Vary mitsangana sy ny karazany

1. ikaretsaka ( 25/04/2004 22:44)
Aiza ny toerana fikaliana ireo fandehananareo tao Tana?
Ny ahy tery ambatonakanhga tery.. tsara lasopyy
novalian'i kitjo ny 12/11/2004 08:10
2. booboo ( 26/04/2004 06:25)
Tery Behoririka ilay misy tohatoha-bato io ! Dé teny Ambodimanga Besarety koa !
3. samoina ( 26/04/2004 07:24)
Tsy tadidiko ny anaran'ilay zaridaina fikatrohana fanorona eo an-dohan' Analakely fa misy " composé " bôna be koa teo. Teo @ tetezan' Ambatomitsangana koa ny famelezana nem mahiakely !
Ary ny masikita miaraka @ saosy tsihaitsihay izany teo akaikin'i Rabearivelo. Malotoloto fa natsirobê êêêêê !!!!
Ary lasopy " SOUKRILA" ve izany ao ambatonakanga izany r' Ikaretsaka ?
4. oully ( 26/04/2004 08:23)
Ary ny "louk's" angaha adinonareo. Teny mba fitondràn-dry zalahy anay fa tena tsy sahy nanandrana akory, ôtran'ny be menaka be zany.
5. aladin ( 26/04/2004 10:30)
ie!ny louk's lou tena m'lay e!
6. aladin ( 26/04/2004 10:31)
ie!ny louk's lou tena m'lay e!
7. hendry ( 26/04/2004 12:21)
-Teny ankatso, any @ Agro, ilaharana mihitsy. Efa mihabetsaka ny vhv mankany @ zao fa taloha dia bandy be daholo. Sakafo antoandro mihitsy moa zany fa tsy mba lasopisopy atao goûter.
-Ny nem sy sambos + salady
miaraka @ saosy voanjo ndray eny Behoririka, hitam-bahoaka be aloha fa tsy koi rehefa maromaro no miaraka.
-Ny mokary dia mbola eny ankatso ihany, ilay lalana ho any @ SIOB iny, mmmhh matsiro.
8. kally ( 26/04/2004 13:08)
Ie!tsara tokoa ilay mokary lazain'i Hendry io,ny anay mofo akondro tery Faravohitra sady mora ilay eo akaikin'ny fiangonana katôlika io.Dia ao Besarety eo koa misy mofo menaka manify kely tsara akaikin'ny fiandrasana bus.Dia katsaka @ coco sy mangahazo eny Ambohipo,dia rehefa mba miaraka @ ilay olona mba tsy tia mitakosian nefa te-hihina-mangahazo na vomanga sy katsaka dia eo Antaninarenina ao @ vanilla moa izy izay sa Vanille.Ny louk's teo Behoririka rehefa miaraka mivoaka harivariva ka miaraka maromaro dia eo!
9. alz ( 26/04/2004 14:16)
Ary lay sosin'Ambanitsena ngaha adinonareo?
10. alz ( 26/04/2004 14:20)
Eo amin'ny facen'i Ecole de medecine, (face n'i Misty taloha), misy karana (tsy atao imason'i Fijo) tsara sambosa be zay.
Ny sambosa ihany no tiako tao fa ny misao ôtran'ny tsy de tsara.
11. alz ( 26/04/2004 14:23)
Ilay Ambanitsena, sôsisy fa tsy sosy.
12. kally ( 26/04/2004 14:28)
Ary vary amin'anana amin'ny pirina vao maraina eo Ambohimandroso angaha tsy tianareo?
13. ramoul ( 26/04/2004 15:21)
ny ahy tany Sabotsy namehana no mba fanenjehako mofogasy sy maskita ary teny Talatan-volonondry no mba fanenjehako koba rehefa tsena ny andro.mmmmmmh matsiro!!
14. ikaretsaka ( 26/04/2004 21:08)
kally> aoka re.. ary ilay saosisy ery sambaina miaraka @ ronono velona vao noterena
15. fijo ( 26/04/2004 21:50)
ny nem aloha dia volana sy tsiro no hitako fa milay.misy koa eo ambatonakanga ilay ihidina hoany amin'ny st michel iny rehefa arina,beolona be fa tsara.dia ny eny andravoahangy koa ary tsy hadino ny eo mahamasina ambody totohatra.
16. fijo ( 26/04/2004 21:52)
sambaina dia tsy lazaina fa efa hiaraha mahita ny hatsarany.
17. ikaretsaka ( 26/04/2004 21:56)
fijo> tsy ny nem ihany no milay eo fa ny rehetar mihitsy.. ary raha bandin'i St michel tsy misy tsy m/nankeo
18. oully ( 27/04/2004 08:43)
Raha efa ela nareo no taty am-pita taty dia mety tsy aharaka ny famonjena katsaka masaka sy voatona eny ambatofotsy sy ambatomirahavavy. Ambiansy 100% rehefa week end harivariva.
19. zokinifijo ( 27/04/2004 09:16)
eny amin dramartin eny andohalo milay be koa kah
20. kally ( 28/04/2004 07:53)
Sady matsatso be ny katsak'Ambatofotsy fa aleo tonga dia any Ambohimandroso no manafika,ny fitsangatsanganana vita,ny kibo feno katsaka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3584