Tena tsy mety azoko mihintsy

21. RBNIR ( 20/01/2020 20:40)
rhaj0:

F'izany hoe, mety ho metimety kokoa tokoany indray anefa ny fiainany rehefa tsisy anao (sy ny fahamaizinantsainanao) ry RBNIR ..

Io no porofo fa manana fankahalana mpivavaka ianao (aminao dia maizintsaina sy tsy azo hiarahana ny mpivavaka)....efa manomboka mitsiry tsikelikely an! ny hiafaran'io hoy aho dia otran'ny ataon'i hitler...
Eto fotsiny izao dia efa tsapa sahady fa manomboka manao valy boraingina fa tsy miraisone tsara intsony (faly hanohitra ny dikany na ho any na tsy ho any dia lasa miteniteny foana)...
izaho mifanaraka tsara amin'ny fianakaviako (ray amandreny sy havana amantsakaiza...) tsy misy olona izay lafiny izay....
f
22. RBNIR ( 20/01/2020 20:44)
ny vadiko vao may lasa tia ahy nony nivavaka aho :-)
23. RBNIR ( 20/01/2020 20:47)
i rhajo ange no mihezaka manaratsy mpivavaka eto fa ny tena fiainan'ny mpivavaka tsy fantatrao akory e!
Imagination ny anao no betsaka fa ny réel hoy aho tsy misy fantatrao....

Ny tena mpivavaka rhajo tsy manana fahavalo olona a! na iray aza!!! ny fahavalony dia voalaza fa eny amin'ny rivotra fa tsy olona mitovy aminy...

ny mahatonga anao ankahala mpivavaka dia satria efa voasoratra izany (izay voasoratra tsy maintsy tanteraka)...
24. rhaj0 ( 21/01/2020 13:25)
rhaj0:
F'izany hoe, mety ho metimety kokoa tokoany indray anefa ny fiainany rehefa tsisy anao (sy ny fahamaizinantsainanao) ry RBNIR ..
RBNIR:
Io no porofo fa manana fankahalana mpivavaka ianao (aminao dia maizintsaina sy tsy azo hiarahana ny mpivavaka)....

Raha hoy ianao RBNIR hoe, olona tsy "maizintsaina sy tsy azo hiarahana" ny olona mpanao toa ity sary ity, na koa, olona manamarina ny ataon'ilay @ ity sary ity, dia .. .voninahitra ho anao ry RBNIR aaa... satria ianao RBNIR dia nanamarina @ soratra masina ny nataon'ilay tsivanona io @ sary io.



Ny fahitako azy, dia i RBNIR no "maizintsaina sy tsy azo hiarahana", ka hoy aho hoe, soa @ vadin'i RBNIR ny andaozan'i RBNIR azy, sy ny ilafihan'i RBNIR any @ HRNRN any.

Dia i RBNIR ho'a no tondroina, fa tonga dia akapok'i RBNIR ho ny "mpivavaka" rehetra koa no "maizintsaina sy tsy azo hiarahana" to an-dRBNIR..

Fa mety marina k'lou ny anao ry RBNIR aa... Dia izaho indray ve no hi-contredire anao :-)
25. RBNIR ( 21/01/2020 13:36)
Dia tena hita marina hoe tsy "impartial" ny atheiste (tia tena tsy manana fahamarinana tsy juste ) raha izao ataonao izao...

Aiza ka lehilahy 2 no mifanaraka hanao duel dia rehefa mitady ho resy ny iray ka miditra ny vadiny dia modian'i rhajo tsy hita akory fa hoe aleo izy hiaro ny vadiny e!

Ka izay no mahaAndriamanitra MARINA AZY E! rehefa tsy marina dia tsy marina fa tsy hoe.....

« Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy. » (1 Jaona 3:7)

Ka olona "juste" v ianareo ao rhajo sa olona manao ahoana a? (toa momba ny tsy marina ny fahitako azy eto mantsy....
26. rhaj0 ( 21/01/2020 13:59)
1 Timoty 2:12 no @ sary, fa ilay Deoteronomia no resahin'i RBNIR.
SurmenE ve ry RBNIR a? :-)
27. RBNIR ( 21/01/2020 14:09)
Ka efa nazavaina raha ilay 1 Timoty.2:12 normal be io hoy aho lalanan'ny natiora io sady i Adama no talohan'i Eva (fa ilay sary koa aloha exagéré B e!!! IZAY ILAY HOE FANARATSIANA!!!
28. rhaj0 ( 21/01/2020 14:21)
exagéré @ ahoana ry RBNIR aaa... ianao ve tsy mba mamaky vaovao eraky ny interinety e??

Koa na kisarisary (au figuré) koa azany io, hoe "ampanginina" ary anaovana "tsindry hazo lena" ny Vehivavy, dia mbola amarininao @ Soratra Masina koa izany "fahamaizinan-tsaina" izany ry RBNIR??

Dia aza akapoka ho ny Mpivavaka rehetra koa ho'a no "maizin-tsaina" sy "tsy azo iaraha-monina" toa anao ry RBNIR aa... Betsaka ny Kristiana no efa misoka-tsaina be mihintsy ny @ io, ary betsaka ireo Katolika no mangarika fotsiny rehefa mimenomenona ao ry Benoa, fa ny ataony ihany no ataony.
29. RBNIR ( 21/01/2020 14:43)
rhaj0:

exagéré @ ahoana ry RBNIR aaa... ianao ve tsy mba mamaky vaovao eraky ny interinety e??

ka tsy hisy kristiana hanao otran'io sary io raha tsy hoe kristiana ambavany fotsiny angamba e!

Sary entina hanaratsiana ny kristiana fotsiny io amiko...

« Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja* ny lahy. *[ Gr. hatahotra] » (Efesiana 5:33)
« Ary toy izany koa, ianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin'ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoavan'ny fiainana,- mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo. » (1 Petera 3:7)
30. rhaj0 ( 21/01/2020 15:28)
Mbola "kristiana" ihany ny "kristiana ambavany" ry RBNIR, fa inona koa azany ity RBNIR mitsaratsara olona ity.
Ataovy ao foana ho'a, f'angaha tsy sirik'i Bainina "ao ambony ao" ity toetranao ry RBNIR :-)
Ary aza miala @ Timoty ry RBNIr fa inona koa azany ity lasa mitsindrotsindroka resaka hafa ity indray.


Azo raisina ho "kisary" (caricature) ilay izy ry RBNIR, ary dia marina loatra, fa tena fetahin'ny Kristiana (SASANY), violence verbale, toa io ny Vehivavy (kristiana), "ampangininy ary anaovany tsindry hazo lena", ary izany dia amarininy @ Soratra Masina.

Ary I RBNIR mihintsy no "nanamarina t@ Soratra masina" teto @ serasera teto ny "fahamaizinan-tsaina" asehon'ny kisary io.
NObitsihan'i JEsosy HONO I RBNIR mna anao propagandy ny violence verbale eto io.

31. RBNIR ( 22/01/2020 06:09)
Otran'izao no tena zava-misy ankehitriny.

Ireo atheiste ireo dia manana ny filany (filan'ny nofo) ary ny manjaka amin'izao fotoana izao dia ny LGBT ny ankamaroan'ny atheiste dia saiky membre actif ao daholo fa miala tsiny an'izay voakasika aloha fa zava-misy io) ianao izao rhajo teto efa nanonona olona manana toerana ambony anankiray ao canada ao porofo mivaingana manamarina izany voalazako izany....

Io no arovany mafy sy tiany aorina sy hanjaka mafy dia ny fivavahana (ny kristiana indrindra indrindra satria ny kristiana moa no nampianarina tsy hanao toy izany satria fahavetavetana eo imason'i jehovaha izany Lev.18:22) no hezahiny haratsiana etsy sy eroa raisina ny teny anankiray dia iny no hitarina sy aolana ary exagérena (otran'io amin'ny sary nozarainao io) araka izay tiany hahatongavana mba ho tonga ratsy eo imason'ny olona....
Ampiasaina daholo izao karazana filozofia (kol.2:8) rehetra izao entina hanaporofoana fa diso ny fivavahana kristiana e! sns sns....

Ka io hoy aho raha kristiana tsy miorina tsara (tena misy izany tsy lavina) dia voafitaka sy voataona...fa raha kristiana tena ao tsara kosa aloha dia mampalahelo raha sanatria ka lavo e!

« Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo. » (1 Korintiana 10:12).....

32. RBNIR ( 22/01/2020 08:01)
rhaj0:

NObitsihan'i JEsosy HONO I RBNIR mna anao propagandy ny violence verbale eto io.

Ilay izy tsy hanao violence verbale, na koa hampihorohoro, fa toy ny olona mpilaza toe-trandro io...

Ho avy ny cyclone dia tsy maintsy hambara ny olona na mafy na ho mora ny fihainoan'ny olona izany..;

Ary dia atoro ny olona ny tokony hataony mba hamonjena azireo tsy hotratran'ny loza...

Ao anatin'izany dia tsy afenina ny marina fa na inona na inona mety ho fandraisan'ny olona azy dia aleo lazaina toy izay afenina....

Fa mino aho fa raha tena olona manana fahendrena hisaotra izy fa tsy hanome tsiny....
33. rhaj0 ( 22/01/2020 16:18)
Ny Atheist re ry RBNIR dia raha ny fahatakarako azy an'orona eto fotsiny, dia... rehefa miaina anaty fiaraha-monina ianao, dia mi-vivre sy mi-laisser vivre, mifandefitra, atero ka alao ny fiainana ary (aza) ataovy izay (tsy) tianao atao aminao, manaja ny maro an'isa, fa koa miaro ny vitsy an'isa, manaja ny lalanan'ny fiaraha-monina misy, ary indrindrindrina, izany rehetra izany dia miorina @ fanadihadiana, fihainoana sy fitadiavana porofo (Siansa) ... ary mitady ny ihatsaran'ny fiarahana miaina eto @ ity TAny ity.

Koa raha ny @ LGBT ohatra, satria olb toa ny olb rehetra ihany zareo, dia manana ny zony ary dia hajaina ny safidiny sy fitoetrany ao; mila arovana sy ampiana zareo, satria misy manao tsinontsinona ny aminy.
34. RBNIR ( 23/01/2020 05:33)
rhaj0:

ary mitady ny ihatsaran'ny fiarahana miaina eto @ ity TAny ity.

Dia aza gaga ianao raha tsy mety azonao mihitsy ilay izy satria efa voasoratra ny hoe...

« Izay avy any ambony dia ambonin'izy rehetra; ary izay avy amin'ny tany dia avy amin'ny tany, ka ny momba ny ety an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin'izy rehetra; » (Jaona 3:31)
« koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany. » (Jaona 3:32)
« Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra. » (Jaona 3:33)
35. rhaj0 ( 23/01/2020 12:13)
Nareo izany ry RBNIr dia karazan'ilay kristiana TSY mba "mitady ny ihatsaran'ny f(iarahana m)iaina eto @ ity TAny ity" fa izao "any an-danitra" izao foana ary izao IHANY no ventiventesina.

NEfa anie katsentsitra be tsy an-kenatra ry RBNIR rehefa mampiasa ny zavatra notadiavina dia hitan'ny olona izay "nitady ny ihatsaran'ny f(iarahana m)iaina eto @ ity TAny ity" eee...

Maninona ho'a TSY mba manaja ny finoanao toa ireo Amish ianao ry RBNIR, dia TSY mikatsentsitra ny internety sy ny lelekitrisitia, fa ireo anie ka asan-devoly HONO eee... zahavo fa ao @ Apokalipsa mihintsy no miteny an'izany HONO, hozy ry Amish.
36. RBNIR ( 23/01/2020 12:23)

rhaj0:

Nareo izany ry RBNIr dia karazan'ilay kristiana TSY mba "mitady ny ihatsaran'ny f(iarahana m)iaina eto @ ity TAny ity" fa izao "any an-danitra" izao foana ary izao IHANY no ventiventesina.

NEfa anie katsentsitra be tsy an-kenatra ry RBNIR rehefa mampiasa ny zavatra notadiavina dia hitan'ny olona izay "nitady ny ihatsaran'ny f(iarahana m)iaina eto @ ity TAny ity" eee...

Maninona ho'a TSY mba manaja ny finoanao toa ireo Amish ianao ry RBNIR, dia TSY mikatsentsitra ny internety sy ny lelekitrisitia, fa ireo anie ka asan-devoly HONO eee... zahavo fa ao @ Apokalipsa mihintsy no miteny an'izany HONO, hozy ry Amish.

Tsy hoe tsy mba mitady....fa Jesosy efa nampanantena hoe....

« Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo? » (Matio 6:26)
« Ary iza ao aminareo, na dia manahy aza, no mahay manampy ny andro hiainany* na dia kely monja** aza? [* Na: Ny halavan'ny tenany] [** Gr. Hakiho iray] » (Matio 6:27)
« Ary nahoana no manahy ny amin'ny fitafiana ianareo? Diniho tsara ny fanirin'ny voninkazo* any an-tsaha; tsy mba miasa na mamoly ireny;[*Karazan'ny lilia] » (Matio 6:28)
« nefa lazaiko aminareo fa na dia Solomona tao amin'ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin'ireny. » (Matio 6:29)
« Ary raha ny ahitra any an-tsaha, izay any ihany anio ka hatsipy ao am-patana rahampitso, no ampitafin'Andriamanitra toy izany, tsy mainka va ianareo, ry kely finoana? » (Matio 6:30)
« Dia aza manahy ianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay? » (Matio 6:31)
« Fa izany rehetra izany dia katsahin'ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. » (Matio 6:32)
« Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Matio 6:33)


Izaho tena mino tanteraka fa ambony lavitra noho ny vorona aho eo anatrehan'Andriamanitra...

Noho izany tsy tokony hamakiko loha be ny ety antany fa mino aho fa "tsy maintsy" homeny ahy izay tokony ho anjarako ety an-tany...

Be dia be ireo toky nataon'Andriamanitra mikasika izany....

« Izao no lazan'i Jehovah ny Iray Masin'ny Isiraely, dia ny namorona azy: Ny amin'ny zavatra ho avy no anontanio Ahy; ary ny zanako sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany. » (Isaia 45:11)


« Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara, » (Marka 10:29)
« ka tsy handray zato heny amin'izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin'ny fanenjehana-ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay. » (Marka 10:30)

Amiko, raha ny eto antany dia efa milamina fa ny tena mahamaika ahy dia ny any amin'ny fiainana mandrakizay....satria raha very aho dia tsy misy dikany akory izay tsara rehetra niainako tety (tsy ho tsaroko akory izay maminy rehetra)...

« Fa inona moa no soa ho azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy? » (Matio 16:26)



37. RBNIR ( 23/01/2020 12:24)
izaho tena manaja tanteraka ny finoana sy ny tsy finoan'ny sasany an!

Mihezaka mampahafantatra ny marina fotsiny aho fa rehefa tsy hanaraka moa izy atao akory e!

Azy ny azy...
38. RBNIR ( 23/01/2020 12:53)
rehefa mivavaka tsara re ianao rhajo dia omeny ho gadoa ho anao ny eto an-tany a!

Fa tsy azo avadika fa hoy i Jesosy hoe « Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Matio 6:33)

39. rhaj0 ( 24/01/2020 01:54)
Hay "mivavaka tsara" fotsiny indray izy io dia "mahazo gadoa" an... hozy RBNIR

F'angaha Tsy hoe, tsy maintsy manaraka ny lalAna, sy manaja ny Baiboly indray ilay izy?

Ny Amish izzao mahita fa ny lalAna arahina, dia manaja ny fomba fiaina taloha, ary dia TSY mampiasa izay (asan-devoly) tsy ao anaty Baiboly ao, toa ny lelekitrisitia sy ny tolabila ary ny interinety.

Dia mbo aiza ho aiza ianao @ izany re ry RBNIR..

Tena ao @ imazination-n'ny Amish izao, dia (ny karazany) ianao RBNIR io indrindra no tena mendy voalohany any @ Afobe. Satria ianao Kristiana, niniana t@ fanekem-pinoana, nefa... dia nefa nefa foana ho'a ee..

Dia tena hihinan'ny tadi-kiraronao mihintsy ho'a ianao ry RBNIR @ ora farany, fa dia ... ao ianao izany eee :-)
40. RBNIR ( 24/01/2020 05:03)
rhaj0:

Hay "mivavaka tsara" fotsiny indray izy io dia "mahazo gadoa" an... hozy RBNIR



« Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny.. » (Jaona 9:31)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7753