tsara ho fantatra @ fandovana!

1. kitjo ( 31/01/2007 12:55)
Sali dol

Hono wa, hafiriana aorian'ny fahafatesana no fe-potoana tsy maintsy hanaovana famindrana anarana @mpandova?
- fiarakodia
- trano
- tany sns

Dia inona daholo koa ny tsara ho fantatra kay?
t@ asa nataony na ohatra izany ka mety mbola mahatafiditra ny mpandova azy..

Misaotra ooo
novalian'i camilla15 ny 13/03/2015 00:29
2. fijo ( 31/01/2007 21:27)
ny tsara sy malina indrindra dia ny tsy miandry ela.satria enao mpandova mpandova mandrapahafaty,saingy ny atahorana dia raha misy olona misandoka mitsolona anao.ka raha vao misy fotoana,dia ezaho ny hamindra ny lova rehetra.
3. jefra ( 01/02/2007 14:22)
Toa tsy misy fetra mila arahina, fa ianao mandova no voatery arakaraky ny zavamisy. Manahirana ny manangona ny mpandova rehefa miandry ela loatra no olana. Dia miha samy manana ny fijeriny ka miha sarotra ny ifanarahana. Raha misy maty tamboka ohatra ny mpandova, dia mila ny faneken'ny mpandova ilay maty sns...

Fiara: Fanovana tsotra. Raha te hi-roule ianao dia mila mandoa assurance farafaharatsiny.

Tany/Trano: Na tsy hatao mihintsy aza ny famindrana, rehefa mifanaraka ny mpandova dia tsy olana. Betsaka ny situation tahak'io eny ambanivohitra. Feo miampita fotsiny ny fifanekena fa tsy misy taratasy akory.
4. kitjo ( 01/02/2007 19:06)
Misaotra namaly,

ny taratasy fandovana efa ara-dalana daholo k!
Fa zany oe nasiana "ordre de priorite" ilay izy satria maika ( ny momba ny asa ohatra)

Misy taninay zay manko @ anaran' i Dada..efa vita ara-dalana. Dia ilay olona nividianana azy hono miantso an' i Mamanay foana hoe omeo ny details mombamomba ny zanakao (satria za rery no ampy taona)...
Fa raha vao miandry ela be io dia lasan' ny olona fts...

Ka izay no mahagaga ahy satria tsy mbola ampy herintaona akory ny nahafatesan' ilay olona sady tany vita titre mazava ka ho lasan' ny olona @ ahoana moa?

Ny borne angamba no mety tsy mbola vita tsy haiko tsara fa ny titre mazava tsara...
5. fijo ( 01/02/2007 23:33)
raha vao misy titre dia mahazo matory milamina ndry ka.
tsy olana izay borne any,fa ny titre no zavadehibe.
6. jefra ( 02/02/2007 11:50)
kitjo>Tsy azo tsara daholo hoe inona no olana. Fa ny azoko ambara dia:

borne: Io no ilana geometre. Manamarina ny toerany. Tsy mivoaka ny titre/boky raha tsy voamarina ireo. Satria manao sary vaovao ny geometre (mety hoe ny teo ihany, na parcelles maromaro nakambana iray, na hoe zaraina roa/telo...)

Titre: Copie cadastre fotsiny, misy ny refy sy anaran'ilay parcelle. Afaka mifindrafindra tanana. Fa tsy midika io fa anao ny tany. Ohatra: Raha mividy tany ianao dia omen'ilay olona anao ny boky/titre fa tsy midika izany fa efa anao ny tany juridiquement.

Situation juridique: Taratasy manamarina ara-panjakana hoe iza marina no tompony. Io taratasy io no manamarina fa anao ny zavatra. Raha hividy tany/trano ianao, ka te hanamarina fa ilay tompony tokoa no mivarotra, dia afaka mangataka io taratasy io any am domaine (afaka mangataka io daholo, fa mila mahafantatra ny reference n'ny tany fotsiny). Ny halatra mety misy anefa dia ny hoe, efa namidiny tamin'olon-kafa ilay izy, kanefa io olona io mbola tsy nanao mutation-ny.

Raha tany novidian'ny olona lovaina, ka mbola tsy amin'ny anarany ny situation juridique, dia ilaina ny momba ny mpandova hamitana ny procedure, satria ara-panjakana dia mbola an'ny mpivarotra ny tany, na dia efa eo ampelatanan'ny mpandova aza ny boky/titre.
7. kitjo ( 02/02/2007 20:35)
Misaotra o

Ilay taratasy titre aty aminay aloha efa amin' y anaran' i Dada ka aleo aloha verifier-ko aza hoe inona tsara ilay izy izany fa sao miteniteny foana aho...
8. fijo ( 03/02/2007 05:49)
rehefa amin'ny anaranao io titre io dia anao izay ny tany.izay aloha dia mazava.izao ny tokony hoatao,dia ny hamindra io titre io amin'ny anaran'ny mpandova.
9. kitjo ( 03/02/2007 21:08)
ok...
aleo aloha hamarinina tsara refa tonga any za e.
tsy nazava tamiko mihitsy manko ny antony nangatahin' ilay olona ireo details momba ahy ireo hoe anaovana fangatahana inona tsara...sady tsy za koa no mangataka fa ry zareo izany nefa zavatra ho atao @ anarako....

hita eo e!
misaotra anareo
10. tywa68 ( 04/02/2007 09:39)
efa tsara hoe ho any ianao hanao azy, fa tsy mora mihitsy io fandovàna io (rehefa tsy eo an-toerana, ka olonkafa ny manao azy...satria mila procuration sns... mandreraka ê). Courage ê !
11. kitjo ( 07/02/2007 14:46)
melsi tywa
zay mitsy sady manahirana koa ao Dago ny mpanararaotra an....na olona akaiky anao izao aza...
12. fijo ( 07/02/2007 23:25)
izay indrindra;malina ihnay fa be ny mpiandry fotsiny.fa tsy nanana notaire nga izy???
13. kitjo ( 09/02/2007 17:26)
non :(
toa tsy tao anaty pro mitsy
14. fijo ( 09/02/2007 23:22)
tsara ihany ny manana notaire fa bon,efa tsy nisy izany de izay aloha,fa aleo malina ihany.
fa izao atao.
manaova inventera ny fananany rehetra nareo.izay rehetra misoratra aminy,na izay novidiany ka tsy mbola voafindra ny titre.
rehefa vita izay dia hita indray izay hoatao,arakarak'izay zavatra hita eo
15. kitjo ( 12/02/2007 20:02)
ok merci fijo

zay mihitsy no atao fa ny tsy voasoratra any ambadika any aza moa tsy hay tsony

any ambanivohitra manko izy mpanangona tany dia bebe aza no mba milazalaza ny fantany..fa efa eo am-panaovana taratasy ara-dalana izay fantatra aloha amin'izao e!
16. fijo ( 14/02/2007 00:32)
izay mihintsy.dien'ny mbola tsy hadino dino dia hetseo,fa manjary "very tadidy" ny olona avy eo
17. kitjo ( 14/02/2007 16:41)
marina mihitsy izany sayd na ny mpivarotra aa mety handa raha tara...
18. fijo ( 14/02/2007 23:02)
ka izay le "very tadidy"tiako lazaina.tandremo aza manarinary ny taratasy hitahita teny fa tsy hay izay voasoratra tany
19. lilbon ( 16/02/2007 05:07)
manahoana daholo ianareo rehetra ato aloha
miala tsiny raha izay vao nahita ity lohahevtra ity.
1/NY FAMINDRANA ANARANA AMIN NY FANDOVANA DIA
TSY AZO ATAO MIHOATRA NY 6 MOIS AORIAN NY AHAFATESAN ILAY OLONA MATY.FA LASA MISY SAZY RAHA MIHOATRA.
2/AZO ATAO TSARA NY MUTATION NY LOVA IRAY AMIN'NY ANARAN'OLONA MARO2.TSISS OLANA NA 10 AZA NY MPANDOVA.

20. fijo ( 16/02/2007 06:28)
fa efa hanao aloha le izy dia izay no zavadehibe
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.7971