Namitaka

41. mcfy ( 11/06/2004 18:21)
Raha voafitaka ianao nefa milaza anisan'ilay 13% dia midika fa tsy nahay nandanjalanja ny resaka nifanaovanareo. Na ihany koa mety namitaka azy koa ianao nefa nieritreritra hoe tsy namitaka. Valin'ny fingika mantsy hono fingaka.

Mahereza fa teto koa ny olona no naka.
Tandremo fotsiny no mivanàka
42. methode ( 12/06/2004 00:09)
Tsara ny mifandray ry zareo a! Ary tsara koa ny mifananihany fa mba misy hitsikiana, ary ny tsiky hono mahatsara ny fahasalamana!! Fa tandremo ny mandainga sy mamitaka e!! Ny mandainga aloha dia laza mihazatra tsikelikely raha vao nahita hoe nahomby indray mandeha ny laingany, dia toa izany koa ny mpamitaka! Fa indray andro any ianao tsy maintsy hamoaka ny marina! Ka hovidianao lafo izay fitaka nataonao izay, satria dia ho very tanteraka ny fahatokisana!
Samy mahatsapa ny rehetra fa mora fantatra ihany ny resaka tena izy sy ny sangy! Raha tsy mahafantatra ny namanao hoe sangy dia ampio izy!! Raha serieux kosa dia araho araka izay!
Sao mantsy manao toy ity tantara iray ity: Misy olona iray izay mananihany ny olona rehetra eo an-tanana! Miantso izy! Vonjeo fa mpangalatra. Tonga ny olona, ka inona fa tsy eo am-pandriana izy no miantso, dia hoe laingako izany fa mandehana matory e!
Afaka andro vitsivitsy taty aoriana, niantso indray izy: Vonjeo fa may ny tranoko! Nivoaka ny olona dia nijery ka dia setroka be tokoa no nivoaka avy ao amin\'ny tranony! Dia hoy ny iray: Laingany io fa mody nandoro zavatra manetroka ao an-tranony izy dia nivoaka! Isika no rebirebeny eto! Vao nandre izay ny olona dia samy namonjy fodiana! Niantso izy hoe tena tsy laingako intsony io fa tena marina, fa tsy nisy niverina ny olona! Efa nivoaka eny an-tafon-trano ny lelan\'afo vao taitra ny olona hoe hay tena may tokoa fa tsy vazivazy! Tsy nisy azo natao intsony anefa fa vao nosokafana ny varavarana dia lelan\'afo be no nitsena ny olona!
Ka tandremo sao manao an\'io ianareo mpamitaka ireo e!! Sao izay no hahavery ny soa tokony ho azo eto!!
43. yonikafopl ( 13/06/2004 22:40)
aoka mba tsy hifamitaka e!
what you do you do it for yourself.
44. chipie1 ( 14/06/2004 15:09)
indrisy fa tsy nitovy ny fisainany oul !
45. vivisexy ( 17/06/2004 14:32)
sali doly alo e
toro hevitra kely fotsiny.Tsy voatery hoe eto ny serieux na tsy ,fa refa tsy anjara de tsy anjara, e.Tsy enao rery no diso fanantenana nefa c'est ça la vie
46. ari.malala ( 18/06/2004 06:33)
hitanareo, tsara be ilay mifananihany, fa za efa tratrana cas ohatran'izao, nisy olona ni chat tamiko tao @ caramail d niresaka d hoe hifanena hay izy olona fantatro ihany, fa ny tena loza dia izao, rehefa nisy ny tsy nifanaraha dia izao no nataony, mi chat amin'olona any izy, izy eo lehilahy dia mamorona pseudo ana vehivavy, dia ny momba ahy no teneniny sy omeny olona any, dia omeny rendez vous ny olona dia avy eo miantso ahy aty am-piasana dia mitsatoka oe za le ni chat taminao teo, nefa za aza efa tsy ni chat tsony. Soa ihany alo fa efa lasa izany zavatra izany ary efa nijanona koa ilay olona nanao izany, ka izao, tsara hoy aho ilay mifananihany, mety hisy ny hifankahita eto, fa rehefa misy ny tsy ifanarahana, aoka tsy hifanimba fa ny fitiavana anie tsy azo ifanerena ê! Tafiditra ao antin'izany ilay mamitaka, rehefa fantatrao ianao fa tsy afaka ny hiaraka aman'olona intsony aza dia manimba fon'olona fa misy anie mandray serieux ny resaka rehetra atao eto ê! tsy azo anomezan-tsiny azy aloha izay.
47. josi ( 21/04/2005 13:18)
Izaho indray ry zareo dia nitia olona nalaiko tato @ serasera tsy eto Tana aho t@io nifaneraseranay fa tany bira ,tonga teto tana aho niantso azy kanjo narary aho ka tsy afaka nihaona izahay dia lazainy fa mpamitaka hono mba olona matotra no fijeriko ahy fa dia tsy haiko ny fandraisany azy izany marina ve rehefa tia latsa paka tokoa dia fitahina avy eo aza voany ihany aloha e! raha amiko aloha dia tsy te hanao rencontre @ serasera aho fa leo leo ny mahazo ahy satria mpamitaka hono nefa mila fieritreretana ny zavadrehetra vao miteny tsy haiko na izaho no tsy matotra na iza fa dia aza voa ihany fa marary ny an-doha sy ny saina .Ka aleo misaina vao manao zavatra e! be ny mpamitaka eto ka anjaranao no misaina sisa.Mahaiza ary mifidy de bonne chance e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.094