NY ANDRO NAHAFATESAN'I JESOSY

21. RBNIR ( 23/02/2020 23:13)
Ny FM no hanantanteraka izany ao anatin'ilay olona....


« Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. » (Ezekiela 36:26)

« Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Ezekiela 36:27)
22. RBNIR ( 23/02/2020 23:24)
FM tafiditra ao anaty===> lasa mandeha araka ny lalàny (lalàn'i Jehovah) sy mitandrina ny fitsipikany (fitsipik'i Jehovah) ilay olona ka manaranka izany....

Izay tonga amin'izany toerana izany.. no manana ny fanjakan'Andriamanitra ao anatiny....(azo antoka fa handova fiainana mandrakizay) rahatrizay...

« Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, ety! na ery ! fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo*.[*Na: efa eo aminareo] » (Lioka 17:21)

Ny momba ny tenanao iray manontolo dia novaina tanteraka handeha araka ny sitrapon'Andriamanitra....i Kristy no lasa velona ao anatinao...

« Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. » (Galatiana 2:20)

Lasa manana fiainana vaovao tanteraka mihitsy ilay olona...

« Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. » (2 Korintiana 5:17)


Dia ho gaga amin'izay izao tontolo izao satria lasa tsy miaraka mihazakazaka aminy intsony ilay olona rehefa avy eo....« ary amin'izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin'izany fanaranam-po amin'ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy; » (1 Petera 4:4)

Dia rehefa tsy takatr'izao tontolo izao ilay izy dia mivoaka amin'izay ilay teny hoe lasa adala e! manonofy e! sns......

23. RBNIR ( 23/02/2020 23:28)
IZA NO MBA MANIRY MAFY NY MBA HO TONGA AMIN'IZANY TOERANA IZANY????

Araho ampitiavana sy amin'ny faharetana hoy aho ity fandaharana ity....



Isa-maraina ao amin'ny kolo TV manomboka amin'ny 5ora sy sasany ka hatramin'ny 06 ora (alatsinainy ka hatramin'ny zoma) efa mandeha amin'ny canal sat ihany koa....
24. rhaj0 ( 24/02/2020 00:55)
Ka afangaronareo voraka anie ry RBNIR (sy HRNRN)
- ny resak'i Jehovah = YVWH an'i Jiosy ao Ezekiela,
- sy ny resak'i Jesosy zanak'i YWVH atsy @ Lioka,
- ary ny resa-Paoly any @ Korintiana,
ka dia TSY araka intsony ny lohany sy volony @ Kronolozia, tsy hay intsony ny contexte

Fa @ sary io izao ny Latera, hita avy alavitra, fa TSY hoe "avy ao ambony ao", ary dia hita io koa ny "rahon'ny Lanitra" ao moyen-orient... dia ahoana izany ny resa-kehin'i HRNRN ao?
Misy hihomehezan'ny Ankizy tsara ooo? :-)
25. RBNIR ( 24/02/2020 05:57)
Tsy mifangaro fa ny dingana 1 takiana amin'ny olona rehetra (na jiosy, na tsy mpino, na koa TJ mormon sns...dia mila mino 100% amin'ny tenin'i Jesosy izy...(fa tsy ampahany fotsiny ihany) dia hisokatra ho azy ny masony ary hanaiky ho azy ny fahamarinana rehetra izy...
mila mino ihany koa fa tena nofidin'i JEsosy marina i paoly ka tena marina tokoa ity teny natao tamin'i Ananiasy ity...

« Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan'ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak'isiraely; » (Asan'ny Apostoly 9:15)
26. RBNIR ( 24/02/2020 06:02)
rhaj0:

Fa @ sary io izao ny Latera, hita avy alavitra, fa TSY hoe "avy ao ambony ao", ary dia hita io koa ny "rahon'ny Lanitra" ao moyen-orient... dia ahoana izany ny resa-kehin'i HRNRN ao?
Misy hihomehezan'ny Ankizy tsara ooo? :-)

io ilay nazavaina hoe raha ampianatra zavatra olona ao amin'ny T1 ianao hafa no ampitanao azy...(olona tamin'ny taonjato 0 tsy mahafantatra ny momba ny ao ambony ao

Raha olona any amin'ny anjerimanontolo kosa no ampianarinao dia hafa no ampitanao ilay fampianarana...

Mpampianatra v ry rhajo dia tsy mahafantatra ny atao hoe différenciation pédagogique?
27. RBNIR ( 24/02/2020 06:20)
differenciation pédagogique : arakaraka ny faripahaizana hananan'ilay olona no hampitanao ny fahalalana iray aminy......
28. RBNIR ( 24/02/2020 06:24)
olombelona aza mahatakatra an'izany maika v ka Andriamanitra izay nahary ny olombelona???,
29. rhaj0 ( 24/02/2020 12:12)
Akanga aloha fa nototofan-dRBNIR t@ resa-baiboly be dia be ity dia saika levona tao.
Ity hoe valio amina lisitra ry RBNIR-mahay-baiboly?
rhaj0:
Dia inona ireo Lalana TSY mila tandrovina intsony nefa ao anaty Baiboly ry RBNIR?

Na marimarina kokoa hoe, inona ny Lalana tandrovin'ny Kristiana hafa, toa ny Amish na ny TJ sy ny Mormons, nefa TSY tandrovinao ry RBNIR?

Raha tsy fantatrao ireo ry RBNIR, raha tsy mahatafavoaka lisitra toa io ambony io koa ianao, dia tena mazava beuh fa resaka sy vava ny an'i RBNIR no matavy, fa ny fahalalana ny Finoana Kristiana, sy ny fahalalana ny (TSY) tokony atao hanarahana ny Lalana dia zero.

Ka hanala baraka ny Kristiana (indray) ve ianao ry RBNIR?
30. RBNIR ( 24/02/2020 13:36)

rhaj0:

Akanga aloha fa nototofan-dRBNIR t@ resa-baiboly be dia be ity dia saika levona tao.
Ity hoe valio amina lisitra ry RBNIR-mahay-baiboly?
rhaj0:
Dia inona ireo Lalana TSY mila tandrovina intsony nefa ao anaty Baiboly ry RBNIR?

Na marimarina kokoa hoe, inona ny Lalana tandrovin'ny Kristiana hafa, toa ny Amish na ny TJ sy ny Mormons, nefa TSY tandrovinao ry RBNIR?

Raha tsy fantatrao ireo ry RBNIR, raha tsy mahatafavoaka lisitra toa io ambony io koa ianao, dia tena mazava beuh fa resaka sy vava ny an'i RBNIR no matavy, fa ny fahalalana ny Finoana Kristiana, sy ny fahalalana ny (TSY) tokony atao hanarahana ny Lalana dia zero.

Ka hanala baraka ny Kristiana (indray) ve ianao ry RBNIR?


Ireo lalàna rado, dia efa anisan'ny vetin-kanina tsy sahaza ny olona mbola vao hampidirina amin'ny finoana izany fa aleo izy aloha hiditra dia ny Fanahy no mitantana sy manoro azy tsikelikely ny lalàna tokony harahiny..sy hotandremany, tsy eto mihitsy no hanambarako izany satria fantatro fa tsy ho zakan'ny ankamaroan'ny maro izany....
Raha mino izao fampianarana izao ny olona iray dia hoy aho hoe « Fa Jesosy, raha nahare, dia namaly azy ka nanao hoe: Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho velona* izy.[*Gr. voavonjy] » (Lioka 8:50)

Raha mino ianao dia hanampy tanteraka anao Andriamanitra tsy maintsy ho tanteraka ao anatinao ny lalàna rehetra....fa mivonona fotsiny aloha hanantanteraka ny sitrapony rehetra, izay fotsiny ihany no mbola angatahana aminao...vonona ny hanaiky ny sitrapony rehetra....
Anjarany ny sisa....
31. rhaj0 ( 24/02/2020 13:56)
RBNIR:
tsy eto mihitsy no hanambarako izany satria fantatro fa tsy ho zakan'ny ankamaroan'ny maro izany....

Eny ho'a eee... TSY ho zarain'i RBNIR @ mpisera eto hono hoe, inona aby ny Lalana TSY mila tandrovina, fa avelao HONO nareo ry namana isany hitsapatsapa dia hitavozavoza ao. Ary raha vao (tsy) manao ny (tsy) tokony atao anefa, dia tandremo fa tonga dia AFOBE... hozy RBNIR

Dia efa nofiran'i RBNIR mihitnsy ny hafatr'i JEsosy hoe, raha mahazo MAIMAIM-POANA ianao, dia zarao MAIMAIM-POANA koa.

Bravo RBNIR.. Koa na izaho azany TSy hahavita an'izany :-)
32. RBNIR ( 24/02/2020 14:00)
mandrosoa amin'ny lalina fa any ianao mahita ny fiasan'Andriamanitra ho an'ireo OLONA MINO....
33. rhaj0 ( 24/02/2020 15:11)
esy e ry RBNIR.. tena TSY hainao akoriny kay hoe, inona no TSy tokony atao, ary inona no tokony atao. RAha hainao ve tsy efa nozarainao MAIMAIM-POANA ry RBNIR.

Dia tena tsy mba manitikitika anao ve hoe, inona no (tsy) ataon'ny TJ, Mormons,... ?? maninona no samy hafa nareo sy ny Katolika na koa ny Anglikana? Dia samy "mino an'i Jesosy" izao ve dia fa maninona no MIFANAVAKAVAKA toa io??
TSy mba tia karokaroka ve ny coco-nao hoe, tsisy tabilao ve any ho any, manazava mametrapetraka tsara hoe, inona no maha-samy hafa anareo samy mpino an'i Jesosy ao io??

K'ianao azany moa tsy taitra ry RBNIR, fa dia ao ianao izany eee... :-)
34. gasy1zay ( 24/02/2020 16:04)
Efa zava-dehibe kosa anie rehefa miaiky RBNIR fa tsy afaka ny hanaraka ny lalan'i Mosesy ny olona kristiana ankehitriny e! Taloha manko izy niziriziry hoe tsy maintsy manaraka ny lalana ary tsy misy tokony esorina na ny kely aza.

Raha te hahalala ny tokony arahin'ny kristiana ianao rhaj0 dia tsotra be:

1- Tiava an'Andriamanitra @ fonao rehetra
2- Tiava ny namanao tahaka ny tenanao

Izy 2 ireo no tanteraka dia tanterakao izy rehetra, satria ireo zavatra 2 ireo no antony nisian'ny lalana hafa
35. rhaj0 ( 24/02/2020 16:18)
Koa raha "tia tena" ianao izany ry Gasy1zay, dia .. rrroootttaaakkkaaa beuh :-)
36. gasy1zay ( 24/02/2020 18:36)
+ ianao tia tena dia + izany tianao ny namanao satria tiava ny namanao tahaka ny tenanao

Lojika be
37. rhaj0 ( 24/02/2020 19:47)
Raha "tia tena" ianao, dia ohatra hoe, toa ireo "tia tena" be erak'izao tontolo izao, greedy ary superconsommateur, dia izay izany ny anao sy ny "fitiava-tenanao", ary dia izay koa no ampirevenao ny namanao...

rrroootttaaakkkaaa beuh eee... :-)
38. RBNIR ( 24/02/2020 23:17)

gasy1zay:

Efa zava-dehibe kosa anie rehefa miaiky RBNIR fa tsy afaka ny hanaraka ny lalan'i Mosesy ny olona kristiana ankehitriny e! Taloha manko izy niziriziry hoe tsy maintsy manaraka ny lalana ary tsy misy tokony esorina na ny kely aza.

Raha te hahalala ny tokony arahin'ny kristiana ianao rhaj0 dia tsotra be:

1- Tiava an'Andriamanitra @ fonao rehetra
2- Tiava ny namanao tahaka ny tenanao

Izy 2 ireo no tanteraka dia tanterakao izy rehetra, satria ireo zavatra 2 ireo no antony nisian'ny lalana hafa


Izaho tsy niteny hoe tsy afaka ny hanaraka fa hoy aho hoe tsy mety ny hitanisaina izany eto satria mbola misy olona tsy mahazaka izany eto (na ianao ary ange izay mihevitena ho efa lehibe dia hita fa tsy mahazaka gasy1zay e!)

ka rehefa nandinika tsara aho dia aleo ity tenin'i paoly ity ihany aloha no tanterahana eto...

« Ronono no nomeko anareo, fa tsy ventin-kanina, satria tsy mbola natanjaka ianareo; eny, mbola tsy matanjaka mandraka ankehitriny aza, » (1 Korintiana 3:2)
39. RBNIR ( 24/02/2020 23:25)
izao anefa no tsarovy mila mandroso ny olona ao amin'i Kristy fa tsy mihanona fotsiny amin'ny ronono..

Satria ny zaza dia mila mitombo ary rehefa mitombo ny zaza iray dia tsy ampy azy ary tsy tokony hionona amin'ny ronono omen'ny reniny azy intsony izy fa tokony mba efa mihinana ventinkanina amin'izay...;tsy maninona na mbola tsy hinana hena misy menaka aza,mba farafaharatsiny mihinana ranombary na koa kobambary fa tsy ampy intsony ny ronono...

« Dia tahaka izany koa isika, fony mbola zaza, dia nandevozin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao; » (Galatiana 4:3)
« Koa aoka hilaozantsika ny abidim-pianarana ny amin'i Kristy, fa aoka handroso ho amin'ny tanteraka isika ka tsy hanao fanorenana indray, dia fibebahana hahafahana amin'ny asa maty sy finoana an'Andriamanitra, » (Hebreo 6:1)
40. gasy1zay ( 25/02/2020 00:14)
Tsy misy olona afaka mampiatra ny lalan'i Mosesy intsony ankehitriny RBNIR a! Omeko ohatra vitsy fotsiny ianao dia ho tsapanao ny fahamarinana ambarako

1- efa nambarako anao fa tsy vitanao ny manantanteraka ny fanajana andro sabata araka ny lalan'i Mosesy ( fananjana tsy manao asa na raharaha, tsy mitondra fiara ohatra, tsy mahazo mandrehitra afo na jiro, sns...)

2- vonoina ho faty izay tratra mijangajanga
3- vonoina ho faty izay manao magie, astrologie

Ireo dia santionany ahafahana milaza fa tsy afaka ampiarina intsony ny lalan'i Mosesy na any Israely aza

Nefa efa nambaea mazava hoe raha diso @ 1 ianao dia diso @ izy rehetra

Tsy mbola azonao ihany ve RBNIR hoe matoa rarana ny fijangajangana dia noho ny fiatiavana ny vady, ny vadin'ilay nojangajangana sy ilay nojangajangana? Maninona tsy manompy sampy satria noho ny fitiavana an'Andriamanitra ...
Fitiavana daoly ny anton'ireo lalana rehetra fa mafy ny lalan'i Mosesy satria tsy mbola nilatsaka ny ran'ilay zanak'ondry tsisy kilema avy any andanitra, dia mila miezaka mafy ny olona mitady fahamasinana, ankoatry ny fitiavana.
Fa rehefa tonga Jesoa dia ny fitiavana fototry ny lalana rehetra sisa no katsahinao.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2461