Dia hoe ...

341. gasy1zay ( 08/01/2020 13:49)
Izaho aloha ry kristianq namana dia tsoriko fa ny toriteny henoko rehetra dia amariniko amin'ny voasoratra anaty baiboly fa tsy hoe izy no pasitera mpitondra dia ho marina daoly zay ambarany, ny olombelona manana ny fahalemeny daoly
342. RBNIR ( 08/01/2020 13:50)
Aza hovaina ny resaka RBNIR a, diso ve hoa sa tsia ny nambaranao fa tsy maintsy misy feo heno an'Andriamanitra na Jesoa na FM maniraka vao afaka manao batisa? Rehefa diso dia mba miaiky fa aza mijanona @ fampinarandiso fa mamitaka olona

Averiko ihany gasy1zay raha ny baiboly no vakiana hoy aho dia ny olona rehetra manao batisa ao dia nandray baiko avy amin'Andriamanitra (Ray, na Zanaka na FM) na olona manana ny fahefan'ny lanitra...

Tsy misy mihitsy ao olona iray avy dia nanao batisa nefa tsy nandray baiko mivantana farafaharatsiny nandray baiko (commande) avy amin'ny olona (toa an'i petera) nomena fahefan'ny lanitra ilay olona manao batisa ao anaty baiboly....

Tahaka an'i filipo, izay voairaky ny FAnahy Masina....Izany tsy midika hoe lasa mpanao batisa i filipo fa occasionnelle ny tranga otran'ireny...

Tsy misy mihitsy ao anaty baiboly olona iray avy dia nanao batisa satria nahatsapa izy fa tokony hanao batisa (tsy nandray baiko na ordre na commande)...

Ny an'i paoly hoy aho dia marina fa ny missiony tsy hoe hanao batisa nefa izy miresaka amin'ny Fanahy Masina foana, ary azo antoka tsy maintsy nahazo alalana tamin'ny FM izy nanao ireo batisa vitany ireo....izany hoe occasionnelle ny tranga teo....

Ary na io tenin'i paoly io aza tokony hahatonga saina hoe Kristy tsy naniraka ahy hanao batisa....

Matoa paoly niteny tahaka izany dia nisy izany olona nirahin'i Kristy manokana hanao batisa....
343. RBNIR ( 08/01/2020 13:55)

gasy1zay:

Izaho aloha ry kristianq namana dia tsoriko fa ny toriteny henoko rehetra dia amariniko amin'ny voasoratra anaty baiboly fa tsy hoe izy no pasitera mpitondra dia ho marina daoly zay ambarany, ny olombelona manana ny fahalemeny daoly

Toe-tsaina tsara io ary kristy aza nilaza mihitsy hoe 1Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa zahao toetra ny fanahy raha avy amin'Andriamanitra na tsia; satria maro ny mpaminany sandoka efa miely amin'izao tontolo izao. (1 Jao.1:4)

Nefa koa aoka hanana saina malalaka tsara fa tsy manao toy ny sasany , na dia hita fa efa mazava sy marina aza dia hezahina hotoherina hatrany hanamarinana ny toerana misy azy....
344. gasy1zay ( 08/01/2020 14:43)

RBNIR:

Aza hovaina ny resaka RBNIR a, diso ve hoa sa tsia ny nambaranao fa tsy maintsy misy feo heno an'Andriamanitra na Jesoa na FM maniraka vao afaka manao batisa? Rehefa diso dia mba miaiky fa aza mijanona @ fampinarandiso fa mamitaka olona

Averiko ihany gasy1zay raha ny baiboly no vakiana hoy aho dia ny olona rehetra manao batisa ao dia nandray baiko avy amin'Andriamanitra (Ray, na Zanaka na FM) na olona manana ny fahefan'ny lanitra...

Tsy misy mihitsy ao olona iray avy dia nanao batisa nefa tsy nandray baiko mivantana farafaharatsiny nandray baiko (commande) avy amin'ny olona (toa an'i petera) nomena fahefan'ny lanitra ilay olona manao batisa ao anaty baiboly....

Tahaka an'i filipo, izay voairaky ny FAnahy Masina....Izany tsy midika hoe lasa mpanao batisa i filipo fa occasionnelle ny tranga otran'ireny...

Tsy misy mihitsy ao anaty baiboly olona iray avy dia nanao batisa satria nahatsapa izy fa tokony hanao batisa (tsy nandray baiko na ordre na commande)...

Ny an'i paoly hoy aho dia marina fa ny missiony tsy hoe hanao batisa nefa izy miresaka amin'ny Fanahy Masina foana, ary azo antoka tsy maintsy nahazo alalana tamin'ny FM izy nanao ireo batisa vitany ireo....izany hoe occasionnelle ny tranga teo....

Ary na io tenin'i paoly io aza tokony hahatonga saina hoe Kristy tsy naniraka ahy hanao batisa....

Matoa paoly niteny tahaka izany dia nisy izany olona nirahin'i Kristy manokana hanao batisa....

Dia aona ny mikasika an'i Apolosy sy Barnabasy? Taiza izy no nahazo baiko misy feo heno ( voix audible)

Ka io ambaranao mikasika an'i Paoly io anie le lazaiko aminal RBNIR hoe rehefa tarihin'ny FM ianao dia mahalala ny tokony ho ataonao fa tsy miandry feo ren'ny sofina zany e
345. rhaj0 ( 08/01/2020 16:08)
gasy1zay:

Izaho aloha ry kristianq namana dia tsoriko fa ny toriteny henoko rehetra dia amariniko amin'ny voasoratra anaty baiboly fa tsy hoe izy no pasitera mpitondra dia ho marina daoly zay ambarany, ny olombelona manana ny fahalemeny daoly

Ary ahoana ny "fahalemena" (ara-tsaina sy ara-pahalalana) an'ireo "nanoratra" ny baiboly?

Hainao tsara izao ry Gasy1zay, fa ohatra I Paoly, ilay Saoly-mpanenjika-Kristiana-taloha-fa-nijapy-train-dia-ni-institutionaliser-ny-fikapana-1/10, dia tena manana ny "fahalemeny" (ara-honesty), ary ny nataony dia ny manakapokapoka izay eritreritrany IRERY ho hoe, tenin-Jesosy.

Hainao ny "fahalemena" (ara-pahalalana) an'ireo nanoratra izao tantara izay kely dia kely ny fitombenany ao @ baiboly ao, manomboka @ saha edena sy ny helo sns satria tsy mahalala an'i Kilimanjaro.. na koa ny Arka Noah mahazaka species amina-million, h@ ny resaka virijiny miteraka, ...

Dia ahoana koa ny "fahalemena" (ara-pahalalana) an'i Gasy1zay, izay TSY nahavaky akoriny ny Baiboly iray manontolo, ka tsy mahita izay resaka rehetra mifanipaka ao ?
346. gasy1zay ( 08/01/2020 17:35)
rhaj0 > azafady re rhaj0 fa tena tsy voaray ao anatin'io remarqueko io ise fa hoan'ny kristiana namana ihany io, sarotra be ny hiady hevitra hoe marina sa tsia ny baiboly, mino ianao rehefa kristiana, tsy mino ianao rehefa tsy kristiana dia zay, tsisy bedy e!
347. rhaj0 ( 08/01/2020 17:57)
ok.. mivoana marina ny resako. Azafady ee..

Fa mahavariana ahy ihany ilay lojikan'i Gasy1zay, hoe:
"tsy hoe izy no pasitera mpitondra dia ho marina daoly zay ambarany"

Ka raha ny kely takatro anefa, dia mba nandinika lalina ilay Baiboly ihany kosa Rapasy, ary izy moa matihanina @ io, ka dia mety tao izy 7/7j ary 24/24h, nefa dia, hozy i Gasy11zay hoe:
"tsy (...) ho marina daoly zay ambarany"

Dia mifototra aminao anie ny resakao ry Gasy1zay ee... ny anao koa izany dia "tsy (...) ho marina daoly zay ambarany", ary n'izan'iza mpamaky Baiboly koa izany, araka ny lojikanao Gasy1zay, dia "tsy (...) ho marina daoly zay ambarany"

Ka dia ao izany nareo Kristiana ee... Nefa anie ilay "certitude" sy tsy fisian'ny "doute" iny mihintsy no manetsika ny (finoana) kristianisma.

Fa dia tsara dia tsara ny anao ry Gasy1zay, fa dia torio (@ feo) mafy ho ren-tany ren-danitra ee... :-)
serieux ee... ary bravo Gasy1zay :-)

[size=5]hi hi hi... efa toatoan'ny lasa akaikin'ny agnostique ve izany i Gasy1zay? Sa mbola mino beuh ihany, fa mametraka baraingo foana fotsiny @ izay? Tandremo kely fa rehefa be baraingo, fa tsy minou fotsy, dia MANOTA ny dikany an...[/size] :-)
348. gasy1zay ( 08/01/2020 19:00)
rhaj0 > inona moa no ahazoana famonjena? Tsy ny finoana ve? Ka aminao ve zany finoana zany zavatra efa tsy azo iandiankevitra intsony fa eken'ny be sy ny maro fa "certain"?

Izay no antony hoe misy pas de foi ataonao hino na dia "tsy misy porofo" aza satria mino ianao fa Andriamanitra lehibe ary tsy takatry ny sainao ny heriny sy ny fahalalany, aminao mety impossible sy incomprehensible ary mapme anao mintsy aza fa aminy miteny izy dia tanteraka :)

349. RBNIR ( 09/01/2020 12:37)
Raha mampianatra zavatra diso aloha dia heloan'i Kristy e!
Fampianaran-diso no iantsony azy......
Ka tokony mba mieritreritra ihany marina i gasy1zay raha ohatra ny pasiteranareo ka efa namafy zavatra diso 1 na maromaro tao an.....
350. gasy1zay ( 09/01/2020 16:18)
Tsara rehefa mahatsapa ianao RBNIR fa tokony hiala rehefa tratry ny fampianarandiso, izaho aloha tsy mivavaka any @ ilay fiangonana nambaraka io intsony noho ny antony maro fa ianao izao no tokony hiaiky fa diso pasitera Nirina

Tena gaga be aho amin'ny filazanao hoe manantena hahazo trano 100 zany izy :)
351. RBNIR ( 09/01/2020 19:55)
gasy1zay:

Dia aona ny mikasika an'i Apolosy sy Barnabasy? Taiza izy no nahazo baiko misy feo heno ( voix audible)

Ka io ambaranao mikasika an'i Paoly io anie le lazaiko aminal RBNIR hoe rehefa tarihin'ny FM ianao dia mahalala ny tokony ho ataonao fa tsy miandry feo ren'ny sofina zany e

Ny an'i paoly efa nazavaina fa azo antoka fa tahaka an'i filipo dia nahazo baiko occasionnel izy hanao batisa.
ny an'i apolosy sy barnabasy mba asio toko sy andininy mazava raha mety.....
352. gasy1zay ( 10/01/2020 03:00)
1 Cor : chap 1

12 Je veux dire que chacun de vous parle ainsi : Moi, je suis de Paul ! et moi, d'Apollos ! et moi, de Céphas ! et moi, de Christ ! 13 Christ est-il divisé ? Paul a-t-il été crucifié pour vous, ou est-ce au nom de Paul que vous avez été baptisés ? 14 Je rends grâces à Dieu de ce que je n'ai baptisé aucun de vous, excepté Crispus et Gaïus, 15 afin que personne ne dise que vous avez été baptisés en mon nom. 16 J'ai encore baptisé la famille de Stéphanas; du reste, je ne sache pas que j'aie baptisé quelque autre personne

taiza no nisy Jesoa nampianatra an'i Apollos mivantana? nefa izy io dia manao asa mitovy an'i Paoly sy Petera

toy izany koa i Barnabasy, jereo tsara fa niaraka niasa t@ Paoly izy efa ela, nisy Jesoa nampianatra azy manokana ve sa ny mpianatra no nampianatra azy? ary efa nanao asa izy vao nitranga ito :

1 Or il y avait à Antioche, dans l'assemblée qui était là, des prophètes et des docteurs: et Barnabas, et Siméon, appelé Niger, et Lucius le Cyrénéen, et Manahen, qui avait été nourri avec Hérode le tétrarque, et Saul. 2 Et comme ils servaient le Seigneur et jeûnaient, l'Esprit Saint dit: Mettez-moi maintenant à part Barnabas et Saul, pour l'oeuvre à laquelle je les ai appelés.

ka iza nampianarin'i Jesoa ihany ve no manao ny asa nampanirahiny sa tsia?
353. RBNIR ( 10/01/2020 13:21)

Andraso aloha mbola batisa aloha no resahintsika gasy1zay fa aza afangaro mihitsy....
Mety hoe izaho v no tsy mahay teny frantsay tsara sa??? tsy misy resaka mihitsy eo hoe apolosy sy barnabasy nanao batisa??? satria mbola batisa hatrany aloha no resaka an!

Hoy aho hoe raha ny baiboly no vakiana dia ny olona rehetra nanao batisa ao dia tsy hoe nahatsapa ny tenany izy hoe notarihan'ny FM hanao batisa fa nandray baiko mivantana avy tamin'Andriamanitra (Ray na Zanaka na FM) na avy amin'ny olona nomena fahefan'ny lanitra daholo ....
354. gasy1zay ( 10/01/2020 16:57)
RBNIR > ka vakio tsara ilay resaka fa nizarazara ireo kristiana tao korinto zay an'i Paoly, apolosy sefasy sns... ohatrany ireo fiangonana ankehitriny milaza hoe ny fiangonanay no marina, ny batisanay no marina nefa i Paoly milaza hoe tsy natao batisa t@ anaran'i Paoly nareo fa @ anaran'i Jesoa Kristy, tsy important hoe iza no nanao batisa anao na i Paoly na Apolosy na petera fa hoe natao batisa @ anaran'i Jesoa Kristy ve ianao hiditra ilay tena Fiangonana tesahina @ lohahevitra atsy
355. RBNIR ( 12/01/2020 04:07)

Namaky tsara aho fa tsy izany no ao gasy1zay...

356. RBNIR ( 12/01/2020 04:14)
Fampianarana no nataon'i apolosy ary tena nahay nampianatra tsara izy satria sady nahay nandahatra teny no nahay soratra masina...Izay no nahatonga azy ho be mpanaraka...dia izay no nahitsin'i paoly fa tsy hoe nanao batisa ihany koa i apolosy sy barnabasy....

Lasa nisy antoko 2 ireo tia ny fampianaran'i paoly, sy ireo tia ny fampianarana nataon'i apolosy nefa raha ny marina miaramiasa ireo fa tsy afaka sarahina...

« Ary tonga tany Efesosy ny Jiosy anankiray atao hoe Apolosy, izay teraka tany Aleksandria, lehilahy nahay nandaha-teny sady nahery tamin'ny Soratra Masina. » (Asan'ny Apostoly 18:24)
357. gasy1zay ( 13/01/2020 14:05)
Mba lojika ve zany eritreritrao zany ry RBNIR, jereo tsara fa izay rehetra niova fo dia tonga dia natao batisa :ireo 3000 t@ pentekoty, ilay tandapa etiopiana, kornelio ... ka ireo korintiana na kristiana nampianarin'i apolosy koa dia torak'izay fa tsy nisy hoe miandry zany vao atao batisa.
358. RBNIR ( 13/01/2020 21:29)
ireo 3000 vakio tsara fa nisy asan'ny FM mahery vaika tao ary naminany ny ankamaroan'ny olona (azo antoka nandidy ny olona hanao batisa ny FM) tahaka ny FM nandidy an'i filipo hanantona ilay tandapa etiopiana.....occasionnelle toy ny an'i paoly ireny tsy ferana...apolosy sy barnabasy hoy aho tsy voasoratra hoe nanao batisa mihitsy...
359. RBNIR ( 14/01/2020 06:24)
gasy1zay, i jaona mpanao batisa dia nanana mpianatra maro nanaradia azy, nefa milaza ianao raha mahita fa nanao batisa ireo mpianatra ireo...

Ny antony? « Ny batisan'i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin'ny olona? Valio Aho. » (Marka 11:30)

Batisa avy any an-danitra no takiana (olona nahazo fahefana avy any an-danitra ihany no tokony manao batisa)

Fantatr'ireo olona ireo tsara izany ka hoy izireo hoe:
« Ary izy ireo niara-nisaina ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana ary no tsy nino azy ianareo? » (Marka 11:31)
« Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin'ny olona, natahotra ny olona izy, satria neken'ny olona rehetra fa mpaminany tokoa Jaona. » (Marka 11:32)
« Dia namaly an'i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao. » (Marka 11:33)
360. RBNIR ( 14/01/2020 07:57)
tadidio hoy aho fa misy "hery" andrasana amin'ilay batisa mba hanova ny ao anatin'ilay olona...

1 fanesorana ny ota...

« Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra* ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy. [* Na: hitondra] » (1 Jaona 3:5)

« Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran'ombilahy sy ny ran'osilahy. » (Hebreo 10:4)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4101