Dia hoe ...

361. gasy1zay ( 14/01/2020 21:14)
Ny ran'i Jesoa no resahina eo RBNIR fa tsy batisa a! Ny ran'i Jesoa no manadio anao fa tsy ny ranon'ny batisa, batisa dia fanehoana ivelany fotsiny hoe miaramaty aminy ny fahotanao, noho ianao voadion'ny ran'i Jesoa dia afaka mandray ny FM, ny herin'ny FM no ahafahanao mandresy ny ota fa tsy ny batisa raha tsy hoe batisan'ny FM angaha no tianao ho ambara?
362. rhaj0 ( 14/01/2020 22:21)
Tena tsy mety azoko mihintsy hoe, fa maninona no nororitina ny elastika, ary ahoana ny lojikany:

-- nahantona teo @ ilay lakroa I Jesosy, satria voampanga (ary voaheloky ny fitsaram-bahoaka) fa (nitady) nanakorontana ny filaminam-bahoaka.
Nilaza i Jesosy fa izy hono no zanak'Andrmntra. Fa tsy nanaiky an'izany fiaraha-monina, na ny deban'ny Sinagoga tao, dia ireo mpisorona lehibe izany.
Ka izay no lalanan'ny tany moyen-orient de l'an zero t@ izany, dia izay izany, nahantona Izy.

-- dia inona no idiran'ny "fanadiovana ny otaNAO ao" @ izany ry Gasy1zay?
Ny ran'i Jesosy nilatsaka tatsy Jerosalema t@ l'an zero ve... dia pouh pouh pouh.. dia mamafa ny ota sy helokao Gasy1zay, ao Dago @ taona 2020??

Tena tsy mety azoko mihintsy fa mba hazavao hoe ry Gasy1zay, na izay namana kristiana eto.
363. RBNIR ( 15/01/2020 06:31)

gasy1zay:

Ny ran'i Jesoa no resahina eo RBNIR fa tsy batisa a! Ny ran'i Jesoa no manadio anao fa tsy ny ranon'ny batisa, batisa dia fanehoana ivelany fotsiny hoe miaramaty aminy ny fahotanao, noho ianao voadion'ny ran'i Jesoa dia afaka mandray ny FM, ny herin'ny FM no ahafahanao mandresy ny ota fa tsy ny batisa raha tsy hoe batisan'ny FM angaha no tianao ho ambara?

Izay ilay secret mbola tsy fantatrao gasy1zay....raisina amin'ny ranon'ny batisa ny ran'i Jesosy...

Izay no dikan'ity zavatra nitranga teo amin'ny hazo fijaliana ity....« Fa ny miaramila anankiray nandefona ny lanivoany, ary niaraka tamin'izay dia nisy rà sy rano nandeha. » (Jaona 19:34)
Nisy rà sy rano nandeha...

Ankehitriny dia efa tsy eo intsony ny ràn'i Jesosy ary raha nisy aza voatahiry tsy ho ampy velively hanadiovana ny olona rehetra hovonjena....

Raisina amin'ny alalan'ny rano ilay rà = batisan'ny rano...eo ihany no ampiasana rano ....ary mba hampanankery azy ho toy ny ràn'i Jesosy dia mila fahefana avy any an-danitra rehefa hanao batisa..;

Ity no porofo fa ilay batisa marina tokoa no (ilay rà) fanesorana ilay ota ao anaty ao...

« Ary ankehitriny inona no mampijanona anao? Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa ianao ka hosasana ho afaka amin'ny fahotanao. » (Asan'ny Apostoly 22:16)

Aoka hatao batisa......ho afaka amin'ny fahotanao....
364. RBNIR ( 15/01/2020 07:32)
rhaj0:

Tena tsy mety azoko mihintsy fa mba hazavao hoe ry Gasy1zay, na izay namana kristiana eto.

Ovay ilay fijery hoy aho! aoka famonjena ny fanahinao no antony hitadiavanao ny marina fa tsy hoe entinao hitsikerana na koa hanaratsiana ny finona kristiana...

Dia hanomboka hazava aminao amin'izay ilay izy.....
365. rhaj0 ( 15/01/2020 13:11)
RBNIR:
...entinao hitsikerana na koa hanaratsiana ny finona kristiana...

Fanontaniana tsotra dia tsotra, mangataka fanazavana ny "tsianjery" (kristiana) no ataoko, k'inona no mahakodikody anao ao ry RBNIR aa...

Koa raha "ratsy" ny fandehany ry RBNIR, dia aza mba izaho ho'a no enjehinao RBNIR lava eto, fa hatreho izay "ratsy" ao izao eee...

Dia valio ny fanontaniana ry RBNIR, fa raha nahazo "fahazavana" maimaim-poana ianao, dia ampazahoy "maimaim-poana" koa ny mpokona ee...
(efa nakisako tatsy io, fa dia any amena ny fanazavana. Misaotra)
366. RBNIR ( 15/01/2020 20:50)
efa tenenina ianao fa raha tianao ho azo ilay resaka dia mila mino aloha ianao....raha tsy izany dia tsy ho azonao mihitsy ny fifandraisany....sa mbola te hanaporofo indray koa ianao fa tsy tokony hifandraisany ireo???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2111