Jesosy communiste miampy finoana

221. RBNIR ( 18/03/2020 05:49)
tamin'io fotoana io i Jesosy nahatsapa fa tena mafy ilay zavatra nitranga...

Dia izay ihany koa no hanentanana ny kristiana hoe rehefa tena mila vonjy dia manaova otran'i Jesosy e! tsy diso mihitsy izany....
222. rhaj0 ( 18/03/2020 12:28)
Ka tsy sahinao averina avoaka eto mihintsy anie ry RBNIR ilay hoe, Inona NATAON'i JEsosy rehefa mba mivavaka Izy ee..

Sa mahamenatra?

Dia andrasanao ho izaho indray izany no hamoaka azy.
223. RBNIR ( 18/03/2020 13:44)
Tsy mahamenatra izany rhaj0 a! i Jesosy rehefa tena mitaraina amin'Andriamanitra dia tena mivavaka mafy dia mafy tokoa (heno hatrany amin'ny indray mitora-bato ny fitarainany) ary tsy miala eo Izy raha tsy tera-tsemboka tanteraka mihitsy...

« Ary Izy nihataka taminy tokony ho indray mitora-bato, dia nandohalika ka nivavaka hoe: » (Lioka 22:41)
« Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao. » (Lioka 22:42)
« Ary nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery Azy. » (Lioka 22:43)
« Ary fadiranovana Izy, ka dia nivavaka mafimafy kokoa; ary ny dininy dia tahaka ny rà nipotrapotraka tamin'ny tany. » (Lioka 22:44)


Dia otran'izay ihany koa no tena tadiavin'Andriamanitra ho an'izay tena mila famonjena Aminy...
224. rhaj0 ( 18/03/2020 15:20)
Bravo RBNIR.. eka rO fa mahay BAiboly i RBNIR :-)

Izay izany izy io rehefa mivavaka ry RBNIR an..

1- mihataka @ olona. Ary "indray mitora-bato" izany tena alavitra fa tsy mba sahala @ ilay 2 metatra isarahana mba tsy ifindrafindran'ny COronavirus

2- dia tsy mijanona raha tsy "ny dininy dia tahaka ny rà nipotrapotraka tamin'ny tany".
i JEsosy azany manao toa izany, ka ahoana ry RBNIR mpanaraka-Jesosy:
mbo mampipotrapotraka koa va ianao ry RBNIR?

RAha tsy mampipotrapotraka mantsy ianao ry RBNIR, na ry Kristiana namana isany, dia raha ny fahitako azy, dia tena aza gaga raha TSY manasitrana ohatra, na hoe TSY mivaly ilay vavaka, satria dia TSY AMPY FINOANA izany ianao ao io eeee... :-)
225. RBNIR ( 19/03/2020 08:08)
fampianarana no nataon'i Jesosy anjaran'ny mpanaradia Azy no mandinika sy mandray...
226. rhaj0 ( 19/03/2020 14:15)
... na TSY mandray?

Bravo RBNIR...
Na izaho azany tsy mahavita milaza an'io :-)
227. RBNIR ( 20/03/2020 06:08)
aza mampiteny ahy zavatra tsy nolazaiko hoy aho ianao rhajo a!!!
228. rhaj0 ( 20/03/2020 12:48)
ka eritrereto tsara azany alohan'ny hitenitenenana re ry RBNIR ooo...

(mba misy) lojika be ny resakao ry RBNIR:

fampianarana no nataon'i Jesosy anjaran'ny mpanaradia Azy no mandinika sy mandray... na tsy mandray.
Teboka. :-)
229. RBNIR ( 23/03/2020 06:06)
ianao ngah moa mpianany ry rhajo????
230. rhaj0 ( 23/03/2020 12:15)
mouah ha ha... i RBNIR koa angaha HONO "mpianany"?
Ny "fampianarany"no resak'eto ry RBNIR aa...

Fa na mpianany na tsy mpianany koa anie, dia arak'i RBNIR mahay-baiboly izany, dia ...

fampianarana no nataon'i Jesosy anjaran'ny mpanaradia Azy no mandinika sy mandray... na tsy mandray.

Dia rahefa TSY MANDRAY, dia tsisy bedy io ry RBNIR, fa zovy koa izay ianao ry RBNIR no hitsaratsara sy hitoritory ny "mpanara-dia", fa na ilay nofantsihana teo ankavanana azany avotra.
231. RBNIR ( 23/03/2020 13:20)
satria libre arbitre ilay izy (tahakan'ny nitenenan'i Jehovah Andriamanitra tamin'i Adama sy Eva hoe...

« fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin'ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao. » (Genesisy 2:17)


232. rhaj0 ( 23/03/2020 15:49)
Eny ho'a ee... dia miana-kendry mahay noho i JEsosy an'io Baiboly io izany i RBNIR.

Tokony mba nanatrika ny Hazo Fijaliana tokoany anie izany i RBNIR, ka rahefa avy niresaka fohy t@ ilay teo ankavanany i Jesosy, dia avy dia namela an'ilehio, dia tena mba tokony avy i RBNIR (mpisoronabe), ary miteny @ feo mahery hoe: ... non non non... hozy Genesisy hoe ...
233. RBNIR ( 24/03/2020 05:25)

rhaj0:

Eny ho'a ee... dia miana-kendry mahay noho i JEsosy an'io Baiboly io izany i RBNIR.

Tokony mba nanatrika ny Hazo Fijaliana tokoany anie izany i RBNIR, ka rahefa avy niresaka fohy t@ ilay teo ankavanany i Jesosy, dia avy dia namela an'ilehio, dia tena mba tokony avy i RBNIR (mpisoronabe), ary miteny @ feo mahery hoe: ... non non non... hozy Genesisy hoe ...

tranga manokana hoy aho ny an'ilay jiolahy, finoana sisa no azon'Andriamanitra takiana taminy...

Fa izaho sy ianao kosa mbola afaka mibebaka tsara fa aza mamita-tena an!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1011