Dikateny Malagasy : fandikana kirakira

1. r4d0 ( 11/01/2005 17:23)
Ny sahan’asa \"Dikateny Malagasy\" dia mirakitra ireo dika-tenina kirakira \"Free/Libre Software\" na Open Source Software ho amin’ny teny Malagasy.



Io sahan’asa io dia fitaovana hanampy @ fiaraha-miasan’ny mpandika-teny sy ny mpitantana ny kirakira. Ny vokatry izany fiaraha-miasa izany dia havoaka @ fomba ofisialy miaraka @ fonosan’ny kirakira voadika.



Ny mpandika-teny kosa dia izay rehetra vonona hanampy. Raha manana fotoana kely, na dia 5 minitra monja aza, dia tongava mandray anjara. Tsy mila fitaovana hafa ankoatran’ny \"Navigateur/Browser\" @ fandikana teny.



Dikateny Malagasy dia mampiasa rakitra \"Voambolana\" mba hampandroso haingana sy hampitovy tantana ny dikateny.



Mandehana ary ao @ :
http://dikateny.linuxmg.org
http://dikateny.malagasy.org



Ny forum/lisitra dia ato : http://dikateny.linuxmg.org/mailing.php?lg=mg
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.2402