Jesosy communiste miampy finoana

161. rhaj0 ( 25/02/2020 19:19)
Dia ry Jules Verne sy Nostradamus koa ve ho'a inoan'i Gasy1zay, sa ireo dia asan-devoly, satria TSY ao anaty Baiboly eee..

Raha ny fahalalako azy, dia
- ny faminaniana ao anaty baiboly, dia na, lazainn'ilay Mpaminany hoe "nofy", na koa hoe, "niseho taminy ny Anjely" HONO
- ny faminanian'i Jules Verne sy ireo mpanoratra sci-fi kosa, dia rahefa nandalina kely ny Siansa t@ fotoan'androny izy, dia manita-tsaina kely, ary dia manombatombana vinaniana.
- ny an'i Nostradamus dia toatoa ny an'ny ao @ Baiboly, nafangarony numerologie; fa I Nostradamus dia TSY ao anaty Baiboly


Ka ry Jules Verne sy Nostradamus koa ve ho'a inoan'i Gasy1zay, sa ve hoe, ireo dia asan-devoly, satria TSY ao anaty Baiboly eee..
162. gasy1zay ( 25/02/2020 19:47)
Tsy azon'i rhaj0 mintsy ve hoe ny fiainana ny baiboly dia tena fifandraisana amin'Andriamanitra fa tsy mijanona hoe mino sa tsia fotsiny e! Sa misy olona mamaky science fiction dia mivavaka @ ilay personnage livre ao avy eo dia nisy nihaono?

Io no ambarako @ rhaj0 hoe tsy ho takatrao izy io raha tsy hiainanao

Mba eritrereto hoe maninona ny baiboly no boky anisany be mpamaky indrindra erantany dia jereo hoe aiza ho aiza @ classement ny boky science fiction anao top 10? 100? Sa 1000?
163. rhaj0 ( 26/02/2020 02:01)
Ka TSY mino an'i Jules Verne sy Nostradamus izany I Gasy1zay. Maninona no miolakolaka ee??? f'inona no maha-kaodikaody an'i Gasy1zay ao?? :-)
Nefa anie ao @ ilay lahatsoratra teo, dia tanteraka HONO ny faminanian'i Jules eee...

Fa mampihomehy mihintsy ilay fantsin'i Gasy1zay, azony @ kely fotsiny dia nifototra taminy ilay izy, @ ilay resaka manao hoe: misy olona mamaky Baiboly dia mivavaka @ ilay personnage livre ao avy eo

Ohatra ry Kristiana Katolika mivavaka @ (saint) Peter sy Paul ary Maria

Ndao k'lou hihira kely fa tsss... tena ahitana inspiraka mihintsy ilay Gasy1zay 'ty :-)



f'izany hoe miantsoantso mazia an'ilay dragona izy telo, ka sao dia ilay dragona ao @ Apokalipsa azany io, nefa anie izy telo tena maontimaontina toa kristiana eee... :-)
164. RBNIR ( 27/02/2020 00:13)
tena ahitana marina izy izany rhajo a!!!

165. rhaj0 ( 27/02/2020 16:41)
Iverenako kely ireo Faminaniana be dia be ao anaty Baiboly, izay tena mba tian'i Gasy1zay, ary asehony fa ho tanteraka, raha tsy hoe, efa tanteraka. Satria toa izany no isan'ny ivavahan'i Gasy1zay io (sa tsy izay?), satria tena zendana I Gasy1zay @ ilay "mahita volana alohan'ny biby" ity.

Kanefa ho'a, raha ny faminanian'i Jules Verne koa no tanteraka, dia ... hotsahotsan'ny mangarigarika be izany I Gasy1zay (sa tsy izay?) satria I Jules dia TSY ao anaty Baiboly, ary na dia tena mba mety azany ny Faminaniany, dia tena TSY te-hino an'izany I Gasy1zay (sa tsy izay?), satria fotsiny .. TSy hitan'ny Baiboly ary tsy takatrany ny nanaovan'i Jules ny azy.

Ny an'i Jules (sy ny mpi-sci-fi), ny Faminaniana dia miankina @ mba fahazoany ny Siansa t@ fotoan'androny, dia manitakita-kevitra ao zareo, dia mahita volana alohan'ny biby, ary dia ... satria mbo kingakinga saina ry Jules (sy ny mpi-sci-fi), dia hotrahotry ny "tanteraka" ihany ny Faminaniany.

Ny an'ny Baiboly sy ny olom-Baiboly indray, dia .. "nanofy" HONO izy, na koa hoe, "nisehoan'ny Anjely" HONO izy.

Inona @ ireo voalazako ireo no kely ny fitombenany ry Gasy1zay?
Sa mba miombo-kevirta amiko (ihany) I Gasy1zay :-)
166. endriny ( 27/02/2020 17:10)
Jesosy Communiste?

Ny ahy tsy any indray no hijereko azy fa eo amin'ny Kristianina mihintsy izay milaza fa tsy tia Communiste. Kanefa ny fomba fangoronan'ny antokom-pinoana harena dia fomba communisme. Antsika ny fiangonana, antsika ny lanitra, arotsay ny rakitra, arotsay ny adidy, ary ny 1/10

Fa rehefa hampiasa vola indray izy dia amin'ny fomba capitalisme-emperialisme mihintsy: atsangany etsy sy eroa ny Hopitaly tsy takatry ny mahantra rehetra: Clinic Ankadifotsy, Mahazo..., Sekoly katolika, Sekoly Protestanta…, Oniversity Katolika, Librairie St Paul. Dia tadidintsika ihany koa ilay kaompaniam-piaramanidina tamin'izany TAM izay an'ny Katolika
167. rhaj0 ( 27/02/2020 18:30)
Ny fahitako azy, dia i Jesosy no communiste, fa ny mpanaraka azy no TSY communiste, indrindra ireo Mpitarika ny Kristianisma.

Ohatra hoe, I JEsosy dia TSY hitondra satro-bolamena toa ny Papa na oviana na oviana. Na koa hoe, izy vao avy nanome fanasitranana iny HONO, na koa fampianarana, dia TSY nangataka ny 1/10-karenan'ny olona izany. Ny an'i Jesosy azany, ny mofony kely ananki-5 nampitomboiny an'alin-kisa gratuitema HONO.

168. RBNIR ( 27/02/2020 23:27)
rhaj0:

Ny an'i Jesosy azany, ny mofony kely ananki-5 nampitomboiny an'alin-kisa gratuitema HONO.

Nisy vavolombelona maro hatrany ny fahagagana rehetra nataon'i Jesosy...

Ary izay indrindra no porofo hanamelohana ny olona rehetra tsy mino aty aoriana rehetra....
169. rhaj0 ( 28/02/2020 14:38)
Izay izany no hitan'i Ratsimpontsimpona Betsindrotsindroka RBNIR raisina @ resaka.

Fa maninona kosany ho'a nodinganinao ity ry RBNIR ooo..
Satria ianao RBNIR mantsy manao ny TSY ataon'i Jesosy?


I JEsosy dia ... vao avy nanome fanasitranana iny HONO, na koa fampianarana, dia TSY nangataka ny 1/10-karenan'ny olona izany.
170. RBNIR ( 28/02/2020 16:47)
rhaj0:

Satria ianao RBNIR mantsy manao ny TSY ataon'i Jesosy?

Jesosy dia nanao ny 1/10 ary namporisika ny olona hanao ny 1/10...

Hoy i Jesosy hoe « Eo amin'ny fipetrahan'i Mosesy no ipetrahan'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; » (Matio 23:2)
« koa amin'izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao. » (Matio 23:3)
Izay rehetra lazain'ny mpanora-dalana sy ny fariseo dia nasain'i Jesosy atao sy tandreman'ireo izay mino Azy....

Ary teto amin'ity teny ity dia nanamafy mihitsy Izy fa tokony atao ny 1/10...(mianatra grammaire kely dia mahazo ilay teny)...« Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina* ianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin'ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.[*Anaran-java-maniry ireo] » (Matio 23:23)
hoy i Jesosy hoe nefa tsy tokony havelanareo ireroana (mantsy ny 1/10)
171. rhaj0 ( 28/02/2020 17:22)
O Ratiatsimpontsimpona Betsindrotsindroka RBNIR aaa...

Diniho lalina ao tsara ho'a, fa t@ Jesosy mbola nandeha nivavaka teny @ Sinagoga io resaka notsimpontsimponinao io ry RBNIR.

Fa I Jesosy taorin'io, dia niha-matotra, ary dia efa NIOVA FO... hou hou :-)


esy ee ry RBNIR... ka ny "nataon'i Jesosy" ilay inona izao no mba ataonao ao ry RBNIR?
- Ilay nataony'i JEsosy fony izy nivavaka tany Sinagoga, nivavaka t@ YWVH?
- sa ilay nataony, fony izy naniraka ny mpitory hizara MAIMAIM-POANA?

Dia ao ianao izany ry RBNIR ee ...
BE tsimpontsimpona tsy ampiheverana loatra, ka rehefa tsy atody moa dia inona no hohaninao ao ry RBNIR? akoho? :-)
172. RBNIR ( 28/02/2020 20:36)
rhaj0:

Fa I Jesosy taorin'io, dia niha-matotra, ary dia efa NIOVA FO... hou hou :-)

Tsy mahay ny tantaran'i Jesosy...
efa taorian'ny nitokanany 40 andro sy 40 alina tany an'efitra i Jesosy sy efa vita batisa Jesosy no niteny an'ireo teny tao amin'ny Mat.23 ireo...
efa tao anatin'ilay 3 taona nitoriany tety an-tany....
173. RBNIR ( 28/02/2020 20:40)
aorian'ny batisa ny olona no lazaina fa hoe niova fo.....
174. gasy1zay ( 28/02/2020 20:48)

RBNIR:

aorian'ny batisa ny olona no lazaina fa hoe niova fo.....


Nareo ve ry RBNIR manao batisa ny zaza sa tsia? Ny zaza natao batisa naterabaovao fa ny olondehibe niova fo vao atao batisa ho fampisehoana ny olona hoe niova fo izy ary niara maty sy nitsangana niaraka @ JK.
175. rhaj0 ( 29/02/2020 03:17)
rhaj0:
Fa I Jesosy taorin'io, dia niha-matotra, ary dia efa NIOVA FO... hou hou :-)
RBNIR:
efa taorian'ny nitokanany 40 andro sy 40 alina tany an'efitra i Jesosy sy efa vita batisa Jesosy no niteny an'ireo...

okey dokey.. ka i Jesosy efa tsy nivavaka tany @ Sinagoga intsony izany io, hozy i RBNIR?

Izany hoe, efa TSy nivavaka t@ YWVH intsony izany i JEsosy t@ io, sa ....
176. RBNIR ( 01/03/2020 02:48)

rhaj0:

rhaj0:
Fa I Jesosy taorin'io, dia niha-matotra, ary dia efa NIOVA FO... hou hou :-)
RBNIR:
efa taorian'ny nitokanany 40 andro sy 40 alina tany an'efitra i Jesosy sy efa vita batisa Jesosy no niteny an'ireo...

okey dokey.. ka i Jesosy efa tsy nivavaka tany @ Sinagoga intsony izany io, hozy i RBNIR?

Izany hoe, efa TSy nivavaka t@ YWVH intsony izany i JEsosy t@ io, sa ....

Efa avy nifady hanina 40 andro sy 40 alina ary natao batisa i Jesosy vao nanomboka nanao ny asany....;
tao aorian'ny nanaovana batisa Azy dia mbola nivavaka sy nanompo an'ilay Andriamanitra notopoiny teo aloha hatrany i Jesosy....ary nampianatra tany anaty synagoga...

« Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna rehetra sy ny vohitra, nampianatra tao amin'ny synagoga sy nitory ny filazantsaran'ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra. » (Matio 9:35)
177. rhaj0 ( 01/03/2020 14:13)
Ela ka ela ka takatr'i RBNIR ihany, fa t@ Jessoy mbola nivavaka t@ YWVH ary nandeha teny @ Sinagoga no niteny ilay Matio 23 sy ny mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina ho an'ny Mpisoronabeuh.

Dia nony niova fo hou hou Jesosy taty aoriana, dia naniraka ny mpianany hitory, ka raha nahazo MAIMAIM-POANA nareo, hoz'Izy, dia manomeza MAIMAIM-POANA.

Ary t@ farany aza moa, dia hotry ny hoe, niady t@ Mpisorona beuh i Jessoy, satria moa, ry Mpisorona beuh no nanohitra ilay Jesosy nisora-tena ho "zanak'i YWVH". Ary dia nisintaka t@ Sinagoga koa i Jesosy, fa lasa nanorenany Fiangonana i Petera.


Ka raha miverina @ 1/10 solila sy aneta sy komina, aiza intsony no misy an'izany ry RBNIR rehefa MAIMAIM-POANA no revy?


Io ho'a ry RBNIR, fa dia tena ao @ tsakaokanao ao ho'a ianao izany ry RBNIR ee ...
BE tsimpontsimpona tsy ampiheverana loatra ry RBNIR, ka rehefa tsy atody moa dia inona no hohaninao ao ry RBNIR? akoho? :-)
178. RBNIR ( 01/03/2020 19:00)
rhaj0:

Ary t@ farany aza moa, dia hotry ny hoe, niady t@ Mpisorona beuh i Jessoy, satria moa, ry Mpisorona beuh no nanohitra ilay Jesosy nisora-tena ho "zanak'i YWVH". Ary dia nisintaka t@ Sinagoga koa i Jesosy, fa lasa nanorenany Fiangonana i Petera.

Marina fa nanorina ny fiangonany i Jesosy, nefa tsy nisintaka ary tsy nampianatra ny mpianany hisintaka ny Sinagoga mihitsy Izy,

Efa maty i Jesosy teto...

« ka nangataka taratasy taminy ho any amin'ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana* izany, na lahy na vavy. [*Gr: lalana] » (Asan'ny Apostoly 9:2)

Olona nivavaka tany amin'ny Synagogan'ny Damaskosy no nenjehan'i paoly (mpianatr'i Jesosy nivavaka tany anaty synagogan'i Damaskosy...

https://saintebible.com/acts/9-2.htm

Ry paoly sy ny namany koa dia mbola nanoy nivavaka tao amin'ny synagoga rehefa Sabata...

« Ary rehefa niala tany Peryga izy ireo, dia nandroso nankany Antiokia any Pisidia, dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata ka nipetraka teo. » (Asan'ny Apostoly 13:14)
« Ary rehefa vita ny famakiana ny lalàna sy ny mpaminany, ny mpanapaka ny synagoga dia nampilaza taminy ka nanao hoe: Ry rahalahy, raha misy fananarana hataonareo amin'ny olona, dia ataovy. » (Asan'ny Apostoly 13:15)

Fampahatsiahivana : i paoly koa dia nandray fampianarana mivantana avy amin'i Jesosy tahaka ireo apostoly 12 lahy...(Gal.1:11,12)

Izao no notenenin'i Jesosy alohan'ny nahafatesany...« Handroaka anareo hiala amin'ny synagoga izy; eny, ho avy ny andro*, ka hataon'izay rehetra mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitra izy. [* Gr. ora] » (Jaona 16:2)

Izany hoe nirahiny ho any amin'ny Synagoga foana ireo mpianany fa saingy fantany kosa fa rehefa lasa Izy dia tsy maintsy horoahin'ny olona hiala amin'ny Synagoga izireo...

Izay no anton'ilay fiangonana natsangany,....Jesosy tsy niova Andriamanitra hivavahana ary tsy nanova fampianarana fa kosa nanoro ny olona ny fomba hanantaterahana ny lalàna izay tsy vitan'ilay fampianarana teo aloha....

« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Matio 5:17)

Ilay hoe "manome maimai-poana" dia efa nazavaina teto fa ireo fahasoavana zaraina (FM) (fanasitranana, fananganana ny maty, fanadiovana, famoahana demonia sns...) no tsy azo hamidy na sandaina vola...
« ka nanao hoe: Omeo izany fahefana izany koa aho, mba handray ny Fanahy Masina izay olona hametrahako tanana. » (Asan'ny Apostoly 8:19)
« Fa hoy Petera taminy: Aoka ho very mbamin'ny tenanao ny volanao, satria nataonao fa azo vidim-bola ny fanomezan'Andriamanitra. » (Asan'ny Apostoly 8:20)

fa ireo mpitory kosa dia notenenin'i Jesosy hoe "mendrika" hahazo ny karamany ary ireo mpino ihany no voatendrin'i Jesosy hamelona azireo...
« Ary mitoera ao amin'izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay zavatra omeny; fa ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany. Aza mifindrafindra trano. » (Lioka 10:7)
179. rhaj0 ( 01/03/2020 19:47)
hi hi hi... reviser-o tsara ihany ny resakao sy ny kronolozia ry RBNIR, fa be tatatata eto nefa ..
Fa dia avelako ao ianao sy ny "fampianaran-disoNAO" ao ry RBNIR, rahefa Tsy hiteny aminao i Jesosy.

Fa dia mbola nivavaka t@ YWVH foana izany i Jesosy zanak'i YWVH, hozy RBNIR.

Eny azany kouh...

Ary AIZA ianao io @ izany ry RBNIR?
toa tsy mba manao ny ataon'ny Jesosy, nefa mitomany ho mpanaraka an'i Jesosy an..
180. RBNIR ( 02/03/2020 06:24)
Fa nanninona tokoa moa i Jesosy no mbola nivavaka tamin'Andriamanitra nefa nilaza izy fa Andriamanitra?

Ny tena marina i Jesosy dia nanaiky ny fahefan'ny Ray hatramin'ny voalohany ary nanetry ny tenany tanteraka teo anatrehan'ny Ray....

Hoy izy hoe ...« Efa renareo fa Izaho nilaza taminareo hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly, satria mankany amin'ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho. » (Jaona 14:28)

Ny Ray lehibe noho izaho hoy i Jesosy....na dia nitovy tamin'Andriamanitra aza Izy dia nanaiky ny fahambonian'ny Rainy ary nanantanteraka izay rehetra notakian'ny Rainy...

« Dia nandeha fanindroany Izy ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no hatao. » (Matio 26:42)

Fampianarana lehibe no nataon'i Jesosy ho an'ny rehetra (na Anjely io na olona na iza na iza noforonin'Andriamanitraà...

Mila manaja ny Ray avokoa na iza na iza.....

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0906