You are here: home > Forum

MANDALO DIA MIRARY SOA E!!!

Lohahevitra : Firariantsoa, Fankaherezana
Fitohizan'ny hafatra : MANDALO DIA MIRARY SOA E!!!
Valiny : 2
midrou - 03/11/2019 18:30
Mandalo dia mba mirary soa e,samia mazoto @ izay rehetra hatao avokoa,namana isany a!!!!!



Mahereza daholo...
Valio | Miverina eny ambony
midrou - 03/11/2019 19:54
~MBOLA HIVALY NY~ ~NATAO~



Izay kely mba fantatro
Dia hambarako aminao
Tsy izay sarotra tsy takatro
Mety koa aza tsy ho sahazanao

Raha tonokalo mantsy no hatao
Na hevitra no ampiadiana
Dia tena tsoriko aminao
Tsy manana aho,aleo mangina

Fa teny tsotra sady fohy
No hatsipy ka zaraina
Raha ny ady mbola hitohy
Koa mazotoa f'aza malaina

Izay vitanao androany
Tsy ho foana,aoka ho fantatrao
Ka saody mba hampitomany
Dia atsaharo dieny izao

Mba itodio ireo lasa
Dia anontanio ny tenanao
Hoe:saody mba ho lasa latsa
Izao zavatra ekeko izao


MAEREZA DAHOLO E!
Valio | Miverina eny ambony
hery - 04/11/2019 18:56
Misaotra e.

Mandalova matetika dia jerijereo ny hafatra
Valio | Miverina eny ambony