Fifampiaraban'ny Namana

1. hery ( 30/01/2004 16:36)
Hanao fifampiarahabana sy firariantsoa tratran'ny taona ny namana ao Antananarivo sy ny manodidina amin'ny alahady 15 febroary ho avy izao. Amin'ny 1ora tolakandro ka hatramin'ny 6ora hariva.

Toerana: EPP Ampasanisadoda, toerana tsy lavitra an'i Mascot, lalana midina avy @ Tunnel mankany Ankatso.

Fandraisana anjara: ny tsirairay dia samy mivimbina izay zakany ho an'ny tsakitsaky sy ny zava-pisotro. ny birao koa dia manomana zavatra kely ho fanamarihana ny tonon-taona, hiaraha mifampirary ny soa sy ny mamy ho an'ny namana rehetra.

Eo koa no hanatanterahana ilay vinavina "échange de cadeaux." marihina fa tsy tokony latsaky ny roa arivo (10.000 fmg) ny sandan'ny fanomezana omanin'ny tsirairay.
Tsy natao ho sakana ho antsika ny tsy fivimbinana ny fanomezana ifanakalozana.
ny tsy fisian'ny fanomezana dia tsy mahasakana ny hetsika hotanterahina.

Iangaviana isika rehetra mba samy ho marim-potoana.
Voafetra ny fotoana hiarahantsika mifaly.

Contacte: Mme Voahirana, tel: 033 12 609 87.
na Mme Mireille, Porte 110, INSTAT.


Misaotra antsika rehetra ny birao,

Manantena fiaraha-miasa.
2. xxx ( 31/01/2004 09:23)
Ary raha olona mbola tsy ato @ namana ve maahzo mandeha koa?
3. vivisexy ( 31/01/2004 11:27)
manao ahoana daholo.Tena mila tsiny fa tena tsy mbola mahita ilay toerana mihitsy aho ka inona no mety ho vahaolana @zany?Tsy mety ve raha toa ka misy membre mety mifanao fotoana somary mba hitan'ny maro izay vao mandeha any @ ilay toerana amin'izay mba tsy misahirana ireo izay tdy mahita.Misaotra tompoko
4. hery ( 31/01/2004 12:31)
Ho an'izay tsy mahita ny toerana dia toa izao.

Raha avy eny anosy : Mandray ligne 19 dia miala amin'ilay arrêt aorian'ny tonelina Ambanidia. Eo amin'izay manontany olona hoe aiza ny EPP Ampasanisadoda.

5. mozart ( 31/01/2004 16:11)
za afaka mitsena ze namana tsy mahita an'le torana
raha sipa moa vao maika tsara be
6. xxx ( 01/02/2004 17:21)
Ary tsy misy mamaly ilay hoe raha mitondra olona mbola tsy ato @ namana dia ahoana?
7. ikaretsaka ( 02/02/2004 11:54)
dia raisina ho namana izy @ io fotoana io ko
8. roscarb ( 02/02/2004 19:49)
Miaraha anareo d'oly!
9. bibiche ( 02/02/2004 13:36)
Faly liarahaba anareo daholo
Tsy misy fantako daholo nareo nefa mahaliana ity zavatra iray it
I Hery efa mba mahafantatra ahy ihany fa anontanio izy
Misaotra daholo e
10. fijo ( 03/02/2004 10:23)
rahery an.ih,ih,ihdia miditra ho namanay koa izany i bibiche ko.
11. bibiche ( 03/02/2004 09:19)
manao ahoana fijo an
Iza tokoa ary ianao fa toa miarahaba olona tsy fantatra akory ahoe hi hi hi hi
12. hery ( 03/02/2004 10:17)
Ny lohahevitra ato dia momba ny Fifampiaraban'ny Namana amin'ny 15 febroary izao...
Koa miandry ny fanontaniana sy ny sosokevitra raha misy.
13. pilokely ( 04/02/2004 20:55)
Ny atahorako sy mampanahy ahy de zao, marina fa hoe namana namana fa tena ho izay tokoa ve no hitranga refa @ io ftôna io, Satria manko ny sasay manana ny namanay ary raha tsy manana ny namanao kosa enao de mijery ny sasany sy ny namany fotsiny...
14. pilokely ( 04/02/2004 20:57)
ôtra ahy zao de za rery, tena tsisy n'iza n'iza, de ho sanatria v ho omby mijery flôrà?Ngamba kosa tsy de tsara lôtra zay!!!!
15. bibiche ( 04/02/2004 09:45)
Izaho aloha namana vao haingana ihany ka ny fanontaniako dia izao ary e:
Sao dia efa mifankafantatra daholo ary ianareo ka amin' io aho vao fanina eo
Ilay fifampiarabana aloha mahafinaritra fa io voalazako eo ambony io no mety olana amiko sao dia efa mpinamana be daholo nareo Raha azoko tsara manko dia eto @ ity "namana" ity no ifaneraserana fa tsy haiko raha toa ka efa nifankahita tava sa ahoana ru pilokely
16. hery ( 04/02/2004 10:04)
Manahoana daholo,

Tsy vao izao no nisy fihaonan'ny namana fa efa in 4 izay na in 5. Tsy misy mifankahafantatra ny ankamaroany fa tonga any vao misy ny présentation. Hifankahafantarana mihitsy no anton'ny fihaonana.
Mitovy amin'ny ao amin'ny REsaka mivantana ihany ny any. Ny fandraisanao anjara no hahazoanao namana. Misy ny organisation hatao ka rehefa mandray anjara amin'ny fanetsiketsehana dia afa mifankahafantatra tsara.

Hisy ny présentation arakaraka ny pseudo ka amin'izay dia mba hifankahita hoe iza no ao ambadiky ny anarana.

Samy tsy nifankahalala daholo ihany tamin'ny voalohany fa rehefa avy eo dia nifankahazo.

Mazotoa.
17. jessicac ( 05/02/2004 14:05)
tsy hampihomehy be ve? dia samy hifampijerijery eo zany hoe mba iza ary ny pseudo an'ity ankizy ity? sa efa betsaka ny mifankafantatra ato?
18. bibiche ( 05/02/2004 14:31)
marina izany ry jessica
Mitovy hevitra amiko tanteraka ianao
19. hery ( 05/02/2004 17:56)
Fa i Jessicac sy i Bibiche angaha mbola tsy tonga tamin'ilay fihaonana t@ Faran'ny taona?
Faly daholo ny namana rehetra tany, mba anontanio angé e.
20. fijo ( 06/02/2004 20:11)
torohevitra.
araka ny efa nolazain'i hery dia misy fifankafantarana aloha,satria tsy mbola nifankahita ny ankamaroany.ka ny tsara hatao,mba tsy hitsanganana irery dia izao.
_ato aloha dia jereo hoe iza no mitovitovy feeling aminao.
-rehefa tonga any,dia izay resaka efa nifanaovana tato ihany aloha hampidirina,ahamora ny fifandraisana,dia ho hitanareo,fa mora ny mitady namana.
dia mifalia daholo ary e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6269