You are here: home > Forum

Fampianarana manisa amin'ny teny malagasy (1)

Lohahevitra : Kolotsaina
Fitohizan'ny hafatra : Fampianarana manisa amin'ny teny malagasy (1)
Valiny : 0
Nav - 14/02/2020 16:28
Fampianarana manisa amin'ny teny malagasy

FITSIPIKA FOMBA FANISANA
Fomba fanisana manara-penitra (manaraka ny fitsipika matematika) ary mahomby.

Fitsipika I : Mitenena teny malagasy

0 : Zero 1 : Iray 2 : Roa 3 : Telo 4 : Efatra
5 : Dimy 6 : Enina 7 : Fito 8 : Valo 9 : Sivy

10 : Folo 100 : Zato 1000 : Arivo
1 000 000 : Iray Tapitrisa 1 000 000 000 : Iray Miliara

10 : Folo 20 : Roampolo (fa tsy: Roapolo) 30 : Telompolo (fa tsy: Telopolo)
40 : Efampolo (fa tsy: Efapolo) 50 : Dimampolo 60: Enimpolo
70 : Fitompolo (fa tsy: Fitopolo) 80 : Valompolo (fa tsy: Valopolo)
90 : Sivimpolo (fa tsy: Sivifolo)

Valio | Miverina eny ambony