Jesosy communiste miampy finoana

81. RBNIR ( 17/02/2020 23:18)
izany no nahatonga ny book ho lasa boky...la table ho lasa latabatra sns...
82. rhaj0 ( 18/02/2020 01:57)
RBNIR:
Andriamanitra (ilay mandinika ny voa sy ny fo (apok.2:23) mahafantatra tsara hoe Iza marina no tena ivavahan'ilay olona rehefa mivavaka izy...

yep yep.. dia efa fantany fa i RBNIR dia miantsoantso an'i @ Andrmntra, ilay vadin'i Zanahary.
Dia indraidray koa miantsoantso an'i Jehovah, ilay YWVH an'i Jiosy, izay namantsika an'i Jesosy fa ilehio nanono-tena ho zanak'i YWVH.

Dia efa hozy izy ao @ Didy folo ho "Aza miantsoantso" izay iraikalahy HAFA fa Izy ihany. Fa mbola manao foana i RBNIR eee...

Fantatr'Ilehio tokoany ho'a ianao ry RBNIR aa... fantany tsara mihitnsy io ataonao.

Dia fantatry ny Vadin'i Zanahary koa ianao fa miantsoantso azy. Dia fantatr'i YWVH na i JEhovah koa. F'izy roaroa ireto moa, mahalala ny hadalanao, dia avelany ao ianao ry RBNIR, ary dia TSISY valiny izay mba vavakao fa miantefa @ ilay hoe HAFA ee...

fa dia ao ianao zany ee :-)
83. RBNIR ( 18/02/2020 09:26)
Lojika be ity teneniko ity an, ny Anarany dia amin'ny fitenin'ny jiosy....

Raha ny resonemanao no arahna raha vao diso fomba fitenenana dia manompo Andriamanitra hafa...(satria tsy marina ny phonétique)

Tsy izay ilay Andriamanitra tompoina rhajo:

Raha vao niseho tamin'ity olona ity Izy dia hoy Izy hoe IZAHO JESOSY AVERIKO TSARA JESOSY fa tsy hafa....) no manatrika anareo eto (olona 2 no teo fa tsy hoe iray akory izay koa mbola tsy fantatrao fa aleo ampahafantarina anao ankehitriny) olona 2 no teo fa tsy hoe ny pasitera HRNR irery fotsiny ihany akory.....

84. rhaj0 ( 18/02/2020 13:44)
Ntss.. raha antsoiko hoe RaBorikyNIR ve ianao ry RBNIR dia hamaly antso? na hoe, I RBNIR vadin'i Zanagana? Na hoe, io Pasiteranao-mpikepoka-1/10 io, mizeste be ao aorian'ny katedraly ao Parisy io, no antsoiko hoe, o ry NgeHRNRN aaa...


F'angaha indray koa TSY masina io Anarana io ry RBNIR, @ ilay hoe, "Aza tonontononina @ n'a pas" ilay Anarana?
Ny anao nefa ry RBNIR, TSy ny anarany akoriny no antsointsoinao fa anaran-javatra HAFA.


Sady @ izay, TSY ilay fomba fitenenana ampiasainano RBNIR ihany anie no misavoana, fa

- ilay fihevitrao RBNIR mihintsy no loza ee... ohatra hoe, msavisavika ohabolana gasy miresaka ny vadin'i Zanahary ry RBNIR, dia mampihatra izany @ ity hoe, 3no1. Izany no tena hoe, manosihosy ny Didy 10.

- ilay fomba fisainana sy fihevitra manafangaro ny an'ny Jiosy sy ny an'ny Kristiana; k'efa hoe, ny Jiosy TSY manaiky izany 3no1 izany, fa dia terenao RBNIR sy ny imazination-kelinao-henjana-be hanaiky izay mbo rezonema-kelinao ao izany ny Jiosy aman-tapitrisany
85. gasy1zay ( 18/02/2020 17:00)

rhaj0:

Again... ny "FM-ao-@-Gasy1zay" ve no miteny, sa mba resadresak'i Gasy1zay an-tendron'orona tahak'izany fotsiny io ambony io.

Rahefa mi-gogola mantsy, dia mazava beuh fa TSY miditra velively @ izany 3no1 izany ny Jiosy.

Na dia ilay hoe i Jesosy mitono-tena ho zanak'Andmtnra fotsiny, dia tena nolavin'ny Jiosy sy ny Judaisme marin-drano. Izay indrindra no nampihantona an'i Jesosy t@ lakroa.

K'iinona no hitenenan'i Gasy1zay hoe, jodaisma milaza Andriamanitra trinitaire, izany hoe ilay Zanaka (Jesosy) no ao @ ilay 1??

ny "FM-ao-@-Gasy1zay" ve ho'a no miteny, sa mba resadresak'i Gasy1zay an-tendron'orona tahak'izany fotsiny io ambony io.


Vakiana ny baiboly testamenta taloha dia voasoratra ao izany fa tsy mila FM miresaka akory

Sa ny jodaisma tsy mampiasa soratra masina? Ny testamenta vaovao no tsy raisiny
86. rhaj0 ( 18/02/2020 17:37)
gasy1zay:
Vakiana ny baiboly testamenta taloha dia voasoratra ao izany fa tsy mila FM miresaka akory

Izany hoe, raha ny fahazoako azy izany, dia ilay "FM-ao-@-Gasy1zay" izany TSY miresaka mitohy ao, fa (indraidray) avelany I Gasy1zay miteny izay "saim-pantatr'i Gasy1zay" ao.

Fa dia mampanontani-tena...

- TSY miresaka ilay "FM-ao-@-Gasy1zay" (indraidray), sa indray,
- miresaka tokoany ary miresaka foana ilay "FM-ao-@-Gasy1zay", fa i Gasy1zay no TSY mihaino?


gasy1zay:
Sa ny jodaisma tsy mampiasa soratra masina?

hi hi hi... raha TSY avy dia hilaza ny marina aminao ny @ io ilay "FM-ao-@-Gasy1zay", dia gogoleho izany ee :-)

Ary Ineny Gogola dia milaza fa .. ilay toko notsindrohan'i Gasy1zay tao @ Baiboly dia TSY ao anaty Torah... Sa ao ry Gasy1zay?
87. gasy1zay ( 18/02/2020 18:42)
Genesisy anaty pentatioka rhaj0 a, vakio tsara an!

Raha nilaza Andriamanitra hoe Faisons l'etre humains a notre image, dia mazava be hoe tsy misy Andriamanitra tokana hilaza hoe "nous", tsy nilaza koa izy hoe Les Dieux, fa Dieu hozy

Fa raha tsy mahalala ny baiboly tsara ianao dia tsy hahafantatra hoe tenin'Andriamanitra = Jesoa, ka raha nilaza ny genesisy hoe Dieu dit dia manambara an'i Jesoa izany, ny fofonain'Andriamanitra dia manambara ny FM...

Fa sarotra be hoan'ny tsy mino izany satria tsy misy ny fitarihan'ny FM
88. RBNIR ( 18/02/2020 22:45)

rhaj0:

Ntss.. raha antsoiko hoe RaBorikyNIR ve ianao ry RBNIR dia hamaly antso? na hoe, I RBNIR vadin'i Zanagana? Na hoe, io Pasiteranao-mpikepoka-1/10 io, mizeste be ao aorian'ny katedraly ao Parisy io, no antsoiko hoe, o ry NgeHRNRN aaa...


F'angaha indray koa TSY masina io Anarana io ry RBNIR, @ ilay hoe, "Aza tonontononina @ n'a pas" ilay Anarana?
Ny anao nefa ry RBNIR, TSy ny anarany akoriny no antsointsoinao fa anaran-javatra HAFA.


Sady @ izay, TSY ilay fomba fitenenana ampiasainano RBNIR ihany anie no misavoana, fa

- ilay fihevitrao RBNIR mihintsy no loza ee... ohatra hoe, msavisavika ohabolana gasy miresaka ny vadin'i Zanahary ry RBNIR, dia mampihatra izany @ ity hoe, 3no1. Izany no tena hoe, manosihosy ny Didy 10.

- ilay fomba fisainana sy fihevitra manafangaro ny an'ny Jiosy sy ny an'ny Kristiana; k'efa hoe, ny Jiosy TSY manaiky izany 3no1 izany, fa dia terenao RBNIR sy ny imazination-kelinao-henjana-be hanaiky izay mbo rezonema-kelinao ao izany ny Jiosy aman-tapitrisany

Tsy izay ilay izy fa ny fiantsoana ilay Anarany no resahiko..
Ohatra : John--->Jaona--->Jean
Fantatr'Andriamanitra foana io fa tsy mila voa tsy ary mihitsy Izy hoe malagasy dia hotereny hahay ny fitenin'ny Jiosy sns....
89. gasy1zay ( 19/02/2020 02:53)
ny jodaisma dia antokompivavahana manana ny firehankeviny, ny teolojiany, fa Andriamanitra tsy namorona antokompivavahana na jodaisma na katolika na protestanta na loteriana na advantista ...

antokompivavahana (réligion ) dia ny olombelona no nanangana azy saingy tsy midika hoe diso fihevitra ny antokompivavahana 1 na maromaro dia tsy misy Andriamanitra na hoe tsy marina ny baiboly
90. rhaj0 ( 19/02/2020 12:42)
gasy1zay:
Fa raha tsy mahalala ny baiboly tsara ianao dia tsy hahafantatra hoe tenin'Andriamanitra = Jesoa

Dia mbola tsy takatrao Gasy1zay foana ve, fa io fimirana io, hoe "Andrmntra = Jesoa", io finirana io dia nolavin'ny Jiosy marin-drano.

I Jesosy nirehaka ho "zanak'i YWVH", dia nolavin'ny Jiosy marin-drano. Izany ihany no nahatonga an'i Jesosy ho nahantona teny @ Lakroa.


Tsy haiko hoe, inona @ io no tsy azon'i Gasy1zay.
Io koa mantsy hotry ny tsy mety miditra ao an-tsain'i RBNIR mihintsy.


Raha TSY mety misokatra mihintsy ny sainareo ry RBNIR sy Gasy1zay, dia mba mi-compr ny fihevitry ny hafa ianareo ry RBNIR sy Gasy1zay, nefa ireo "hafa' ireo dia mivavaka @ Andrmtr'i Abrahama toa anareo fa tsy hoe Atheist akoriny aza, dia tena tsoriko fa dia tena mila mandeha any Taiwan sy Taipeh nareo mitsam sy ny imazination-kely-gaiginareo ry RBNIR sy Gasy1zay...
mbo he... :-)
91. gasy1zay ( 19/02/2020 15:40)
Ny jiosy zany no tena manana ny marina @ rhaj0?
92. rhaj0 ( 19/02/2020 17:02)
Eny azany. Ny fahitako azy, dia tena samy manana ny IMAZINATION-ny io.


1- ny Jiosy dia mi-IMAZINER hoe, I YWHV tokana, izay nivavahan'i Abrahama, no ivavahany.

Fanampiny: ilay Mesia dia mbola TSY tonga fa mbola ho avy, HONO. TSISY izany zanak'i YWHV izany. TSISY izany Trinite izany.


2- Ny Kristiana dia mi-imaziner hoe, I Dieu/God tokana, izay nivavahan'i Abrahama koa, no ivavahany.
Io nefa izao, asa raha manaiky ny Kristiana fa i YWVH dia (TSY) ilay Dieu/God.

Fanampiny: I Kristy no Mesia ary mbola hiverina ho avy HONO Izy.


3- Ny gasy kristiana dia miantsoantso an'i Jehovah, nefa io dia ilay YWVH (ivavahan'ny Jiosy) fa nogasiana.
Ny gasy kristiana dia miantsoantso an'Andriamanitra, nefa io dia ilay vadin'i Zanahary nivavahan'ny Ntaolo.
Fanamarihana: Ary dia io ilay hoe: TSY fantatry ny gasy-mpino akory hoe, IZA no ivavahany ao. Izay no nifotoran'ny resaka teo fa voavilivily.


ka iza no "tena manana ny marina" hozy I Gasy1zay?

Hoy aho hoe: samia mirevy ny IMAZINATION-ny. Fa ny hitako fataonareo kristiana, ary mampiteny sinoa, dia terenareo ho arak'ilay imazination-NAREO ny revin'ny hafa. Nefa anie dia azo lazaina fa tena manompa sy manalika ny finoan'ilay hafa mihintsy io manateritery fataonareo io. Asa raha takatrareo RBNIR sy Gasy1zay izany.

Aleo averimberina ihany fa mety hipaka ao @ Gasy1zay sy RBNIR ihany ity @ farany.

@ Jiosy (taloha), dia tena mendrika ny nahantona I Jesosy satria, araka ny IMAZINATION-ny, dia TSISY tokony hanandra-tena ho "Zanak'i YWVH".
RAha manandra-tena ho "zanak'i YWVH" ianao, tsy ianao izany no Deba be @ Tanana? Eny, hikorotana ny fiaraha-monina.
Dia TSIA no navalin'ny olona tao moyen-orient de l'an 0, ary dia iny nahantona t@ lakroa iny ilay nanandra-tena ho "zanak'i YWVH".


Sa ahoana indray ny "revelation" amen'ilay "FM-ao-@-Gasy1zay" ny @ io?
Zava-dehibe anie io, ka tena mila mitaky ianao an'ilay "FM-ao-@-Gasy1zay" mba hanazava ny sainao ry Gasy1zay.
93. gasy1zay ( 19/02/2020 17:27)
Inona no ilain'i rhaj0 revelation avy @ FM? Za anie efa mino an'i JK e! Ary fantantro hoe efa tao anaty programan'Andriamanitra hoe ho faty eo @ hazo fijaliana izy, fantatro ny antony fa noho ny fahotako(ntsika).

Raha mila revelation ianao dia afaka mivavaka ho anao za dia hahazo ianao e!
94. rhaj0 ( 19/02/2020 17:49)
TEna tsy mety takatro mihintsy ilay ifandraisan'ireto fa mba hazavao ry Gasy1zay, na asaivo hazavain'ilay "FM-ao-@-Gasy1zay" :

1- @ Jiosy (taloha), dia tena mendrika ny nahantona I Jesosy satria, araka ny IMAZINATION-ny, dia TSISY tokony hanandra-tena ho "Zanak'i YWVH".
RAha manandra-tena ho "zanak'i YWVH" ianao, tsy ianao izany no Deba be @ Tanana? Eny, hikorotana ny fiaraha-monina.
Dia TSIA no navalin'ny olona tao moyen-orient de l'an 0, ary dia iny nahantona t@ lakroa iny ilay nanandra-tena ho "zanak'i YWVH".



2- Arak'i Gasy1zay io: JK... ho faty eo @ hazo fijaliana izy, fantatro ny antony fa noho ny fahotako(ntsika).


Marina ve k'lou ilay #1 ry Gasy1zay?
Valio ENY sa TSIA?


Fa raha marina io #1 io, dia tena hoe:
- INONA no idiran'ny nitranga t@ l'an 0 tao moyen-orient (I JK maty noho ny nataony ihany),
- sy I Gasy1zay, atao ohatra hoe, nangala-badin'olona t@ 2015?

Raha tsotsorina izany dia hoe:
noho I Gasy1zay nangala-badin'olona t@ 2015 no nahafaty an'i JK t@ l'an 0????
95. gasy1zay ( 19/02/2020 18:22)
Aleo ary ampiko kely rhaj0 fa tena very( sa mody very?)

1) Jehovah dia andriamanitr'Israely ( jiosy), marina izany

2) rehefa fantatr'Andriamanitra fa tsy tafavoaka mintsy ny olona fa tsy mahavita manaraka ny lalany nomeny an'i Mosesy dia nanambara t@ mpaminany izy fa handefa ny mesia

3) Jesoa ilay mesia, ( mesia = kristy)

4) Jesoa tonga hoan'ny jiosy aloha

5) rehefa nolavin'ny Jiosy izy zay vao afaka nisokatra hoan'ny hafa ( ankoatry ny jiosy) ny famonjena

6) izany anefa efa fantatr'Andriamanitra hatr@ voalohany, hatr@ nofidianany an'i Abrahama


Mila mahalala ny lalan'ny mosesy ianao vao mahatakatra ny resaka fanatitra hoan'ny ota, zay vao takatrao hoe maninona Jesoa no nambara hoe ilay zanak'ondrin'Andriamanitra

7) ny lalan'i mosesy dia milaza fa rehefa nanota ianao ka mibebaka ka hangataka fifonana @ Andriamanitra dia nila mitondra zanak'ondry tsisy kilema ( tandindon'i Jesoa tsisy fahotana) atao sorona, dia lasa ao @ ilay ondry ny fahotanao ka ilay ondry no vonoina avy eo, zay no hahazoanao famelankeloka.

8) raha namonjy antsika Jesoa dia tsy maintsy nentiny teo @ hazo fijaliana ny fahotanao, ary tsy maintsy nandalo ny fahafatesana izy

9) misy antony daoly matoa teraka tany antranon'omby izy, mpiandry ondry nisehon'ny anjely, bethlehema sns.... satria izy ilay zanak'ondrin'Andriamanitra

10) mbola hoavy ny fotoana haneken'ny jiosy an'i Jesoa ho kristy fa aza manahy ianao ( efa voasoratra izany)

AMEN!
96. rhaj0 ( 19/02/2020 19:05)
rhaj0:
1- @ Jiosy (taloha), ... RAha manandra-tena ho "zanak'i YWVH" ianao, tsy ianao izany no Deba be @ Tanana? Eny, hikorotana ny fiaraha-monina.
Dia TSIA no navalin'ny olona tao moyen-orient de l'an 0...
gasy1zay:
5) ... nolavin'ny Jiosy izy
rhaj0:
.. ary dia iny nahantona t@ lakroa iny ilay nanandra-tena ho "zanak'i YWVH".

Ka marina ve k'lou ito fijerin'ny Jiosy (taloha) ito:

[size=15]... nahantona t@ lakroa iny ilay nanandra-tena ho "zanak'i YWVH"[/size]

Valio tsotra sady fohy: Eny sa Tsia.

97. gasy1zay ( 19/02/2020 19:34)
Valiny araky ny baiboly ve aloha ny andrasan'i rhaj0 sa tsia, raha ny baiboly no tianao ho fantatra dia ny mpitondra fivavahana jiosy t@ zany ni nanameloka an'i Jesoa ary ny antony nambarany dia tsy hoe izy nanandratena ho zanak'Andriamanitra fa hoe mitarika ny vahoaka hikomy.

Raha ny marina dia nanozongozona ny fahefan'ny zareo tao @ sinagoga ary nanomboka tsy nanaraka ny fampianarany ny olona fa lasa nanaraka an'i Jesoa, raha manao parallele @ zao izany i rhaj0 dia ohatrany hoe misy fiangonana traditionnel ( judaisme) dia tonga Jesoa nilaza hoe diso ny fampianaranareo sy ny fandraisanareo ny soratra masina dia nambaran'iretsy voalohany hoe sekta io saingy nanaraka azy ny olona dia nitady fomba hi eliminena azy ry zareo fa lasa ny mpiangona( very ny 1/10 sy ny fahefana) satria ny mpitondra fiangonana no nanana fahefana mitovy ny mpanjaka t@ zany.
98. rhaj0 ( 19/02/2020 20:18)
Raha ny fahitako azy, dia voalohany aloha, nanandra-tena ho "zanak'i YWVH" I Jesosy.
Io no FOTOTRY ny olana.

ny fanontaniako dia hoe araka ny fijerin'ny Jiosy.
Ny valiny dia Eny, araka ny Jiosy dia "nanandra-tena" I JK.

Fa ekena fa araka ny Kristiana, dia TSY "nanandra-tena" izy fa dia ... izy no izy tsotra izao fotsiny. Minoa fotsiny. Teboka, ary tsy te-ahalala ny ankoatr'izany.


Fa raha misokatra objectif araka ny fijery Jiosy, dia mazava ho azy, fa raha "mino" an'izany ny olona hoe i JK dia zanak'i YWVH, dia ny vokany, dia nanozongozona ny fahefan'ny olombe Jiosy, araka ny voalazan'i Gasy1zay, izay adikan'ireo olombe Jiosy hoe mitarika ny vahoaka hikomy, izay mbola araka ny voalazan'i Gasy1zay ihany.

Ny "mitarika ny vahoaka hikomy" dia VOKATRY ny FOTOTRY ny olana.


Fehiny. Ahitsiko kely ny filazan'i Gasy1zay azy
ny mpitondra fivavahana jiosy t@ zany ni nanameloka an'i Jesoa ary ny antony ... dia ... (ny fototry ny olana)... izy nanandratena ho zanak'i (YWVH) ... (izay mihitatra @ hoe) ... mitarika ny vahoaka hikomy


Miombo-kevitra amiko ve k'lou I Gasy1zay eto: Izay ilay izy araka ny fijery Jiosy ?..
Mba objectif..
99. gasy1zay ( 19/02/2020 20:50)
Araka ny fijery jiosy sa ny fijery mpitondra fivavahana jiosy? Tsy mitovy anie izany e! Sa afaka akapoka hoe fijerin'ny malagasy toa an'i rhaj0 ny fijerin'i Andry Rajoelina satria izy hono no mpitondra lanimbahoaka?

Jesoa jiosy, ny apostoly jiosy, ny mpanaraka an'i Jesoa @ arivony t@ zany
100. rhaj0 ( 19/02/2020 21:11)
@ resaka Finoana dia hafa ny Olombe - infaillible na koa to-teny foana @ ankapobeny @ samy izy ao.
@ resaka politika kosa dia misy ny demokrasia.
Fa dia mampitaha voasary @ paoma ry Gasy1zay ampifamaofaona ny resaka an..

Sa tian'i Gasy1zay tenenina koa hoe, ny fijerinao Gasy1zay dia TSY afatotrao na arindranao @ fijerin'ny olombe ao @ Kristianisma koa, na Papa io na scholar, fa ny anao sy ilay "FM-ao-@-Gasy1zay" ihany no ady eo?
ka dia mahazo manangana ny sekta ho anao koa izany ianao ry Gasy1zay.


Fa dia averiko ny resaka.
Fehiny. Ahitsiko kely ny filazan'i Gasy1zay azy
ny mpitondra fivavahana jiosy t@ zany ni nanameloka an'i Jesoa ary ny antony ... dia ... (ny fototry ny olana)... izy nanandratena ho zanak'i (YWVH) ... (izay mihitatra @ hoe) ... mitarika ny vahoaka hikomy


Dia avy @ io, dia mipetraka ilay fanontaniana;

- INONA no idiran'ny nitranga t@ l'an 0 tao moyen-orient (I JK maty noho ny nataony ihany),
- sy I Gasy1zay, atao ohatra hoe, nangala-badin'olona t@ 2015?

Raha tsotsorina izany dia (hozy I Gasy1zay) hoe:
noho I Gasy1zay nangala-badin'olona t@ 2015 no nahafaty an'i JK t@ l'an 0 ????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9809