloNY ankehitriny:arrow:Tsy misy mahalaza ny fahalebiazaNy:arrow:Tsy mahalaza AZY koa ny Baiboly.

NEFA,Kely ny zavatra takatsika olombelona.Tsy azo atao ny manome zavatra tsy takatr\'olona satria tsy zakany. http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=JAONA&toko=16&andininy=12-13&dika= Noho izay fahaizan\'Andriamanitra izay dia izay zakantsika no apitaNy amin\'oloNy avi@ alalan\'MpaminaniNy,IraNy.
:arrow: :arrow:Ny Baiboly avy amin\'ireo Iraka sy MpaminaNY lehibe dia zay aloha ny zakatsika, ampy antsika zay.Fa hoan\'izay hoe tsy ampy azy n-y Baiboly dia arahabasoa arahabatsara fa tonga lafatra izy.Nefa kosa ty misy teny ao @Baiboly izay mampiheritreritra ihany http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=JOBA&toko=33&andininy=14-17&dika=

-----------------------------------------------------------------------


=D> =D> =D> ^:^ ^:^
misaotra rija a izay dia ampy ho an'izay te ahalala ny tenin'Atra ao anatin'ny baiboly,tsy Atra araky ny filazany izy fa teny nampitainy ho antsika ,miresaka amintsika ao anaty baiboly Atra io no izy fa ny fandraisany azy no hafahafa ka lazaina fa mivavaka amijn'ny sampy indray ny olona mino ny tenin'Atra (ny baiboly,ha,ha,a mampalahelo rehefa tsy manaiky ny tompo ho mpanavotra sy mpanjaka ny olona dia tsy ho ao aminy ny fanahy raha tsy manaiky azy ,io aloha no nomeny dia io no fantany fa zakantsika =D> =D> vita tompoko
43. ikaretsaka ( 16/04/2008 15:59)
,tsy Atra araky ny filazany izy fa teny nampitainy ho antsika


tsy Teny ihany no nampitainy ho antsika

fa izy TENANY no tonga taty amintsika t@ alalan'ny Eokaristia
ary ny Fanahiny Masina mbola miara miasa amintsika mandrak'izao

ny Teny tonga NOFO dia ny NOFO tonga MOFO
44. ikaretsaka ( 16/04/2008 16:04)
,tsy Atra araky ny filazany izy fa teny nampitainy ho antsika


tsy Teny ihany no nampitainy ho antsika

fa izy TENANY no tonga taty amintsika t@ alalan'ny Eokaristia
ary ny Fanahiny Masina mbola miara miasa amintsika mandrak'izao

ny Teny tonga NOFO dia ny NOFO tonga MOFO
45. rakaroka ( 16/04/2008 17:04)
Asa :-w :-w :-w :-w ny fiheverana fa zava-dehibe ny "teny" dia toa manifika ny tsy teny rehetra ,ary mazava fa restriction izany hoe ampahany milaza an'Atra ny baiboly . Ka "question" de bornage lé izy hoe ity ihany no heverina fa ny hafa tsy ahoana loatra! 8O :oops: :oops: :oops:
46. fijo ( 16/04/2008 21:39)
mihodikodina be izy izany.fa ndeha tsorina hoe misy manaiky azy ho masina ,dia misy tsy manaiky dia samy milamina isika e
47. ikaretsaka ( 17/04/2008 01:58)
ny maha ampy na tsy maha ampy ny hoe io fotsiny no polemika eto izao ra fijoplosy an
48. lizabeth ( 17/04/2008 11:03)
ikaretsaka:

ny maha ampy na tsy maha ampy ny hoe io fotsiny no polemika eto izao ra fijoplosy an


ary miverina eto foana ity resaka ity ! dia lasa ny eritreritro hoe inona izany no tena tanjon'ilay olona mamerina ilay resaka ?
- tsy mbola nahita ilay resaka teto ve ? angamba tsy izay satria na izaho izay mahalana dia mahalana mandalo eto aza efa nahita io resaka io imbetsaka (sy niditra tamin'ny adihevitra)
- mbola te handresy lahatra izay miteny hoe "ampy ny baiboly" (fa tsy hoe masina ny baiboly, izay hevitra hafa araka io lazain' Ikaretsakaka) ve? raha izay mantsy dia tsy tokony hafatoka any amin'ny fitsaràna ny olona manana ny baiboly ho ampy azy ny resaka fa any amin'ilay zavatra/hevitra "manquer"ny noho ny fiheverany izany. Tsy hitako mihitsy nefa izany fa na mivadika ilay resaka na lasa fitsarana fotsiny !!! misy hafatra tiana hampitaina ve ? tsy hitako avy amin'ilay nitondra ilay resaka !!!
49. ikaretsaka ( 17/04/2008 12:05)
ary miverina eto foana ity resaka ity ! dia lasa ny eritreritro hoe inona izany no tena tanjon'ilay olona mamerina ilay resaka ?


ny tanjona ve ... io efa mibaribary be io hoe tsy mahalaza momban'Andriamanitra rehetra ny baiboly.. ohatran'ny hoe ny biographie anao tsy mahalaza momba anao rehetra
50. ikaretsaka ( 17/04/2008 12:10)
ary miverina eto foana ity resaka ity ! dia lasa ny eritreritro hoe inona izany no tena tanjon'ilay olona mamerina ilay resaka ?


ny tanjona ve ... io efa mibaribary be io hoe tsy mahalaza momban'Andriamanitra rehetra ny baiboly.. ohatran'ny hoe ny biographie anao tsy mahalaza momba anao rehetra
51. prime ( 17/04/2008 14:31)
lizabeth> azonao tsara ny tena fototry ny olana eto amin'ny samy milaza tena ho kristiana... mazava koa nefa ny tian'i ika ahatongavana, mikasika indrindra ireo fampianaram-piangonana (tsy ara-tsoratra masina) nolovaina araka ny lovan-tsofina (mariolojia sy ny fety isankarazany sy ny afo fandiovana sy ny fahamasinan'ny zazakely sns...) sy ny fomba amam-panao (fampiasàna sary vongana, fivavahana sy fanaovam-batisa amin'ny olomasina, famadihan-drazana sy fivavahana amin'ny maty sns...) maro ary ireo boky maro hafa mbola mitohy soratana ankehitriny mikasika ireo pamphlets sy bulles papales marobe ho anisan'ny "avy amin'Andriamanitra" ihany koa ka tsy tokony iverenana intsony amin'ny baiboly sady "tsy ampy" no "lany andro" mihitsy aza hoy ny namana sasany fa tsy ilaina firy intsony raha amin'izao vaninandro izao...

Ny tena tian'i ika ahatongavana dia ny hoe ny fampianarana ekar irery ihany no tena izy (hamafisina lavidavitra kokoa aza hoe ny fototra maha-zezoita no marim-pototra indrindra ka voizina mafy) ary raha te-hiverina amin'Andriamanitra dia miverena aloha ekar (lazainy ho fiangonana kristiana voalohany, nefa dia tsy ny ekar no fiangonana kristiana voalohany...) ary ilaozy ny maha"baibolista" (noforonina manokana teto amin'ny forum izany ho fanesoana izay mpamaky baiboly) sy maha"mpitsimpona" (noforonina manokana tato ihany koa... rehefa ambara ny tenin'Andriamanitra dia ny soratra masina ihany no fototra saingy tsy eken'ny namana "tsy mpitsimpona" eto izany) fa miverena amin'ilay tena izy...
52. ikaretsaka ( 17/04/2008 15:07)
azonao tsara ny tena fototry ny olana eto amin'ny samy milaza tena ho kristiana... mazava koa nefa ny tian'i ika ahatongavana, mikasika indrindra ireo fampianaram-piangonana (tsy ara-tsoratra masina) nolovaina araka ny lovan-tsofina

1)tsy ara tsoratra masina a? tsy ara tsoratra masina ahoana? taoko tsy efa voaporofo teto ny maha ara-tsoratra masina ireny sa adino sahady?

2) Encyclique no fiteny fa tsy bull anao izany, raha lazainao hoe tsy ara tsoratra masina ... arosoy ilay contre argument (izay efa nohazavaina teto ny maha ara tsoratra masina azy) ary i Prime indrindra no nametrahan'i Fody sy pissoa hanaporofo an'io.. sy fanontaniana hoe ahoana ny ilazanao fa tsy ara-tsoratra masina ilay izy rehefa nomena ny raison maha ara tsoratra masina azy... tsy nomenao io hatr@ izao io counter argument io!

3) Ny jesuites sy ny Ekar dia mitovy ary zanaky ny ekar ao ambany fiarovany ny jesuite, toy ireo fikambanana isankarazany ao ihany, fa aza sarahina be ohatran'ny anareo sektasekta.., efa nohazavaina koa ny mahadiso ny "mintsimpona sy ny baiboly ihany" na ara tsoratra masina io na araka lojika (ny demony no nanao pli vava ny soratra masina rehefa naka fanahy ny Tompo, Andriamanitra tsy voa borne ao anaty boky raha inoana hoe tsy manam-petra) ... ilay contre arguments an'io tompoko efa nanontaniana anareo kao fa tsy mbola nisy valiny mandrak'ity ny androany...
53. fijo ( 17/04/2008 21:10)
ka raha vao hoe "fotsiny "dia efa tsy ampy izany mazava hoazy ko.fa raha terena hoampy moa ,dia avelao izy hino azy hoe ampy any.
54. lizabeth ( 18/04/2008 10:34)
ikaretsaka:

ary miverina eto foana ity resaka ity ! dia lasa ny eritreritro hoe inona izany no tena tanjon'ilay olona mamerina ilay resaka ?


ny tanjona ve ... io efa mibaribary be io hoe tsy mahalaza momban'Andriamanitra rehetra ny baiboly.. ohatran'ny hoe ny biographie anao tsy mahalaza momba anao rehetra


eny e ! azoko anie ilay lohahevitra fa lazao hoe inona momba an'Andriamanitra no tsy hita ao amin'ny baiboly ohatra fa tsy lazaina fotsiny hoe tsy ampy dia vita ! mety efa nisy valiny tany ho any fa tsy hitako fa mba ome ohatra iray aho !
55. prime ( 18/04/2008 14:44)
ikaretsaka> mba omeo ary hoe ny porofo ara-tsoratra masina ny "inquisition" ohatra... (amin'io na ny reformasiona na ny loterana dia tratra ihany koa satria nanao koa ireo fa taty aoriana vao nijanona satria nahatsapa ny tsy fahamarinan'izany sy ny habibiana tao ambadika)...

Mamelà ahy raha hitsiky kely mikasika ilay hoe ny demony manao pli vava, tena marina izany, fa tsy midika na dia kely aza hoe tsy ilaina hay ny soratra masina sy ny tenin'Andriamanitra... aoka tsy hadino fa raha naka fanahy Azy ny devoly ka nampiasa tenin'Andriamanitra dia tamin'ny fahefàn'ny tenin'Andriamanitra ihany koa no namalian'i Kristy azy fa tsy tamin'ny herin-tsaina sy fahaizana akory... ary raha ny devoly aza mahay ny soratra masina, iza ny olombelona no hahatohitra azy raha tsy manana sy miaina ilay soratra masina?... (araho anie ny lojika ambaranao e!)

Kristy koa dia ny soratra masina sy ny tenin'Andriamanitra no nentiny nanoherana ny devoly ary ny Azy dia tamin'ny hery sy fahefàna fa ny an'ny devoly fandrika sy fakam-panahy... ka inona no maharatsy izany? sa tsy tokony hianatra soratra masina intsony satria ny devoly mahay pli vava an'io koa... raha izy aza mahay pli vava dia ho aiza izay tsy mahay na dia ny pli vava aza... (aza mampihomehy ra-Ika a)
56. ikaretsaka ( 18/04/2008 15:46)
prime> fa inona mihitsy ny tsy aritrao @ inquisition?n tantara efa siekla firifiry tany aloha tany ange izany e! raha vao misy issue kely de izany foana no atao diska loaka.

2) za tsy manda ny hoe mila hay ny Soratra, fa tadidio fa i Jesoa dia nahay lavitra mihoatra nohon'ny efa voasoratra, ary tsy nihanona teo ihany, nahafahany ni challenge ny fariseo sy ny sisa, toy izany koa ireo apostoly:
i Paoly koa ohatra dia nampiasa referansa paganista koa rehefa nanoratra ireo taratasiny (asa 17:28 ohatra momba ndry Aratosy ry Phenaomena) Titosy 1:12(Epimenides, De oraculis)

3) Tsy ny soratra masina ihany no nentin'i Kristy nanoherana ny devoly, fa ny fanahy masina maha andriamanitra azy koa
57. fijo ( 18/04/2008 20:23)
ngaha kosa moa ika ry prime miteny hoe tsy ilain ahoay ny soratra ?????ny tsy ekeny dia ny filazana hoe io dia ampy.

fa mba asio valiny ry ika le fanontanian'i lizabeth hoe:"inona momba an'Andriamanitra no tsy hita ao amin'ny baiboly ohatra fa tsy lazaina fotsiny hoe tsy ampy dia vita !"
58. Fody ( 18/04/2008 22:57)
eny e ! azoko anie ilay lohahevitra fa lazao hoe inona momba an'Andriamanitra no tsy hita ao amin'ny baiboly ohatra fa tsy lazaina fotsiny hoe tsy ampy dia vita ! mety efa nisy valiny tany ho any fa tsy hitako fa mba ome ohatra iray aho !

Tsy misy milaza ao amin'ny Baiboly fa Andriamanitra dia Trinite Masina. Ary na io voambolana io aza dia tsy ho hitanao ao.
Tsy misy milaza ao amin'ny Baiboly fa ny Fanahy Masina dia Olona Fahatelo ao amin'ny Trinite Masina.
Tsy misy milaza ao amin'ny Baiboly fa i Jesoa dia sady Andriamanitra no Olombelona.

Misaotra!
59. ikaretsaka ( 18/04/2008 23:42)
1)TSY misy mihitsy ao amin'ny baiboly milaza hoe ireo boky rehetra voalaza sy voaraikitra ao anaty baiboly IHANY DIA AMPY hilazana ny momban'Andriamanitra REHETRA!

2)tsy nisy nilaza ao na iray aza hoe ireo izay boky voasoatra ao ihany no bokin-tsindrimandrin'Andriamanitra, na lisitra momba izany hoe ireto boky ireto ihany no tenin'andriamanitra

3) hoy ny vavak'i jesoa ao @ (Joany 17 ao) hoe "Tsy ho an'izy ireo (Apostoly) ihany no ivavahako , fa ho an'ireo olona rehetra mino ahy nohon'ny zavatra nolazainy (tsy baiboly mihitsy no resahin'i jesoa eo..)
60. Mandefitra ( 21/04/2008 10:41)
Fody:
Tsy misy milaza ao amin'ny Baiboly fa Andriamanitra dia Trinite Masina. Ary na io voambolana io aza dia tsy ho hitanao ao.
Tsy misy milaza ao amin'ny Baiboly fa ny Fanahy Masina dia Olona Fahatelo ao amin'ny Trinite Masina.
Tsy misy milaza ao amin'ny Baiboly fa i Jesoa dia sady Andriamanitra no Olombelona.

Mba ohatra hafa halaina fa mahamenatra ra Fody a ... sao mba tsy Kristianina kosa ary nareo?
Raha nampaniraka hampanao Batisa Jesosy : tsy @ anaran ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina ve?
Raha nanontany ny mpianatra hoe asehoy anay ny Ray, tsy namaly ve Jesosy hoe Zaho sy ny Ray dia Iray ihany?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9614