Jesosy communiste miampy finoana

101. rhaj0 ( 19/02/2020 22:21)
Mba tsy hampasarotra ny resaka sy hanohizana azy, dia eny azany fa TSY raisina hoe, "nanandra-tena ho zanak'i YWVH I JK", na dia marina loatra azany io.

Fa kosa, ny marina, ara-tantara, izay noeken'i Gasy1zay koa, dia noampagain'ny Olombe Jiosy (mpisoronabe) ho "mitarika ny vahoaka hikomy" I JK.


Dia avy @ io, dia ahitsy kely indray ilay fanontaniana;

- INONA no idiran'ny nitranga t@ l'an 0 tao moyen-orient, dia I JK voampangan'ny mpisoronabe dia voaheloka ho faty fa nitarika fikomiana HONO,
- sy I Gasy1zay nanota dia afa-keloka, atao ohatra hoe, nangala-badin'olona t@ 2015?


Raha tsotsorina izany dia iza @ ireto hoe no mitombona:

a) noho I Gasy1zay nangala-badin'olona t@ 2015 no nahafaty an'i JK izay nitarika fikomiana t@ l'an 0

b) voafafa mialoha ny helok'i Gasy1zay nangala-badin'olona t@ 2015, satria I JK nitarika fikomiana dia nahantona t@ l'an 0

d) sa ahoana ny filazanao azy ry Gasy1zay, na koa, ahoana hozy ilay "FM-ao-@-Gasyz1zay" :-)
102. RBNIR ( 20/02/2020 02:03)
Izao no voasoratra momba ny fitsarana an'i Jesosy rhajo
« Ary rehefa nafatony Izy, dia nentiny ka natolony an'i Pilato governora. » (Matio 27:2)
« dia hoy Pilato taminy: Tsy renao va izany zavatra maro iampangany Anao izany? » (Matio 27:13)
« Koa nony tafangona teo ny olona, dia hoy Pilato taminy: Iza moa no tianareo halefako ho anareo? Barabasy, sa Jesosy, Izay atao hoe Kristy? » (Matio 27:17)
« Hoy Pilato taminy: Ka ahoana kosa ary no hataoko amin'i Jesosy, Izay atao hoe Kristy? Dia hoy izy rehetra: Aoka hohomboana amin'ny hazo fijaliana Izy. » (Matio 27:22)
« Ary raha hitan'i Pilato, fa tsy nahaleo ditra aza izy, fa vao mainka nandroso ihany aza ny tabataba, dia naka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan'ny vahoaka ary nanao hoe: Afaka amin'ny ran'ity Lehilahy marina ity aho, fa asa anareo. » (Matio 27:24)

Araka io dia i pilato no mpitsara, nefa i pilato tsy nahita heloka hiampangana an'i Jesosy fa saingy tsy nahaleo ny ditran'ny vaohaka i pilato dia voatery niampanga an'i Jesosy ihany...
Ny vahoaka (Jiosy tsy nino an'i Jesosy ho irak'Andriamanitra) no niray tetika hamono an'i Jesosy...

Tato izany conspiration izany no niainga

« Ary tamin'izany dia nivory ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona tao an-kianjan'ny tranon'ny mpisoronabe atao hoe Kaiafa. » (Matio 26:3)
« Ary niara-nihevitra izy hisambotra an'i Jesosy amin'ny fitaka ka hamono Azy; » (Matio 26:4)
« kanefa hoy izy: Tsy amin'ny andro firavoravoana, fandrao hisy tabataba amin'ny olona. » (Matio 26:5)

fitaka no nataon'ireo lohan-dohan'ny mpisorona ireo fa tsy misy zavatra marina akory

Làlam-pamonjena ho an'ny olona iny làlana nizoran'i Jesosy tamin'ny fahafatesana iny
Inona avy no mahazava-dehibe ny nahafatesany????

1- « Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin'ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an'ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin'ny asa tsara izany. » (Titosy 2:14)

2- Hanehoana amin'ny olona fa tena misy marina tokoa ilay fiainana mandrakizay fa tsy hoe lainga akory (hampiorina tsara ny finoan'ny kristiana).
« Fa raha tsy misy fitsanganan'ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana; » (1 Korintiana 15:13)
« ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo. » (1 Korintiana 15:14)

Fanazavana fanampiny : Titosy 2:14 ilay ràn'i Jesosy manana pouvoir manaisotra ny ota....

Izay no tsy vitan'ny ram-biby fahiny...

Ny ràm-biby dia ahazoana famelan-keloka (saingy mila averimberina satria miverimberina ny heloky ny olona) izay no mahatonga ilay fanatitra natao isan'andro..

Fa ny ran'i Jesosy kosa sady handraisana famelan-keloka avy amin'i Andriamanitra no mahavita manaisotra ny ota ao anaty ao....Izay no antony nahatonga ny ran'i Jesosy natolotra indray mandeha monja tsy mila averimberina isan'andro tahaka ny taloha.....
103. RBNIR ( 20/02/2020 02:20)
rhaj0:

a) noho I Gasy1zay nangala-badin'olona t@ 2015 no nahafaty an'i JK izay nitarika fikomiana t@ l'an 0

b) voafafa mialoha ny helok'i Gasy1zay nangala-badin'olona t@ 2015, satria I JK nitarika fikomiana dia nahantona t@ l'an 0

d) sa ahoana ny filazanao azy ry Gasy1zay, na koa, ahoana hozy ilay "FM-ao-@-Gasyz1zay" :-)

d) fampianaran'i Jesosy no hamaliako azy...
a+b) ny marina dia ity....
« Koa izany dia tahaka ny nidiran'ny ota avy tamin'ny olona iray ho amin'izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran'ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra; » (Romana 5:12)
« Fa raha ny fahadisoan'ny olona anankiray no nanjakan'ny fahafatesana noho ny nataon'ny anankiray, mainka izay mahazo ny haben'ny fahasoavana sy ny fanomezan'ny fahamarinana no hanjaka amin'ny fiainana noho ny nataon'ny Anankiray, dia Jesosy Kristy. » (Romana 5:17)
« Koa tahaka ny nahatongavan'ny fanamelohana ho an'ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan'ny fanamarinana ho amin'ny fiainana kosa ho an'ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray. » (Romana 5:18)
« Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan'ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan'ny Anankiray. » (Romana 5:19)

Vakio tsara ireo teny ireo fa misy fampitahana eo...
1 Niditra tamin'i Adama (olona iray) ny ota dia nahazo fanameloha ny olona rehetra ka samy voaozona ho faty avokoa (héréditaire ilay izay araka izany) izay no mahatonga ny olona rehetra mety maty ankehitriny....na dia Adama aza no nanota...Gen.2:17

2 Romana 5:19 « Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan'ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan'ny Anankiray. »
Io indray kosa no anjaran'izay mino an'i Kristy....tahaka ny nisy noho ny fahotan'i Adama ihany..Izay rehetra mandray an'i Kristy dia afaka amin'ilay toeran'ny ozona (afahana tsy ho mpanota intsony fa hamarinina indray kosa noho ny finoany sy ny fanarahany an'ilay Marina iray (dia i Kristy)

Ka io tsy mifidy fotoana fa rehefa mino an'izay ianao dia hamarinana indray kosa ary dia handova fiainana mandrakizay....

104. rhaj0 ( 20/02/2020 02:42)
RBNIR:
Ny vahoaka (Jiosy tsy nino an'i Jesosy ho irak'Andriamanitra) no niray tetika hamono an'i Jesosy...

Ny ràm-biby dia ahazoana famelan-keloka (saingy mila averimberina satria miverimberina ny heloky ny olona) izay no mahatonga ilay fanatitra natao isan'andro..

Fa ny ran'i Jesosy kosa sady handraisana famelan-keloka avy amin'i Andriamanitra no mahavita manaisotra ny ota ao anaty ao....

he izany fahendren'i RBNIR... :-) :-)

Dia ahoana ny tsi11 @ ireo re ry Gasy1zay?

Ilay rà na ràm-biby na ràn-Jesosy izany HONO manala ota izany, tahaka ilay sorona (saika) nataon'i Abrahama t@ (zanany) ondry

hi hi hi... nataoko fa ny rano (@ batisa) no manala ota.

Izhany eo ihany, fa raha fehezina iznay ny fahendren-dehiben'i RBNIR, dia hoe, "ny vahoaka no namono an'i Jesosy", hozy RbNIR. Dia rehefa latsaka ny ran'i Jesosy t@ io l'an 0 io, dia voaaisotra h@ otan'i RBNIR taty aoriana.

Ka raha ohatra koa izany hoe, nangala-badin'olona i RbNIR, fa t@ 2012 kosany, dia ... pouf... madio oououuuu :-)

105. RBNIR ( 20/02/2020 06:25)
rhaj0:

Ka raha ohatra koa izany hoe, nangala-badin'olona i RbNIR, fa t@ 2012 kosany, dia ... pouf... madio oououuuu :-)

Miankina amin'ny fotoana ibebahan'ny olona iray no hahazoany famelankeloka...

raha talohan'iny nangalarany vadin'olona izy tsy nahafantatra mihitsy hoe hanameloka azy ange izany ka nibebaka izy taty aoriana dia ho afaka ny helony, satria hotanterahin'Andriamanitra aminy ity teny ity...« Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka, » (Asan'ny Apostoly 17:30)

Fa raha efa nahafantatra tsara kosa izy fa ninia nanao dia ity indray kosa no miandry azy....

« Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony, » (Hebreo 10:26)
« fa fiandrasana mahatahotra amin'ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa. » (Hebreo 10:27)

Ka ny tena fahendrena aloha raha vao misy fahamarinana fantatry ny olona iray dia mila mibebaka aingana izy....amin'izay mandry tsara ny konsiansiny....
106. rhaj0 ( 20/02/2020 12:36)
Ahoana koa no TSY ahafantaranao fa ota ity mangala-badin'olona ohatra ry RBNIR. Ny Didy 10 efa nokaravasiana ho ao an-dohanareo h@ fony kely, koa hoe tsy nahafantatra mihitsy hoe hanameloka azy ange izany. Ntss... dia izay ve no mba fanamari-tenanao ry RBNIR aaa...

Fa izay eo ihany, fa ny mampivanaka ahy, dia hoe...
.. satria latsaka tatsy moyen-orient t@ l'an 0 ilay ran'i Kristy, dia nikimpy mafy tao I RBNIR t@ 2016 fa mibebaka HONO rahefa avy nangala-badin'olona t@ 2012, dia
pouh pouh pouh... afak'ota aaaa.. ary madio toa virijiny I RBNIR izao 2019 izao :-)
(oops... z'afady fa kay moa tsy RBNIR fa i Gasi1zay, ilay born-again no lasa virgin-again koa ;-)
107. gasy1zay ( 20/02/2020 14:25)

rhaj0:

Mba tsy hampasarotra ny resaka sy hanohizana azy, dia eny azany fa TSY raisina hoe, "nanandra-tena ho zanak'i YWVH I JK", na dia marina loatra azany io.

Fa kosa, ny marina, ara-tantara, izay noeken'i Gasy1zay koa, dia noampagain'ny Olombe Jiosy (mpisoronabe) ho "mitarika ny vahoaka hikomy" I JK.


Dia avy @ io, dia ahitsy kely indray ilay fanontaniana;

- INONA no idiran'ny nitranga t@ l'an 0 tao moyen-orient, dia I JK voampangan'ny mpisoronabe dia voaheloka ho faty fa nitarika fikomiana HONO,
- sy I Gasy1zay nanota dia afa-keloka, atao ohatra hoe, nangala-badin'olona t@ 2015?


Raha tsotsorina izany dia iza @ ireto hoe no mitombona:

a) noho I Gasy1zay nangala-badin'olona t@ 2015 no nahafaty an'i JK izay nitarika fikomiana t@ l'an 0

b) voafafa mialoha ny helok'i Gasy1zay nangala-badin'olona t@ 2015, satria I JK nitarika fikomiana dia nahantona t@ l'an 0

d) sa ahoana ny filazanao azy ry Gasy1zay, na koa, ahoana hozy ilay "FM-ao-@-Gasyz1zay" :-)


Izay mino fa Jesoa Kristy dia maty hisolo voina azy noho ny helony toy ilay zanak'ondry tsisy kilema natao sorona fahiny dia voavela heloka, ilay sorona nataony dia indray mandeha ihany ary hoan'ny olona rehetra mino na teraka t@ annee 0 ianao na 300 na 1200 na 2000, ity ilay zanak'ondrin'Andriamanitra izay manala ny fahotan'izao tontolo izao hoy Jaona. Ka tsisy jesoa kristy ho faty hoantsika en 2020 fa ny famonjena ho antsika dia efa vita 2000 taona lasa zay, fa io ilay hoe safidin'ny tsirairay ny hino na tsia, za aloha dia manambara hoe mino. Efa voadio aho ary lasa zanak'Andriamanitra tsy noho ny zavatra nataoko anefa fa noho ny finoako ny nataony ho ahy.
Amen
108. rhaj0 ( 20/02/2020 17:35)
Raha ny fahazoako azy izany, raha ny finoanareo (na ny imazination-nareo) dia "nanao sorona ny tenany" I Jesosy.

I Abrahama fahiny izany nahazo baiko avy @ YWVH handatsa-dra ny (zanany) ondry.
Fa I Jesosy kosa, satria izy (nanandra-tena ho) zanak'i YWVH, na akoriny azany, satria izy (nanandrana ny) tenany dia God/Dieu, dia Izy ihany izany no nanome baiko ny hilatsahan'ny rany HONO.

Dia rehefa vita sorona teo izy, latsa-dra teo, dia toy ny sorona any @ finoana (primitive) hafa rehetra ihany, dia "afaka-ho-azy-ny-ratsy-rehetra" HONO.

Ny sorona (primitive) hafa izao ohatra dia ny Joro ho antsika Malagasy. Latsa-dra ny Omby, ary dia "milamina" HONO ny tany.


Ka io izany, dia collateral fotsiny ilay mpisorona be tsy nanaiky ny maha-zanak'i YWVH an'i Jesosy, collateral fotsiny ny vahoaka Jiosy nihoraka hoe Hombohy, sy izay zava-nitranga hafa rehetra sady marina teo @ Tantara. Izany hoe, tsisy idirany na tsisy ifandraisan'ny vokatr'ilay sorona ireo collateraux (zava-nisy) ireo. Fa ny inoana (-n'ny Kristiana) fotsiny dia hoe:

| . [size=15]"nanao sorona ny tenany" I Jesosy, ary rahefa latsaka ny rany, dia
| . voafafa ny otan'ny olona rehetra izay mino an'izany na mino an'azy.
[/size]


Izay ve izany izy io ry RBNIR sy Gasy1zay?
Valio :-)
Jereo tsara io fa tena miezaka mafy mihintsy aho ny mba hahatakatra ny revinareo, fa tsy hoe manadrohadro fotsiny an... :-)
109. gasy1zay ( 20/02/2020 17:52)
Tsy afaka ho azy fa misy anjara ataonao:

1- miaiky fa mpanota ka mila ilay sorona ahazoana famelankeloka
2- vonona ny hiova

Ireo no atao hoe fibebahana

3- manaiky fa Jesoa ilay maty ho anao hahazoanao famelankeloka
4- manaiky handeha fiainambaovao ao @ Jesoa Kristy @ alalan'ny fitarihan'ny FM
5- vonona ny hitia an' Andriamanitra sy ny namana ( ton prochain) mbola ambanin'ny fitariha 'ny FM
6- manaiky ho ampiasain'ny Tompo amin'ny iraka mety ilainy anao, mijoro vavolombelona @ fisiany

I rhaj0 zao tsy mino satria tsy niasa teo @ fiainan'i rhaj0 izy

Za mino satria niasa teo @ fiainako izy, tsy bla bla ilay fiaidanana fa tena miaina izany aho, tsisy stress, tsisy aretina, tsisy fahatahorana corona virus, fahatahorana changement climatique sns...izy manome ahy(anay) izay rehetra ilainay
Ka na adalana eo imason'ny atheist aza izany tsy mampiova ny fifaliako(nay) miaraka aminy.


110. rhaj0 ( 20/02/2020 18:58)
Tena mbo tsy takatro mihintsy iny resaka "sorona" iny, fa tena hotry ny tsianjery boka ny fahenoako azy h@ izay, satria raha mampiasa coco, dia tena tsisy idiran'ny paiso @ vomanga mihitsy ilay latsa-dra@l'an.zero sy ny afak'ota@2020. na koa hoe, resaka Abrahama sy taloha izany, fa I Jesosy efa nivoatra. Fa izao izany vao mbo mazava amiko fa misaotra.

Danz be izany. Tena nataoko mihintsy fa mba mivoatra miolotra @ ireo finoana hafa (primitive) ny Kristianisma, ka mba rano (batisa) fotisny no hanalana ota, kay tena @ ifotony mihintsy, dia sorona-halatsa-dra no tena heriny, ary ilay "zanak'olona" mihintsy no nasiana (na namely tena).

Raha nanao sorona ny zanany koa izany ireo tao @ sivilizasiona tao Amerika afovoany sy atsimo, dia tsy hoe barbare sy tsisy fo na hoe dia adala-kondrana zareo, fa tena mbo mino toa ny Kristiana koa, fa io "sorona" sy rA alatsaka io anie ka mitondra soa (miampy conditions hafa).

Fa mahavariana ihany, fa ny Kristiana moa, rahefa mafanafana iny, dia manontani-tena HONO hoe,
"inona no ho nataon'i Jesosy raha izy no @ ity tranga ity"
Nefa efa 2000 taona izay, dia toa TSISY nanao sorona-halatsa-dra intsony ny olona nino Azy taty aoriana. Dia tena notsinontsinoavin'ny Kristiana mpanaraka an'i Kristy izany ny Fampianarana par l'exemple nataon'i Kristy.

giravy an.. giravy ee...
Fa hozy Hery hoe, Tsiky dia Ampy :-)
.. dia Ampy Portos, Portos RBNIR, RBNIR Gasy1zay :-) :-)
111. gasy1zay ( 20/02/2020 21:41)
Ka izay ilay izy rhaj0 a! Ny ran'i Jesoa no nalatsaka indray mandeha hoan'izay rehetra mino fa tsy mila sorona hafa intsony, izay no anton'ilay hoe ny fitiavana lehibe indrindra dia ny nanolorana ny aina hoan'ny sakaizany

Izay no antony hilazana hoe tia antsika Andriamanitra satria na dia mpanita aty @ xxem siecle aza isika dia efa maty ho antsika izy mba hahazoantsika famelankeloka raha mino isika fa Jesoa tokoa ilay zanak'ondrin'Andriamanitra maty ho antsika, tsy mila 1/10, tsy mila fanarahana lalan'i mosesy, fa finoana miampy fibebahana

Ianao izao rhaj0 na izao isika miteny izao ary no vonona ny hino dia hahazo famelankeloka ary dia horaisiny antanana ny fiainanao satria lasa zanany ianao.
112. RBNIR ( 20/02/2020 21:58)
rhaj0:

Ahoana koa no TSY ahafantaranao fa ota ity mangala-badin'olona ohatra ry RBNIR. Ny Didy 10 efa nokaravasiana ho ao an-dohanareo h@ fony kely, koa hoe tsy nahafantatra mihitsy hoe hanameloka azy ange izany. Ntss... dia izay ve no mba fanamari-tenanao ry RBNIR aaa...

Tahaka ny tsy fahafantaran'i rhajo ankehitriny ihany io hoe OTA be mihitsy ange ity fanoheranao an'Andriamanitra ity e....

fa enga anie hoy aho ka hahiratra alohan'ny fotoana ny masonao....
113. RBNIR ( 20/02/2020 22:02)
rhaj0:

| . [size=15]"nanao sorona ny tenany" I Jesosy, ary rahefa latsaka ny rany, dia
| . voafafa ny otan'ny olona rehetra izay mino an'izany na mino an'azy.
[/size]

satria efa voasoratra e!
« Ary saiky diovina amin'ny rà avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy rà alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka. » (Hebreo 9:22)
114. RBNIR ( 20/02/2020 22:22)
rhaj0:

Nefa efa 2000 taona izay, dia toa TSISY nanao sorona-halatsa-dra intsony ny olona nino Azy taty aoriana. Dia tena notsinontsinoavin'ny Kristiana mpanaraka an'i Kristy izany ny Fampianarana par l'exemple nataon'i Kristy.

Be dia be no efa nanara-dia an'i Kristy ireo mpianany fahiny an!
« Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. » (Jaona 15:13)

rehefa mahatratra ilay fitiavana lehibe tahaka an'i Jesosy ny olona iray dia mahavita ny nataon'i Kristy...
« Ary ny olona nitora-bato an'i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko. » (Asan'ny Apostoly 7:59)
« Ary mpivavaka tsara no nandevina an'i Stefana sady nisaona azy fatratra. » (Asan'ny Apostoly 8:2)
« ary raha nalatsaka ny ran'i Stefana martioranao, izaho koa dia mba nitsangana teo ka nanaiky sady nitandrina ny fitafian'izay namono azy. » (Asan'ny Apostoly 22:20)

Ireo apostoly koa dia maro no maty maritiora...

ary na dia ankehitriny aza dia mbola betsaka no maneho izany fitiavana lehibe izany ...

https://www.france24.com/fr/reporters/20150717-inde-chretiens-reportage-persecution-eglise-brulee-viol-video

Ny antony??? mba hahiratra ny mason'ireo mafy fo rehetra.....
115. rhaj0 ( 20/02/2020 22:31)
Ho an'izay mino Azy sy mino an'izany no mety (ao @ imazination-nareo ao manokana ao) izany ry Gasy1zay aa... Fa raha izaho aloha dia tena TSy mino an'izany hoe, nisy "sorona-latsa-dra" dia "mety-daholo-ny-zava-drehetra", na Jesosy io na Ny Omby natao Joro

gasy1zay:
...fa Jesoa tokoa ilay zanak'ondrin'Andriamanitra

Ity koa izao no tsy mety azoko mihintsy.
1- Rahoviana i Jesoa = Zanak'i YWVH
2- Rahoviana i Jesoa = God/Dieu

Tena tsy mitombona ireo fampimirana ireo raha tsy hoe: i God/Dieu dia zanak'i YWVH

Izay izany izy io ve ry Gasi1zay?
116. gasy1zay ( 21/02/2020 02:47)
ka tsy azon'i rhaj0 indray angaha ilay fanazavana hoe

Tenin'Andriamanitra tonga nofo = Jesoa

vakio Jean 1: traduction parole vivante :

1Aux origines, avant que rien n’existe, le Fils, expression de Dieu, était là. Il était face à face avec Dieu, étant lui-même Dieu.
2De toute éternité, donc, il était là, face à face avec Dieu.
3Tout ce qui existe a été créé par lui, absolument rien n’a pris naissance sans lui.
4La vie résidait en lui. Cette vie est la lumière de tout le genre humain.


Traduction français courant

Au commencement de toutes choses, la Parole existait déjà ; celui qui est la Parole était avec Dieu, et il était Dieu.
2Il était donc avec Dieu au commencement.
3Dieu a fait toutes choses par lui ; rien n’a été fait sans lui ;
4ce qui a été fait avait la vie en lui. Cette vie était la lumière des hommes.


Raha tsy takatry ny sainao ilay hoe Andriamanitra dia Fanahy dia tsy ho azonao mintsy ny fanazavana, fa averiko ihany hoe Andriamanitra dia iray saingy misy ny parole de Dieu (Jesoa) sy ny Esprit de Dieu ( Fanahy Masina) qui forment un tout izay antsoina hoe Jehovah/ seigneur / l'Éternel ao anaty baiboly

117. rhaj0 ( 21/02/2020 14:23)
Ilay hoe Jehovah aloha ry Gasy1zay, dia aoka hazava une fois pour toute fa I Yaveh, na I YWVH no tondroina eo.

Ka dia iverenako ilay fanontaniana, ampiako ny valinteny araka ny fahazoako azy:

1- Jesosy ve zanak'i YWVH ?

Raha ny fahazoako azy, dia ENY, I Jesosy dia ... zanak'i YWVH.
Araho ny context, fa t@ l'an 0, dia YWVH no nivavahana, ary ny mpisoronabe no eny ambony alitara. Ny controverse, dia
- I Jesosy dia nilaza fa Izy HONO no zanak'i YWVH (izay ilay hoe nanandra-tena)
- ny olona eny ambony alitara t@ l'an 0 dia TSY manaiky an'izany

Fa ny sintomina avy @ io, dia I Jesosy izany dia zanak'i YWVH
(na nanandra-tena izy na tena izay mihintsy dia tsy ilaina adi-hevitra akory)


2- Rahoviana I Jesosy = God/Dieu

RAha ny fahazoako azy izany, raha ny finoan'ny Kristiana sy Gasy1zay io ambony io, dia arak'ilay Trinite an'ny Kristiana IRERY ihany, dia ny lakile dia ilay "forment un tout" an'i Gasy1zay:
ka na ny Teny na Jesosy na ny Zanany na ny Rainy na ny FM dia mi-"forment un tout"

Ary io, dia tsisy dikany, na irrelevant, na t@ Jesosy tany ankibon'i Maria na izy vao teraka, na t@ Jesosy nivavaka nitalaho tamin-dRainy teny ambony Lakroa, na @ izao 2020 izao rehefa "miresaka" @ sasantsasany @ Kristiana I Jesosy, fa dia TSY mila miasa saina lojika sy ny sisa io, fa izao fotsiny no inoana:
ca forme in TOUT.


Izay izany izy io ry Gasy1zay?
RAha izay, dia misaotra fa mazava (amiko).
118. rhaj0 ( 21/02/2020 14:45)
rhaj0:
Ahoana koa no TSY ahafantaranao fa ota ity mangala-badin'olona ohatra ry RBNIR. Ny Didy 10 efa nokaravasiana ho ao an-dohanareo h@ fony kely, koa hoe tsy nahafantatra mihitsy hoe hanameloka azy ange izany. Ntss... dia izay ve no mba fanamari-tenanao ry RBNIR aaa...
RBNIR:
Tahaka ny tsy fahafantaran'i rhajo ankehitriny ihany io hoe OTA be mihitsy ange ity fanoheranao an'Andriamanitra ity e....

SAMY HAFA izany, satria izaho Atheist. Ary fantatro fa resa-kehy ny resaka God/Dieu ary dia io avoitrako io ny absurditE sy ny hadalana vokatry ny finoana izany.
TSY manohitra aho fa ... mivanitika. Toherina @ inona moa ny IMAZINATION be vata re ry RBNIR? :-)


Fa ianao ry RBNIR, kristiana voakaravasy didy 10 tao, dia mbola nangala-badin'olona t@ 2012, dia ny mba fanamarinan-tenanao RBNIR @ 2020, dia lazainao fa TSY fantatrao fa ota izany?

Dia tena mba heverinao fa paiso daholo izany olona ry RBNIR. Dia tandremo ho'a fa fantatr'ilay "ao ambony ao" ianao manazinona na olona na didiy 10 ao io HONO ee.. ao @ imazination-nao IRERY ao ihany no hoe afak'ota izany ianao ry RBNIR, fa ao @ imazination-n'ny hafa rehetra dia .. tena hahita ho'a ianao @ ora farany eee... :-)
119. rhaj0 ( 21/02/2020 16:59)
Ampiana kely iilay "forment un tout" arak'ilay Trinity na 3no1: misimisy ihany, hozy ny tsy mahay manisa, misimisy mihintsy ny Kristiana TSY mino ny 3no1

Ask Google: What religions do not believe in the Holy Trinity?
The largest nontrinitarian Christian denominations are The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints, Oneness Pentecostals, Jehovah's Witnesses, La Luz del Mundo and the Iglesia ni Cristo, though there are a number of other smaller groups, including Christadelphians, Christian Scientists, Dawn Bible Students, Living ...



rhaj0:

Ilay hoe Jehovah aloha ry Gasy1zay, dia aoka hazava une fois pour toute fa I Yaveh, na I YWVH no tondroina eo.

Ka dia iverenako ilay fanontaniana, ampiako ny valinteny araka ny fahazoako azy:

1- Jesosy ve zanak'i YWVH ?

Raha ny fahazoako azy, dia ENY, I Jesosy dia ... zanak'i YWVH.
Araho ny context, fa t@ l'an 0, dia YWVH no nivavahana, ary ny mpisoronabe no eny ambony alitara. Ny controverse, dia
- I Jesosy dia nilaza fa Izy HONO no zanak'i YWVH (izay ilay hoe nanandra-tena)
- ny olona eny ambony alitara t@ l'an 0 dia TSY manaiky an'izany

Fa ny sintomina avy @ io, dia I Jesosy izany dia zanak'i YWVH
(na nanandra-tena izy na tena izay mihintsy dia tsy ilaina adi-hevitra akory)


2- Rahoviana I Jesosy = God/Dieu

RAha ny fahazoako azy izany, raha ny finoan'ny Kristiana sy Gasy1zay io ambony io, dia arak'ilay Trinite an'ny Kristiana IRERY ihany, dia ny lakile dia ilay "forment un tout" an'i Gasy1zay:
ka na ny Teny na Jesosy na ny Zanany na ny Rainy na ny FM dia mi-"forment un tout"

Ary io, dia tsisy dikany, na irrelevant, na t@ Jesosy tany ankibon'i Maria na izy vao teraka, na t@ Jesosy nivavaka nitalaho tamin-dRainy teny ambony Lakroa, na @ izao 2020 izao rehefa "miresaka" @ sasantsasany @ Kristiana I Jesosy, fa dia TSY mila miasa saina lojika sy ny sisa io, fa izao fotsiny no inoana:
ca forme in TOUT.


Izay izany izy io ry Gasy1zay?
RAha izay, dia misaotra fa mazava (amiko).
120. gasy1zay ( 21/02/2020 18:32)
Hay ve ny temoin de jehovah koa isain'zareo ho kristiana e!

Mapme kosa anie nareo rhaj0 fa dia olona tsy mahalala akory ny atao hoe kristiana zany no asaina maka ny hevitry ny mino an'Andriamanitra mba hijerena hoe mifanipaka ve ny ambaran'ireto mpino dia avy eo afaka ambara fa tsy mitombina ny ambaran'izay milaza trinite?

Efa zavadehibe aloha refa mba mikarokaroka ao i rhaj0 mba miezaka manakatra zay takatry ny fahalalany sy ny ambaran'i google
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1093