Kristianisma sy ny famadihana!

81. xxx ( 13/06/2007 10:39)

Tsy mandiso aho fa manitsy.: Tsy noho ianao fa ho an'ny mpamaky hafa koa.
wink: Mahereza.
82. sonwin ( 13/06/2007 10:52)
Tsy mila ahitsy satria efa mahitsy 8)
83. xxx ( 13/06/2007 10:55)
Ho anao mety mahitsy. Fa amiko dia mila ahitsy.
84. ikaretsaka ( 13/06/2007 13:45)
sonwin soa ihany sy xxx> kalma ihany..
tsy misy mifandiso eto fa mifanitsy,
fa manampy an'i xxx aho eto!
ianaro mihitsy io tsy manafangaro io

lasa mivoana hatramin'ny fomba fivavaka manko raha io. lasa zatra mangataka amin'Andriamanitra izay ilainao foana ohatra ianao dia raha sanatria zavatra hafa tsy mifandraika amin'ilay nangatahinao no azo dia eo no miozongozona ilay finoana. betsaka no tratran'io!
85. sonwin ( 13/06/2007 14:21)
xxx> ianao mihitsy no mila manitsy fomba fijery aloha 8)

soaihany> ka na malahelo aza ianao milaza izany dia ankafaliana no hilazako azy aminao fa sitrapoNy tokoa ny hanaovana famadihana amin'ny fomba kristianina 8)
86. prime ( 13/06/2007 14:25)
Aza mandainga ry zareo a... tsy mbola nisy na dia iray aza nanao famadihana ka tsy naka mpanandro... ny antony dia mazava satria ny fasana tsy mba toy ny fonenana hafa toy ny trano, ny lapa... (nefa na ny trano aza dia nilàna mpanandro ny an'ny Malagasy sasany na tamin'ny fananganana, na tamin'ny fanorenana, na tamin'ny fitokanana)...

Zava-doza teo amin'ny Malagasy ny mikitika na manokatra fasana tsy mandalo mpanandro... ka tsy ilay famadihana no olana raha mijanona eo amin'ny hoe fitandroana fihavanana, fanamafisana fihavanana, fifaneraseràna hahatsara taranaka, fitsangatsanganana sy fialam-boly... nefa tsy izay loatra ihany no antony hanaovana famadihana... fa ny fidiran'ny fanahy miasa eo aminy no olana satria ny devoly dia fetsy ary tsy kely lalana... eny amin'ny fiangonana eritreretina ho masina aza idiran'ny devoly ka eny amin'ny fasana aiza no mahasakana izany raha sokafana?
87. sonwin ( 13/06/2007 15:31)
prime>
'zahay namadika an'i Victoire Rasoamanarivo toa tsy nisy mpanandro izany fa tsy misy mandainga izany eo ra-Prime a.

Ianao ihany dia efa manazava ny zavatra tsara ao anatin'ilay famadihana. Dia ireo no tandrovana.

Dia inona no atahorana devoly? ianao ihany aza dia efa manome ohatra fa na any ampiangonana aza idirany, ka inona no atahorana azy raha miditra any ampasana izy?
88. rush ( 13/06/2007 16:20)
"prime":
Aza mandainga ry zareo a... tsy mbola nisy na dia iray aza nanao famadihana ka tsy naka mpanandro...
ianao zany no mandainga satria tsy marina velively io e!na dia tsy fombanay aza ny mamadika dia efa nanatrika an'io aho ary sahy milaza anao fa tena anisan'ny mpikarakara an'io aho!ary ny zavatra lazaiko anao dia tsy fomban'ireo olona nanao famadihana ireo izany maka mapanandro zany nefa dia vita soamantsara io famadihana io t@ alalan'ny fivavahana!
dia mba diniho tsara koa ny zavatra lazainao fa mifanohitra be daholo e!
89. rush ( 13/06/2007 16:24)
hadinoko fa tsy fombanay ny mamadika fa kosa tsy atao ny fandavana fanampiana!
90. pissoa ( 13/06/2007 16:48)
prime:
Aza mandainga ry zareo a... tsy mbola nisy na dia iray aza nanao famadihana ka tsy naka mpanandro... ny antony dia mazava satria ny fasana tsy mba toy ny fonenana hafa toy ny trano, ny lapa... (nefa na ny trano aza dia nilàna mpanandro ny an'ny Malagasy sasany na tamin'ny fananganana, na tamin'ny fanorenana, na tamin'ny fitokanana)...

:-D:-D:-D
manao hevi-draikitra be loatra ianao rehefa miresaka ! Efa izahay tsy mila mpanandro no miteny anao fa tsy mila an'izany izahay ...

prime:
Zava-doza teo amin'ny Malagasy ny mikitika na manokatra fasana tsy mandalo mpanandro...

Ou la la ! toa hitako eto fa ry Prime rehefa mandevina dia maka mpanandro :oops: raha tsy hoe tsy any ampasana no alevina ny matiny. :-D:-D:-D

prime:
ka tsy ilay famadihana no olana raha mijanona eo amin'ny hoe fitandroana fihavanana, fanamafisana fihavanana, fifaneraseràna hahatsara taranaka, fitsangatsanganana sy fialam-boly... nefa tsy izay loatra ihany no antony hanaovana famadihana... fa ny fidiran'ny fanahy miasa eo aminy no olana satria ny devoly dia fetsy ary tsy kely lalana... eny amin'ny fiangonana eritreretina ho masina aza idiran'ny devoly ka eny amin'ny fasana aiza no mahasakana izany raha sokafana?

Raha io toe-tsaina io no enti-miaina dia izao : aza manao na inona na inona mihitsy. Io anie hatramin'ny hanina haninao aza e, ie mamelona ny tenanao io ... fa fetsy sy tsy kely lalana ny devoly ary azony hitaritana anao amin'ny ratsy io ! ny fitadiavanao vola, ny famakianao soratra masina sns ! ahitany fika daholo fa aza misy atao :-P
91. pissoa ( 13/06/2007 16:53)
soaihany:
Resaka Kristianisma sy ny famadihana no atao eto.
Mitodika manokana amin'ny Kritianina aho eto;Betsaka no miezaka manamarin-tena sy manamarina fa eken'ny fitsipipi-tondran-tena maha Kristianina ny Famadihan-drazana,malahelo aho anefa milaza amintsika ary tena hifonako raha sanatria manafitohina antsika fa TSY SITRAPON'ANDRIAMANITRA VELIVELY NY fanaovana io fomba iray io.Koa ny teniko dia hoe mahereza, tsy misy fanerena akory ao antin'izany fa izao ;ianao izay mamaky dia efa nam-pahalalaina aloha ianao izay.

Lany hevitra angaha ny namana ! hevitra aroso fa ady hevitra anie no eto fa tsy affirmation gratuite e ! Tsy manamarin-tena akory izahay fa ianao fotsiny no mihevitra anay ho diso :-D:-D:-D
92. marozevo ( 14/06/2007 23:40)
Aza mandainga ry zareo a... tsy mbola nisy na dia iray aza nanao famadihana ka tsy naka mpanandro... ny antony dia mazava satria ny fasana tsy mba toy ny fonenana hafa toy ny trano, ny lapa... (nefa na ny trano aza dia nilàna mpanandro ny an'ny Malagasy sasany na tamin'ny fananganana, na tamin'ny fanorenana, na tamin'ny fitokanana)...

Famadihana firy sy an'iza avy no efa natrehinao aloha ka mahatonga anao hilaza fa tsy misy na iray aza ?

Sao dia heverinao fa mitovy amin'ny ataonareo daholo ary ny ataon'ny olona rehetra. Sa ianareo no tena fitaratra ?

Ny olona eo efa milaza fa izahay tsy mijery mpanandro izany... tsy iray no milaza izany fa efa telo izao no hitako ao ... dia sahinao ny milaza fa tsy misy na iray aza ? Hafahafa ianao !

93. ikaretsaka ( 15/06/2007 06:40)
Anay koa aloha tsary mila mpanandro shefa mamadika e!
94. marozevo ( 15/06/2007 08:32)
Izahay koa : Efa roa izay.... mbola ho avy koa i pissoa sy i Fiffi...

Nefa hono tsy misy na iray aza.
95. ikaretsaka ( 15/06/2007 16:10)
donc misy izany!
Ok prime?
96. marozevo ( 15/06/2007 17:13)
ie misy ka.... Tena misy, fa tsy azo généralisena.
97. xxx ( 16/06/2007 21:02)
O ry Marozevo a, mba lazao ny resaka inculturation taorian'ny konsily vatikana II fa toa adinonao e, ianao mahalala tsara an'izany e.
98. xxx ( 17/06/2007 08:27)
Miala tsiny @zay katolika aho fa io fampiaharahana ny fomba sy finoana'ny olona ao@ tany iray io @ finoana kristiana no anaisan'ny fomba fampidiran'ny katolika ny finoany ao @ny tany iray.Adaptation locale zany raha tsorina.
Ny finoana nisy tao@ tany iray,izay azo lazaina fa fanompoanatsampy, tsy ravana tanteraka fa ny finoana kristiana no adapténa hifanaraka @iny.
Ohatra iray ity famadihina ity;nofongarina Victoire Rasoamanarivo de hoe hasandratra ho olo-masina!!:°):°) ady hevitra vao² azo sokafana ihany koa io fanadratana ho olo-masina io!!
saokafatsiaka indray io raa tianareo!!:lol::lol:
99. Fiffi ( 17/06/2007 10:53)
marozevo:

Izahay koa : Efa roa izay.... mbola ho avy koa i pissoa sy i Fiffi...

Nefa hono tsy misy na iray aza.
heu....zahay kalou tsy mamadika zany an ! raha sanatria ka misy olona natsohin'Andriamanitra hody any aminy de am iny no manararaotra maninn moh ? (tena azafady fa tsy tadidiko) fonosana njay le razana ? aleko tsy hiteni2 foana eto an ! fa ny zavatra fantatro fotsiny de tsy mamadina zany zahay...
Niantso fianakaviana tany dago zah fa tsy mbola naka an'zany mpanondro zany na de 1 mané aza satria ny zavatra atao rehetra de araham-pivavahana de vita soamantsara daholo.


100. Fiffi ( 17/06/2007 10:55)
mpanandro fa diso zah...mbola tsy naka na de 1 mandé aza !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7638