Coronavirus

81. rhaj0 ( 29/03/2020 16:04)
Efa fantatra ary manahy mafy ny mpandinika fa ho giravy ny ho fandehany ao Afrika. Tsy vaovao izany.

Fa tsisy mirakla io ry RBNIR mpino-mirakla aaa... na hoe, nisy Jesosy manisy sira coronavirus avy any an-danitra HONO io, ka dia mila mihidy aman-trano daholo daholo h@ any Faradofay ka hatrany Antseranana..


Fa cibler-na ny confinement: arahina hoe iza no voa, dia atao enquete taiza no nalehany, dia any no atao ny ezaka...

Atao enquete sahala @ mitady mpangalatra anie izy io, ary hitanao (fa tsy mety takatrao RBNIR) tsara ihany, fa izay no nahalalana ny hadalan'ilay Kristiana-Koreana-rangory-fototry-ny-virus-t@-antsasaky-ny-5000-Koreana-tatsimo eee..

82. rhaj0 ( 29/03/2020 16:25)
TSy vao izao Coronavirus izao no manao enquete ny tompon'andraikitry ny fahasalamana. T@ ireny virus hafa avy tany Chine, tsy tadidiko, fa 2 sa 3 taona lasa, dia hoe nambara t@ radio hoe, izay nandehandeha tatsy @ ilay fivarotana tatsy, dia nitaingina bus izao, mila mandalo kely ho tester-na fa nandalo t@ ireo ilay raolona voan'ny aretina
83. rhaj0 ( 31/03/2020 12:48)
Iverenako kely ilay hoe "cibler-na ny confinement"..

Ohatra hoe, t@ ilay krizin'ny Soabakaka tafiditra tao Toamasina, izay fantatra rehefa natao ny enquete fa avy t@ conteneur t@ sambo nandalo, dia fantatra koa fa hanaraka izay lalan-drano sy renirano eo ilay Soabakaka, dia ciblé izany ny famonoana azy ee..


Fa tsy hoe, raha araka ny kristiana vonto-pinoana (sasany), izay tsy mba mifototra @ enquete fa lasa nijery Babioly, dia (mety) hoe:

- tena narotsak'i Atra (na ny devoly) erak'i Dago ny Soabakaka, ka dia mibebaha. TEna akaiky ny fara-andro, ary izany ao @ faminaniana ao @ Apokalipsia mihintsy

- Na hoe, tena tsy takatry ny hoza-doha ity, fa dia izay izany ny sitrapon'Atra, ka dia ... mibebaha foana fotsiny (fa tsy ilaina ny mandalina sy manadihady)

- Na koa hoe ndao (hiaraka) mivavaka @ Avo, ary izay enerzia izay dia ondes pozitiva be, miaraka @ fanahin'i Jesosy, izay isarika mora ireo Soabakaka hiverina hiakatra ny Sambo, toa t@ ilay Arka an'i NOah, ary dia hadio ny renirano sy farihy erak'i Dago .. minoa fotsiny.



Asa raha azonao @ izay ilay izy ry RBNIR
84. RBNIR ( 01/04/2020 00:06)
« [Ny fahatokian'ny olo-marina an'Andriamanitra, na dia manakaiky azy aza ny manjo ny sasany] Ny mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha. » (Salamo 91:1)
« Izaho hilaza an'i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako. » (Salamo 91:2)
« Fa Izy no hanafaka anao amin'ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza. » (Salamo 91:3)
« Ny volon'elany no anaronany anao, Ary ao ambanin'ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany. » (Salamo 91:4)
« Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, Na ny zana-tsipìka manidina nony andro, » (Salamo 91:5)
« Na ny areti-mandringana mandeha amin'ny maizina, Na ny fandringanana mandripaka amin'ny mitataovovonana. » (Salamo 91:6)
« Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao izany » (Salamo 91:7)
« Hijery maso fotsiny ianao,Ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy. » (Salamo 91:8)
« Satria hoy ianao: Jehovah ô, Hianao no aroko, Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra, » (Salamo 91:9)
« Dia tsy hisy loza hanjo anao, Na aretina hanakaiky ny lainao. » (Salamo 91:10)
« Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao Mba hiaro anao eny amin'izay rehetra halehanao. » (Salamo 91:11)
85. RBNIR ( 01/04/2020 00:13)
ny zavatra fantatro fa hoe marina aloha ny olona tsy hovoatazon'ny fihobohona mandritra ny volana maro izany mihitsy....
tsy maintsy mitady ny olona (satria na ho fatin'ny hanohanana na ho fatin'ny corona)...
dikany na ho ela na ho aingana tsy maintsy hihanaka io aretina io satria koa hoy aho ny zava-misy eto amin'ny tanana manome vahana izany tokoa....(mele hoy aho ny ataon'ny olona hahazoana ilay vary mora) ary ny tsena lehibe toy an'i andoharanofotsy sy anosy be tena sarotra ny hitazona ny olona amin'izy ireny....
koa dia aleo mivonona ny saina hoe tsy maintsy hiparitaka ihany io rehefa kelikely..

Izay no hanentanako ny kristiana rehetra hihazona mafy ny finoana....satria isika tsy hanana ny fitaovana rehetra toy ny sinoa ka hoe hiady amin'ny virus amin'ny resaka materialy sy siansa..

Ny rivotra mihitsy no efa maloto no marina...

Andriamanitra ihany no hitokio...
86. rhaj0 ( 01/04/2020 01:51)
"aleo mivonona ny saina hoe tsy maintsy hiparitaka ihany io rehefa kelikely.." hozy i RBNIR..

Letia ee.. nivoaka avy t@ lava-bato avy namaky Baiboly i RBNIR, dia mbola tsy nahalala fa EFA NIPARITAKA kay ity Coronavirus ao Mada..

oadray.. nataoko fa mba nanaraka tsara tao i RBNIR.. Loz'ty fa vao mainka ni-delire ny anao lahy ..
:-)
87. RBNIR ( 01/04/2020 02:05)
ilay hiparitaka resahiko hiparitaka be fa tsy araka izao voalaza amin'ny vaovao izao e!
88. RBNIR ( 01/04/2020 02:17)
ary aza mikatona koa hoy aho fa firenena mahantra ny gasy tsy maintsy mifanarak amin'izany ny toetsaina entina miatrika an'io fa tsy araka ny teoria ampiasaina any an-dafy any akory...

ny tena marina koa rehefa tena mihanaka io dia tsy ny olona intsony no olana fa ny rivotra mihitsy...

ka isika tsy hanana ny fitaovana rehetra hahafahana miaro an'izany mihitsy...fa izay mety hatoro aloha dia atoro...mivavaka ihany miantso an'Andriamanitra...dia Izy no hiaro....
89. rhaj0 ( 01/04/2020 12:54)
RBNIR:
... tsy ny olona intsony no olana fa ny rivotra mihitsy...

ka isika tsy hanana ny fitaovana rehetra hahafahana miaro an'izany mihitsy...

Izany vve no kabarinao avy eny ambony alitara ry RBNIR?

hoe misy "fitaovana" IMAZINERA "hahafahana miaro...ny rivotra mihitsy."
(fa ny Etazonia ohatra manana izao "fitaovana mazika" izao ahafahana miarony rivotra, hozy RBNIR ao an-tsainy tsy miloaka)

Dia tena efa midegany mihintsy rehefa conditionné giravy @ kristianisma toa RBNIR :-) :-)
90. RBNIR ( 01/04/2020 14:40)
izay vonona hiantso Azy no taomiko an! tsy mandaitra amin'ny tsy mpino mantsy io....
91. rhaj0 ( 01/04/2020 14:52)
mouah ha ha.. mifidifidy tavan'olona HONO ny COVID10T, hozy i RBNIR, ka ireo izay "vonona hiantso Azy" HONO dia tsy tian'ilay COVID10T.

Mahery ny imazination-dry RBNIR an... :-)
92. gasy1zay ( 01/04/2020 15:00)
rhaj0 anie mampalaelo fa tsy hitany izay atao @ ity COVID-19 ity e! Ny siansa tsy hita izay vakisiny, ny fanafody tsy hay na mandaitra na tsia, ny maty mitombo isan'andro, ny herin'Andriamanitra tsy hinoany

fiarovana tsy hita maso? Ka nga moa Andriamanitra hita maso? Raha hita maso izy mety efa nino ihany nareo tsy mpino, sa aona? Raha ny marina dia ny tsy mino amin'ny ankapombeny dia tsy te hino hoe misy Andriamanitra satria misy fahotana mamatotra azy ary tsy tiany hialana ao, fa raha mino manko izy hoe misy Andriamanitra dia voatery hanaiky hoe misy ny afobe, dia voatery hanary ny péché mignon raha te handova ny lanitra.
93. rhaj0 ( 01/04/2020 18:23)
gasy1zay:
Raha ny marina dia ny tsy mino amin'ny ankapombeny dia tsy te hino hoe misy Andriamanitra satria misy fahotana mamatotra azy ary tsy tiany hialana ao...

Izay rehetra TSY mino ny Andrmntry ny Kristiana HONO dia "misy fahotana mamatotra azy" :-)
Esy ee... Izay ve no nikapohan'ny misionera ny lohanareo ry Gasy1zay dia averinao tsy am-piheverana eto.

Ny olona mifotra @ "manaiky-tsisy-porofo" sa "misy-porofo" raha resaka finoana, ny an-dry Gasy1zay mibararehoka hoe, resak' ota sa tsy-ota.

Sahala @ hoe, ny inoan'Ikotokely an'i Perinoelina dia ditra sa tsy-ditra.


Efa tena tailana tanteraka mihintsy anie izany fisainanareo izany ry Gasy1zay rahefa conditionné-n'ity kristianisma ity eee...
94. RBNIR ( 02/04/2020 09:35)
Iray ihany no marina.....

Marina tokoa fa maro ireo olona no tsy mino an'Andriamanitra, misy ihany koa ireo mino ny fisin'Andriamanitra ihany saingy samihafa ny Andriamanitra tompoin'izireo,

Inona no nahatonga ahy ho kristiana?

Tsapan'Andriamanitra marina tokoa fa dia tena misy karazana olona tsy mino raha tsy misy porofo!

Ary raha ny marina dia ny ankamaroan'ny olona mihitsy no tena tahaka an'izay satria Andriamanitra moa tsy hita maso koa!!!

Noho izany dia nanapakevitra Andriamanitra ka niteny tamin'ny olona Izy hoe...

« Mangataha famantarana amin'i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin'ny lalina ambany, na ho avy amin'ny avo ambony. » (Isa.7:11)

Nasainy nangataka famantarana ny olona ny amin'ny fisiany..

Saingy natahotra ny haka fanahy Azy ny olona rhajo! « Fa hoy Ahaza: Tsy hangataka aho, fa tsy haka fanahy an'i Jehovah » (Isa.7:12)

Dia voatery IZY Andriamanitra no nanome ilay famantaraka...

« Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ny taranak'i Davida: Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, No dia hanasatra an'Andriamanitro koa ianareo ? » (Isa.7:13)
« Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina* ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela**. [*Na: zazavavy][**Na: Imanoela = Amintsika Andriamanitra] » (Isa.7:14)

Ny famantarana nomeny dia zazalahy Izay hateraky ny virijiny...


Dia tanteraka ny fanomezana an'io famantarana io taty aoriana....

« ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy*; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany. [*Jesosy = Jehovah no Mpamonjy] » (Mat.1:21)
« Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany* hoe: [*Gr. profeta dia olona voafidin'Andriamanitra ho mpilaza ny teniny] » (Mat. 1:22)
« Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra. » (Mat.1:23)
« Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia nanao araka izay nandidian'ny anjelin'ny Tompo ary ka nampakatra ny vadiny. » (Mat.1:24)
« Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Jesosy. » (Mat.1:25)

JESOSY no Ilay famantarana nampanantenain'Andriamanitra....Rehefa mahita an'i JEsosy ny olona dia tokony iaiky fa tena misy marina tokoa Andriamanitra....

Hoy i Jesosy hoe : « Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay. » (Jao.14:8)
« Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray? » (Jao.14:9)

Fa inona avy no nataon'i JEsosy?
« Ary nanambara Azy ny vahoaka izay teny aminy, fony Izy niantso an'i Lazarosy hivoaka tamin'ny fasana ka nanangana azy tamin'ny maty. » (Jaona 12:17)

Nanangana olona tamin'ny maty i Jesosy


Ankoatran'izay dia....
« Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa; diovina ny boka, ary malady ny marenina; atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara. » (Matio 11:5)


Ary ny tena lehibe indrindra dia « Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana; » (1 Korintiana 15:16)
« ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany ianareo; » (1 Korintiana 15:17)

Nitsangana tamin'ny maty i Jesosy ary niseho tamina vavolombelona maro samihafa mba hanaporofona amin'ny olona fa tena misy marina tokoa Andriamanitra mpanangana amin'ny maty ary tsy lainga akory ny fitsanganana amin'ny maty fa tena marina tokoa...

koa aza variana mitady lavitra re fa Jesosy no famantarana ny amin'ny fisian'Andriamanitra e! Fantaro Jesosy dia ho Fantatrao ny Ray..

Ankehitriny dia mifidy olona vaovao Izy hanehoany ireo zava-miafina ao amin'ny tenin'Andriamanitra, ato amin'ity lohahevitra ity ny porofo fa JEsosy dia tsy olombelona otrantsika fa raha mbola tsy nisy telescope, video satelite sns, dia efa nasehony tamin'ireo mpianany taloha sahady amin'ny antsipirihiny ny fomba handevonan'Andriamanitra ny lanitra sy ny tany...

http://forum.serasera.org/forum/message/m5a79aef620deb/180#m5a968774234ca

Ireo no antony nahakristiana ahy, tsy mbola nisy fivavahana hafa afaka nanaporofo marina tokoa fa tena misy marina ny fitsanganan'ny maty...

Jesosy anefa mandra androany dia manaporofo fa velona marina tokoa Izy ary miseho amin'ny olona izay tiany hisehoana sady mampianatra ireny olona ireny....

Koa miantso antsika aho hoe tokana ny marina dia ao amin'i Jesosy irery ihany andao samy hanaiky Azy isika rehetra!
95. rhaj0 ( 02/04/2020 10:55)
RBNIR:
Tsapan'Andriamanitra marina tokoa fa dia tena misy karazana olona tsy mino raha tsy misy porofo!

Ahitsiko kely... Ireo olombe t@ fotoan'androny izay NAMORONA ity revy ity no efa nahatsapa fa HISY FOANA karazana olona tsy mino raha tsy misy porofo. Ka dia efa nataon-dreo vonona ny lavazy ho an'izay marefo (ara-tsaina sy ara-pahalalana) hanjonoana na hitazomana an'ireto ao anatin'ny minou fotsy, manaiky-tsisy-porofo.

Eritrereto tsara ao foana ho'a ny "ninoan'ny kristiana taloha", izay ninoany tena t@ fo madio sy t@ saina ao @ izay ambaratongam-pahalala an'azy taloha izay. Dia nefa, izao ianao mba nitombo fahalalana, ary dia ihomehezanao ilay "ninoan'ny kristiana taloha".

Dia ihomehezan'ny Ankizy koa ny "inoanao kristiana izao".

RBNIR:
tsy mbola nisy fivavahana hafa afaka nanaporofo marina tokoa fa tena misy marina ny fitsanganan'ny maty...

ntss... saika ny finoana/fivavahana REHETRA dia manana ny version-ny ny @ io "fitsanganan'ny maty", fa ianao RBNIR no TSY mahalala fa ilaozanao mijanona @ Kristianisma ihany.

Mba misoka-tsaina @ izay dia ampiasao Ineny gogola araka ny tokony ho izy ee...
96. RBNIR ( 02/04/2020 15:17)
kristy irery no nitsangana tamin'ny maty nanaporofo fa tena misy ny fitsanganan'ny maty...

« Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana; » (1 Korintiana 15:16)
« ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin'ny fahotanareo ihany ianareo; » (1 Korintiana 15:17)
97. RBNIR ( 02/04/2020 15:40)
efa nanao fikarohana tamin'ny google aho fa ny fivavahana kristiana hatrany no mibaha-toerana ao...;

https://fr.lmgtfy.com/?q=resurrection&pp=1

Ny sisa dia sombitsombiny no hitanao anaty google ary tsy misy porofo mazava miohatra ny an'i Jesosy ...

Jesosy irery hoy aho no afaka nanaporofo aloha hatreto fa ny zavatra notoriny dia tena marina tamin'ny alalan'ny fitsangany tamin'ny maty...

98. RBNIR ( 02/04/2020 15:42)
jesosy dia nitsangana tamin'ny maty teo imason'ny vavolombelona maro dia maro.....
99. rhaj0 ( 02/04/2020 17:27)
RBNIR:
kristy irery no nitsangana tamin'ny maty nanaporofo fa tena misy ny fitsanganan'ny maty...

Mouah ha ha... vao niresaka t@ Jesosy aho teo, dia hoz'Izy, ary TSY mahay BAiboly mihintsy ilay RBNIR nefa mitsetsotseka tahakan'ny mba..

Dia nanontaniako Ineny Gogola, dia hoz'izy
https://www.learnreligions.com/people-raised-from-the-dead-in-the-bible-4109363

misy olona 10 no nitsangana t@ maty ao @ io Baiboly io ankoatr'i Jesosy

100. RBNIR ( 02/04/2020 19:06)

rhaj0:

RBNIR:
kristy irery no nitsangana tamin'ny maty nanaporofo fa tena misy ny fitsanganan'ny maty...

Mouah ha ha... vao niresaka t@ Jesosy aho teo, dia hoz'Izy, ary TSY mahay BAiboly mihintsy ilay RBNIR nefa mitsetsotseka tahakan'ny mba..

Dia nanontaniako Ineny Gogola, dia hoz'izy
https://www.learnreligions.com/people-raised-from-the-dead-in-the-bible-4109363

misy olona 10 no nitsangana t@ maty ao @ io Baiboly io ankoatr'i Jesosy



poste 1 nomba hian i rhaj0 tao anaty google?oh oh oh
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1395