Hamparisika sy Hanatsara

1. Lantoer ( 21/10/2007 05:21)
Ho an'ny Admin,
Faly ny tenako mampita ity hevitra vaovao ity izay niombonako tamin'ny mpilalao eseky vitsivitsy.
Ny zava-misy tsikaritro hatramin'ny niatombohako nilalao tao dia misy Fihaonana efa nialona am-bolana maro ao nefa dia mbola mitoetra ao foana.
Mbola vitsy dia vitsy ny Mpilalao eseky malagasy mitsidika matetika ao amin'io rohy io.
Ka ho fanatsaràna azy dia handroso soso-kevitra izaho hoe :
Raha azo atao ny manome fandresena ilay Mpilalao nanao hetsika farany rehefa tsy nanetsika tao anatin'ny fe-potoana iray ( tapa-bolana, iray volana) ilay mpifanandrina aminy.
Amin'izay madio kokoa ny fijery ny Lalao mandeha.
Misaotra indindra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2371