Vonjeo ny marary fa aza variana amin'ny fifidianana

1. Fiffi ( 24/02/2006 06:44)
Feno ny hopitaly, ny fanafody tsy hay vidiana, ny aretina ahiana hiparitaka manerana ny Nosy. Io no tonga ao an-tsain’ny rehetra raha mandre fa tsy mandray marary intsony ny hopitaly be ao Toamasina ka mitsoaka miakatra aty an-drenivohitra ny ankamaroan’ireo mponina any an-toerana.
Eo no mety hianahan’ilay aretina raha toa ka mahazo vahana eto Antananarivo, satria saika mandalo eto avokoa ny avy amin’ny lafivalon’ny Nosy. Ankilany, dia mahatratra iray hetsy ariary ny saram-pitsaboana ho an’olona iray, ka raha misy olona telo ao an-tokantrano samy lanahan’ny aretina dia samia manao kajy an-kandrina fa hisy fiantraikany eo amin’ny tsirairay izany, indrindra fa mbola tsy afaka miasa ilay marary noho ny fandamahan’ny aretina azy.
Hanao ahoana ny mety ho fidiram-bola raha ny asa vita no handraisan-karama ? Moa ve aharaka izany ny vola eo am-pelatanana raha mahita ny mety ho lany amin’ny vidim-panafody ? Nahoana no tsy tazana ny aro riaka mba hiarovana amin’ny mpiray tanindrazana ?
Nanao fitia tsy mba hetra ny Malagasy entina hanarenana ny Rova, nahoana no tsy manao izany isika hanampiana ireo marary ao Toamasina, eny fa na dia nivakinina iray isan’olona aza no azony. Ny mpanao politika milaza fa tia tanindrazana aza toa minia mangina mahita ny fahavoazana, asa mbola variana hiatrika ny fifidianana angamba ? Aoka mba tsy hanao vain-drahalahy tsy maharary isika ka tsy rototra firy amin’ny mety ho fiantraikany aoriana.
Nalaina tamin'ny gazety Madagascar Tribune
Mpanoratra: Naivo kely
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1337