Jesosy communiste miampy finoana

141. rhaj0 ( 24/02/2020 16:55)
Ea nisy kisary mazava tsara nozaraiko teto atsy @ ilay bilaogiko
rahampitso.blogspot.com

avadibadiho ao fa ho hitanao ry Gasy1zay aa... mety ao koa azany ny anaranao satria ny eto ihany no avadiko ao @ ilay bilaogy :-)

142. rhaj0 ( 24/02/2020 17:09)
:-) gidro nandady dia afaka millions d'annee hiova olombelona?
;-) ENY

:-) Raha ny fahalalanao io dia inona no mora hinoana kokoa gidro mivadika olombelona sa ... tsy haiko ny extraterestra ohatra?
;-) Gidro mivadika olbln. Ny trondro niakatra an-tanety.

:-) Fa maninona ny gidro no lasa nievoluer ho olona fa ny dauphin ohatra heverina fa biby manana qi ambony dia ndriiii, nijanona trondro foana lol? Dia aona oreo gidro, maki, chimpanze, gorille mbola gidro hatrizao?
;-) Ilay fivoarana (evolution) dia arakarak'izay zava-misy iainany ao. Ary na izao azany dia mbola mivoatra daholo na olbln na gidro.
Hanontanio Ineny gogola, ohatra eto

:-) I rhaj0 milaza siantista ve zany mba nikarokaroka momba izany sa raisina ho marina satria zay no nambaran'ny manampahaizana?
;-) Satria izay no nambaran'ny Manam-pahaizana. Fa ny ambaran'ny Manam-pahaizana dia voa-cross-check araka ny method scientifique.

;-) Dia io ambaran'ny Manam-pahaizana io dia "work in progress". Fa na izany aza, misy ny efa base izay acquis.

143. gasy1zay ( 24/02/2020 17:37)
Tsy azoko aloha hoe ahoana ng ahafahanao manao cross check work in progress fa dia zay zany no mahatesy lahatra anao dia ok!
144. gasy1zay ( 24/02/2020 17:39)
Aleo tsindroko kely ... aona ny hagafahana manao cross check tranga taona tapitrisa taloha? valiny ho hitan'ny ankizy eo? ( raha tsy ho fatin'ny changement climatique raolombelona...)
145. rhaj0 ( 24/02/2020 19:44)
hum... vakio ny famelabelarana ataon'ny Siantifika, dia ianao ihany, matetika, dia afaka manaraka ny fandehany.

Mety tondraka infos ianao, dia lasa reraka mialoha, fa safidio ireny lahatsoratra miezaka manome fanazavana ho an'ny sarambabem-bahoaka ireny.

Manahirana mantsy raha hoe, ianao no reraka, ianao no tsy maha-araka ny fanazavana, izay tsy hanomezan-tsiny anao, nefa dia ilay resak'ilay Siansa indray no toa mahazo tsiny :-)

Ianao ve ry Gasy1zay dia ho ambakan'i Greta Thunberg?
146. gasy1zay ( 24/02/2020 19:53)
Mampalaelo i Greta kely fa tsy azony mintsy hoe efa arivo taona maro no nambaran'ny mpaminany fa ho rava ny tany ka na hatsahatra aza ny fitanterana fiaramanidina sy fiarakodia, hatsahatra ny plastique sy dechet sns... dia ny tenin'Andriamanitra tsy maintsy ho tanteraka, raha hendry Greta na raha hoe intelligente izy dia manankina ny hoaviny @ ilay afaka hamboatra ity tany ity rehefa ho rava izy ka hitondra ilay Jerosalema vaovao

147. rhaj0 ( 24/02/2020 20:01)
Soa ihany I Greta fa tsy toa an'i Gasy1zay.

Ary mampisy fanantenana fa betsaka ny Ankizy no nitokona tany an-tsekoly namaly ny antson'i Greta in-1 mandeha.

Ry Trump tia tena izao, toa an-dry Gasy1zay ihany, dia tsy rahirahiany ny hafatr'i Greta hoe, "Henoy Ny Siansa", fa ny an-dry Trump ... leaza.. aoka hijanona eto ny resaka Trump fa mankadoa
148. gasy1zay ( 24/02/2020 20:10)
Io ry rhaj0 dia ohatrany lalan'i mosesy an'i RBNIR ihany a! Tsy afaka ho tanterahina, dia toy izany koa ny nofinofin'i Greta, na tianao na tsy tianao dia tsy ho realisable satria ny governemanta sy ny mpikirakira vola( investisseur) dia tsy hampandeha ny environnement alohan'ny ekonomia sy ny profit, jereo fotsiny ny PM Canada milaza fa pro-environnement sy nandray an'i Greta nefa tsy mahafoy ny projet petrole alberta.
149. RBNIR ( 25/02/2020 00:14)

gasy1zay:

tsy afaka ho tanterahina marina v?
mpandainga v izany i Jesosy ry gasy1zay?
« Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Matio 5:17)

Izay mihitsy ange ilay mission an'i Jesosy e! mimonomonona ny olona hoe loza be Andriamanitra fa lalàna tsy azo tanterahina no napetrany nefa ny tena marina ilay secret ahafahana manantateraka ilay lalàna no tsy fantany dia tonga i Jesosy hanoro azy....

Ny secret moa dia efa natoroko teto mandrakariva hoe ..
1- Esorina ny ota (satria iny no manandevo ny olona tsy hahafahany manao ny sitrapon'Andriamanitra) Jao.8:34 ;1Jao.3:5)
2- Rehefa afaka ny ota dia FM indray kosa no homen'Andriamanitra hisolo toerana ilay ota tao anaty tao..
Inona no asan'ilay FM?
« Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. » (Ezekiela 36:26)
« Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. » (Ezekiela 36:27)
Ny FM dia hanamboatra ny olona ho lasa olom-baovao mandeha araka ny lalàn'i Jehovah sy hitandrina ny fitsipikany ka hanaraka izany...2Kor.5:17

3- vonoina ilay soratanana ety ivelany Kol.2:11
4- fa soloina kosa ho sotratra anatiny « Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko; » (Hebreo 8:10)
« "Izao no fanekena hataoko aminy, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalàko, Sady hosoratako ao an-tsainy," » (Hebreo 10:16)

Izay no fanekena vaovao...izay mahavita izay làlana (chemin) rehetra izay no manana ilay fanjakan'Andriamanitra ao anatiny ao ...ka afaka miarahaba tena hoe tanterany marina tokoa ilay lalàna takiana taminy....
150. rhaj0 ( 25/02/2020 01:07)
gasy1zay:
...ny nofinofin'i Greta, na tianao na tsy tianao dia tsy ho realisable ...

Tsara aloha rahefa resahina ara-politika sy ekonomika, ara-tsiansa sy tontolo iainana ny zava-misy fa tsy tarafina @ ilay boky tonta lava ao foana, boky tonta izay tsy mahalala akory na dia i Kilimanjaro tao akaikin'ny moyen-orient tao azany.

Ny fiovana toe-tsaina sy ny fiovana eo @ ekonomia dia miadana be. Tsisy revolisiona izany @ izao 2020 izao eo @ politika sy ekonomia. Any @ Siansa sy ny AI jerena sy halalinina.

Dia mbola averiko indray, fa TSISY takatry ny boky tonta sy ny imazination be vatan'i l'an zero ao moyen-orient daholo izany.

Fa resaka finoana sy fivavahana moa ny lohahevitra eto ka dia ...

151. RBNIR ( 25/02/2020 08:57)

rhaj0:

Izao no navalin'i Jesosy rehefa misy situation impossible otran'ireny....

« Fa Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Raha amin'ny olona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin'Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain'Andriamanitra. » (Marka 10:27)...
152. gasy1zay ( 25/02/2020 11:18)

rhaj0:

gasy1zay:
...ny nofinofin'i Greta, na tianao na tsy tianao dia tsy ho realisable ...

Tsara aloha rahefa resahina ara-politika sy ekonomika, ara-tsiansa sy tontolo iainana ny zava-misy fa tsy tarafina @ ilay boky tonta lava ao foana, boky tonta izay tsy mahalala akory na dia i Kilimanjaro tao akaikin'ny moyen-orient tao azany.

Ny fiovana toe-tsaina sy ny fiovana eo @ ekonomia dia miadana be. Tsisy revolisiona izany @ izao 2020 izao eo @ politika sy ekonomia. Any @ Siansa sy ny AI jerena sy halalinina.

Dia mbola averiko indray, fa TSISY takatry ny boky tonta sy ny imazination be vatan'i l'an zero ao moyen-orient daholo izany.

Fa resaka finoana sy fivavahana moa ny lohahevitra eto ka dia ...

Exemple 1 :
Misy faminaniana nataon'i Isaia 600 taona alohan'i JK mikasika ny hiverenan'ny zanak'Israely ny taniny tsy azon'olona mihintsy t@ zany satria tsy possible ilay izy raha tsy hoe manidina ny olona dia nisy kristiana siantifika phisicien t@ andron'ny voltaire hono nilaza hoe tsy possible izany fa ny vatan'olombelona tsy afaka manidina noho ny antony siantifika maro...

T@ taona 1947 anefa dia notanterina avion nody tany Israel ireo jiosy tsy maty t@ ady lehibe faharoa

Exemple 2: misy faminaniana ao @ apokalipsia mikasika ilay 2 temoins nirahin'Andriamanitra ary novonoin'ilay antichrist, dia voalaza fa hoe tsy mavela nalevina ilay faty fa naseho ho hitan'izao tontolo izao

Raha t@ zany andro zany marina rhaj0 dia mety gaga ny mpamaky hoe aona ny hahitan'ny olona eran-tany izany ? Fa ankehitriny dia fantatsika fa alefa TV sy internet ny sary sy video dia miely erantany

Ka dia mba aza heverina fa tsy mahalala na inona na inona ny baiboly fa ianao izao no tsy mahalala akory izay tranga tany ampiandohana any fa dia miandry ny ankizy hikarokaroka hono, rehefa assez intelligent ny AI hiverina any @ andron'ny big bang hitady ny marina dia hitehaka ho azy aho ary hiaiky fa diso tsy natoky azy, ok? Fa aleo aloha za hahatoky ilay tsy kiova mandrakizay ary efa teo talohan'ny big bang ka mandrampihavin'ny farany, tsy mino moa rhaj0, dia tsy misy mahatezitra fa Andriamanitra nanome safidy malalaka antsika ka tsy za no hanala izany.

153. rhaj0 ( 25/02/2020 13:45)
Dia mbola manindrahindra an'izao Israeliana mamiravira ny fiainan'ny Palestiniana izao foana ihany ry Gasy1zay.

TSy ny geopolitique-n'ny moyen-orient izay 100 na 200 taona lasa izay no halalinin-dry Gasy1zay, fa izao revirevy tontabe t@ l'an zero izao foana. T@ ireny ny Jiosy nataon'ny Romana nitsako vilona, dia mba maniry dia maniry izay olombe Jiosy taterin'ny Baiboly sy Torah ao hoe, hiverina ny Jiosy. Dia izay koa no bolokin-dry Gasy1zay tsy ampiheverana lava eto.

Nefa anie Jesosy, izay nitsinjo ny Jiosy namany, dia Jerosalema "vaovao" no nolazainy ee.. Mbo hainao ve ry Gasy1zay ny tiany tenenina @ io "vaovao" io? raha mbo mahay Jesosy ianao, dia mety mbo ho takatrao fa TSy eto an-tany ny resaka.

Fa dia henatra ho anao ry Gasy1zay. TSy vitan'ny mamitra ny resak'i Jesosy, bravo, fa manazinona ny Palestiniana, tena matesa faingana itena, hozy ny fiteny
154. gasy1zay ( 25/02/2020 14:50)
Exemple 3: ny faminanian'i Daniela (testamenta taloha) izay noconfirmen'i Jesoa dia hoe any @ farany ilay antichrist dia hiditra ao @ toerana masina indrindran'ny tempoly, tempolin'i Jesoralema io tesahina io, an 70 anefa dia noravan'ny romana ny tempoly

Fa ankehitriny kosa dia efa manana projet ny jiosy hanangana tempoly fahatelo , misy ireo candidat PM israeliana no manao propagandy fa raha lasa PM hono izy dia hifinance ny fananganana tempoly fahatelo ...

155. rhaj0 ( 25/02/2020 15:09)
Iza no aloha, ny akoho sa ny atody? TSY takatrao ve ry Gasy1zay fa namaky Torah ireto olona, dia ny ao no "tanterahiny"?

Dia ... fananganana tempoly fahatelo ... eo ambonin'ny vatana mangatsiakan'ny Palestiniana izany izy io an... Izay ve ilay compassion kristiana anareo ry Gasy1zay?

Dia ny giravy anie, dia ataon'ny Jiosy ary ho an'ny Jiosy sy YWVH ilay tempoly... sa tempolin'i Peter indray io ao @ imazination Gasy1zay ao?
156. gasy1zay ( 25/02/2020 15:50)

Tsy azon'i rhaj0 mintsy hoe faminaniana tsy maintsy tanteraka ilay izy na mampalaelo na tsia? Tsy maintsy hitsangana io tempoly fahatelo io satria izay ilay faminaniana ny @ farany
157. gasy1zay ( 25/02/2020 16:50)
Ity koa izao bisy faminaniana tsy maintsy tanteraka

Isaia 66 8 : est-ce qu'on a vu ou entendu une chose pareille? Est-ce qu'on peut mettre un pays au monde en un seul jour? Est-ce qu'on accouche d'un peuple d'un seul coup?pourtant Jerusalem l' a fait ...

Nisoratana hoavina io rhaj0? 600 talohan'i JK

Tanteraka hoavina io rhaj0? 14 Mai 1948

Azonao antsaina ve hoe nandritra ny firy taona tsy nisy firenena Israely teto antany fa ny jiosy dia niparitaraka tany @ zay nisy azy fa apatride? Fa nanao fanambarana ny firenena mikambana dia ny 14 Mai 1948 dia niforona ny firenena Israely satria izay ilay faminaniana 2600 taona lasa...
158. rhaj0 ( 25/02/2020 17:32)
[size=2]"...en un seul jour"?? Sa avadiky ry Gasy1zay indray io hoe, ny 1 andro @ Jesosy, arivoarivo andro @ olbln?[/size]

esy e ry Gasy1zay.. ampio velabelaro ihany hoe, inona aby koa no inoanao ao ry Gasy1zay? :-)
159. rhaj0 ( 25/02/2020 18:06)
Ato ange jereo ry Gasy1zay..

ka mitovy @ revinao ve ny an'i JV sa asan-devoly ny azy, satria izay TSY ao anaty baiboly, ka mitingintingina maminany, dia devoly ho an'ny Kristiana, satria miray amina zavatra na Andrmntra HAFA... izay ilay izy o???
160. gasy1zay ( 25/02/2020 18:19)
Ka rhaj0 mihevitra ny boky ho tonta nefa misy revelation ny tranga hatr@ izao isika miaina izao ary mbola milaza ny hoavy aza
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7552