IREO MANDRAKIZAY 2

21. gasy1zay ( 06/02/2020 13:29)
Ny olan'ireo tsy mino dia ny tsy fahafantarany ilay parabole des mauvaises herbes nozaraiko teto, ny fahitako azy, ny lojikan'ny tsy mino an'Andriamanitra dia izao: izaho(hay) manota raha ny voalazan'ny baiboly, raha misy Andriamanitra dia nokapohiny zay fa nanota, raha tsy voakapoka zay dia tsy misy izany Andriamanitra mamaly ota zany...
Nefa averiko foana hoe misy chronologie ny baiboly, ny famaliana ny nataonao mety hitranga eto antany fa ny tena tsy maintsy hitranga dia ny fanasarahana ny vokatra @ finjinjana( fara andro)
22. rhaj0 ( 06/02/2020 13:56)
gasy1zay:
... ny fahitako azy, ny lojikan'ny tsy mino an'Andriamanitra dia izao: izaho(hay) manota raha ny voalazan'ny baiboly, raha misy Andriamanitra dia nokapohiny zay fa nanota, raha tsy voakapoka zay dia tsy misy izany Andriamanitra mamaly ota zany...

Ndrriiiii... izao lalAna sy ota-mBaiboly izao ve ry Gasy1zay no itarafan'ny Atheist ny fi(s)ainany? Tsy haiko akory hoe inona aby ny ao @ izany listra-na ota kapohin'Andmntra izany.

Dia izao otam-Baiboly izao koa ve no ifotorana ka inoana na tsy inoana izao Ami Imazinera izao?

Im-piry naverina teto re ry Gasy1zay ny fantsin'i Einstein hoe "childish" ity resa-pinoana ity, fa dia ...

Ary efa koa ho'a hoe, TSY hotr'anareo daholo ho'a ny fi(s)ainan'ny olona, tsisy manisy sira an'izao tantaram-Baiboly izao ny ankabeazan'ny olona eto an-tany, fa io ambany io ny isa dia ataovy ny kajy dia sokafo ny maso ee...
•Christianity (2.1 billion)
•Islam (1.3 billion)
•Nonreligious (Secular/Agnostic/Atheist) (1.1 billion)
•Hinduism (900 million)
•Chinese traditional religion (394 million)
•Buddhism 376 million.
•Primal-indigenous (300 million)
•African traditional and Diasporic (100 million)
...
23. gasy1zay ( 06/02/2020 14:36)
Fa za nga moa maninona fa mizara ny fahitako azy fotsiny aho
24. rhaj0 ( 06/02/2020 16:37)
gasy1zay:
Fa za nga moa maninona fa mizara ny fahitako azy fotsiny aho

Danz be tokoany an... Iza tokoany moa no afaka hiteny anao ny @ izay ao @ imazination-nao ao re ry Gasi1zay...

Rehefa eo ihany izany ianao, dia afaka imaziner-nao hoe, efa mendimendin'ny Afobe ny kiboko izao, ka dia tokony tenenina I Devoly hamadika mba hanendy ny lamosiko @ izay..
na hotrhotr'izany :-)
25. gasy1zay ( 06/02/2020 18:21)
Za le happy ending no tiko, tsy mbola tara ianao rhaj0 a! Mety depanao aza i RBNIR raha miova fo ianao fa izy ohatrany tena mbola voagejan'izao lalana sy sabata izao nefa tsy azony hoe ao @ kristy dia lasa olon'afaka
26. rhaj0 ( 06/02/2020 18:50)
Ahoana koa azany izany Gasy1zay mitady "happy ending" izany indray, nefa efa lasa "virgin again" HONO :-)

Ilay "happy ending" anie midika hoe "mahazo fafiny" ry Gasy1zay ee...
(hi hi hi.. vokabolary ao @ baiboly ihany ampiasaina ry Gasy1zay f'aza be tsindrotsindroka toa an-dRBNIR eo fa manjary ... mampihomehy ee :-)

Dia lasa "manota" anie izany ry Gasy1zay, dia mila "mibebaka+manaiky" indray izany hampa-"born-again" dia "virgin again" an'i Gasy1zay indray.

Mahery ny imazination-nareo ry Gasy1zay an... bravo :-)


[size=15]happy ending(Noun) A handjob, especially one after a massage. [/size]
27. gasy1zay ( 06/02/2020 21:33)
Za madio ny saiko fa tsy mieritritra salon de massage ka! Za aza mieritreritra rhaj0 niova fo tsy lasa atheist tsony nefa i rhaj0 happy ending hafa no saininy tsss
28. rhaj0 ( 06/02/2020 22:37)
gasy1zay:
Za madio ny saiko fa tsy mieritritra salon de massage ka! Za aza mieritreritra rhaj0 niova fo tsy lasa atheist tsony nefa i rhaj0 happy ending hafa no saininy tsss

Izany ny famaritana ny teny ho an'ny sarababen'olona, koa izaho indray no "mahazo tsiny" fa "misaina" salon de massage :-)

Fa nareo Kristiana moa ry Gasy1zay manana ny famaritana manokana ny teny ho anareo, ary dia misavisavika ny vokabolarin'ny olona nareo, dia manova ny dika-teny araka ny imazination-nareo IRERY ao, ka dia.. ino kabary fa dia malalaka tokoany ny tany, fa tsisy dikany izay fiheveran'ny olona any moa ry Gasy1zay ooo? izay ilay filamatrao oo?..

io izao hotry ny hoe, nosavihan'i Andrianaivoravelona sy ny Evanzelistra t@ 1800s tany ny teny Malagasy hoe Andrmntra.
- ny Andmntra @ Malagasy dia ilay vadin'i Zanahary
- nefa ilay God/Dieu/Yahveh dia TSY manambady sady 3no1

Loz'ty... :-)
29. RBNIR ( 06/02/2020 23:46)
raha nanaraka tsara ireo fandaharana ianao dia tokony hahafantatra tsara fa ny olona iray mankany amin'ilay atao hoe fiainana mandrakizay hiadana sy hifaly mandrakizay eo anilan'Andriamanitra any amin'ilay tany vaovao sy lanitra vaovao, na kosa izy ho very ka hijaly mandrakizay any amin'ilay afo Be izay atao koa hoe Farihy Afo sy solifara, hiaraka hijaly amin'ny devoly any izy ka tsy hisy fanantenana intsony fa dia ho vita tanteraka hatreo ny tantarany...

Koa manainga antsika rehetra samy handinika ny tenan-tsika...efa vonona amin'izany marina v ianao??? vonona hiatrika ilay atao hoe fitsaran'Andriamanitra marina v?
Hoy ny tenin'i Jesosy hoe
« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 7:21)
« Maro no hanao amiko amin'izany andro izany hoe: Tompoko, Tompoko, tsy efa naminany tamin'ny anaranao va izahay? ary tsy efa namoaka demonia* tamin'ny anaranao va izahay? Ary tsy efa nanao asa lehibe maro tamin'ny anaranao va izahay? [*Demonia = fanahy ratsy, na anjely ratsy] » (Matio 7:22)
« Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka. » (Matio 7:23)

Nahoana no olona efa nahazo Fanahy Masina ka nahazo fanomezam-pahasoavana haminany sy hanasitrana ary hanangana ny maty (asa lehibe hoy i Jesosy) no hahazo teny mampalahelo toy izany ka ho diso fanantenana tanteraka????

Mitandrema ry namana isany, niverina i Jesosy mampianatra ankehitriny, ary mampahafantatra fa hampalahelo fa be dia be ny ho diso fanantenana ireo olona izay tena mafana fo marina tokoa amin'ny fivavahana nefa indrisy noho ny fampianaran-diso nafafy etsy sy eroa dia indrisy jamba tsy mahita ny lalàna tena tokony arahany marina tokoa...jamban'ny vola sy ireo fahasoavana isan-karazany fotsiny ihany ary koa sodokan'ny lalàna migodana sy malalaka ka mandà ny hanara-dia an'i Jesosy amin'ilay lalàna tery sy hiaina ilay atao hoe fampianarana tsy misy kilema marina tokoa...

Tsy tiako hoe ianao no hiaran'izany koa maneke hatoro, maneke hahitsy..« iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, » (Efesiana 4:5)

koa iray no fampianarana tokony hiraisan'ny kristiana rehetra dia ilay fampianaran tsy misy kilema nampianarin'i Jesosy 2000 taona lasa izay...tsy miova io fa io no niainan'i Jesosy, io ihany koa no nampianariny hiainan'ireo mpianany sy ireo mpanaradia azy rehetra fahiny...

Aza diso hevitra fa ny fampianarana diso rehetra taty aoriana no nanova sy nanakona ilay tena marina dia ilay avy any an-danitra nentin'i Jesosy avy tamin'Andriamanitra ....« Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jaona 7:16)

Mandiniha tena daholo, fantaro ny tena marina mba tsy ho diso fanantenana ianao amin'izao fanompoana izao....

30. rhaj0 ( 07/02/2020 17:52)
Ka ireo "mandrakizay 2" ireo izany ry RBNIR, dia ampahalalaina anao tsara, fa dia tena tsy mahakasika afa-tsy ny Kristiana eee..

Fa dia ao nareo izany eee...

Dia zava-misy fanampiny koa: io dia toa ity kisary ito ambany ity: Kristiana no ankamaroan'ny voafonja (raha ny aty @ tany mandroso aty k'lou) ary ireo ihany no mameno voalohany ny Helohelonareo ao.


Dia averina indray ho'a, fa TSY MAHAKASIKA ny hafa ny "mandrakizay2" anao ao ry RBNIR
- ho an'ny Moslimo izao, dia Vilanindranomangotraka ny azy
- ho an'ny Bodista aza moa, dia TSISY io fa zareo lasa miriaria toa ny lolo
- ho an'ny Atheist, dia aoka fotsiny aho hihomehy :-)
31. RBNIR ( 08/02/2020 03:44)
raha azoko tsara izany dia atheist indray no nanao ilay sary sy nametraka ilay teny teo ambany???
Izany v tsy fanaratsiana sy fanendrikendrehina indray rhajo???
Efa mahazatra io e! sakafo isan'andron'ny kristiana io...araka ny efa voasoratra hoy aho....

« Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. » (Matio 5:11)
32. gasy1zay ( 08/02/2020 09:53)
RBNIR koa dia manaiky adalain'i rhaj0 eo @ ty vazivaziny.
33. rhaj0 ( 08/02/2020 15:24)
Ny inona ny fanaratsiana ny RBNIR? Hoe, Kristiana no ankamaroan'ny ao am-ponja ao aty zamerika aty? Ndana gogoleho raha tsy mino re ry RBNIR, fa aza ny Baiboly no vakiana satria tsy hisy an'izany statistika izany ao.

Rahefa ratsy ny zava-misy miarka @ Kristiana dia hatreho ry RbNIR, fa tsy ny mpitati-dresaka no ilana ady aa :-)
34. RBNIR ( 09/02/2020 11:53)

rhaj0:

Rahefa ratsy ny zava-misy miarka @ Kristiana dia hatreho ry RbNIR, fa tsy ny mpitati-dresaka no ilana ady aa :-)

isika tsy miady rhajo an.... aza diso fandray....
35. rhaj0 ( 10/02/2020 17:57)
Ka tena toa mifofofofo be avy any I RBNIR, @ hoe "Izany v tsy fanaratsiana sy fanendrikendrehina indray rhajo???"

Kanefa ilay Atheist mampatsiahy ny hitany @ statistika eraky Google fotsiny



ka ahoana ny mba fandalinanao ireo salan'isa ireo Mose RBNIR, minisitry ny fampianarana ao @ sekta HRNRN?
36. gasy1zay ( 10/02/2020 20:31)
rhaj0 zany dia mbola manafangaro ny fitsaran'olombelona @ fitsaran'Andriamanitra, ilay jiolahy teo @ hazo fijaliana anie ka voaheloka ho faty noho ny tsy mety nataony e! Fa nahazo famelankeloka t@ Jesoa izy noho ny finoany.

Tsy midika hoe izay olona mendrika araka ny lalan'olombelona no ho tafiditra ny lanitra, fa izay niaiky ny helony ka mino fa efa novidian'i Jesoa t@ rany izy, tsy midika koa hoe kristiana dia tsy nanota, na tsy manota intsony fa mbola hiaran'ny fakampanahy foana mandrampiala ety, rehefa miaraka @ FM ianao dia mora ho anao ny manohitra ny fakampanahy fa na izany aza mbola misy foana ny solafaka eny ampandehanana.

Ny baoboly moa dia nilaza hoe ny adala eo @ izao tontolo izao, ny mpivarotena sy ny mpanota no hiditra ny lanitra alohan'ireo mihevitra ny tenany ho hendry sy mpanaradalana toy ireo farisiana fahiny
37. rhaj0 ( 10/02/2020 22:16)
gasy1zay:
rhaj0 zany dia mbola manafangaro ny fitsaran'olombelona @ fitsaran'Andriamanitra (...) Ny baoboly moa dia nilaza hoe ny adala eo @ izao tontolo izao, ny mpivarotena sy ny mpanota no hiditra ny lanitra alohan'ireo mihevitra ny tenany ho hendry sy mpanaradalana toy ireo farisiana fahiny

Ka ireo aloha no efa sirika be fa "nanota". Ireo ao am-ponja ireo no mpangalatra (araka ny lalana velona, fa tsy ny lalam-Baiboly), ireo no nanao herisetra sy namono. Ary KRISTIANA daholo ny ankabeazan'ireo ao am-ponja ireo.

Fa marina tokoany fa ireo dia tsy @ ilay fitsaran'Andmntry ny Kristiana hoe, TSY nanao andro sabata, TSY nifora, TSY virijiny, TSY nanao matsirobasio, TSY nangina-eo-anatrehan'ny lehilahy-lohany, TSY nandoa ny 1/10...


Ka @ Gasy1zay izany, ireto "ota" faharoa ireto no mavesa-danja koakoa? Ka
1- raha "nangalatra/nanao herisetra/namono" dia tsy dia quoi loatra
2- fa izay nanota t@ "sabata/nifora/virijiny/matsirobasio/viavy-ambany-lahy/ampahafolo-karena", ireo IHANY no tena misy lasantsy ny hankany @ Helo?


izay izany izy io ry Gasy1zay-nilatsahan'ny-FM?

38. RBNIR ( 10/02/2020 23:30)
Betsaka tokoa aloha no mihevitra ny tenany fa kristiana izy ka rehefa anontaniana dia hoe izaho kristiana...
Nefa ny tena kristiana raha ny marina tsy mpanota izany intsony...(tsy mpanota = tsy mpandika ny lalàn'Andriamanitra I Jao.3:4)
Fa io moa rehefa tsy mahatakatra ilay tena fampianaran'i Jesosy ilay olona dia voafitaka ny sainy ka mihevitra izy hoe isika efa tsy ambany lalàna intsony ka na manota aza isika tsy maninona fa tafiditra amin'ilay fiainana mandrakizay foana ihany....

Indrisy tsy fantatr'ireny olona ireny fa manalabaraka an'Andriamanitra ange izireo e! (izao izao faly ery ny atheist mitsikera eto....

Saintsaino ity ry kristiana isany....na dia tsy ambany lalàna aza isika hoy aho dia tokony ho tanteraka ao anatinao ao ilay lalàn'Andriamanitra (Heb.8:10)

Ka aza mety hofitahina...

« Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita* [* Izahao Lev.18.22] » (1 Korintiana 6:9)
« sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra. » (1 Korintiana 6:10)
« Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa* ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nohamarinina ianareo, tamin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompo sy tamin'ny Fanahin'Andriamanitsika. [* Gr. efa nanasa tena] » (1 Korintiana 6:11)
39. rhaj0 ( 11/02/2020 12:37)
RBNIR:
Betsaka tokoa aloha no mihevitra ny tenany fa kristiana izy ka rehefa anontaniana dia hoe izaho kristiana...
Nefa ny tena kristiana raha ny marina...

Mbo zovy koa moa izay ianao ry RBNIr no "mitsaratsara" ny namanao ho hoe, izato "kristiana" ary izaroa "tena kristiana"? Zovy?
I JEsosy azany teny ambony hazo, TSY tonga dia nitsara toa anao RBNIR io, fa nanontany, dia izay navalin'ilay iraikalahjy iry, tonga dia notsofiny rano ilehio.
Ianao RBNIR TSY manontany akoriny, nefa dia hitsofanao rano maloto ny olona..

Ataovy ao foana ho'a ry RBNIR (TSY-kristiana-fa-TSY-mba-manaraka-ny-ataon'i-Kristy) fa dia tena "hahita" ho'a ianao @ andro farany eee... ilay 1/10 manginy fotsiny :-)
40. RBNIR ( 11/02/2020 13:11)

rhaj0:

RBNIR:
Betsaka tokoa aloha no mihevitra ny tenany fa kristiana izy ka rehefa anontaniana dia hoe izaho kristiana...
Nefa ny tena kristiana raha ny marina...

Mbo zovy koa moa izay ianao ry RBNIr no "mitsaratsara" ny namanao ho hoe, izato "kristiana" ary izaroa "tena kristiana"? Zovy?
I JEsosy azany teny ambony hazo, TSY tonga dia nitsara toa anao RBNIR io, fa nanontany, dia izay navalin'ilay iraikalahjy iry, tonga dia notsofiny rano ilehio.
Ianao RBNIR TSY manontany akoriny, nefa dia hitsofanao rano maloto ny olona..

Ataovy ao foana ho'a ry RBNIR (TSY-kristiana-fa-TSY-mba-manaraka-ny-ataon'i-Kristy) fa dia tena "hahita" ho'a ianao @ andro farany eee... ilay 1/10 manginy fotsiny :-)

Tsy fitsarana kosa fa aza dia diso fandray e, ny atao hoe fitsarana dia mamoaka didim-pitsarana, izany hoe na hafahana madiodio ilay olona na melohina tanteraka...

Azo atao kosa nefa hoy ny soratra masina ny mifanitsy raha misy diso, ny mampianatra rehefa misy ny tsy mahay.....

« Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Timoty 3:16)



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1664