FIZARAM-PANANANA

1. HESHA ( 30/08/2006 10:07)
Salama daholo.
Mba saika hanontany aho hoe inona no voalazan ny lalana mikasika ny fizaram-pananan'ny mpivady misaraka.
Inona avy ny procedure arahana.
Misaotra mialoha
2. naritsimba ( 30/08/2006 10:42)
Io dia arakarak'ilay nifanarahan'ny mpivady teo am-pisoratana tany @ Mairie (fananana niaraha-niary tao anatin'ny fanambadiana io fa tsy tafiditra ao ny lova navelan'ny RAD na avy @ lahy na avy @ vavy).
Raha noteloina no nifanarahana dia 1/3 no lasan'ilay vehivavy.
Raha tsy nisy ni nifanarahana dia mizara mitovy ny lahy sy ny vavy.
Ny tribonaly no mandidy an'io raha tsy mifanaraka mihitsy ny lahy sy ny vavy eo @ fizarana.
3. booboo ( 30/08/2006 10:43)
tsy arakaraka ny contrat de mariage ve ny fizarana ? :-/
4. Fiffi ( 30/08/2006 11:15)
tena arikin'ny contrat de mariage hiany ny fizarana an'io an! Fa raha ohatra kosa hoe tsy nanao an'io contrat io de izay hentana nohentinao t@ nanambady de ho anao , fa ny hentana niaraha-nividy kosa de zaraina.
5. bertran ( 30/08/2006 12:17)
de haona zany raha mbola tsy vita soratra no misaraka !
6. ds ( 30/08/2006 12:43)
Anankiroa ny sata mifehy ny fananan'ny mpivady vita soratra ara-dalàna eo amin'ny lalàna gasy.

1) kitay telo an-dàlana na zara-mira(Régime de droit commun)
Hozaraina araka ny fomba nentin-drazana «kitay telo an-dalana» na «fahatelontanana"
ireo fananana niaraha-nihary (fananana iombonana) amin’ny fotoana faharavan’ny fanambadiana.

2) fanavaham-pananana (régime de la séparation des biens)
Manao fifanarahana (contrat) ny mpivady eto.

Raha tsy nisy fifanarahana teo am-panambadiana, dia ny zara-mira no hampiharina rehefa misaraka. Zaraina mitovy ny fananana iombonana. Raha misy olana dia ny tribonaly no mamaha azy.

Fananana manokana (biens personnels) :
- Ireo fananana talohan'ny mariazy
- Ireo fananana azo taorian'ny mariazy avy tamina lova, fanomezana, sns

Fanana iombonana (biens communs)
- ny karaman'ny mpivady
- izay rehetra azo avy tamin'ireo karama ireo (trano, fanangonam-bola, trosa, sns)
- ny fananana manokana tsy ananana porofo

7. Fiffi ( 30/08/2006 14:14)
ds: zay indrindra ! marina daholo ireo voalazanao ireo an! ^:^^:^
8. fijo ( 30/08/2006 21:08)
amin'ny ankapobenay dia io efa nolazain'i DS io le fitsipika.
fanamarihana kely.taloha raha tsy misy ny fifanarahana,dia le kitay telo andalana io no nampiharina,fa izao efa niova.

efa mazava tsara io ny atao hoe fananana iombonana sy ny fananana samy irery.

mazava hoazy fa ny fananana iombonana no zaraina.
ka ny fomba fizara azy dia,jerena aloha izay fananana miankina,ohatra.raha mpanao fitanterana rangahy ary mpitsabo ramatoa.ny kamiao dia lasan drangahy ary ny fizahana tension sy ny steto dia lasan dramatoa.

amin'io fananana iombonana io koa,raha manana profo enao,fa volanao manokana no nahazoana azy.ohatra mbola mpianatra enao dia efa nanangom bola ary nony nivady ianareo dia nividy trano tamin'io vola io.raha voatahirinao,ny "releve ny bankinao taloha momba io kaonty io,dia lasanao ny trano.

misy antsipirihany betsaka toa izay io,fa tsy mora.
9. HESHA ( 31/08/2006 08:46)
Misaotra anareo namali le fanontaniako.

de raha tsi meti mizara a l'amiable mo zani ni irai am mpivadi de inn ni procedure arahana ampiakarana azi eni am fitsarana ?
10. fijo ( 01/09/2006 21:34)
ka ny fizarana azy resahako eto anie fizarana ataon'ny fitsarana e.fa tsy hoe ianareo no mifanaraka.
raha hafaka mifanaraka moa ianareo vao miha tsara.
11. HESHA ( 12/09/2006 08:12)
de inn le atao zani ampiakarana azi ani am fitsarana ry fijo ?
12. fijo ( 12/09/2006 21:01)
ny mpandova tsirairay dia samy manana zo hangataka ny fanelanelanan'ny fitsarana,raha toa ka misy olana ny fizarana lova.izany hoe enao io dia hafaka mangataka izany;ary tsy misy hafaka manda ny mpandova rehetra.
13. HESHA ( 13/09/2006 14:46)
ka ity ange resaka fisarahana ry fijo e sao de afangaronao am le atsy ambadika atsy ?
14. fijo ( 13/09/2006 20:44)
hesha marina ny voalazanao.nafangaroko ilay izy.
an anentinao any amin'ny fitsarana ny didy manambara ny fisarahana,dia mangataka enao ny hanaovana ny fizaram pananana.
15. HESHA ( 15/09/2006 11:45)
ok mazava tsara, misaotra e
16. fijo ( 15/09/2006 20:44)
fa io mbola zavtra hafa indray an.raha maka avocat ndry dia vola roa samy hafa ny divorce sy ny fizaram pananana
17. HESHA ( 18/09/2006 09:15)
ie, efa azok0o antsaina ihany ka.
18. fijo ( 19/09/2006 22:44)
mahereza e
19. lunahdemada ( 21/09/2010 07:41)
manahoana daholo! momba le fizaram-panana iany! ny dadako nanan'janaka talohan ny nanabadiany ny mamako tsy vita ninoninona tamin'ny maman io zaza io ny dadako fa natsankany fotsiny le zaza, voasoratra ara dalana ao anatin 'ny mpadova ny anarany, ny dadako sy ny mamako kosa vita soratra ara dalana ary niteraka anay telo dahy! maty tamin'ny taona 2004 ny dadako ary ankehitriny mitaky ny anjara lovany io zokinay io, mpandova izy ary tsy manda izahay fa kosa nolazainy fa ts misy anjara ho an ilay mamako hono fa izay voasoratra ao anaty acte de notorité ihany no mahazo anjara, dia ahoana avy kay no dingana tokony hatao amzany fizaram pananana izany dia ahoana ny maha vady ara dalana an i mamako raha iala maina tokoa? manana avocat izy ary miziriziry amin'ny heviny fa ny ankizy ihany no mahazo! kitay telo andalana no nifanarahan dry zareo! nefa toa hoe raha misara belona vao manankery io, dia ahoana kay no tokony ataoko fa mampalahelo ahy ny mamako raha marina tokoa izany, nisy article nasehony anay tokoa mantsy! ampio aho fa misa mafy ny saiko raha ny harena nisasaran izy mivady ho halaina aminy fotsiny! misaotra anareo sahady ny tenako amin ny valiny!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.919