Voretra ve ny gasy sa ahoana?

21. vale ( 03/08/2006 11:36)
prime:

ny an'i lemenakely aloha dia mitombina e, miampy rahateo ny fahambanian-tsaina fa rehefa mahantra dia izay miditra ny vava ihany no manahirana...
prime: mety hoe tsy fahambanian-tsaina fa "connerie":oops:, cons satria raha hanipy zavatra dia iza ihany no hijery an'iny maloto iny eo, ary tonga dia tsarainy vahiny @ iny loto iny koa avy eo:-D:-D:°)


22. piacer ( 04/08/2006 10:00)
lemenakely, prime> za kosa tsy miombon-kevitra aminareo e
io tsy miankina @ le quartier zany fa le toe-tsain mihitsy
jereo fotsiny oe mandeha eny an-dalana d reny vam milay be reny mangilatra mihitsy nefa d tsy menatra akory ny ao anatiny manipy ny fonon-javatra ohaniny eny @ lalana lalovany nefa d misy ny faritra mba miezaka manadio an'reny lalana reny isakyny faran'ny herinandro, ny fokontany aty aminay d manao an'zany an
23. soanja ( 04/08/2006 22:34)
Tsy voretra ny gasy fa ny fitaizana hatramin'ny fahakely ny atao hoe Fahadiovana no tsy nananany. Ny ankabeazany no resahiko.
Fitaizana sy fanabezana daholo no basen'izany. Mbola tsy nahita toerana madio sy milamina tena hoe azony iainany izy dia tsy mahatsapa ny atao hoe madio. Taloha tokoa mantsy dia ny tananam-bazaha sy ny oloman-kaja ihany no madio sy voakarakara, ka dia mihevitra ilay gasy kely hoe satria manambola ireo dia madio ny azy. Fa tsy fantany fa tsy maintsy volena ao an-tsaina ny fitiavana ny fahadiovana ary lasa fahazarana rehefa aty afara mahita tontolo madio.
24. Herimiafina ( 05/08/2006 14:53)
Tsy voretra ny gasy fa Antananarivo no be olona be loatra! :-*
25. Achia ( 06/08/2006 15:49)
voretsa wa ny gasy e ! efa tokantrano firy no nidirako tao Tana ka hatrany @ faritany fa tsy izy rehetra kosa aloha fa ny ankamaroany de voretsa e . Ny tena mahatonga le havoretsana hoy ianao de eo aloha ny hakamoana ao koa ny adimpiainana fa lasa any @ fitadiavana daholo ny andrompiainana ka ahoana no fika hanoroana ny akamantsika
26. Herimiafina ( 06/08/2006 16:11)
Efa vita analizy SPSS ve na SAS ito resaka ito dai mba avoahay eto ny sondage sy ny donnée rehetra hanaovako generalization kely! :-D
27. LazaDaddy ( 06/08/2006 23:36)
Herimiafina> dray dray dray...misy demo SPSS indray eto kle. Aoka rangahy marina! hahaha!

Achia:
voretsa wa ny gasy e!
Te ho vedety indray Achia an! hahaha!
28. Herimiafina ( 07/08/2006 23:55)
Ny seuil de signification amin'ny SAS sy ny SPSS dai 5%, ka mahatonga ahy mety hieritreritra fa raha misy gasy voretra 95 ao anatin'ny zato dai afaka manambara aho fa voretra tokoa ny gasy. hehehe:-D
29. soanja ( 09/08/2006 13:54)
Raha io volazanao io tokoa ry HM no marina dia voretra marina ny gasy. Mampalahelo o.
30. Achia ( 09/08/2006 17:29)
mety ho lasa sambo mitsy ngamba e . Aleoko tsy tonona eto ny toerana ahitana ny voretra fa sao ho lasa olana fa za kalo nahita sa tsy haiko noho ny fahantrana ve nefa ny fahadiovana tsy vidiana
31. prime ( 17/08/2006 12:05)
Marina daholo ny ambaranareo fa izaho mahita hoe ny fahantràna no antony voalohany ka tsy mijery izay fahalotoana izany ny olona na ny ao an-tokan-tranony aza fa ny hohanina no mahafatifaty azy... fa etsy ankilany tokoa aloha misy olona eritreretina ho manan-kaja nefa dia manarinary fahatany fonon-javatra eny rehetra eny... fa toe-tsaina mihitsy ilay izy rehefa tena dinihina, kanefa rehefa enjanin'ingahy ben'ny tanàna ny fampiharana lalàna dia mimenomenona daholo indray...:wink:
32. cutie ( 17/08/2006 16:53)
prime
marina zany :lol:
33. Herimiafina ( 17/08/2006 20:47)
Tsy misy voretra hatrany ankibondreniny izany e! na i Einstein aza no miteny, na nisy etude statistique na tsia! Rahampitso io de miova raha maty ny mpiatsara velatsihy, mampanantena mana avy any andanitra isankarazany izay mandoto ny saimbahoaka! :roll:
34. pissoa ( 19/08/2006 17:32)
HM ^:^^:^^:^
prime: tsy misy izany hoe fahantrana izany fa kamo mihitsy raha ny ao an-tokantrano aza tsy vita :roll:
35. Herimiafina ( 19/08/2006 17:59)
Zah mahalala ratrema miliaridera be tsy mba mandro mihintsy ohatra sady makota, mandrehoka eo amin'ny moquette! :-D
36. pissoa ( 19/08/2006 18:00)
grrrr :-D
37. soanja ( 20/08/2006 14:14)
HM > miala tsiny fa toe hoe hamaly an'i HM foana fa mba mifanojo foana ny hevitro amin'ny hevitrao :-*:-* satria ny fahantrana indrindra ry Herimiafina dia tsy voatery ho material daholo. Io ratrema miliaridera io dia mahantra ara-tsaina. Raha nanankarena izy dia azo resahina hoe inona no nampanankarena azy fa tsy voatery ? Nandova, nahazo volabe satria hiady vatosoa, nampianarina hoe rehefa izao dia izao no atao dia mahazo vola be sa ve ahoana?
38. soanja ( 20/08/2006 14:16)
Be dia be tokoa mantsy ny mpanakarena izay mahantra ara-panahy. Efa elabe i Mother Theresa no nilaza an'io fa tsy zah akory an.:-*:-*:-*
39. Herimiafina ( 20/08/2006 17:38)
Marina mihintsy iznay retsy! Ary manaiky tanteraka aho. :-*
Mifanojo ilay resatsika atsy ambadika atsy io resaka fahantrana io satria ny fahantrana dia tsy voatery resaka materialy fotsiny tokoa araka ny tenindry eto.

Anisan'ny Index iray nampidirin'ny Institut de recherche sur le developpement socio-economika-n'ny PNUD io resaka comportement social io: implication sy ny responsabilité-n'ny individu iray amin'ny asa aratsosialy, ny fahadiovana, sns....

Mifandray amin'ny Index fanabeazana sy ny fahasalamana ary ny perception ny fandiaampahalemana izy io.

Mety ho manana camion maro sy volamena amantaoniny ilay ranamana fa ny implication sociale mety hoe ambany be raha ohatra ka olona mba nobeazina tsara ihany ary salama tsara, hany ka tsy mahatsapa andraikitra eo anivon'ny fahadiovana.

Ny zavatra hitako manaraka dia maro isika gasy no efa zatra arovan'ny fianankaviana na zatra baikoin'ny reny ny RAR hany ka tsy misy ny initiative fa miandry ny sasany hanao foana vao mahatsapa tena....:wink:
40. soanja ( 20/08/2006 22:19)
Ireto ihany no base-ny education dia milamina ireo:
sharing
-Compassion
-caring
-taking initiatives
-wisdom of future
-global vision
-being responsible
-love of order
-grace and courtesy
-Awareness of the nature.
-critical thinking

Ny fanontaniana de hoe efa tafiditra amin'ny fampianarana na fanabeazana ny ankizy an'i Mada ve ireo ? Fa raha mbola tsia dia mbola ho lava ny tolona.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3174