Namitaka

21. moi ( 11/12/2003 18:11)
Izaho dia anisan'ny mahita soa ato, fa misy koa ny namana ratsy ato ; tsy fahendrena ny fanononana ny pseudo-ny (na dia tiako atao) fa dia misy ratsy e !
Mahaiza manavaka azy fa aza atao hoe ratsy ny eto amin'ny internet !
Na hatrany am-piangonana aza ianao manantena namana, misy ratsy any ka aza ilazana hoe ratsy ny any am-piangonana !
Na namana tsara androany aza, mety hivadika rahampitso ! Mailo fotsiny.
22. jhouhlambout ( 26/01/2004 14:38)
Efa nahavita liste kely momba an'io ratsy sy tsy ratsy io aho ka izao no izy:
35% Ratsy pur.
32% Mahay mandanjalanja kely.
20% Matotra.
13% Sérieux tsara.
23. xxx ( 30/01/2004 12:55)
izaho dia ao @ 13%
24. xxx ( 05/02/2004 17:42)
Ho an'ny nanao ity sujet ity:
manao ahoana aloha ianao, mety misy ol matotra ihany eto fa courage e! marina ny tenin'ny sasany fa vitsy izy ireo, nefa aza dia mahatoky loatra fa asio méfiance ihany mba tsy ho désesp ianao
25. six ( 03/03/2004 20:15)
xxxx> misy hevitr'i fijo etsy ambony etsy, ndana any amin'ny boite fa any enao tonga d hitanao ny vongan'olona, eto raha tia anao aza mety afaka mandainga fotsiny
26. sambatra73 ( 05/04/2004 13:26)
Ny toky hono fitaka... tsy aiko lôtra ny tohiny.
Tsy ratsy ilay kremy kiraro hihihi, bôla tsy vou v ny tena d miomehy hoy enao??

27. xxx ( 05/04/2004 22:41)
Izaho koa mba nanantena toa anao , nihevitra aho fa tena serieux ilay nifanoratra tamiko, tsy mbola nifankahita anefa izahay, sary no hifandefasana, feo no re. Maro ny zavatra azo eritreretina , nefa tsy afaka ny hitsara ilay olona aho na lainga sy fitaka no ataony na ny marina no nambarany ahy.Tena latsa-pitia taminy aho fa tsoriko aminao. Indray andro anefa sendra nanokatra ny tranon-kalako aho dia sendra ny boatiny nisokatra koa, nanomboka niresaka aho , nefa inona hoy ianao no nitranga, tsy nahay teny gasy ilay olona namaly, nanontaniako hoe iza moa izy? ny valiny dia hoe izaho no vadiny. Kepoka tsy nahateny aho ka ny hany heriko dia nisaotra ilay ramatoa ary nanidy ny boatiko. Tena nalahelo aho, nefa dia tonga saina ihany hoe izaho no adala, @ antsoin\'ny namana etsy ambony hoe valala any an-dafy no asiana sira.Rehefa niresaka taminy anefa aho dia nilaza izy fa sangisanginy no nataony ahy fa izy ihany ilay niresaka tamiko, notereko ny saiko hanaiky sy hino satria tia sy mbola te hifanoratra aminy ka ! Tsy haiko na tena serieux izy na tsia , fa ny hany tsapako dia toa tena tia azy aho, mahavatra mijanona eto ambody ordi mihintsy aho isan-kalina miandry ny hifanoratra aminy. Ka raha sendra mba mamaky ity vavolombelona ity izy dia mbola averiko eto indray fa tia azy aho ary mbola manantena ny hahita azy mivantana indray andro any.....nefa ny hany teniko aminy dia mba lazao ihany ny marina fa aza dia mampijaly fon\'olon-tia, nifamboraka fitiavana isika, ny filazany ny fitiavany ahy no nampifoha ilay fitiavako, ka dia mbola miandry aho \" tsy ho sasatra miandry anao aho \". Ny hany ambarako anao izay nametraka ilay sujet dia izao mety hisy ny nofinofy, but your dream can come true, tsy ny internet no ratsy fa ny olona no tsy azo hatokisana. Ny antony hinoako fa hahitana vokany tsara ny internet dia izao i dada sy neninay dia tsy nifankahita mihintsy raha tsy fotoana fohy talohan\'ny nanaovana ny mariaziny fa dia resaka taratasy sy telephone foana izany hoe nifankatia par correspondance ry zareo.Tokantrano feno fitiavana anefa no naorin\'izy ireo , 5 mianadahy izahay no zanany ary efa 34 ans no nivadiany.Mbola tsy nisy ny internet t@izany fotoana izany nefa tsy hitako izay maha-samihafa azy satria samy soratra no ampiasaina, ny internet aza mba efa misy ny web cam ahazoana mahita mivantana ilay olona iresahana. Ka aza kivy fa mbola ho avy eny foana ny anjara.Vavolombelona moa no loha-hevitra ka dia izany no antony namborahako izany rehetra izany. Ataoko angamba fa tsy hanome tsiny ahy ianareo raha tsy nanonona anarana aho. Ny angatahako antsika namana dia aoka mba tsy hifamitaka fa SAMY MALAGASY. Mahereza daholo
28. ikaretsaka ( 06/04/2004 18:51)
aza mahavoa ny goavy manta
29. noemy ( 15/04/2004 16:09)
ory karetsaka taolana ny nify dia homehy mbola zany hiany no avalinaomampalaheloxxxxx fa mahereza e! tsy mbola izy zany inye fa@ manaraka de izy aza fitahana ny namana re olona ary xxxxx aza tonga de tia zany moa e! afa ny taloha afa @ andron tsika zao mba malina e!
30. methode ( 08/05/2004 00:05)
Mampahatsiaro ny prefet d'étude tamin'ny secondaire ny resaka eto. Hoy izy tamin'izay: Fitahinareo ny mpampianatra de faly ery nareo avy eo, avy eo fitahina ny ray aman-dreny, de fitahina ny namana! Rehefa voafitaka daholo ny olona rehetra dia ny tenanareo sisa no fitahinareo! Teny tsotra io nefa rehefa tena dinihina dia mifono zavatra lalina sy zavatra marina!
Betsaka aloha ny soa azo teto amin'ny serasera teto e! Izaho manokana anisan'ny nahazo soa betsaka teto! Betsaka koa ny namana no mitantara amiko! Fa izao koa, betsaka ny namana malagasy mamitaka ny Malagasy mitovy aminy ary tena mamotika ny fiainany mihitsy! Ka ny tiako holazaina dia izao e: Eritrereto hoe ianao no teo amin'ny toeran'ilay olona voafitaka, dia hanahoana ianao. Raha voadinikao io dia hitandrina ianao alohan'ny hanaovana zavatra!
Ilaina ny misangy satria manatsara ny fahasalamana ny mitsiky sy mihomehy, fa tokony ho fantatry ny miresaka aminao kosa hoe sangy iny fa tsy tena izy. Ny ahy moa dia lazaiko tsotra hoe tsy mitady sipa aho, dia mazava izay!!
31. xxx ( 08/05/2004 20:47)
Izay mihintsy ho aho ry methode, mampaninona anareo anefa ny filazana ny marina e! asa fa ny finoako dia izay atao tsy maintsy mbola hivaly na ratsy na tsara, na aminao na @ tarakanakao izany . Ry namako isany manaova ny marina hatrany mba ho soa ny ho avinao.
32. cutie ( 31/05/2004 22:11)
Marina daholo zay voalazanareo eo ambony reo. mahaiza tsara fotsiny misafidy e.
Hay fona @ fomba firesaky ny oul anie we mba seieux ve le oul miresaka aminao ty sa tsia.
Sady tsy voatery we hitady sipa koa ny aleha eto @ serasera e.
Sa ahona hoy methode. hihi.
33. fijo ( 01/06/2004 22:33)
izay mihintsy,raha hitady sipa aloha tsy haiko,fa ny ahy dia nahitako soa tato,satria nahitako namana maro,ary koa nahafantarako zavatra maro.misy ny tena namana azo hitokisana ato.
34. kitjo ( 02/06/2004 12:24)
marina ny an fijo

ny oe voafitaka sns tsy voatery ho e ny internet no tsy mety ra itadiavanao sipa fa nareo le niaraka mitsy no nisy iray tsy aoz nitokisana,
Matoa bdb ny nety d azo atao ilay izy fa sendra ny olona nanala azy ngamba izany enao.
Miankina @ ilay olona tsi1 1 io fa tsy azo raisina en general oe ny internet.

Fa aleo aloha mailo foana fts e, tsy maintsy fantatra foana koa ange na handainga aza e,
Rehefa tsy nanao ratsy koa iano d mandry ny saina fa oh ny zavatra rht tsy nety iny.
Resaka conscience no miasa eo, indrindra raha olona tena fantatrao izy fa tsy par pseudo fts, na mboal tsy nifankahita aza, misy fiainany efa fantatrao,...
Fa ny mamela koa no zava-dehibe fa anjarany ny ambiny. Indrindra raha nsy zavatra mba anhasoa iany nifampizaraina na tao anatin "nofy" aza
35. ari.malala ( 02/06/2004 14:40)
Mampalahelo ahy ianao r'i xxx! izao aloha; tsy mbola mifankahita ianao s'ilay olona ifanoratanao fa "virtuel". Aza tonga dia manankim-po be loatra fa io resaka virtuel io foana aloha atao manan-danja, fa dia ho diso fanantenana ianao! tena marina ê! raha misy ahafahana mifankahita moa maninona fa dia eo ianareo roa mahalala na hotohizana na tsia ilay fiarahana, fa raha hoe mbola tsy noifankahita dia hoe tiako ianao ê, blabla ê! diso fanantenana eo! sady raha azok tsara vehivavy toa ahy ianao, betsaka anie ny olona no ratsy saina ê! moduy lambolamboiny eo ianao, anaovany tantara valamaty mba ihomehezany hoy ny namana ao ambonimbony ao. Ka izao, tsy ny internet akory no ratsy. Tsy maintsy mbola hahita ny anjaranao ihany ianao na tsy eto @ internet aza fa aza kivy. Ny lanitra akory tsy mba miangatra hoy ilay hira izay. Sady ianao koa anie izao mandry kokoa ny conscience anao hoe tsy ianao no namitaka ê! mahereza.
36. methode ( 05/06/2004 16:19)
Ary i ari.malala np tena mahazo resaka izany ko! Eto amin'ny serasera na amin'ny chat ange fifandraisana fotsiny no azo atao fa tsy azo atao nofinofy izany e! Raha tiana ho tohizana dia mila fihaonana indray. Raha eto ny manambady aza mbola afaka manana hafa (eto amin'ny resaka fotsiny io), azo atao mihitsy ny manana folo! Fa hafa indray ny tena izy e!! Fa rehefa tena resaka sérieux kosa ny an'ny iray dia tokony hifanaraka amin'izay ny an'ny andaniny e! Tsy tokony hafangaro ny sangy sy ny tena izy!!
37. nikopol ( 05/06/2004 16:24)
Mpanoro lalana mahay Methode
38. jhouhlambout ( 07/06/2004 14:34)
;-)
39. ari.malala ( 07/06/2004 14:47)
Tsy hoe zany akory r'i methode fa tokony harahina @ lojikany anie ilay fiainaa ê! olona tsy hitan'ny maso izany sarotra b ny hitenenana anazy hoe tiko enao fa manjary mifandiso fanantenana fotsiny, mety izy efa manambady, metry tsy ao @ le eritreretinao d diso fanantenana b enao
40. methode ( 07/06/2004 20:29)
Marina mihitsy ny an'i ari.malala! Za zao asa na manambady na tsia! HIhihihi! Fanontaniana koa izay! Fa tsy mila valiny!! Hihihihi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.656