Ho antsika rehetra tia alika

1. kofbay ( 01/11/2007 12:22)
Izaho ry zareo dia tena tia alika, ka te hifanakalo sy hifanoro hevitra aminareo izay tia alika ka manana, na tsy afaka manana, na ireo izay te hiditra amin\'izany hoe fitaizana alika! Ary koa hifanome fanazavana marim-pototra ny momban\'ny atao hoe alika: alika gasy, chien de race, batard, chiens dangereux.
afaka mandray anjara ampamendrehana daholo, na dia ireo tsy mitovy hevitra aza, fa aoka fotsiny isika tsy hifandramatra ohatran\'ny alika e
2. simplex ( 01/11/2007 14:36)

:D:D:D
misy fika hampianarana ny alika hikapa @ toerana iray ve ? :P:)
3. soanja ( 01/11/2007 14:55)
Misy ry Simp,
Tatazana amin'ny sase plastika eo anelakelam-peny! hihihi:lol:
4. kofbay ( 01/11/2007 20:31)
ny fampianarana ny alika hikapa amin'ny toerana iray dia mila faharetana be! ny fampianarana azy hikapa amin'ny toerana mitovitovy no tsy maintsy atao satria raha hifindra trano ianao na hanao vankansa na hamangy olona ka te hikapa izy dia tsy afaka ny hoe hiverina any amin'ilay trasy mahazatra! Misafidy ianao izany na bozabozaka na tany na tatatra, maharitra eo amin'ny 4 bolana eo ny mampianatra azy ary isan'andro manomboka eo amin'ny faha 2 volany. kendrenao tsara ny fotoana maha te hikapa azy, dia vao avy misakafo, vao avy mifoha,sy vao avy misangisangy, tsy omena sakafo hariva izy fa manjary te hikapa amin'ny alina, dia vao vita ireo fanaony ireo dia avy hatrany izy dia entina amin'ny laisse eny @ ilay toerana tianao hikapany, dia miandry andra Toto tsy hivalana eo ianao aloha! vao mikapa izy dia avy hatrany dia safosafoina sy kapokapohana (amicalement) ny tratrany no ataonao hoe tres bien + ny anarany, t'es un bon chien! dia omenao friandise kely! tsy ilaina ny mitabataba na mikapoka raha manao ao an-trano izy, fa dia iafio fotsiny, apres 4 mois farafhelany dia hahay ny alikanao!

blague ny anao, nefa tena teknika iray koa izay! fa gazety no ampiasaina, raha sendra avy ny orana ohatra ka tsy afaka ny hitondra azy any antoktany ianao, dia apetrakao ao amin'ny douche ilay gazet efa misy fofona avy eo, ka rehefa te hanao izy dia avy hatrany dia bataina dia entina any! amin'izay izy dia mahay makany ain'ny douche rehefa te hanao kanefa ianao tsy afaka ny hitondra azy! Ny faharetana sy ny fahatonem-po no tena baziny! aza tezitra, fa raha kapohinao izy satria nanao tao amin'ny salon dia hanao ihany izy fa mety any ambany fandriana ka tsy ho hitanao raha tsy afaka herinandro!
5. simplex ( 01/11/2007 22:27)

kofbay,
misaotra @ fanazavana eee
tena ilana passion mintsy le izy ra zany

soanja,
lol
d iza no manala an'ilay plastika avy eo? :°):lol:;-)
6. tsiafoi1 ( 02/11/2007 13:32)
kofbay, merci aloa fa tsy vitan'ny vehivavy miasa sahirana amin'ny fitaizana sy ny fikarakarana tokantrano izany, fa aleo angamba ho anareo lehilahy.

Sao mba azo proposé-na ny mpanamboatra couche hanao couche spéciale pour les chiens.
7. kofbay ( 02/11/2007 16:14)
fatorana tsara ilay plastika dia ahodikodina ohatran'ny pilotra, tonga dia avotsotra tampoka, dia miandry kely fotsiny ianao fa tsy maintsy hisy hikiaka any ambadika any hoe DAIN!

Misy izany ka,tahaka ny slipy ilay izy, fa natao hiarovana ny zavatra ao antrano tsy aloto rehefa en chaleur ny alika dia mamoaka perte (ra sy liquide hafa, sy fiarovana amin'ny saillie tsy nirina.
8. ikaretsaka ( 13/11/2007 03:51)
le mampianatra ny toto hoe mivoaka rehefa mikapa aloha dia tantara e.. fa misaotra kofboy a!
fa le misy alika te hikapa koa dia midongy hoe ento mivoaka hono izy.. ahoana ny @ ireny?
9. soanja ( 14/11/2007 02:57)
sangisangy tokoa ny ahy iny ry kofbay fa ny tena fanaoko dia mividy an'ireny wee wee pad ireny aho. Iny mantsy amidy aty aminay fa tsy arako ny toeran-kafa de eo ihany izy tonga de manalefaka ny tenany.
Somary efa misy fofona pipy zay le izy saingy madio be de mandio fotsiny manala an'iny refa avy eo sady manao pasifon e. Zah ndray tsy kamo mandio alika zany, hitsipona ny malotony aza atao refa mitondra azy mandende.

Ny ankoatr'izay dia fefena ny tokontany izay heverina fa hasiany maloto de eo foana izy no manao ny fanaony sady lasa zezika le toerana refa avy eo hambolena voninkazo eo an-tokotany ihany na hanaovana compost tsy ho an'ny sakafo velively akory an!

Ny zavatra tena nahavariana ahy fotsiny de hoe misy an'izay pills izay hoa omena ny alika aty de refa mipipy izy de tsy maintso/ manopy mavo tsony ny bozaka namelany izany. De gaga aho hoe ilaiko koa ve ny handiana vola amzany. Refa nipipizany de nipipizany fa inona angaha ny olana. Ny fiompiana alika dia toy ny fikarakarana zaza ihany. Refa tiana dia tsy maninona na misy simba aza izay nolalovany satria ny fitiavana no be de be fa izay zavatra ve maninona raha simba any.

Sa ahoana hozy nareo?
10. ikaretsaka ( 14/11/2007 03:22)
ny fataoko t@ alikako tany M/kara dia ireny gazety ireny no akasoka eo amin'ilay toerana nanaovany wewee (raha pee fotsiny) dia atapy andro any ivelany dia iny no hizarana azy
fa za hoa tsy mba nahay miompy alika vavy, na le biby na le toetra
11. soanja ( 14/11/2007 05:35)
Zah tsy mahalala ny mahasamihafa an'ireo e ? mba hazavao anie Ika e. Ny alikalahy ve tsy vao maika manondrana?? alika vavy foana no nanananay hatramzay. Ndraindray aloha mampitovy toetra ihany izahay refa samy be mokony. hihihi

12. kofbay ( 15/11/2007 10:00)
Tonga soa i Ikaretsaka!
Efa manomboka mahay lesona izy amin'iny mitomany hivoala iny rehefa te hikapa! na izy otroriny ny varavarana, na mivovo, na mitsangana eny aminao, na miazakazaka kely ohatran'ny hoe miantso anao, tonga izy dia entina amin'iny ary tambatamazana be avy eo, ary eny amin'ny toerana iray ihany!
ny wee wee pad dia fitaovana fampianarana azy fotsiny fa tsy tena natao ampiasaina mandrakizay! ho an'ny alika mbola kely ireny ka hoe miaina ao an-trano, indrindra fa rehefa tsy mamela anao hivoaka any ivelany ny toetr'andro, ary fomba hitaritana azy tsimoramora hanao any @ douche ohatra,mba ho fantany ho aiza izy no tokony anao raha sendra ny tsy azo hanoharana: ohatra hoe tsy ao antrano elabe ianao ka tsy mahatana ilay alika, na efa misasaka ny alina nefa ianao matory be. Ny mahakasika ny pill aloha dia tsy haiko satria tsy mbola nahita aho, angamba mbola vitsy mpapiasa eto Mada angamba. Ankoatr'ireo dia mety daholo ireo fikanao ireo, anamboarana coin fikapana mintsy izy mba tsy hamenoany tokotany, raha mey aza dia atao mitovitovy amin'ny zavatra mety hita eny andalana ilay izy, ohatra hoe somary atao pozina caniveau, na dalle, na tsy haiko e! amin'izay dia rehefa entina mirozy eny @ ville na eny antsena dia tsy hanala-baraka anao hikapa eny ampovoandalana na eny antsena ny toto

Ampiako io avy eo fa aleo za aloha hiasa kely e!
13. soanja ( 15/11/2007 14:16)
Misaotra betsaka kofbay fa tena manampy io fanazavana io. Le wee wee pad tokoa aloha tsy ampiasaina raha tsy hoe tsy eo mandritra ny andro iray ny olona ao an-trano mba hamela ny alika hanalefaka ny tenany.
Le pill tena mahavariana ahy fa 6 isanandro no omena ilay alika miaraka amin'ny sakafony. Variana aho mijery an'io satria efa voasain'ny vazaha aby tokoa ny raha madinidinika io .
14. latina ( 16/11/2007 07:54)
za taloha tamin'ny mbola kely nanana alika fa teo @ roa volana teo no namolahana azy. mbola kely koa moa tamin'izany sady fialan-tsasatra dia andrasana ambodiomby teo mihitsy ny fotoana handitsahan'ilay alika kely(vavy), tonga dia bataina dia atao ao anaty boaty vita @ hazo mitovy hahavo @ baoritra kiraro fa lehibe velarana kokoa, ary feno fasika. Somary terana izy @ voalohany manao eo, fa rehefa zatra izy tsy olana intsony. any andavarangana no fametrahana io fasika io ary soloina isaky ny 2 andro.
Ny mibaiko azy hihinana sakafo eo ambony tapy no hitako mora indrindra. Fa ny tena itiavako ny alika dia ny fidélité any, efa fantany ny lera fahatongavako avy mianatra tamin'izany dia efa miandry eo ambaravaran-kely izy sady maka tsiotsio-drivotra. Vao mivoaha ny varavarana dia efa izy no manoloana anao mibitabitaka, mipelipeli-drambo, mitsena, mampiseho hafalina, mitady ho trotroina.
Fa tsy haiko oa fa nisy aretina izay nahazo ilay alika nony lehibe fa lasa ohatry ny bevohoka foana ny habean'ny kibony, izy anefa vita ny vaksiny rehetra ara-dalana, tsy romotra koa anefa. Dia nolazain'ny dr fa tokony ho vonoina dia tsy sahy nijery ny fomba namonoana azy aho. dia tsy sahy niompy aliaka intsony aho taty aoriana fa tsy dia tsara hoan'ny vehivavy bevohoka hono ny mifanerasera be amin'ireny alika ireny.

Ahoana ny hevitrareo


15. soanja ( 16/11/2007 14:36)
Tena vaovao amiko le hoe tsy tsara ho an'ny vehivavy bevohoka ny alika, Latina. Ny fahitako azy anefa dia ny alika indrindra aza no tena namana ho an'ny vehivavy bevohoka satria eo izy manome anao kompania eo raha lasa mandeha miasa aby ny olona.
Ny hafaliana azo amin'ny alika tokoa aloha laingalainga fa mahavariana.
Iny tsy hamitaka anao mihitsy na oviana na oviana.
Hay hay tena tsy zakako tokoa ny hieritreritra hoe alika namana hatramin'zay dia tsy maintsy "hampatoriana". Saingy izay tokoa ny lalam-piainana e! Soa fa mbola misy ireny alikakely ireny hanome hery vaovao indray. Aza kivy miompy alika ka. Manampy be tokoa amin'ny fitaizana zaza aza ny fisiany satria iny afaka hianarany mikarakara zavamanan'aina aloha sy atoro ny zaza hoe ahoana ny fomba fanafosafoana azy na handraisana azy fa tsy bedaina na ampijaliana sns....

16. kofbay ( 18/11/2007 10:22)
Ny alika lahy sy vavy dia samy manana ny toetrany sy ny fanelingelenana azo avy aminy rehefa lehibe, ny alika lahy rehefa tonga ny fotoana te hanaovany dia tena mafy loha tokoa satria ny fofon\'ny alika vavy en chaleur eo ho eo @ 3km a la ronde eo dia henony, ka tena mafy loha mihintsy izy amin\'io, sady amin\'izay ny alika en chaleur manodidina an\'izay dia mety hisy isan\'andro! lasa lava tongotra ny alika lahy ary tsy manaiky mihintsy raha tsy tafavoaka, tia miady, mitomany amin\'ny alina indrindra fa raha henony ireo alika hafa miady! somary henjana ny dressage atao aminy, indrindra fa raha alika entina mandendeha izy! ny vavy kosa indray tsy dia manao an\'io ankoatran\'ilay mandoto trano amin\'ny ra, ary raha chien de race izy dia tsy azo avela mandeha irery any ivelany raha tsy te hahazo batard! ankoatran\'ireo dia alika lahy maro no h avy hiaodiaody eo ambavahadinao raha tsy tafiditra hatrany antrano mihintsy aza ny sasany!milamina kokoa ny alika vavy satria tsy tia mandeha lavitra hitady lahy! protectrice kokoa izy indrindra fa amin\'ny ao an-trano, ny alika lahy somary mora variana raha vao mahare alika en chaleur!
Ny hoe tsy tsara amin\'ny vehivavy bevohoka ny alika dia mitombina raha ohatra ka tsy nanana fotoana nikarakarana azy ny ao an-trano (dressage, education, sns...). ankoatran\'ny hoe misy olona sasany lasa allergique @ volom-biby rehefa bevohoka, dia mety koa handratra, indrindra fa raha alika be, tsy mahay manavaka mantsy ny alika hoe bevohoka ity ka ale tsy sangiana, ka mety ho voadonany mafy ny kibo, voatosika hianjera ilay olona sns, ianao tsy afaka ny hanenjika azy eran\'ny tanana raha manao dega izy, ka hiteraka stress ny fiantsoantsoana sy fitabatabana matetika! ankoatran\'izay ny volony, ny tongony, ny vavany dia mety hitahiry microba izay mety hampidi-doza ho an\'ny zaza vao teraka izay tena mbola vulnerable be! ankoatran\'izay ny fahasarontampiaron\'ilay alika ka mety hanaikeray tampoka ilay zaza,na mety sangisangiany fotsiny kanefa mampididoza! ho an\'ny vehivavy izany, dia alohan\'ny hanana alika, dia tsara ny mieritreritra ireo rehetra ireo aloha, hahalalana hoe karazana education tahaka ny inona no anaovana ilay alika, sy ny hoe misy olona hafa ve afaka manampy azy amin\'ny fikarakarana alika, ohatra he vady na zanaka efa lehibe! amin\'izay fotoana izay dia ho fahafinaretana ny hanana alika, ary afaka mampita @ zaza io fitiavana alika io koa ianao avy eo fa tsy hoe lasa fitaintainana sy fahoriana ny fiompiana azy vao tonga ilay zaza, na hoe hiafara @ fanariana ilay alika mihintsy! Tsy misy afa tsy ny education sy dressage matotra ihany no fanafodin\'izany rehetra izany, fa ny torohevitro ho an\'ny vehivavy aloha raha ohatra ka mbola hiteraka nefa koa te hanana alika, dia fidio ny alika tsy be volony, tsy be rarakivy, ary tsy alikabe (+ de 60cm au garrot)indrindra fa raha tsy hisy hanampy ianao @ fitaizana azy!
17. Samoana ( 18/11/2007 10:42)
kofbay:

... tsy omena sakafo hariva izy fa manjary te hikapa amin'ny alina...



( tsy ratsy ity resak'alikan'i kofbay ity:wink:)
Raha ny lafiny sakafo indray:
- tsy maditran'ny hanoanana ve ny alika raha tsy omena sakafo hariva ? Amin'ny fotoana inona no omena ary impiry ?
- karazana alika coton tuléar ireny afaran'ny spécialiste tsy azo omena varimasaka fa ireny krôkety mafikely ireny ihany hono. Misy namana anefa izay sakafon'izy mianakavy ihany no omeny ( vary sy laoka ) azy ary zakan'ilay alikakely no sady tena tiany tsara. Inona no mety ho vokany ?


18. kofbay ( 18/11/2007 13:43)
ny dozin\'ny sakafo omena azy isan\'andro dia tokony ho 4% ny poids-ny, 60% hena, ary 20% ihany ny vary, 20% legumes. sakafo 1 andro io, tsy ny habetsany no inona fa ny apport energetique entiny! vao maraina sy atoandro no homena raha alika efa lehibe dia ny rano atao misy foana. Raha alika matory ao antrano na chien de garde dia tsy tsara homena sakafo hariva satria lasa te hikaka sy hipipy izy rehefa misasaka ny alina na dia efa navoaka aza, raha mahatazona izy dia milamifoha maraina be ianao mitondra azy mivoaka, ny chien de garde lasa matory fotsiny.
Ny hoe croquette sa sakafo menagere dia anjaran\'ny tsirairay no misafidy, izaho manokana dia nisafidy ny sakafo ataoko satria: na dia sakafo tena equilibre aza ny croquette dia tsy mifanentana amin\'ny maha carnivore ny alika. vakio tsara ny fonony fa extrait no betsaka, vegetal, graisse animale, cereal ary produit chimique, poudre d\'os calcine, coquillage, poudre de poisson sns! tsara volo, mitombo tsara, ary madio nify ny alika rehefa mihinana croquettes, saingy afaka 3-4 ans dia tonga daholo ny aretina rehetra; eczema, perte de poil, allegique amin\'ny zavatra naturelle aminy toy ny; parasy, orana, sy sakafo naturel hafa. Dokotera veterinaire ary specialiste amin\'ny biby sy sakafo no namorona an\'ireny, kanefa dia industrie commerciale matanjaka be no ao ambadika ka aradalana raha mamporisika ny olona hanome croquette ny alikany ry zareo!satria sady amdeha na ny tsenan\'ny mpivarotra croquettes na ny tsenan\'ny veto, amporosihina hihinana croquette ny alika androany fa ho client-ny clinique iny afaka 3 ans! ny olana manaraka dia matetika ny alika efa zatra marika croquette iray dia tsy hety hihinana hafa intsony, kanefa raha eto Mada dia misy risika foana ny tsy fahatongavan\'ireny produits ireny raha sendra migrevy ny port, na misy crise politique sns. ankoatran\'ny hoe raha sendra toxique ilay produit satria nisy erreur de fabrication dia hanahirana ny hanao reclamation! Ny technique ampiasaiko dia ilay antsoina hoe; BARF (Bones And Raw Food). hena manta (taovan-ken\'omby, akoho, ondry sns) cote de boeuf, rqmbon\'omby, silamangany tsy vakiana fa ilay ngenda be iny hanadiovany nify sy andaniany andro mba tsy ny entana ao antrano indray no kakikakeriny! legumes manta (mixer-na na tetehina farak\'izay madinika dia afangaro vary) na andrahoina kely fotsiny, asiana menaka manta, dia inraindray asiana atody manta sy ny coquille-ny, ronon\'omby manta (tsy ilay amin\'ny brick fa ilay entin\'ny mpivarodronono @ bisikileta) tandremo fa hatramin\'ny 10 mois ihany izy no azo omena ronono, levure de biere, fruits (akondro, paiso, zavoka sns..), trondro manta, nony nanaraka io regime io za dia tsy niporitra intsony ny alikako, tsy nanana probleme ara-pahasalamana intsony ka dia vakisiny sy ody kankana sisa no andehanako any @ veto! ny ambitsakafo eny ambony latabatra tsy natao hoe amelomana azy fa mba hakany fafiny fotsiny! jerena tsara foana aloha hoe inona avy no eo ambilian\'ny hafa vao homena satria tsy mety ho an\'ny alika ny: epice,ny vinaigre ankoatran\'ny vinaigre de cidre,sakay, sakamalaho, ny taolatrondro (ny taolana masaka dia mihamafy ka mety andoaka ny tsinain\'ny alika!, taolan\'akoho sns.
ho ahy raha croquettes no omena ny alika dia tahaka ny manala ny fahafinaretana mihinan-kanina aminy aho, eritrereto hoe ny zavatra ilain\'ny vatanao dia natambatra ho comprime 1 na maro dia ataona ampaosy iny dia iny no haninao rehefa noana dia asiana hoe gout Poulet a la basquaise, na gout salade nicoise, na gout spaghetti a la bolognaise ny fonony! Saingy ny sakafo menagere dia mila fotoana sy fandavantena ary tena fitiavana alika, satria iny tsy homenmena fotsiny amin\'izao fa misy fatrany sy regle tokony ho respecter-na, ka raha tsy manam-potoana ohatra dia azo omena croquette ihany izy fa afangaroy sakafo kely ihany na dia misy sratra aza ny fonony hoe tsy mila fangarony.
19. soanja ( 18/11/2007 15:31)
Amiko tokoa aloha raha hiompy alika dia tsara raha ampianarina foana izy satria izay no mahasoa amin'ny fananana azy.

Ny tiako ho fantatra ry Kofbay dia hoe tsara ve ny fipetrahan'alika any an-tokotany sa ilay ao an-trano ihany? Ny alika ve tsy tokony mba any an-tokotany mba mahita masoandro sy faly lava manao izay mahaalika azy. :)
20. kofbay ( 18/11/2007 18:01)
safidy io, raha mijanona ao an-trano izy anie tsy manakana ny fitondrana azy mivoaka e! raha tsy mifefy kosa ny tanana dia tsy tokony atao mihintsy ny mamela azy andehandeha any ivelany, satria responsabilite-na iny raha manimba zavatr'olona na manaikitr'olona, ary na misy mamono any aza izy dia hiala maina ianao! ary raha namana na gardien no ilaina azy dia ilaina ihany ny fahalalany ny toerana tokony harovany sy ny fomba iainany miaraka aminao tompony! Raha ny aty Madagasikara aloha, raha tsy avobe ny tamboho, ary voambina tsara sy mitokana tsara ny tanana dia tsy misy olana mihintsy ny alika mankeny antokotany e! ny aty mantsy indraindray manahirana ny fiaraha-monina, tsy misy antony hoe inona akory dia efa vitan'ny manodidina ny mamosavy ny alikanao, kanefa ny chien de race aty dia tena lafobe mihintsy! Fa ny safidy dia miankina @ tsirairay ary mifanentana amin'izany koa ny education atao aminy!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1306