Mivoatra ve ny style?

41. chipie1 ( 20/11/2004 13:12)
ary aona njay ny hevitry i zakilinina amty ?
ZAKILININA SY DIDINTSOKINA

Zakilinina sy Didintsokina :
Ny iray matavy, ny iray bebokona,
Tratra nitsindroka voamadilo,
Voasazy nipetraka tam\'tsilo !

Zakilinina mpatsaka rano,
Mody nitokona tao an-trano ;
Didintsokina mpitoto vary,
Mody nilaza fa hoe marary ;

K\'hay tao ambadiky ny garazy,
Nanao sarintsarina mariazy,
Ka dia i Doda no hoe \"mompera\"
I Dondrona kosa no atao saofera ;

I Lezo am\'zany no mpikabary,
I Borida kosa no mpaka sary,
Ary dia raikitra tena manja,
Ireto ankizy nifaly avanja.

Fa i Ketamanga nangaringarika,
Ka hay nony farany dia voatarika,
I Tenda kosa namely ambosika,
Ka saika kenda raha tsy natosika.

Zakilinina sy Didintsokina,
Vita ny hariva nialàna vonkina,
Vao namikiviky nankany an-trano ?
Voakapoka mafy nahita angano

42. zakilinina ( 20/11/2004 13:31)
Efa niera t@ DadaRabe ve i chipie1 sa mangalatra droit d\'auteur ?
Ity tononkalo ity izao dia manaraka fitsipika :
- voatonona inefatra ny tsindrim-peo isaky ny andàlana;
- mirima avokoa ny andininy.
Vokany : mora vakiana ny tononkalo sady kanto fa tsy kitoatoa sy tsy misy dikany ohatry ny an\'ny maso didintsokina.
43. chipie1 ( 20/11/2004 13:39)
ka i dadaRabe nga mou tsy i zakilinina ?? :-D :-D
44. ikaretsaka ( 20/11/2004 15:25)
ny an\'i Ramaso koa nojereko fa manaraka fitsipika:
mirima tsiroaroa isan\'andalana
mandeha tsefatsefatra ny tsindrim-peo..

Ahoana ihany tokao i zakilinina ity e?? tsy manara dalana ny olona lazaina fa tsy kanto e.. manara dalana ny olona lazaina fa kitoatoa?

Ianao ko ity tsy ambony tsy ambany ohatran\'ny patalohan\'ny ankizy @ zao fotoana ko!
Aiza ny eny de aiza ny tsia e?

iadianareo mafy ny tononkalo mb ahanaraka rima sy gadona.. TSARA hoy nareo ny tononkalo mirima sy migadona ary tsy kitoatoa
asainareo mampiady rima sy manaraka gadona ny olona .. manao izy.. rehefa avy eo dia lasa RATSY tampoka?

Azavao ny firehanao fa tsy mazava mihitsy e!
45. zakilinina ( 21/11/2004 19:22)
Raha mba te hianatra manao tononkalo ikaretsaka dia aza manao ady riman-dramaso.
Jereo fa mety ny an\'i DadaRabe io. Aza bé doïka an !
46. xxx ( 21/11/2004 21:37)
zakilinina> Efa mba nanao ezaka kosa i Ramaso ka tsy tokony hakiviana fa famporisihina azy hanohy aza no tokony hatao e ! Tsy tonga dia nahay nande ny oul rehetra fa tsy maintsy nanomboka nandady avokoa aloha ! :)
Sotroy milamina eny ihany mantsy ramaso ny kapoakan\'ny art na mangindingindy am-bava aza a ! Tsy misy mangidy tsy andramana eto an-tany e !
Samoina. ( nandady sy nijaikojaiko, izay vao niana-nanidina tsimoramora ! :lol: )
47. nikopol ( 22/11/2004 08:38)
Chipie , aza manala baraka an\'i Dadarabe kousa e ! DadaRabe tsy teritery saina ohatr\'io zakilinina io ( hihihihi) sady DadaRabe psy mahay mi-maitriser ny dédoublement de la personalité ! Sô lasa Dr Zekil(ine) et Mr HydeBe ary ty raharaha ty !!!!
:lol:
48. nikopol ( 22/11/2004 08:55)
Akoatr\'izay za dia mitovy hevitra amin\'i Ramaso amile poezy tamin\'ny 20-11- io!
Ny famakiana tononkalo amiko ohatran\'ny misotro coktail ihany ! misy tonga dia tianao fa tsy voatery ho fantatra hatramin\'ny antsipiriany ny ingredients sy ny resety ! Misy boky fianarana resety coktail alou fa ny milay amiko dia ireny somary miala amin\'ny 1+1=2 ireny e! fa io samy manana ny tiany !
Fa raha resaka komersa injay de aleo ny mpinana no hisafidy ! Hilaina ny fisian\'ny karazana produits maro, amizay manana safidy ny mpinana!
Fa ny société kou nefa tsy ialan\'ny olona mpanome moral milaza we ty no tsara nohon\'ty! Anisan\'ny fianana dôly zany ! Zay le we samy mivavaka amin\'ny finoany !
:lol:
49. zakilinina ( 22/11/2004 11:27)
Tena ireo ramaso sy nikopol ireo mihitsy no tery saina tsy mba te hivelatra hitady ny sarotsarotra fa ilay kitoatoa ihany. Art ny tononkalo ka tsy izay sendra ny ao an-tsaina akory dia hosoratana ho fanta-bahoaka. Mila fanadihadiana izy ireny ka rehefa masaka tsara vao aseho. Alalaho ny saina tompoko.
50. nikopol ( 22/11/2004 11:37)
Zakilina tsaboy kely zahay sy Ramaso fa marary ! Aza asiana Tompoko fa tsy mety aminay io teny io ! Ny tononkalon\'i zakiline nefa hitako we mora loatra ! tononkalon\'ny tsara taizam-bazaha !
51. zakilinina ( 22/11/2004 13:02)
Azafady, sady tsy mpitsabo aho no tsy mpanao tononkalo. Raha mitady fitsaboana dia mandehana any amin\'ny psy. Mazava an !
52. nikopol ( 22/11/2004 13:18)
Tsiky de ampy Razaky a ! Mba tazatazao ao ary zahay e ! Ampianaro ny fivelaran\'ny voninkazon\'ny tompo ! Sa ianao tsy mpitaiza ?
(Tsy tena mazava e )!
53. ikaretsaka ( 22/11/2004 13:36)
nareo rankizy de ohatran\'ny zazakely!
Araka ny nolazaina hoe art io resaka fanoratana io ka samy manao izay tiany.
@ maha art azy dia raiso ohatran\'ny hoso-doko io e.
mety tsy tianao ny style an\'i picasso, fa i renoir na i matisse na i amdrianaivo ravelona no tianao.
dia aza kianina fa ny kanto aminao mety ratsy @ sasany ary ny ratsy aminao mety ho kanto amin\'ny sasany.

IO ry zakilinina ilay hoe fivelaran-tsaina rahatena mivelatra ianao an
54. nikopol ( 22/11/2004 19:11)
Ramaso , ankafiziko io an! sô ohany fa miha mihena ny isan\'ny zakilinina !
55. xxx ( 22/11/2004 21:12)
O ry zalahy â !
Resa-kanto no ataovy fa tsy resa-ketotra.
56. xxx ( 22/11/2004 21:14)
Raha ny fahazoako azy dia marina jiaaby ireo voalazan-drazaky ireo. Raha ny zavatra tsy kanto no tianareo dia tohizo àry :evil:
57. chipie1 ( 23/11/2004 14:17)
:-D
58. kally ( 23/11/2004 17:13)
F\'inona ry reto ity mahazo anareo no dia manao fomba firesaka sy fiady hevitra ohatr\'izao?
59. hery ( 23/11/2004 17:52)
ary ramaso zany angaha mahita xxx sa maminany? :-)
Izaho mpandrindra an\'ity lohahevitra ity aza ato efa minia tsy mijery hoe iza ny xxx
Io ihany wah
60. ikaretsaka ( 24/11/2004 13:24)
hihihihi art koa angah aramaso ny \"fitsikilovana\"?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.3542