Jesosy communiste miampy finoana

181. rhaj0 ( 02/03/2020 17:00)
RBNIR:
Fa nanninona tokoa moa i Jesosy no mbola nivavaka tamin'Andriamanitra nefa nilaza izy fa Andriamanitra?

1. T@ izany fotoana izany, tao moyen-orient de l'an zero tao, dia YWVH no nivavahana
= I Jesosy dia nivavaka t@ YWVH (na Jehovah no nandikana azy ao anaty Baiboly)

2. Dia nilaza I Jesosy fa Izy hono dia zanak'ilay ivavahana tao moyen-orient de l'an zero tao.
= I Jesosy dia zanak'i YWVH

3- Dia hozy ny Kristiana (sy RBNIR) hoe, I Jesosy dia God/Dieu (na Andriamanitra @ teny gasy)

Fehiny: Andriamanitra (Jesosy) = Zanak'i YWVH


Dia avy eo, dia nisy anefa ny Doctrine TRINITY izay inoan'ny Kristiana (IHANY): 3 no 1.

Fehin'ny Fehiny: Andriamanitra+Jesosy+FM = Zanak'i YWVH

Fanamarihana: ny Jiosy dia mbola mivavaka @ YWVH. Ny Kristiana dia mivavaka @ Andriamanitra.
182. RBNIR ( 03/03/2020 06:58)
ka izay ilay noteneniko hoe tsy mora ny mandray ilay resaka trinité : Andriamanitra 3 izay 1 fa tokony hatao lohahevitra mitokana mihitsy io...
183. RBNIR ( 03/03/2020 07:32)
hiezaka hampiditra kely ny trinité ihany aho sao mba....

eto antany dia misy karazana zava-manan'aina maro....
ohatra

lalitra,
omby,
saka,
vorona,
trondro,
sns...
ary ny olona

Rehefa mahita olona ianao (mety hoe sinoa, na afrikana, na vazaha na koa karana sns....) dia miaraka manaiky fa "olona" iny fa tsy hoe rehefa karana dia tsy olona fa....sns...

Rehefa mahita omby koa (mety hoe barea (omby malagasy) na koa pie rouge (omby avy any france) na koa hoe pie rouge avy any norvège...dia omby daholo ihany no hilazana azy fa tsy zavatra hafa akory...

Dikany : ny teny hoe olona (dia anarana iombonan'ny karazan'olona rehetra)
ny teny hoe omby (dia anarana iombonan'ny karazan'omby rehetra)

Dia otran'izay mihitsy...Ny teny hoe Andriamanitra (dia anarana iombonan'ireo karazana être vivant supérieur (supérieur satria tsy noforonina fa mpamorona)

Araka ny finoana kristiana dia misy ny hoe Andriamanitra Ray, Andriamanitra Zanaka ary ny Fanahy Masina....

Samihafa nefa......Samy Andriamanitra (mpamorona fa tsy noforoinina)...

« Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika ; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany. » (Genesisy 1:26)

vakio tsara io teny io fa miverina foana ilay hoe "isika"

Andeha "isika"
tahaka ny endritsika
araka ny tarehintsika...

Nisy maromaro Izy no teo fa tsy hoe 1 ihany akory....
184. rhaj0 ( 03/03/2020 15:34)
Ka mifankaiza @ Doctrine Trinity izay an'i father Tertullian t@ taona 300 io demonstralatatatation-nao io ry RBNIR?
185. RBNIR ( 04/03/2020 07:10)
isika tsy mitsipaka ny doctrine Trinity ka..;

http://www.tertullian.org/french/g3_18_doctrine.htm

fa raisiko kely ity hampieritreritra kely indray ireo namana sasany...

il relève la cérémonie mystérieuse qui s'observait alors dans le baptême, où l'on plongeait le néophyte non une seule fois, mais trois fois, pour chaque nom des personnes divines.
« koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina » (Matio 28:19)

tany amboalohany hoy aho ny batisa dia mbola ilay batisa nasitrika anaty rano daholo (izay no originale).....raha tena te ho afaka amin'ny ota ianao....ary tena notakiana ilay hoe "batisa avy any an-danitra" (olona nomena fahefana avy any an-danitra no manao ilay batisa"....;

fampieritreretana kely iny fa ankehitriny mantsy marobe ireo kristiana no mametra-panontaniana hoe maninona ary aho voafatrotr'izao sy izao foana nefa efa mba mino an'i Kristy ihany.....ary dia tena mampijaly ny eritreriny ilay izy satria fantany fa ho very izy raha tsy afaka amin'io dépendance mahazo azy io...
186. RBNIR ( 04/03/2020 07:14)
KOA DIA MITADIAVA AN'ILAY BATISA ORIZINALY E! BATISA NATAO TAMIN'I KRISTY JESOSY SY IREO OLONA TANY AMBOALOHANY....BATISA AVY ANY AN-DANITRA (ATAON'NY OLONA IRAY NAHAZO FAHEFANA AVY ANY AN-DANITRA!!!
DIA HO VOAVONJY IANAO SY NY ANKOHONANAO....
187. endriny ( 04/03/2020 08:11)
Batisa Orizinaly? Ka tokony miverina any an-dreniranon’i Galileo izany ianareo. Fa any ihany no tena orizinaly.

Fa raha vao reniranon’i Sisaony dia efa faosika izay.
188. RBNIR ( 04/03/2020 08:51)
tsy voatery satria tato (Ainona) i Jaona dia nanao batisa ihany koa satria....

« Ary Jaona koa nanao batisa tao Ainona, akaikin'i Saleima, satria nisy loharano maro tao; dia nankany ny olona ka nataony batisa. » (Jaona 3:23)
189. rhaj0 ( 04/03/2020 16:56)
Raha tsy handeha any Galilee, dia ny rano ampiasaina @ batisa orizinalin'i HRNRN ve, ngo dia @ rano misy coronavirus?

Nisy katolika teo efa TSY mampiasa Eau Benita fa mba mihaino ny Siansa ihany.
190. RBNIR ( 05/03/2020 06:15)
Grammaire kely hampahazava ny teny....

Jao3:23 Jaona koa nanao batisa tao Ainona.........satria nisy loharano maro tao.....


Ranobe (voajanahary misy fifandraisana amina loharano) no ilaina rehefa manao batisa...
===> tsy mety ny rako amin'ny kaopy kely, bassin na piscine artificielle sns....fa otran'ny ranon'Ikopa no mety satria ireny no voajanahary efa nisy teo hatramin'izay nahatany ny tany...
191. rhaj0 ( 05/03/2020 13:25)
Sahala @ La Gange izany.. Izay no nianarana dia nakan'ny Kristianisma tahaka.
192. RBNIR ( 05/03/2020 16:52)
aiza ilay olona voairaka sy nandray fahefana avy any an-danitra? otran'ny olona samy mandro no hitako eo?
193. rhaj0 ( 05/03/2020 18:29)
Tapaka sary no namena anao re ry RBNIR dia ahoana... tena tsisy azonao "tsindrohana" ve io? :-)

Fa mety samy hafa tokoany ny an'ny karana sy ny kristiana. Fa mety efa nolazain'ny tao @ baiboly izao izany... hi hihi... inona no tsy fantatry ny baiboly, hoz'enao :-)
194. RBNIR ( 06/03/2020 06:56)
ka tsy mety raha mandro irery fa tsy maintsy misy mampandro hoy i Jesosy hoe....« koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina » (Matio 28:19)

Tokony hoe eo ilay mpanao batisa....manao batisa azireo...
195. rhaj0 ( 07/03/2020 00:43)
RBNIR:
ka tsy mety raha mandro irery fa tsy maintsy misy mampandro hoy i Jesosy

Eny azany ee... hampandron'i HRNRN ao (foana) HONO izany i RBNIR, fa tsy mety ny mandro irery an...

Aiza eto ambony tany no misy lehilahilehibe manao hotr'izany, fa dia tena henjana nareo RBNIR aa... :-)
196. RBNIR ( 08/03/2020 04:41)
ilay batisa no resaka fa aoka hazava.....
197. rhaj0 ( 08/03/2020 20:45)
Eny azany ee... mba te-hivanitika fotsiny :-)

Fa izao indray azany ee.. Ahoana ny fahitan'i RBNIR ny finoan'ny hafa :

- ohatra io an'ny Karana, izay mino fa mba manadio azy ny firotsahany ao @ La Gange, toa ny Kristiana mino fa mba "manadio" koa ny "batisa" ( rano)

- na koa ohatra, ny tso-dranon'ny Ntaolo, izay toa hoe, afiritika ny rora @ ilay olona izay hitsofana rano
198. RBNIR ( 09/03/2020 10:06)
Ilay an'olona aloha tsy fantatro rhaj0 fa ny marina dia izao...raha niverina indray i Jesosy dia :

1- nampianatra ilay fampianarana tsy misy kilema
2- nanoro ny fomba handosirana ny loza fito farany ao amin'ny bokin'ny apok.16
3- nanoro ny fomba hatao raha te hanana fiainana mandrakizay...

Anisany ilay batisa orizinaly....
199. rhaj0 ( 09/03/2020 12:44)
Ka na "batisa orijinaly" izany, na "batisa rano @ kaopy", na mirotsaka ao @ La Gange na ny tso-drano mifiritika, dia ... samy "manadio" DAHOLO.

Sa .. ny "batisa orijinaly" IRERY ihany no "tena izy" ry RBNIR? Ary dia "adala" na hoe "voafitaka" izay minomino foana ny ankoatry ny "orijinaly"??
200. RBNIR ( 09/03/2020 14:12)
mety tsy batisa no andrandrain'ireo fa mety otran'ity niseho tato ity...

« Ary misy farihy any Jerosalema, eo akaikin'ny vavahadin'ondry, izay atao amin'ny teny Hebreo hoe Betesda, misy fialofana dimy. » (Jaona 5:2)
« Tao no nandrian'ny marary maro, ny jamba, ny mandringa, ny mati-ila*. [*Gr. efa maina, na malazo. Ampio hoe: [miandry ny fihetsehan'ny rano] » (Jaona 5:3)
« [Fa nisy anjely nidina tany amin'ny farihy indraindray ka nampihetsika ny rano; koa izay iray niroboka aloha, rehefa nihetsika ny rano, dia sitrana na inona na inona no aretina nanjo azy] » (Jaona 5:4)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2333