lozan'olona

21. rhaj0 ( 06/01/2020 01:59)
Ny Korintiana sy ny Asan'ny Apostoly k'lou ry RBNIR, dia na averimberinao faha-100 faha-1000 eto, dia mbola averiko foana koa fa i Paolyno nano(ratsora)tra azy.

Ary dia mbola averina foana fa i Paoly no manamarina ny resa-Paoly, ary tonga dia nosavihan'i Paoly ny anaran'i Jesosy, dia lazainy fa Jesosy no niteny an'izao sy izao, nefa efa fantatra fa TSY mpianatr'i Jesosy i Paoly, ary fony fahavelon'i Jesosy, dia tsy ao anaty lalao akory i Paoly.


Ka dia asakasakao ry RBNIR aa... Resa-Paoly ve no arahinao sa revin-Jesosy ry RBNIR?

Hita fa narianao RBNIR any an-jaoridira ny hafatr'i Jesosy hoe, "Ataovy MAIMAIM-POANA rehefa mitory".

Efa hay izao fa ianao dia i RBNIR Pauline... tsara ho anao izay :-)



Ilay tantara ao @ Lioka 10:7 notsindrohan'i RAbetsindrotsinroka RBNIR indray, dia zohio tsara ny andininy talohany sy taorianan'io 10:7 io, fa TSISY nilaza mihintsy hoe, mandehana kapao ny 1/10-karenan'ny olona. Ny voalaza ao, dia rahefa "mitory" any @ izay alehany any ireo voahiraka, dia miroso ao @ tanàna, ary mandray izay aroson'ny olona (sy koa, mampitahotra raha tsy mandroso ny olona).

Fa mazava beuh, fa TSISY nilaza mihintsy hoe, institutionaliser-o ilay fitsentsefana ny 1/10-karenan'ny olona, fa ny voalaza dia hoe, raiso fotsiny izay aroson'ny olona.

Toa ny Malagasy mandray vahiny ihany io. Tonga ianao mandalo, dia aroso sakafo fa vahiny.


Sa moa... i RBNIR manana fisainana (te-ho) colon, ary tonga dia kapohin-dRBNIR ny hetra 1/10 ireto olona mba mandray an'i RBNIR Pauline ao?? Satria izay hozy ilay Dogma (resa-Paoly)???


Ataovy ao foana ho'a ry RBNIR aa... TSy vitan'ny efa sirik'i Bainina "ao ambony ao" ho'a ianao manambaka sy manindry ny olona ao, fa mbola tsy an-kenatra, ampianao kabary amitahanao ny hafa dia anamarinanao tena, ary dia narianao RBNIR any an-jaoridira ny hafatr'i Jesosy hoe, "Ataovy MAIMAIM-POANA rehefa mitory". .


Efa hain'ny olona eto koa ny aminao ry RBNIR, fa dia ao ianao izany ee... :-)
22. RBNIR ( 06/01/2020 06:32)
1 Raha ny fikarohana nataon'ireo mpahay baiboly taloha dia i Lioka (tany ho any amin'ny taona 80-90 tany ho any hoy ireo mpanao fikarohana) no nanoratra ny asan'ny apostoly fa tsy i paoly....

https://lmgtfy.com/?q=qui+a+%C3%A9crit+l%27acte+des+ap%C3%B4tres

Ary ny zavatra hita ao amin'ny baiboly koa dia manaporofo fa tsy i paoly no nanoratra ny asan'ny apostoly satria ireo epistily rehetra nosoratan'i paoly dia hahitana ny soniany avokoa:
Sonian'i paoly = rehefa mamarana epistily izy dia tsy maintsy manonona ny fahasoavan'ny Tompo hatrany ho an'ireo mpino (Ho aminareo anie ny fahasoavan'i JEsosy Kristy na ny mitovitovy amin'izay....)

2 Ankoatran'ilay ao amin'ny asan'ny apostoly 9 dia i petera (iray tamin'ireo apostoly 11 lahy) koa dia nanamafy fa afaka raisina tsara mihitsy ireo epistily nosoratan'i paoly izay nohamafisiny fa rahalahy malala....
« Ary ny fahari-pon'ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr'i Paoly, rahalahy malalantsika, taminareo koa araka ny fahendrena nomena azy, » (2 Petera 3:15)


3 momba ny 1/10 indray dia teto i Jesosy no nanamafy fa tokony mbola atao tsara mihitsy ny 1/10 ....Raha olona mahay grammaire tsara (averiko tsara ihany anefa mahay grammaire tsara) dia manaiky fa marina tokoa fa niteny Jesosy teto hoe tokony natao marina tokoa ny 1/10 saingy tsy tokony hadino ihany koa ny famindra-po sy ny rariny ary ny finoana...

« Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina* ianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin'ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.[*Anaran-java-maniry ireo] » (Matio 23:23)

Ary mitombona foana io na dikan-teny inona na inona vakianao

https://saintebible.com/matthew/23-23.htm

4 Tsindro kely fa ao amin'ilay lio.10:7 dia tena karama mihitsy no resaka ao.....izay no nahatonga ahy hanazava kely hoe inona ilay karama ho an'ny olona tahakan'izany raha ny baiboly no vakiana .....valiny ny karama nomen'Andriamanitra ny olona tahaka an'izany (tsy miasa intsony na mihary ho an'ny tenany intsony fa Andriamanitra no mamelona azy dia ny 1/10.....satria ny fiainan'ireny olona ireny 100/100 dia voatokana ho an'Andriamanitra)

Baiboly no nentina teto fa tsy namorona an!!!!

Farany : ny 1/10 dia tsy hoe takiana otran'ny fitakiana hetra fa ilay olona no manao ny kajy mangina any aminy any ary dia ateriny tahaka ny manatitra rakitra rehetra ny 1/10....
Izany hoe ny konsiansin'ilay olona no dinihin'Andriamanitra ary tsy misy afaka hanamarina mihitsy hoe diso sa marina ilay narotsany fa Andriamanitra irery ihany no mahafantatra....
Ny anjaran'ny mpitondra fivavahana dia ny mampahafantatra fa didy mbola tokony hotanterahana izany .....dia anjaran'ny tsi11 no manantanteraka na tsia.....(libre arbitre io fa dia anjaran'ny tsi11 rhajo a!!!
23. rhaj0 ( 06/01/2020 13:17)
Na ino fanamarinanao eo ry RBNIR, dia ataovy lavabe mihintsy fa tsisy hamaky akoriny, satria dia EFA mazavabe fa:
narianao RBNIR any an-jaoridira ny hafatr'i Jesosy hoe, "Ataovy MAIMAIM-POANA rehefa mitory".


Dia na marina azany izay demonstralatation-nao ao ry RBNIR, dia vao mainka bravo, fa no-demontrer-ndRBNIR koizany fa I Jesosy anie ka vilam-bava, hozy RNBNIR, satria
- androany Izy miteny hoe "MAIMAIM-POANA",
- dia rahampitso indray Izy miteny hoe "kapao @ 1/10-karenany"

Tsara fa tohizo foana ry RBNIR aaa... voninahitra anie ho an'ny kristianisma
bravo RBNIR :-)
24. RBNIR ( 06/01/2020 14:00)

rhaj0:

Na ino fanamarinanao eo ry RBNIR, dia ataovy lavabe mihintsy fa tsisy hamaky akoriny,....

ka efa izay izany koa tsy hamaky akoriny ianao....ka inona no mbola hanohizana azy indray????

Fa ny ankizy madinika otran'ny namaky tsara ihany an! ianao ihany sisa no otran'ny efa....

25. rhaj0 ( 06/01/2020 16:41)
ok ok azany eee... Ka mba niezaka foana ihany aho, fa tena mahakivy ary tena mankaleo be mamaky an'le resakao ry RBNIR aaa... f'hotry ny dia apetapetaka miaraka eo fotsiny ny resaka notsindrotsindrohan-dRBNIR tetsy sy teroa. Aiza nama ka, tsimponina atsy @ Korintiana ohatra, dia hoe, justema, miady rima @ nolazain'i Lioka taroa, nefa ilay tantara anankiroa tena mifanalavitra dia mifanalavitra..

Fa tohizo azany fa izaho irery no tsy mamaky izany ee... efa ho misy an-jatony na akoriny aza an'arivony no niverimberina teto izao, fa dia .. tsara fa tohizo azany ry RBNIR aa ....
Hi hi hi... zarany azany ianao ry RBNIR mamelabelatra ny hadalana(re)o eto :-)

26. RBNIR ( 07/01/2020 05:30)
rhaj0:

ok ok azany eee... Ka mba niezaka foana ihany aho, fa tena mahakivy ary tena mankaleo be mamaky an'le resakao ry RBNIR aaa... f'hotry ny dia apetapetaka miaraka eo fotsiny ny resaka notsindrotsindrohan-dRBNIR tetsy sy teroa. Aiza nama ka, tsimponina atsy @ Korintiana ohatra, dia hoe, justema, miady rima @ nolazain'i Lioka taroa, nefa ilay tantara anankiroa tena mifanalavitra dia mifanalavitra..

efa noporofoina teto fa raha hitady ny marina ny olona iray dia ao amin'ny baiboly ihany no misy ny fahamarinana satria io no teny avy amin'Andriamanitra.

« fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; » (2 Petera 1:20)
« fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. » (2 Petera 1:21)

« Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana. » (Jaona 17:17)

« Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Timoty 3:16)

Mihezaka mamaly anao araka ny voasoratra ao anaty baiboly ny tenako...

Ohatra mametraka olana aminao (sy ireo olona tahaka anao) ny boky nosoratan'i paoly dia nentiko teto ireo tenin'Andriamanitra manaporofo fa azo raisina tsara ny epistily rehetra nosoratan'i paoly

Olana aminao ny voasoratra ao amin'ny asan'ny apostoly satria noeverinao fa i paoly no nanoratra azy??? nentiko teto ny porofo fa tsy paoly fa i lioka no nanoratra izany....


Olana amininao ny 1/10???
Nentiko teto koa ny porofo fa ny 1/10 dia notenenin'i Jesosy (Mat.23:23) fa tena tokony hatao marina tokoa (mila mianatra grammaire kely fotsiny dia azonao tsara ny teny)...

Nazavaiko teto ihany koa fa ny 1/10 dia solokarama omen'Andriamanitra ho an'ireo olona voatokana hanao ny asany (tsy mahazo miasa na mihary ho an'ny tenany intsony ireny olona ireny fa 100/100 miasa ho an'Andriamanitra)....

Farany nazavaiko koa fa libre arbitre ny fandoavana ny 1/10 fa adidin'ny mpitondra fivavahana kosa ny miteny amin'ny mpino fa tena mbola tandremana ny didy momba ny 1/10....

Ka tsy azoko hoe inona no tokony hankaleo amin'izany??? mamaly ny fanontaniana sy ny olana eo aminao aho araka ny voasoratra anaty baiboly???

Ny olana tsapako aminao rhajo dia ity....te hanamarina ny convictionao ianao, ka raha vao misy teny anankiray na maromaro manozongozona ny fotokevitrao dia sorena ianao....Izay no tsapako....

Ny tena marina anefa na hino ianao na tsy hino, tenin'Andriamanitra hoy aho ny baiboly, ary tsy izaho no mamaly anao fa Izy ary izay no mahatonga anao sahirana...Izaho ange fitaovana fotsiny hoy aho e! ampiasainy aho hanavotana sy hamonjena ny olona tahaka anao....
27. gasy1zay ( 07/01/2020 15:05)
Raha ny fahitako azy dia i rhaj0 dia tratrin'ny orgueil intellectuo-spirituel dia tsy zakany hoe misy olona tsy mitovy hevitra aminy mikasika an'Andriamanitra, ny baiboly, fivavahana, siansa, ...
Tena ho resiny isika RBNIR raha miova fo izy fa izy efa mahalala zavatra maro anaty baoboly an! :)
Izy ary hono efa mandre ny feony nefa Jesoa nilaza hoe ny ondriko mandre ny feoko, zany hoe efa ondriny izy zany fa tsy mahalala. :)
28. rhaj0 ( 07/01/2020 15:12)
mampivanitika mihintsy 'le zalahy 'reto... izany ihany no iverenana eto ee :-)

Asa ho'a inona no tsy azonareo @ teny hoe Atheist
Sy koa ny hoe, On a le droit (sa moa le devoir) de se moquer des religions (hozy ilay PM kebany aty izay)

Raha tsy mampihomehy ny eto dia efa tsy teto aho :-)
29. gasy1zay ( 07/01/2020 15:51)
Hay ve mapme e! Ka rhaj0 milaza fa sorena, tsy loza anie zany ilay izy fa mapme e
30. rhaj0 ( 07/01/2020 16:59)
Loza dia LOZa tokoany ilay izy, fa tsy hita fa tsy manana controle @ hadalan'ny olona ny tenabe (ny an'i Trump ohatra, na koa i RBNIR mikapa 1/10, na koa i Gasy1zay self-righteous), ka dia atao izay ihomehezana @ ilay izy sisa (moquerie sy ironie)... ary dia mivanitika gilady mihintsy aho ato (matetika) :-)

Sa tsy izany no atao(ko) eto? :-)
31. gasy1zay ( 07/01/2020 17:02)
Za nga moa mahita zay ataonao ao rhaj0? Fa zay hoa le fahalalahana e!
32. rhaj0 ( 07/01/2020 17:50)
Tena tsy mba nobitsihin'i Jesosy ve kosa ianao ry Gasy1zay?

Tsy voatery hoe misy feo, fa hotry ny (misy) manosika anao "hahalala" HONO Izy ee... :-)
33. gasy1zay ( 07/01/2020 18:20)
Ny henoko ve no tianao ho fantatra? Tiany hono ianao rhaj0 a!
34. rhaj0 ( 07/01/2020 20:04)
Ity kisary

Ameo sarinao hoe ry Gasy1zay, dia lazao koa hoe, inona no nobitsihin'i Jesosy anao ao, fa azo photoshop-er-na miaraka @ ireto mpandainga ireto koa izany ianao?
35. RBNIR ( 08/01/2020 05:44)
Samy hafa mihitsy ny hoe Fanahy Masina maniraka sy mandidy...

Tahaka ity voasoratra anaty baiboly ity : « Dia hoy ny Fanahy tamin'i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin'io kalesy io. » (Asan'ny Apostoly 8:29)

Tsy hoe manonofy na mahita fahitana fa mandray teny mivantana ilay olona avy amin'ny Fanahy Masina...

sy ilay lazain'i gasy1zay eto hoe tarihin'ny Fanahy Masina (io no no mahatonga an'ireo olona eo ambony ireo hiteniteny foana otran'io).....Tsy misy Fanahy Masina haniraka olona handeha hiady sy hamono olona izany mihitsy.....
Ny sainy no "mihevitra fa hoe tarihin'ny Fanahy Masina izy" dia lazainy fa tena ilay Fanahy Masina na koa hoe Jesosy na koa Andriamanitra no marika azy.

Ny hahafantarana fa iraka mivantana avy amin'i Jehovah marina (na avy amin'i Jesosy na ny Fanahy Masina) dia ity irery ihany...

« Raha miteny amin'ny anaran'i Jehovah ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka, dia teny izay tsy nolazain'i Jehovah izany: tamin'ny fahasahisahiana no nilazan'ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy. » (Deotoronomia 18:22)

Izay no tena mahasaro-pady be an'ilay resaka hoe tarihin'ny Fanahy Masina mihevitra ilay olona fa ny ataony dia mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra nefa ny mifanohitra amin'izay matetika no misy (ny fiheviny no lazainy fa fihevitr'Andriamanitra)....
36. RBNIR ( 08/01/2020 05:55)
ireo olona ireo dia nilaza fa tena nisy arme de destruction massive tao Irak....(raha tena ny Fanahy Masina izay mahita ny miafina rehetra marina tokoa no naniraka azireo dia tokony ho hita ilay arme de destruction massive tao irak...

Tandremo fa bdb ankehitriny no diso hevitra amin'io resaka tarihin'ny Fanahy Masina io

Ny sainy no"mihevitra fa hoe saina avy amin'ny Fanahy Masina ity" dia avy dia lazainy fa i JEsosy no niteny taminy na koa Andriamanitra ary dia iny no hanamarinany ny zavatra ataony....
Na koa mivondrona ho antokon'olona mpivavaka maromaro izireo dia avy eo mamoaka teny fa hoe misy fitarihan'ny Fanahy Masina ity.... Izao no vokany tsarain'ny tsy mpino satria miharihary loatra ilay tsy fahamarinana.....
37. RBNIR ( 08/01/2020 06:43)
https://fr.wikipedia.org/wiki/Armes_de_destruction_massive_en_Irak

Ny kristiana dia tokony olona marina mahitsy, tsy mpanendrikendrika tsy mpandainga (rehefa tsy naniraka anao ny Fanahy Masina aza miteny mihitsy amin'ny Anaran'Andriamanitra)....
38. rhaj0 ( 08/01/2020 12:50)
Ka i G W Bush anie baorina againina toa an'i Gasy1zay ry RBNIR ee...
HOtr'izany ny fomba fisainan'ny baorina againina: tonga dia akapony ho hoe, i JEsosy HONO no niteny azy, nefa ny eritreritrany IRERY ilay izy.
Io izao sirika be fa hoe, inona koa no idiran'i Jesosy t@ io ady ao Irak io. Koa na i RBNIR aza vaky vava. Dia ny anaran'i Jesosy no afa-baraka.


Dia ny an'i TOny Blair, hoe "mivavaka" HONO izy, toa an'i RBNIR io, dia ny "valim-bavaka" izany no nanoro azy ny hiady na tsy hiady @ Irak?? Tsy ny eritreratrany IRERY tao ve no nahatapa-kevitra aminy tao?
Aty aoriana io, dia hita io ny vokany, ary dia mazavabe fa tena stisy idiran'Atra na Jesosy @ izany


Dia ny an'i Hillary dia hoe, ilay "namana imazinera" t@ fahazazany, dia mbola manaraka (sy manoro) azy, izy efa viavy lehibe io? Dia eritreritrany IRERY ao no akapony hoe, resak'ilay "namana imazinera".


Koa na i Theresa May azany, dia satria izy manana ity "faith in God" HONO, minou fotsy, dia resy lahatra fa izay ataony (rehetra) dia marina.
Koa naninona no voadaka avy t@ sezany raha nanao ny marina tokoany?


Dia eritrereto tsara ao eee.. karazana Kristiana inona ianao???
Tony, sa George, sa Hillary, sa Theresa??
39. RBNIR ( 08/01/2020 13:35)
Mampalahelo tokoa aloha fa betsaka no tsy mahalala ny tena dikan'ilay hoe fahateraham-baovao ny kristiana....

Misy koa voafitak'ilay teny hoe kristy efa velona ao anatiny dia heveriny hoe izay rehetra eritreretin'ny sainy dia saina avy amin'i Kristy avokoa.....

Fitaka avy amin'ny devoly daholo izany ary ny tanjony dia ny hanaratsiana ny kristiana sy ny finoana kristiana....(toy ireo ambony ireo)...

Fa efa tonga hoy aho kristy mampianatra ankehitriny ilay tena fampianarana tsy misy kilema...raha mangetaheta ianao dia araho fa hazava aminao ny zavatra rehetra....
Ary hanitsy izany diso rehetra rehetra izany no nahatongavany satria efa tena akaiky dia akaiky ny farany....
40. rhaj0 ( 08/01/2020 20:22)
RBNIR:
betsaka no tsy mahalala ny tena dikan'ilay hoe fahateraham-baovao ny kristiana....

Tsy MITSARA ny namanao Kristiana ve ianao eto io ry RBNIR?
Tsy "mitsaratsara" ve ny manoritra fa "(tsy) mahalala" ilay ranamana?

Hozy Ralarosy:
Juger = Porter sur quelqu'un, quelque chose un jugement de valeur : On juge les hommes d'après leurs actes. On l'a jugé incompétent.

Ka raha lazainao RBNIR fa "tsy mahalala" na incompetent ohatra ny Namanao kristiana ao, dia MITSARA azy izany ianao.


Fa dia ao nareo izany eee :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4288