Na ampiharana ny sazy,
Na ampandalovana delestazy
Tsy hampitsara ny maso
Ka tsy hahatsinjovany ny ankaso
… Velarina en-tongony
Na ampifilain’ny Tiko
Na ho voina daholo koa ny radio
Tsy hampitsahatra ny vava
Mba hampita ny re... ho laza
… Ho an’ny vahoaka
Na anaovana antsojay
Mba hiketraka sy ho fay
Saingy ireto olona eto an’ivo
Tsy hiato ... hiaro an’Iarivo
… Ilay Tanananay
Fa taloha navela ho sola
Izao indray arirarira amim-bola
Saingy tsy haharitra tsy akory
Avalony any ... ataovy rony
… Aza mampifilafila
Fa matoa ianao no toa izao
Tsy noho I Lita na I Faly na Lalao
Fa ny fiaraha-mientanay
Tamin-drivotra mifofo... hain’andro mahamay
… 2002 tokoa izany
Saingy …
Tsy ny tsy nahalany an’I Faly
No entina hamaizana ny tary
Mbay tany…
Azonao… aorina daholo
Gasikara manontolo
Ataovy toa ny SIMPA
Na koa re ny menaka Soza eh
Saingy…
Izaho sy ny saiko
Ny vahoaka no hiraiko
Tsy voafehinao an-tady
Na hidina anaty hady
Dia hoe tsy hitroatra ve?