RESAKY NY 3eme ETAGE FATAON'I BOR2LAIS @ Atra

21. RBNIR ( 09/04/2020 17:05)

bor2lais:

Efitra natokan-dramose ho ahy hono ny ato ka :
- ataoko izarana IZAY TIAKO amin'izay LIANA. Tsy an-tery ny fidirana SAINGY
- iangaviana kely izay miditra ato raha azo atao, mba hanao sarom-bava sao mamindra aretina !
- fanehoana fitiavana sy fanajana ny tenanao sy ny hafa ny fanaovana izany, indrindra amin'izao vanim-potoanan'ny Corona virus izao ! :-)


ka nataonareo nidanadana be Milay varavarana dia tsy aritra fa nandeoso ny olona :-)
22. rhaj0 ( 09/04/2020 18:33)
gasy1zay:
ny voasoratra dia Celui qui se met à l’abri près du Dieu très-haut

MAzhjava be io ry GAsy1zay aa.. ary mivady tsara @ resak'i Bor2lais io ambony io, ary hita fa miray saina tokoany nareo roaroa @ ity:
miaro mandrakariva SAUF raha mivoaka antsokosoko

Fa dia mbola miandry ny valin-tenin'i Bor2lais raha ny @ ity:

Ka ny @ 5a sy 5b, dia mitovy ireo hozy Radoko. Koa raha hoe, tahaka ny zanaka mivoaka ny trano an-tsokosoko, dia TSY nahavita miaro mandrakariva izany ilay RAD, ary dia (mety) ho voa ilay zanaka.

Ny dikan'izany dia overruled, annulé, rava izany ilay petra-kevitr'i Radoko voalohany hoe, miaro ahy mandrakariva Izy ka !


Mbo mety ve aloha izany fijeriko azy izany RAdoko, sa ianao sirika be fa toa lasa manao vilam-bava io, ka hoe, miaro mandrakariva SAUF raha mivoaka antsokosoko

Ilay "mandrakariva" ve tsy mandrakariva doria amen, fa nefa, ahoana no dia asiana condition indray, hoe aza manao antsokosoko?
23. bor2lais ( 10/04/2020 11:27)
O ramose a ! Ny tiako lazaina @ ilay hoe 5a sy 5b dia izao : samy tsy niraharaha ny fampitandremana na fiarovana (3ème étage) efa nolazain'ny RAD izy ireo fa nandeha araka ny saim-pantany (2ème étage) izay tsy mifanaraka amin'ilay ("fiarovana") nolazaina.
:-)
Zomà masina androany ! Mankalaza an'izany moa (ny ankohonan-d) ramose e ? ;-)
24. rhaj0 ( 10/04/2020 12:51)
Eny ee... mazava beuh anie izany RAdoko e..

Fa asa izay fitaizanao ny ankizinao ao Radoko, na koa izay fifandraisanao @ izay olona tianao ao, fa ireto misy hevitra roa ohatra mba arosoko ho saintsaininao, @ izao vakansy de paka izao. (Mety) TSY ao anaty Baiboly ireo, fa Ineny Gogola no hanampy anao bebe coucou.. mba ovay kely indray ny famindra sy izay fombafomba (fisainanana) ao, fa vakansy ny andro RAdoko aaa...

- ny honnetete na probite sy ny droiture na transparence ... miainga @ zava-misy, lazaina ra-zava-misy ary atrehina ra-zava-misy... [size=9]ra-zava-misy...[/size].. [size=7]ra-zava-misy...[/size].. [size=4]ra-zava-misy...[/size]..

- dia ny fanindroany, dia ny amour inconditionnel.. [size=9]inconditionnel[/size].. [size=7]inconditionnel[/size]... [size=4]inconditionnel[/size]..
25. bor2lais ( 11/04/2020 08:02)
Misaotra anao ramose nitafatafa niaraka teto (indray).

Ary misaotra ihany koa amin'ireo tolo-kevitra arosonao. Porofo izany fa mba nisy (kely) azonao noraisina (na/sy notsoahina) ihany avy tamin'ny resaka nifanaovana (na dia tsy mitovy aza ny fomba fijery).

Izao indray ny ahy no mba iangaviako anao : Ivereno vakiana ihany ny voasoratra fa ireo teboka roa lazainao ireo ("miainga @ zava-misy", "amour inconditionnel") ange toa voaresaka ao daholo e ! Saingy ny "étage" misy antsika tokoa moa tsy mitovy ka samy manana ny fahitana azy ! :-)

Mirary Paska finaritra (ho anao sy ny ankohonanao) ho an'ny mpiserana rehetra "namangy" teto! :-)

Mba hajao ihany ny lamina apetraka momba ny "confinement" na dia vakansy aza e ! Miainga amin'ny zava-misy sady fitiavana tsy mila takalo no ilazana izany ! :-)
26. rhaj0 ( 11/04/2020 13:00)
Tsisy fisaorana RAdoko fa ianao azany no ankasitrahana fa mba nitondra resaka eto koa. HItanao ny tabilao fa tena poupoulera ho'a ianao @ nareo samy kristiana eto @serasera eto, raha miolotra @ izy mitsam iretsy:
:-) Bor2lais: vangy 235
:-) Gasy1zay: vangy 205
:-) RBNIR: vangy 153

Fa inty misy horonantsary kely atolotro ho anao, mba ialanao voly @ izao vakansy izao. Ngo dia sady mahafinaritra no mahasoa anao ito, satria mety misy zavatra mba ianaranao dia mba ampiharinao @ fiainanao sy fitadiavanao ao re RAdoko ooo...



(azafady raha @ teny anglisy, fa asivo ilay closed caption, dia asivo pause matetika, dia ampiasao ny google translate malagasy :-)
27. rhaj0 ( 14/04/2020 11:01)
Mba ifandanjan'ny fijery, dia atolotro anao koa ity Radoko. Inty misy resak'i Ken Ham izay toa isan'ny lalin-tsaina tokony tarafina HONO, @ samy izy ao Etazonia ao

https://www.foxnews.com/opinion/ken-ham-loving-god-allow-coronavirus

MIodikodina izany ny resaka, fa mety tianao ianarana koa ny fananovany azy RAdoko, dia mba hanohizanao ny propagandinao.. mbola misy 1-2 andro io.
Raha ny marina, raha mitady resaka/soratra ho an'ny propagandinao ianao RAdoko, dia io Fox news io avadibadika sy alalinina. Mbo sahala @ Trump ianao @ io.


Dia ity koa misy resak'i Jim Daly, izay rezatra @ samy izy ao Etazonia ao koa
https://www.foxnews.com/opinion/jim-daly-especially-on-easter-will-the-covid-19-crisis-help-us-see-as-clearly-as-the-blind-man
I don’t believe He caused the pandemic – but He’s allowed it – and He’s using it to accomplish His purposes.

Dia ilazao io resak'i JIm io RAdoko ireo olona an'arivony maty, na ireo nijaly tany @ urgence, na ireo mitebiteby mafy, efa sahirana sy marefo, nefa dia mbola pehan'ilay He io HONO, fa i He hono mila mi-accomplish His purposes HONO.

28. rhaj0 ( 14/04/2020 23:54)
Ary mahay ianao Radoko, f'eto aho vao mahatsiaro fa mifanojo @ toriteninao io resak'i Jim farany io

bor2lais - 09/04/2020 15:06:
Fehiny (3ème étage): Toa antso ho an-draolombelona ahalala hitodika sy hiverina amin'Andriamanitra izao tranga iainan'ny eran-tany izao !


Satria izany HONO, His purposes, arak'i Jim, na koa ny "antso", arak'i Bor2lais, ka dia, ny mba iverenanao Kristiana mba hivavaka comme il faut Aminy HONO (ny anton')io Coronavirus io.

Ary dia io nataoNY sorona ireto olona an-hetsiny matin'ny Coronavirus, ary izany dia ho an'ny fiainana eto an-tanin'ireto Kristiana (toa Bor2lais) sy mba "hampisaina" azy.
29. gasy1zay ( 16/04/2020 15:21)
Ito nisy prophécie nataona Pasitera iray t@ 27 Octobre 2019 ohatrany mifandraika @ Coronavirus sy ny hiainantsika izao sy ity resaka eto ity hoe

: Toa antso ho an-draolombelona ahalala hitodika sy hiverina amin'Andriamanitra izao tranga iainan'ny eran-tany izao !

mba zaraiko ampiheritreritra antsika ary mety hamaly ny fanontanian'i rhaj0

30. rhaj0 ( 16/04/2020 16:49)
Raha ny marina, dia ny "mitodika" any @ Siansa no nitranga. Io sahala @ resaka natao t@ Midrou ihany.

MItodika @ Siansa no ataon'ny rehetra, fa izany hoe:
TSY takatr'ilay Kristiana hoe, izany anie no ataony. :-)

Koa na ireo kristiana-fanatika manodidina an'i Trump ohatra tsisy sahy miteny betsaka.
Koa na ny eto koa, ny toa an'i RBNIR azany nibaradaka :-)

RBNIR - 15/04/2020 02:52:
rehefa "tsy mitandrina" ... mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra... dia [size=16]aleo ihany aloha manaiky ny torohevitry ny manampahaizana[/size]

Dia mitodika any @ Siansa medesinalina, izay efa miomankomana ny hamoaka ny fi-tester-na ity Coronavirus @ ambongadiny, ao koa ny mieritreritra vaksiny. RAha mijery ny taloha ohatra, ny variole, dia pandemia be koa, fa rehefa nandeha ny vakisiny dia rava.
Dia mitodika @ Siansa ekonomika koa, izay efa mitsiritsirika ny fitroatran'ny fiverenana @ laoniny ny fiainana (ekonomika), atsy ho atsy (toa an'i Bemolanga)
:-)


Fa tsy vao izao anie no misy pandemia ry mpinomino foana ee.. Ka hoe, raha vao misy, dia mizesta dahlo izao profeta de malheur izao, toa ilay vazaha tian'i Gasy1zay io. Io foana no efa nolazaina teto hoe:
rahefa misy tsy-fahampiana @ olona, fahampiana ara-pahalalana indrindrindra, dia lasa mivary lavo minomino foana.

R@ fararano mifankahita ee...
31. RBNIR ( 16/04/2020 17:48)
raha ianao aloha dia tena toroko hevitra mihitsy aleo manao confinement heritaona mahery raha mety...:-)
32. rhaj0 ( 16/04/2020 18:47)
Dia mbo mifototra @ inona HONO ny mbo toro-hevitrao re ry RBNIR?
@ izany hoe, resaka'i RBNIR @ Jesosy? izany ve? :-)

Araho ihany ny Siansa dia araho koa ny zava-misy eee... @ izay mbo isan'ilay hoe liam-baovao liam-pahalalana liam-pivoarana...
33. gasy1zay ( 16/04/2020 19:04)
ka ilay ranamana kosa nge Octobre 2019 dia efa nahita hoe hisy calamité hanarina ny tany e! Ny OMS zao efa t@ fevrier 2020 vao nilaza hoe pandémie!
34. rhaj0 ( 16/04/2020 20:34)
Mba araho ihany ho'a ny vaovao ry Gasy1zay fa tsy ilaozana mievoka foana ao..

i Obama ohatra efa ela no nampitandrina fa mila miomana @ pandemie, ary nametraka rafitra itsinjovana ny amehezana azy, fa noravan'i Trump ny rafitra mba napetrak'i Obama.

N'izan'iza manana "bon-sens-toa-RBNIR" anie ry Gasy1zay, mba manaranaraka tantara, dia ahita fa hotsahotsan'ny miverimberina ny pandemie isaky ny 100 taona, sy eo anelanelany, ary dia afaka manao belazao ee... TSY asiany Siansa io, fa revirevy fatao eny @ garabola dia ampy, satria misy foana ny tsy ampy fahalalana, ary dia io mivarina ampinoan'ny belazao angano io, dia mihahaka minomino foana io foana. GAsy1zay?
35. RBNIR ( 17/04/2020 05:57)
rhaj0:

Dia mbo mifototra @ inona HONO ny mbo toro-hevitrao re ry RBNIR?
@ izany hoe, resaka'i RBNIR @ Jesosy? izany ve? :-)

torohevitra omeko ny olona tsy mino io....
36. rhaj0 ( 17/04/2020 12:23)
gasy1zay:
ka ilay ranamana kosa nge Octobre 2019 dia efa nahita hoe hisy calamité hanarina ny tany e! Ny OMS zao efa t@ fevrier 2020 vao nilaza hoe pandémie!

O ry GAsy1zay.. dia hita mihitnsy ianao fa tsy manara-baovao, ary tsy mahalala, ka dia tena tsy mahagaga raha roboka ary dia mora voarebirebin'izao milaza-tena ho profetafeta sy apostolinoly rehetra izao.

Misy dingana arahina ry Gasy1zay vao "milaza hoe pandemie" ny OMS aa... nanaraka tsara ny zava-misy ny OMS, miaraka @ traikefany momba io pandemie io, ary manoro araka izay zava-mitranga eo aa..


Letia ee... io izany, hotry ny hoe, avy nievoka boky tonta i Gasy1zay dia nivoaka avy tao an-dava-bato. Fa toa rotaka be ny zava-misy tao ivelany. Dia lasa indray ilery niverina tao an-dava-bato, dia lasa nangarona resa-kehin'ny profetafeta sy apostolinoly ao @ interinety HONO, ary dia nivoaka ary nihoraka sy nihoby fa tena nahita HONO i profetafeta sy apostolinoly.. (satria vazaha)

Loz'ty... ianao kosa ry Gasy1zay dia tena manala-baraka (tena) mihintsy kah... mbo aty Kanada ihany ianao dia izany ve no mba arosonao eto @ serasera eto k'le...
37. RBNIR ( 18/04/2020 08:36)
izany v tsy misy fanamboniantena indray rhaj0...mba aty kanada ihany?
38. rhaj0 ( 18/04/2020 14:00)
TSISY ambony sy ambany io ry RBNIR (complexE) fa ilabolatany avaratra sy atsimo aaa... :-)

Io re dia resaka efa nataoko, sahala @ hoe, mbo nianatra taty Kanada ihany koa i Rajaonarimampianina, fa loza fa, dia asa loatra, nilaozany nihiboka tao dia nianatra mafy fotsiny angamba ny nataony taty, fa tsy mba nijery, ni-decouvrir, niaina toa ny Kanadiana, niaina izany hoe demokrasia, free speech, check and balance, sns... Fa raha niaina izany comme il faut i Rajao, fony izy taty @ ilabolatany avaratra, dia hankasitraka sy hitia an'izany, ary dia TSY ho nanao izay nataony ireny tany @ ilabolatany atsimo.

HEvitro manokana io. J'assume.

Ary toa izay koa i Gasy1zay ao an-dava-batony ao ;-)
39. RBNIR ( 18/04/2020 18:52)
fa raha otran'i rhaj0 izao kosa aloha no vokatr'ilay fievohana ny rivotry ny tavaratra ao tena aleo ihany tsy misy ka....olona tsy mino an'Andriamanitra..tsy matahotra izay tokony hatahorana..tsy misy fa misy fanahy tsy mety maty ao anatin'ny olona...tsy mahalala ny ho avin'ny fanahiny....

tena aleoko ihany miiboka aty atsimo aty amin'zay tsy ho jamba ny masoko...
40. rhaj0 ( 18/04/2020 20:06)
hi hi hi... Koa na i RBNIR angaha mahalala koa ny hoe "fanahy". :-)

TEna sahy mifanamby aho fa ho tapahiko ny silakohon'ny ankihikelin-tongotro.

'Ndana jereo ao @ Baiboly na grika na jiosy na Louis Second na ny an'i Andrianaivoravelona.

INONA NY DIKAN'ILAY FANAHY MALAGASY AO @ BAIBOLY AO.

MIandry anao RBNIR hamaly, ary hanontanio mihintsy Jesosy rahariva.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1722