izany tokoa ve sa machination an'ilay 8 io!!

1. bazylou ( 03/05/2007 12:17)
Fikasana hamono ny Filoha - Fantatra ny olona mpamatsy vola avy any ivelany
Mis en ligne le 3/05/2007


Fantatra ny atidoha mikotrika ny fikasana hamono ny Filoha ny 3 avrily hifoha 4 avrily lasa teo, saingy mbola eo am-panangonana porofo ny mpanao famotorana. Nanaitra ny fahafantarana ny fisian’ny olona mamatsy vola ny fikasana avy any ivelany.

Mbola mitohy hatrany ny famotorana sy fanadihadiana eo anivon’ny zandary sy ny polisy mikasika ilay fikasana hamono ny Filoham-pirenena ny 3 avrily hifoha 4 avrily lasa teo iny. Araka ny fanazavana azo, naverina an-toby ireo miaramila 6 voasambotra nanodidina iny raharaha iny, fa tsy nampidirina am-ponja vonjimaika toy ny mahazatra. Any amin’ny toby misy azy ireo tsirairay no anaraha-maso sy hampiharana ny fitsipika mifehy ny miaramila amin’izy enin-dahy aloha. Marihina fa miaramila daholo ireto voasambotra ireto. Kolonely sy lietnà no voalaza fa nanakarama azy ireo. Kapôraly sy miaramila tsotra kosa ireo nirahina. Ilay kapôraly no nitolo-tena teny amin’ny mpitandro filaminana, rehefa nahazo fandrahonana raha toa ka saika hihemotra tsy hamita iraka indray. Antony tsy nampidirana azy ireo am-ponja, araka ny fanazavana, dia ny mety ho faharetan’ny famotorana satria mandalo dingana maro ny hahitana ny tena atidohan’ny fikasana hamono ity. Amin’izao fotoana izao mantsy dia efa fantatra ny atidoha mikotrika azy io, saingy mbola eo am-panangonana porofo ny mpanao famotorana. Misy mpanao politika, olon-tsotra, polisy sy miaramila voatonontonona amin’izao toe-draharaha izao. Fantatra ihany koa ny olona mamatsy vola ireo mikasa hamono ny Filoha any ivelany any. Nanamafy ny lehiben’ny mpanao famotorana fa tena nisy iny fikasana hamono ny Filoham-pirenena iny fa tsy ankandasitra araka ny filazan’ny olona sasany. Efa fanindroany tamin’ity taona ity iny nitranga ny 3 avrily lasa teo iny, ny voalohany tamin’ny volana marsa teo, saingy tsy nahomby. Mitohy, araka izany, ny famotorana amin’izao fotoana izao, ka samy miandry izay havoakany ny mpanara-baovao rehetra. Nanome toky ny mpanao ny fanadihadiana fa tsy maintsy ho tratra ny tena atidohan’izao toe-draharaha izao, izay efa fantatra rahateo.

Loharano : Taratra.

Dia jereo ao e!! raha tsy vendrana izy ve dia hohitanao eo!!! tsss, mizansena indray io,, machination...jereo fa ho lasaohatran'ny pety koa io , satria mitady legitimité amin'ny pokona fona ilay 8 hiarovanany ny trafika sy ny halatra atao!!:roll::roll::roll::roll::roll::roll::roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0608