Fanekempinoana

21. ravakamalala ( 10/10/2005 13:06)
hay ve!
mila miverina manao katesizy mits aho zany!
:-*
22. jentilisa ( 10/10/2005 13:13)
Ndeha izatsy izy ary!
23. ravakamalala ( 10/10/2005 13:49)
jentilisa >:-* :-*
24. Herimiafina ( 10/10/2005 20:18)
Mahafaly ahy ny mahita fa kristianina daholo ianareo ary mifanaja tsara amin'ny finoana samy ananany satria samy manompo Tompo iray ihany.

Mampalahelo mantsy ny mahita olona mifandrirotra amin'io resaka finoana io, indrindra indrindra ny samy Kristianina indraindray. mampalahelo ny finoana no entina hanavakavahana toy ny foko ny firazanana, sns.

Tohizo ny fifankatiavana.
25. mignone ( 11/10/2005 13:30)

mifankatiava ihany e !:-D:-D
26. xxx ( 11/10/2005 13:55)
Herimiafina:

Mahafaly ahy ny mahita fa kristianina daholo ianareo ary mifanaja tsara amin'ny finoana samy ananany satria samy manompo Tompo iray ihany.

Mampalahelo mantsy ny mahita olona mifandrirotra amin'io resaka finoana io, indrindra indrindra ny samy Kristianina indraindray. mampalahelo ny finoana no entina hanavakavahana toy ny foko ny firazanana, sns.

Tohizo ny fifankatiavana.

de ahoana ianao izany ny @ Shabbat?

27. sonwin ( 11/10/2005 14:05)
:roll:
28. jentilisa ( 12/10/2005 05:07)
fa iza indray ary io te-hampiditra ady io? :-P
29. majesty ( 12/10/2005 08:37)
Ravakamalala:ny fanekem-pinoana de tsy hita ary tsy voasoratra ao anaty soratra masina fa ny fiangonana @ maha-anaram-piangonana azy no namorona azy io ho entina mampiseho ampahi-bemaso ny finoanao,ka mazava be raha ho any @ katolika ianao dia hajao ny azy dia toy izany koa enao refa any @ protestant.Fa tsy dia misy olana izany sady iny koa ange saika fahita matetika ny manao azy ireny ho toy ny tsianjery na recitation izany hoe eo am-bava fotsiny e,fa ianao no tena mahalala marina izay ao anatinao ao.AMEN
30. Herimiafina ( 12/10/2005 20:09)
Majestueux, hehehehehehe :-D
31. sonwin ( 12/10/2005 20:56)
:D:-D:-D
32. majesty ( 14/10/2005 04:42)
:D:D:D:D
33. jentilisa ( 15/10/2005 10:55)
Hamakafakana ny finoana ihany koa izy ahafantarana raha araka izay ny toriteny na tsia...
34. Elino ( 17/05/2018 13:01)
Fanekem-pinoana apostolika
Mino an’Andriamanitra Ray Tsitoha, Mpanao ny lanitra sy ny tany aho;
ary mino an’i Jesosy Kristy, Zanaka lahy Tokana Tompontsika.
Izay notorontoronina tamin’ny Fanahy Masina, naterak’i Maria Virijiny,
nijaly raha nanapaka i Pontio Pilato, nohomboana tamin’ny hazofijaliana,
maty ka nalevina,
nidina tany amin’ny fiainan-tsi-hita,
nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo,
niakatra ho any an-danitra,
mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra Ray Tsitoha,
avy any no hihaviany hitsara ny velona sy ny maty.
Mino ny Fanahy Masina aho,
ny Fiangonana Masina manerana izao tontolo izao,
ny fiombonan’ny olona masina,
ny famelan-keloka,
ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty
ary ny fiainana mandrakizay.
Amena.
35. Elino ( 17/05/2018 13:03)
Fanekem-pinoana NISEANA
Izaho mino an'Andriamanitra Tokana, Ray tsitoha, Mpanao ny lanitra sy ny
tany ary ny zavatra rehetra, na ny hita na ny tsy hita.
Izaho mino an' i Jesosy Kristy Tompo Tokana, Zanak'Andriamanitra
Lahitokana; nateraky ny Ray talohan' ny fotoana rehetra; Andriamanitra avy
amin'Andriamanitra; fahazavana avy amin' ny fahazavana, Andriamanitra marina
avy amin' Andriamanitra marina; nateraka fa tsy noharina; miray Sobstansa (izay
maha-Izy Azy) amin' ny Ray; amin' ny alalany no nahariana ny zavatra rehetra. Noho
isika olombelona sy ny famonjena antsika no nidinany avy any an-danitra, ary tonga
nofo notorontoronin' ny Fanahy Masina tao an-kibon' i Maria virijina ka natao
olombelona; nohomboana tamin'ny hazo fijaliana koa hisolo antsika fony nanapaka
Pontio Pilato; nijaly ary nalevina; ary nitsangana indray tamin' ny andro fahatelo
araka ny Soratra Masina; niakatra ho any an-danitra; mipetraka eo ankavanan' ny
Ray, ary ho avy indray amim-boninahitra hitsara ny velona sy ny maty, ary tsy
hanam-pahataperana ny fanjakany.
Izaho mino ny Fanahy Masina, Izay Tompo sady Mpamelona; Izay avy amin'
ny Ray sy ny Zanaka; Izay itsaohana sy omem-boninahitra miaraka amin' ny Ray sy
ny Zanaka; Izay niteny tamin' ny alàlan' ny mpaminany; sady mino koa ny
Fiangonana tokana, masina, apostolika, manerana izao tontolo izao. Izaho manaiky
ny batisa iray ho famelan-keloka, ary miandry ny fitsanganan' ny maty sy ny fiainana
mandrakizay. Amen.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8964