Ny olana amin'ny fivavahana.

1. Fiffi ( 27/05/2007 16:22)
Zany hoe : nalefan'olona mail ho anaha ity de nalefako eto mba hiadiana hevitra...de ho zarazaraiko fa lava loatra....


Mitandrema tsara, tandremo ny hivelomanareo ny fiainanareo amin'ny "sakafo" araka ny fivavahana.

Efa hadinonareo marina tokoa ny mofo dimy izay namahanana olona dimy arivo sy ireo sisa ambiny roa ambin'ny folo sobika, na ny mofo fito izay namahanana olona efatra arivo ary ilay ambiny tavela. Nefa tsy miresaka ny amin'ny sakafo eto an-tany aminareo Aho. Tsia, tonga Aho mba hampitandrina anareo tsy hivelona amin'ny hevitra sy ny fampianaran-diso ataon'ireo izay mivarotra ny fivavahana

Sasa-poana ireny olona ireny mivavaka Amiko, mampianatra ho foto-pinoana izay tsy inona akory fa zavatra noforonin'olombelona ihany. Lany andro mihitsy izy mifikitra amin'ny finoanoam-poany ka nanadino ny didin'Andriamanitra.

novalian'i rrgmt ny 31/05/2007 17:42
2. Fiffi ( 27/05/2007 16:24)

Tandremo ny mpampianatra sandoka izay mijoro eo anoloanareo mitafy hodi-janak'ondry. Nefa ambodia masiaka no miafina ao ambanin'io fiseho mamitaka io. Manaraka ny tena mpitarika azy dia ny devoly izy, ka manao izay tiany hatao , ary tsy nilaza ny marina mihitsy, saria tsy misy marina ao aminy. Rehefa mandainga izy, dia miteny araka ny fombany, satria mpandainga izy, sady rain'ny lainga.


Izao no lazaiko amin'ireny mpisandoka ireny izay manao ny tenany ho mpitsara anareo : Hotsaraina hianareo, ry mpitarika sy mpampianatra fivavahana diso, mpihatsaravelatsihy! Mibahana ny varavaran'ny fanjakan'ny lanitra hianareo, manidy ny lalàna amin' ireo izay maniry ny hiditra ao marina. Tsy miditra hianareo; nefa bahananareo ny làlana amin' izay maniry ny hiditra ao. Mangalatra ny mpitondra tena mahantra; ary avy eo, mba hanafenanareo ny tena hevitrareo marina, dia manao vavaka lavareny mampiseho fa tia vavaka hianareo. Fanamelohana lehibe no ho lovanareo.
3. Fiffi ( 27/05/2007 16:25)

Mandehandeha mitety tany sy ranomasina hianareo mba hahazoanareo olona iray babo amin'ny fampianaranareo; ary rehefa azonareo izany olona izany, dia ataonareo zanaky ny helo avo roa heny noho hianareo izy.

Hoy hianareo mitory: "Tsy ny tempoly no zava-dehibe. Ny fitehirizana ny rakitra soa ny tempoly no zava-dehibe!"

Inona no lehibe kokoa: ny volamena ao anatin'ny fitehirizana ny rakitra soa sa ny tempoly izay manamasina ilay volamena?

Ary hoy hianareo: " Tsy ny alitara no zava-dehibe fa ny fanatitra eo amboniny no zava-dehibe."

Sady adala hianareo no jamba. Iza no lehibe kokoa: ny fanatitra eo amin'ny alitara sa ny alitara izay manamasina ny fanatitra? Na iza na iza manaja ny alitara dia manaja azy sy ny zavatra rehetra eo amboniny. Ary na iza na iza manaja ny tempoly dia manaja Ilay mitoetra ao anatin'ny rindriny. Ary ireo izay manaja ny lanitra dia manaja ny seza fiandrianan'Andriamanitra, sy Ilay mipetraka eo amboniny. Na dia ny solila sy ny ahitra maniry eo anoloan'ny tranonareo aza no ataonareo fanatitra dia asianareo fombafombam-pivavahana. Adinonareo miaraka amin' izany ny zavatra mavesa-danja kokoa amin' ny lalàna dia: ny fitsarana, ny famindrampo ary ny finoana , izay tokony ho heverinareo anefa.
4. Fiffi ( 27/05/2007 16:26)

Tsy mihoatra ny irain-jehy eo anoloan'ny tavanareo ny fijerinareo. Mitatavana ny lalitra ao anatin'ny divainareo hianareo, kanefa mitelina rameva. Avy eo diovinareo ny ivelan'ny kaopy sy ny vilianareo, kanefa mijanona ao anatiny ao ihany ny hatevin'ny fakàna an-keriny sy ny loton'ny tsy fahononan-tena . Oadray izany fahajambanareo! Diovy aloha ny loto ao anatiny dia hadio koa ny ao ivelany.

Hianareo dia mpampianatra sandoka! Tsy tsara nohon'ny fasana milalotra fotsy, izay miseho ho mahafinaritra ety ivelany kanefa ny ao anatiny feno fahafatesana sy taolam-paty hianareo amin'ny fihatsaram-belatsihinareo. Mety manaitra ny olona hianareo amin'ny fampisehoanareo ny fahamarinanareo ety ivelany nefa ao anatinareo ao dia feno fihatsaram-belatsihy sy fahotana. Ahoana moa no ahafahanareo hino, ianareo izay velona amin'ny fideran'ny namanareo anareo ary tsy mba mitady mihitsy ny fiderana avy amin'Andriamanitra irery ihany?.

5. Fiffi ( 27/05/2007 16:27)

Manorina tsangam-bato ho an'ny mpaminany hianareo ary mametraka voninkazo manodididna ny fasan'ny marina, sady miteny hoe: "Raha velona tamin'ny andron'ny razanay izahay, tsy ho navelanay nalatsaka mihitsy ny ràn'ireo tsy manan-tsiny ".

Mba mijoroa moa amin'ny tsy fahamarinanareo e! Taranak'ireo izay namono ny mpaminany hianareo ary ankehitriny aza manoatra lavitra noho ny nataon'ny razanareo no ataonareo.

Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana moa no fandositra ny fanamelohana amin'ny helo? Indro, haniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpampianatra any aminareo Aho: ary ho vonoinareo sy ho omboinareo ny sasany amin'ireo; ary ny sasany ho kapohinareo sy ho enjehinareo isan-tanàna.
6. Fiffi ( 27/05/2007 16:28)

Fihatsaram-belatsihy izany a! Marina mihitsy Isaia raha naminany momba anareo niteny hoe: "Ity firenena ity manatona Ahy amin'ny vavany sy manaja Ahy amin'ny molony; fa ny fony kosa lavitra Ahy." 7

Manamari-tena eo anatrehan'ny mpiara-mivavaka aminareo hianareo; fa Andriamanitra mahalala ny fonareo: fa izay heverin'ny olona ho ambony dia maharikoriko eo imason'Andriamanitra.

Mitandrema: Maro no ho tonga avy any atsinanana sy andrefana, ary hipetraka miaraka amin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ao amin'ny fanjakan'ny lanitra. Fa ireo izay tokony ho niditra tao amin'ny fanjakana dia ho roahina any amin'ny maizina any ivelany. Raha tsy mihoatra noho ny saritsarim-pahamarinan'ireo izay antsoina hoe mpivavaka ny fahamarinanareo, dia tsy ho tafiditra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra mihitsy ny tongotrareo
7. marozevo ( 28/05/2007 22:13)
Fiffi > Misaotra amin'ny fahatsoranao... tena lava dia lava tokoa ilay izy. Rehefa novakiako an-tsipirihiny, dia hitako fa "soratra" ao amin'ny Baiboly ireo, saingy tsy misy Baiboly izao eto, ka tsy fantatro ny referansy. Raha somary ampianao ny hevitrao sy ny ampianao ny referansy ireo, dia ho tena fatratra sy tsara ny adihevitra eto. Fifanakalozan-kevitra manko eh...
8. Fiffi ( 29/05/2007 05:29)
marozevo: laeo aloha tadiaviko satria nomen'olona anaha koh io an ! fa tena mampiheritreritra be ny voalaza @ ireo.....
9. marozevo ( 29/05/2007 22:34)
Dia mbola naveriko novakiana indray, ary vao maika lasa lavitra ny eritreritro marina eh... Iza loatra re ity "IANAREO" lazainy ity eh ? Sao dia mba izaho ary, hoy aho manontany tena.

Tsorina fa mitarika handinin-tena ilay eh.
10. xxx ( 30/05/2007 09:52)
Izaho mahita fa tsy zavatra natao iadian-kevitra ity ry fiffi, fa zavatra natao hotsakotsakona ka misaotra e!

Efa namaky boky roa aho izay nahitako zavatra mitovitovy amin'zao: ny iray resaka amin'ny Fomasin'i Jesoa, ary ny iray hafa kosa dia boky kely izay, ny titre tsy tsaroako, fa resaka ifanaovan'i Margeritte Marie amin'i Jesoa no ao anatiny. Journal spirituel an'io vehivavy io raha azoko tsara ilay izy.
11. marozevo ( 30/05/2007 23:12)
Marina io lazain'i xxx io.
12. ikaretsaka ( 31/05/2007 06:13)
Mandehandeha mitety tany sy ranomasina hianareo mba hahazoanareo olona iray babo amin'ny fampianaranareo; ary rehefa azonareo izany olona izany, dia ataonareo zanaky ny helo avo roa heny noho hianareo izy.


manidi-tena marina no vahaolana

Misaotra aky fiffi a

Ny an'i Mb Faustina koa (Divine mercy) no ohatran'ny nahitako an'io
13. miangalyandria ( 31/05/2007 07:24)
Misaotra an'i Fiffi nizara. Fa dia tena lava aloha ilay izy an na izany aza dia mitarika antsika hisaina. Ohatran'ny hoe efa namaky an'izy ito aho fa tsy tadidiko hoe taiza.
14. Fiffi ( 31/05/2007 12:41)
xxx:
Izaho mahita fa tsy zavatra natao iadian-kevitra ity ry fiffi, fa zavatra natao hotsakotsakona ka misaotra e!
marina zany !


15. soanja ( 31/05/2007 14:54)
Iza anefa no afaka hilaza fa ny zavatra voalaza rehetra avy amin'ity olona manoratra ity no manana ny fahamarinana faratampony ka hitsara ny hafa.

Amiko ny fifandraisaNY amin'Andriamanitra no tokony havoitrany HOTAHAFIN'NY hafa fa ny fanapepoana ny hafa lavareny kosa, zany hoe ny filazana hoe IANAREO dia fanasana atidoha sy fampitahorana ary fandringanana ny mahaizy ny olo-malemy!

Tsy natao hampitahotra i Andriamanitra fa tiany isika raha manantona aminy amin'ny safidintsika ary mino isika fa izy ilay IRAY raha ny fahitako azy!

16. rrgmt ( 31/05/2007 17:42)
Misaotra an'i Fiffi nizara ny Vaovao Mahafaly fa tena Teny Fiainana tokoa, fa tena mila voaboasana mihitsy ilay izy.:roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4404