Jesosy communiste miampy finoana

201. rhaj0 ( 09/03/2020 15:40)
Mahay angano ilay RBNIR ity :-)

hay ve TSY I JEsosy sy ny fametraha-tanana sy ny vavaka-mikimpy-mafy-dia-minou-fotsy fotsiny ihany no manasitrana, fa misy rano, toa ny ao Betesda, rehefa lalovan'ny Anjely HONO dia manasitrana koho..


Io izao tsara savihanao koa ry RBNIR dia ampiharinao @ any Dago.

Hotry ny hoe, I HRNRN, mamaky Baiboly, mahita ny resaka Apostoly, dia nosavihany izay resaka izay, dia izy gasy petaka ao io, dia nanandra-tena ho Apostoly koa I HRNRN, hoe Apostoly hanavotra ny 7 millions de voisins @ "batisa orijinaly" izay HRNRN IRERY ihany no nampianarain'i Jesosy an'ilay izy.

Dia I RBNIR, mahay mamaky Baiboly koa, dia mahita ny resaka renirano-manasitrana, dia savihana koa izay resaka izay, dia ho fariparitan-dRBNIR toa rambon'ozy, fa ilay renirano ao Betafo, izay mitovitovy @ Betesda, rahefa lalovan'ny Anjely mitaingina drone koa, dia manasitrana koho...


Ka ho ataonao koa va io ry RBNIR sa tsy ho ataonao?
MIvavaha mafy ry RBNIR, fa mety ho lazain'i Jesosy an'izany ianao rahariva, avy eny an-tongo-pandrianao ao :-)
202. RBNIR ( 10/03/2020 06:56)
rhaj0:

Mahay angano ilay RBNIR ity :-)

Hampalahelo fa dia ho BDB mihitsy no hanenina amin'ity resaka hoe angano ity an!!!

Izaho izao eto miteny MAFY teto hoe tena misy marina ry zalahy i Jesosy fa miverina sy miseho ary miresaka amin'ny olona indray izy ankehitriny...

Dia mbola lazain'i rhajo sy namany fa manonofy hatrany????

P.S : sao dia heverinareo fa izaho aza no mahay baiboly????Tsia fa i Jesosy no manoro sy mampahafantatra an'ireny rehetra.;

Raha ny fotoana ananako tsy ampy handalinana baiboly izany mihitsy

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
203. rhaj0 ( 10/03/2020 11:59)
Ka ilay renirano ao Betafo ve mahavita toa ilay renirano atsy Betseda ry RBNIR? Sa ilay renirano any Betioky no "tena izy"? Sao dia ilay ranomafana ao Antsirabe kosany aza no mahasalama...

Fa ahoana koa k'lou ry RBNIR ny fahitanao ilay hoe:

Hotry ny hoe, I HRNRN, mamaky Baiboly, mahita ny resaka Apostoly, dia nosavihany izay resaka izay, dia izy gasy petaka ao io, dia nanandra-tena ho Apostoly koa I HRNRN, hoe Apostoly hanavotra ny 7 millions de voisins @ "batisa orijinaly" izay HRNRN IRERY ihany no nampianarain'i Jesosy an'ilay izy
204. RBNIR ( 10/03/2020 13:33)
tsy mino ianao dia izay no ambaranao....fa mbola hanenina ny olona rehetra tsy mino atsy aoriana kely atsy ary dia tena hitady ny marina amin'izay izy nefa hampalahelo fa tara loatra...

Hotanteraka tsy ho ela intsony ity teny ity...

« Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin'ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana* handre ny tenin'i Jehovah; [Heb. mosary] » (Amosa 8:11)
« Ary hivembena hatrany amin'ny ranomasina ka hatrany amin'ny ranomasina ny olona ary hatrany amin'ny avaratra ka hatrany amin'ny atsinanana, eny, hivezivezy hitady ny tenin'i Jehovah izy, nefa tsy hahita. » (Amosa 8:12)

Ho avy ny andro, hitady mafy an'ity fampianarana ity ny olona fa tsy hahita intsony ao aoriana kely ao!!!

Tsy aleo v manararaotra dia mbola zaraina mitobaka tahaka izao ilay izy???
205. rhaj0 ( 10/03/2020 17:14)
Ka I RBNIR izany tena mino tanteraka ity ataon'i HRNRN ity.
Izay an?

Hotry ny hoe, I HRNRN, mamaky Baiboly, mahita ny resaka Apostoly, dia nosavihany izay resaka izay, dia izy gasy petaka ao io, dia nanandra-tena ho Apostoly koa I HRNRN, hoe Apostoly hanavotra ny 7 millions de voisins @ "batisa orijinaly" izay HRNRN IRERY ihany no nampianarain'i Jesosy an'ilay izy
206. RBNIR ( 11/03/2020 08:30)

rhaj0:

Ka I RBNIR izany tena mino tanteraka ity ataon'i HRNRN ity.
Izay an?

Hotry ny hoe, I HRNRN, mamaky Baiboly, mahita ny resaka Apostoly, dia nosavihany izay resaka izay, dia izy gasy petaka ao io, dia nanandra-tena ho Apostoly koa I HRNRN, hoe Apostoly hanavotra ny 7 millions de voisins @ "batisa orijinaly" izay HRNRN IRERY ihany no nampianarain'i Jesosy an'ilay izy

Ianao ange tsy mino e, fa izaho koa hoy aho mba......an'i Jesosy ankehitriny ka izany no ahasahiko manamarina fa tena tsy nandainga i HRNRN raha niteny izy hoe nahita sy niresaka tamin'i JEsosy ....

Fa dia ao ianao sy ny tsy finoanao e! afaka aloha ny adidiko....madio ny tanako fa dia manasa tanana aho rhaj0 o!!!
207. rhaj0 ( 11/03/2020 22:32)
..
Letia ee... hoe... hozy 'le RBNIR

[size=15]...tena tsy nandainga i HRNRN raha niteny izy hoe nahita sy niresaka tamin'i JEsosy...[/size]


hay tena nanaovan'ilay HRNRN resaka a l'extreme ilay izy tao, ary dia tonga dia niboraka ny lohan-dry RBNIR, ary dia ao.. voa ao... mandoa 1/10 ao.

Dia satria tsy te-ho oainina fa voambaka gilady nefa efa lehilahilehibe 'le RBNIR @ io, dia miasa mafy hisavika olona eto @ serasera eto, dia hampandoa ireo namana ny 1/10 koa.
@ izay mba tsy izy RBNIR irery no sirika fa nibora-doha @ resa-kehin'i HRNRN ao...

Mifohaza @ izay ry RBNIR fa ianao ve dia ho ambakan'ny saka @ izany aa... :-)
208. RBNIR ( 12/03/2020 07:12)
eny hoy aho rhaj0 fa dia aza raharahahina mihitsy aho raha miteny hoe fa izaho koa hoy aho mba......an'i Jesosy ankehitriny...

Fa dia ao ianao sy ny tsy finoanao izany e! afaka adidy tanteraka mihitsy aho...

ho avy i Jesosy hiteny amin'i rhaj0 hoe i RBNIR ange ka efa nofidiko mba hijoro vavolombelona ho anao fa ianao mihitsy no....e!
209. rhaj0 ( 12/03/2020 11:58)
RBNIR:
izaho koa hoy aho mba......an'i Jesosy ankehitriny...

mouah ha ha.. TSY sahin'i RBNIR ny nanoratra hoe "miresaka" (an'i Jesosy) na nataony teboteboka.

ka ahoana? hay mba mahalala menatra ihany ry RBNIR rehefa mandainga eto? :-) :-)
210. RBNIR ( 13/03/2020 06:30)
izay filazanao azy tsy maninona fa izao no marina..

Jesosy dia miseho amin'izay tiany hisehoana...

Miresaka amin'izay tiany hitenana.....

211. rhaj0 ( 13/03/2020 14:31)
Eny azany.. dia raha milaza aminao azany aho izao ry RBNIR fa hoe, "miresaka" amiko koa I Jesosy.

Dia inona no lazainao?


Henoy ange ee..

Hozy I Jesosy tamiko t@ herinandro hoe:
Hitako fa efa nilazanao ilay RBNIR ao @ serasera, TSY hanampy an'i HRNRN intsony ny hikepokepoka ny 1/10-katsembohan'ny olona. Fa I HRNRN dia nirahiko, izaho Jesosy, hitory sy hizara MAIMAIM-POANA, nefa dia...

Dia hoy aho t@ Jesosy hoe:
Eny, efa nilazako, ary efa mipetraka an-tsoratra ao @ seraseran'i Hery akoriny aza izany. Fa ilay RBNIR madi-doha, na ny marimarina kokoa, nivora-doha, satria nadalain'ilay HRNRN, ary efa TSY mieritreritra @ tokony ho izy intsony. Dia io mbola manompo an'i HRNRN io. Ka rehefa mbola misy karazan'ny RBNIR manompo ilay HRNRN, dia mbola ho tohizan'i HRNRN foana ity fisolokiana olona ataony ity

Dia hozy JEsosy hoe:
Marina ny anao, fa tohizo foana ny fampieritreretana amenao ao @ seraseran'i HEry.



ka ahoana.. "mino" ahy @ izay ianao ry RBNIR?? :-)
212. RBNIR ( 16/03/2020 06:49)
raha hitaka fa efa niova marina ianao ka lasa nino an'i Jesosy dia izay aho vao mety hino rhajo...
Ka ialao aloha ny tsy finoana...dia mety mba hiheritreritra ny teny ambaranao ihany aho...

Io tahakan'ny ao ampianarana ihany rhaj0 a! ataon'ny ankizy ahoana ny hiantehitra amin'ny olona mahazo zero lava?????

na dia miseho ho malala sy mahafantatra tahaka ny inona azy izy ao ampianarana????

Raha vao tsy mitondra anao amin'ny finoana hoy aho ny fahalalanao rehetra dia Zero izay no naoty....
213. rhaj0 ( 16/03/2020 13:47)
RBNIR:
raha hitaka fa efa niova marina ianao

mouah ha ha... TSY anjaranao ry RBNIR no "mitsaratsara" an'ilay nihantona teo ankavanana raha "niova marina" izy na tsia, fa ny anao hatrehina aa...

Dia rahefa milaza aho fa "niresaka t@ Jesosy", dia tandremo sao TSY mino eo, fa Izy mihintsy anie izany no TSY inoanao ry RBNIR ee...

Ataovy eo foana moa kouh... :-)
214. RBNIR ( 16/03/2020 14:21)
te hiteny ianao izany hoe izao efa mibebaka mangina ato rhaj0 o???
tsara fa tohizo..;

Saingy hasehoy ho hitan'ny olona fa aza menatra...

« Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin'ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak'olona, raha avy amin'ny voninahitry ny Rainy mbamin'ny anjely masina. » (Marka 8:38)

amin'izay mba mety hibebaka ihany koa ry endriny....
215. rhaj0 ( 16/03/2020 15:08)
tsy haiko akory re ry RBNIR hoe, inona izany, inona no atao @ izany hoe "mi(beba)bebaka" izany...

Hoe... mikimpy-mafy-toa-constipE dia migenongenona? Dia hoe, rehefa etsy @ 101 izany efa mety ilay mikimpy-toa-constipe, dia inona @ izay no lazaina?

Dia ahoana anefa ilay Kristy rehefa mivavaka, dia hoe, mipatrapatraka @ tany ny tsy tokony mipatrapatraka?

Ampatsiahivo kely hoe ry RBNIR ilay took aman'andininy mitantara an'io? dia ianarana raha mitombona? Sa tsy hainao izany? Sa tsy mba manao toa an'i KRisty ianao, nefa miambo ho mpanaraka an'i Kristy?
216. RBNIR ( 17/03/2020 06:47)
rhaj0:

tsy haiko akory re ry RBNIR hoe, inona izany, inona no atao @ izany hoe "mi(beba)bebaka" izany...

Tena marina io voalazanao io fa na ny kristiana aza mbola maro no tsy mahafantatra akory ny atao hoe mibebaka, ka izay indrindra no tiako ambara hoe tandremo sao dia diso hevitra ka tsy hiditra any amin'ny vavahady tsy tokony hidirana ka dia ho diso làlana any..;

« Midira amin'ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. » (Matio 7:13)

Efa io ny secret : izay hidiran'ireo vitsy an'isa no tena izy......
217. rhaj0 ( 17/03/2020 11:49)
TsISY secret izany ry RBNIR aa... I Jesosy milaza (foana) hoe zarao MAIMAIM-POANA.

Dia mbola ataon-dry RBNIR tsinontsinona foana io hafatr'i Jesosy io.

Ka hainao ve ahoana i JEsosy rehefa mivavaka ry RBNIR-Kristiana-nefa-TSY-manaraka-ny-ataon'i-JEsosy aa...
218. RBNIR ( 17/03/2020 12:00)

rhaj0:

TsISY secret izany ry RBNIR aa... I Jesosy milaza (foana) hoe zarao MAIMAIM-POANA.

Dia mbola ataon-dry RBNIR tsinontsinona foana io hafatr'i Jesosy io.

Ka hainao ve ahoana i JEsosy rehefa mivavaka ry RBNIR-Kristiana-nefa-TSY-manaraka-ny-ataon'i-JEsosy aa...

Tena secret ka!
Ianao izao eto hita porofo tsy mahafantatra an'ilay vitsy an'isa akory fa lazainao fa azo hidirana daholoa ireo vavahady koa (rehefa kristiana dia akapokao ho iray avokoa)...

ka tena secret io rhaj0 a!
219. rhaj0 ( 17/03/2020 13:37)
eny ho'a ee... firan-dry RBNIR foana any ity revy "mizara MAIMAIM-POANA" an'i Jesosy ity. I Jesosy mendy ny hizara ny Fampianarany, ny an-dry RBNIR ataony secret.
Fa TSISY mila koa anie izany ry fa dia tazomy any koa ee..

Afa-tsy ilay fahaizan'i Jesosy mivavaka, mampipatrapatraka ny tsy tokony ipatrapatraka.
IO dia TSY SeCRET, nefa TSY hain'i RBNIR.

Ataovy ao foana ho'a ry RBNIR aa.. bravo! :-)
220. RBNIR ( 18/03/2020 05:48)
misy fotoana rehefa tena mitaky zavatra mafy amin'Andriamanitra ianao dia tokony otran'io nataon'i Jesosy io no atao rehefa mivavaka..

Fa misy fotoana nampianatra ny Tompo hoe...

« Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao. » (Matio 6:6)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1831