Tena tsy mety azoko mihintsy

81. rhaj0 ( 06/02/2020 16:57)
Lalina be izy izany... tohizana rehefa avy eo, fa ao anaty fonosana fotsiny k'lou...

oops.. nataoko fa (manana endrika) olombelona ny Anjely, fa fotsy hoditra sy manan'elatra-na voromailala fotsiny
Dia nataoko fa (manana endrika) olombelona koa I Satana, fa mainty na mena hoditra sy manana elatra-na ramanavy fotsiny

Dia nataoko fa (manana endrika) olombelona koa I Andrmntra, ilay mpanjakan'ny mpanjaka hozy Gasy1zay io

Fa tena ahoana tsara k'lou tokoany izy ireo, mba itovizan'ny imazination @ resaka atao...


hi hi hi ... toa tena mila mampitovy ny tadi-dokanga @ imazination-nareo Kristiana aho izany k'le... :-)


Dia oviana (ao @ Baiboly) koa kay Izy no namorona ireo Anjely sy Demony sy Satana ireo? Talohan'ny namoronany an'i Adama?
82. gasy1zay ( 08/02/2020 09:50)
Tena tsy voasoratra anaty baiboly ny fotoana namoronana ny anjely sy satana ka aleo tsy mamaly sao manao fampianarandiso
83. rhaj0 ( 08/02/2020 15:20)
Dia nefa anie mitovy @ olmbelona ireto izy fa manan'elatra fotsiny ee...

sa IMAZINATION daholo fotsiny izany re ry Gasy1zay?

Tena itadiavo fampianara-marina ny @io ry Gasy1zay (sy RBNIR) fa tena mila mampitovy tadi-dokanga @ imazination-nareo kosa aho, mba hahazoako tsara ny fihevitrareo. Serieux an!...
84. rhaj0 ( 11/02/2020 17:31)
Esy e ry Gasy1zay..
Mbola ao ve ianao ee?...

gasy1zay - 06/02/2020 17:20 :
Eny ary e, aleo hazavaina indray fa tsy fidiny anareo ny tsy nahazo fampianarana feno

Za mizara maimaimpoana an!

Andriamanitra namboatra an'i Satana fa ...

gasy1zay - 08/02/2020 10:50 :
Tena tsy voasoratra anaty baiboly ny fotoana namoronana ny anjely sy satana ka aleo tsy mamaly sao manao fampianarandiso

mouah ah ha...

Ilay t@ Lakamisy 6 izany I Gasy1zay, izay born-again ary itoeran'ny FM, dia nampitenenin'ny FM, ka dia nizesta be hoe "hampianatra"

Fa ny Asabotsy 8 fotsiny, dia nihemotra toa lelo indray i Gasy1zay, fa TSY voasoratra ao anaty Baiboly indray HONO izany "fampianarana" vao nampitain'i Gasy1zay teo izany.


Dia ahoana izany ry Gasy1zay, namitaka anao ary nampiteniteny foana anao tao ve ny FM t@ Lakamisy???
85. gasy1zay ( 12/02/2020 03:00)
zay ndray rhaj0 ! mba nanisy precision za dia lazaina fa mandainga ndray! ny hevitro dia noforonin'Andriamanitra ny anjely ( satana ao anatiny) satria Andriamanitra mpahary izao tontolo izao izy saingy, tsy voasoratra mazava anaty baiboly ny mikasika izay
86. rhaj0 ( 12/02/2020 13:11)
eny azany ee...

[size=14]fa "hevitrao" Gasy1zay ve azany izany ilay izy, sa hevitr'ilay "FM ao aminao".[/size]

Tsy hoe manadrohadro anao ry Gasy1zay, fa io izao dia tena mila hanontaniana an'io foana ianao ry Gasy1zay, satria raha "ao aminao ny FM", hoz'ianao Gasy1zay, dia ny toa anay mbamin-dry RBNIR izany mila kaodikaody hoe. ngo dia mi-contredire an'ilay "FM-ao-@-Gasy1zay" ny tenabe..

Fa dia tena lelafin'ny saka ny faladianao ry Gasy1zay : ilazao mialoha rahefa ilay "FM ao aminao" no miteny, na hoe, dia eritreritrao Gasy1zay, anao samy irery ao ny resakao.
87. rhaj0 ( 05/03/2020 13:37)
Gasy1zay ve k'lou viavy ao ee?
Ngo dia ity Gasy1zay?
Sa I RBNIR io??

88. RBNIR ( 06/03/2020 06:57)
efa voavaly, tsy mahazaka ilay fampianarana tsy misy kilema izy izany.....
89. rhaj0 ( 09/03/2020 19:00)
Tsy mahazaka inona ilay Ikalakely io hozy RBNIR?

Nefa anie izy io tena hotsahotsan'ny mahazo fafiny @ ilay izy mihintsy ee..
ianao marina... :-)
90. RBNIR ( 10/03/2020 07:00)
Izany daholo no ataon'ny ankamaroan'ny olona,

tahaka ireto vehivavy fito ireto..

« Ary amin'izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; Fa izao ihany no angatahinay: Aoka hotononina amin'ny anaranao izahay, Ka afaho tondromaso » (Isaia 4:1)

Hoy izireo amin'ny Jesosy hoe...aleo mba izao ihany no ataonay Jesosy fa ilay fampianarana tsy misy kilema tena tsy mety aminay mihitsy fa rehefa misy mahita dia lazao ihany hoe kristiana foana ihany izahay....
91. rhaj0 ( 10/03/2020 12:47)
Esy e Ratiatsimpontsimpona Betsindrontsindroka RBNIR eee..

nanontaniako Ineny Gogola, dia TSISY idiran'izay resaka peta-toko ataonao RBNIR mihintsy io toko sy andininy io. Jereo kely anie eto ee...

https://biblehub.com/commentaries/isaiah/4-1.htm


io ho'a, aza heverinao RBNIR fa toa ny taloha tsy nipataloha izao, ka rahefa miteniteny avy eny ambony alitara, miaraka @ robe lava fotsy I RBNIR, dia mety foana ny toriteninao na dia tsisy ifandraisan'ny paiso @ vomanga azany.
Manontany an'Ineny Gogola fotsiny ny Ankizy, ary dia hivanitika @ hadalanao re ry RBNIR :-)
92. RBNIR ( 10/03/2020 13:29)
« Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Timoty 3:16)

Afaka mampiasa soratra avy amin'ny testameta taloha hitaizana ny kristiana ankehitriny....

Fanoharana no atao....mazava loatra tsy ho takatrao mihitsy satria ianao mbola tsy ao anatiny rhaj0 a!

« Ary dia nanatona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy? » (Matio 13:10)
« Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no navela* hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela**. [* Gr. nomena] [** Gr. nomena] » (Matio 13:11)

te hahatakatra v ianao??? midira amin'ny lalin-dalina aloha e!!!
93. rhaj0 ( 10/03/2020 17:12)
Mba miaiky aloha ry RBNIr fa nisavoana gaigibe ianao @ ilay Isaia 4:1.

Tena mba mila miaiky ianao ry RBNIR, fa ela lasa fomba ratsinao ary ataonao foana ity Ratiatsimpontsimpona Betsindrontsindroka ity. Vao eo no sirika, dia vao mainka ampiana-dRBNIR sy totofany tsindrotsindroka hafa koa ny resaka.

Sa tianao ho velabelariko eto ny @ Isaia 4:1, satria dia tena lozabe koa kay ny resaka ao io.
han?...
94. RBNIR ( 11/03/2020 08:26)
rhaj0:

Sa tianao ho velabelariko eto ny @ Isaia 4:1, satria dia tena lozabe koa kay ny resaka ao io.
han?...

Io indray i rhaj0,
Tsy azonao mihitsy v e? fanoharana hoy aho no nataoko...

Ary ilay fanoharana tsy ho takatrao mihitsy satria ianao tsy navela hahalala....
« Ary dia nanatona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy? » (Matio 13:10)
« Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no navela* hahalala ny zava-miafina ny amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela**. [* Gr. nomena] [** Gr. nomena] » (Matio 13:11)
« Fa izay manana no homena, ka hanana be dia be izy; fa izay tsy manana kosa, na izay ananany aza dia hesorina aminy. » (Matio 13:12)
« Ary noho izany dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy, fa tsy mahita; ary mandre izy, fa tsy mihaino, na mahalala. » (Matio 13:13)



Ka normal, tsy takatrao ilay izy fa ezahinao takarina dia lasa mivoana ny fandraisanao azy...
95. rhaj0 ( 11/03/2020 11:14)
rhaj0:
Sa tianao ho velabelariko eto ny @ Isaia 4:1, satria dia tena lozabe koa kay ny resaka ao io.
han?...
RBNIR:
fanoharana hoy aho no nataoko...

Efa amena sopapa ry RBNIr dia mba "manetry tena, dia mandeha mamaky ny fandalinana ataon'ny namanao Kristiana ihany. Averiko indray: ity jerena
https://biblehub.com/commentaries/isaiah/4-1.htm

Ny an'ilay RBNIR ity anie ny Baiboly dia anaovany "fanoharana" HONO.. Mampiady RIMA fotsiny no ataon'ilay RBNIR, fa ny hevi-dalina ao anaty Baiboly dia tena tsISY azony akory ary TSY azony mihintsy. Efa lazain'i Gasy1zay foana fa misy kronoloziany io, fa hhheee... tsimponin-dRBNIr ny atsy, tsindrohan'i RBNIR ny aroa, dia mibontsimbontsina ery i RBNIR hoe, izany HONO izy raha mahay-baiboly.

Ny toa anao ry RBNIR no manala baraka ny kristianisma, fa miteniteny foana sy mamilavila mamotika ny resa-baiboly fotsiny.

Dia tandremo ihany ho'a, fa efa siriky ny eto anie ianao io manao an'io ry RBNIR, mainka fa i bainina "ao ambony ao" aloha dia tena mino ho fa mangarika fotsiny..

Fa dia hahita ho'a ianao ry RBNIR @ andro farany eee.... :-)

96. RBNIR ( 11/03/2020 12:27)
Tsy raisina ara-bakiteny io....Isa4:1 io....

Fanoharana no atao...

Vehivavy = fiangonana
Lehilahy = Jesosy,
Hanina = tenin'Andriamanitra
Fitafiana = Fahamasinana

Misy fiangonana maro ankehitriny mitomany mafy mba hotononina ihany koa hoe kristiana nefa tsy mety mihinana ny hanina atolotr'i Jesosy (fampianarana tsy misy kilema) tsy mety mitafy ny fahamasinana (akanjo fotsy lava) fa mitomany mafy fotsiny hoe aleo mba hotononina hoe kristiana ihany ny tenanay na izany aza....
97. RBNIR ( 11/03/2020 13:18)
Izay aloha no nampianarin'i Jesosy fa tsy nampianarin'ny teolojiana, aoka hazava tsara an!!!
Na ianao hino, na ianao tsy hino...

Normal be raha tsy hino sy tsy handray ianao satria efa voasoratra hoe....

« Izay avy any ambony dia ambonin'izy rehetra; ary izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany, ka ny momba ny ety an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin'izy rehetra; » (Jaona 3:31)
« koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany. » (Jaona 3:32)
« Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra. » (Jaona 3:33)

Fampianarana avy any ambony io fa tsy mitovy amin'ny fampianarana ataon'ny teolojiana eto amin'izao tontolo izao...
98. rhaj0 ( 11/03/2020 14:39)
RBNIR:
Tsy raisina ara-bakiteny io....Isa4:1 io....

Fanoharana no atao...

Dia tena TSY asian-dry RBNIR consideration-ny ny tantara ao ambadik'ilay Tantara, fa ataony poezia ilay fitanterana ny zava-nisy tao.

Tsisy irahirahian-dry RBNIR ny kronolozian'ny resaka, ny contexte historique, sns... fa tonga dia mamboly ary mamoromporona befahatany "fanoharana" eo ambonin'ilay zava-nisy i RBNIR, dia izany HONO no atao hoe mahay-baiboly.


i RBNIR io izao dia isan'ilay miseho mahay-baiboly, ka raha vao mahita "vehivavy" nedala dia tonga dia lazainy fa "fiangonana" HONO no dikan'izany..
Tena tsy mampino ny hadalanan'ilay RBNIR :-)
99. gasy1zay ( 11/03/2020 17:55)
Tsy normal be zany ny tsy mino RBNIR fa tsy fidiny hoan'ny tsy mino raha nohanin'ny vorona ny tenin'Andriamanitra tokony ho azy ( parabole du semeur)
100. rhaj0 ( 11/03/2020 22:05)
RBNIR:
Tsy raisina ara-bakiteny io....Isa4:1 io....

Fanoharana no atao...
rhaj0:
Dia tena TSY asian-dry RBNIR consideration-ny ny tantara ao ambadik'ilay Tantara, fa ataony poezia ilay fitanterana ny zava-nisy tao.

Tsisy irahirahian-dry RBNIR ny kronolozian'ny resaka, ny contexte historique, sns... fa tonga dia mamboly ary mamoromporona befahatany "fanoharana" eo ambonin'ilay zava-nisy i RBNIR, dia izany HONO no atao hoe mahay-baiboly.

Ka @ io tantara ao @ Isaiah io izany, avy etsy @ ilay rohy itsy, dia rahefa cross-checker-n'ny mahay azy, izay kristiana/moslimo/jiosy, satria samy ao @ Bokin-dreo rehetra ireo ilay tantara ao @ Isaiah, samy ao @ baiboly/quran/torah, dia... t@ izany andro izany HONO:

- raikitra ny lagera, ary ripaka ny lehilahy.
[size=10]...when Pekah, son of Remaliah, slew in Judah a hundred and twenty thousand men in one day[/size]

- ary dia maro ny vehivavy tsy manana lehilahy ho vadiana sy iterahana
[size=10]... in the time of their wars with the Jews; in which were made such slaughters of men, that there were not enough left for every woman to have a husband; [/size]

- fanefa zareo dia mitady eee..
[size=10]...wherefore every woman sought to get a husband[/size]

- dia nefa ny mahazatra, dia rahefa mivady ireo, dia ny lahy no manome sakafo sy akanjo sns..
[size=10]... bread, and ... apparel ... used to be provided for wives by their husbands,[/size]

- dia hozy ireo vehivavy 7: tsY mila izay akanjo sy sakafonao zahay, fa zahay (viavy) ihany dia mahavita tena ny @ izany,
[size=10]... they (7 women) promise, in order to engage him to marry them, to provide food and raiment for themselves, by their own labour. [/size]

- fa kosa, ataovy hoe mivady isikana (mba iterahana), izany hoe, ampazahoy an'ilay izy fotsiny e..
[size=10]...only let us be called by thy name; let us be married to thee[/size]



Ka dia dada ka dadany anie ny tantara zava-nisy tena nisy t@ andron'i Isaiah izany an...



Dia izay ve ilay tantara rey olona, dia inona HONO no idiran'ny vehivavy=Leglizy @ izany re ry 'le adala sy kondrana 'reto... :-) ;-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1346